< 5 Mose 11 >

1 Monnɔ Awurade mo Nyankopɔn na munni nʼapɛde, ne mmara ne nʼahyɛde so bere nyinaa.
Ary tiava an’ i Jehovah Andriamanitrao, ka tandremo mandrakariva Izay asainy hotandremana, dia ny lalàny sy ny fitsipiny ary ny didiny.
2 Nnɛ, muntie, sɛ ɛnyɛ mo mma na wonyaa osuahu, huu Awurade, mo Nyankopɔn no nteɛso, ne tumi, ne basa kɛse, ne nsa a wateɛ mu;
Ary aoka ho fantatrao anio, fa izaho tsy miteny amin’ ny zanakareo izay tsy nahalala na nahita ny famaizan’ i Jehovah Andriamanitrareo sy ny fahalehibiazany sy ny tànany mahery sy ny sandriny nahinjitra
3 nsɛnkyerɛnne a ɔyɛe ne nneɛma a ɔyɛɛ wɔ Misraim pɛɛ maa bi kaa Misraimhene Farao ne ɔman mu no nyinaa no;
sy ny famantarany sy ny asany, izay nataony tany Egypta tamin’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, sy ny taniny rehetra,
4 dwuma a odii Misraim asraafo, wɔn apɔnkɔ ne wɔn nteaseɛnam no; sɛnea ɔmaa Po Kɔkɔɔ yiri faa wɔn bere a wɔtaa mo no ne sɛnea Awurade sɛee wɔn bere a wɔtaa mo no; ne sɛnea Awurade de ɔsɛe a to ntwa baa wɔn so no.
sy izay nataony tamin’ ny miaramilan’ ny Egyptiana sy ny soavaliny ary ny kalesiny, dia ny nanasaforany azy tao amin’ ny Ranomasina Mena, raha nanenjika anareo Izy, dia voaringan’ i Jehovah mandraka androany,
5 Ɛnyɛ mo mma na wohuu nea ɔyɛ maa mo wɔ sare so hɔ de kosii sɛ mubeduu ha yi;
ary izay nataony taminareo tany an-efitra, hatramin’ ny nahatongavanareo teto amin’ ity tany ity,
6 ne nea ɔde yɛɛ Eliab a na ɔyɛ Rubenni no mma Datan ne Abiram bere a ɔmma asase buee nʼanom wɔ mo Israelfo no anim menee wɔn ne wɔn afi ne wɔn ntamadan ne biribiara a na ɛyɛ wɔn agyapade a nkwa wɔ mu no.
ary izay nataony tamin’ i Datana sy Abìrama, zanak’ i Eliaba, zanak’ i Robena, teo amin’ ny Isiraely rehetra, dia izay nisokafan’ ny tany sy nitelemany azy mbamin’ ny ankohonany sy ny lainy ary ny zava-manan’ aina izay nomba azy;
7 Mmom, ɛyɛ mo ankasa mo ani na mode ahu saa nneɛma akɛse a Awurade ayɛ yi nyinaa.
fa ny masonareo efa nahita ny asa lehibe rehetra izay nataon’ i Jehovah.
8 Enti munni mmara a merehyɛ mo nnɛ yi nyinaa so sɛnea ɛbɛyɛ a mubenya ahoɔden akɔfa asase a morebetwa Yordan akɔ so akɔfa yi,
Koa tandremo ny lalàna rehetra izay andidiako anareo anio, mba hahery ianareo, dia hiditra handova ny tany izay efa halehanareo holovana;
9 na mo nna aware asase a nufusu ne ɛwo sen wɔ so a Awurade kaa ntam kyerɛɛ mo agyanom sɛ ɔde bɛma wɔn ne wɔn asefo no so.
ary, mba ho maro andro ianareo amin’ ny tany izay nianianan’ i Jehovah tamin’ ny razanareo homena azy sy ny taranany, dia tany izay tondra-dronono sy tantely.
10 Asase a morekɔ so akɔfa no nte sɛ Misraim asase a mufi so bae no a na mudua nnɔbae a mode mo nan twa suka te sɛnea moyɛ atomude turo no.
Fa ny tany izay efa hidiranao holovana dia tsy mba tahaka ny tany Egypta, izay nivoahanareo, izay namafazanao ny voan-javatrao sy nandeman’ ny tongotrao rano azy tahaka ny fambolen’ anana.
11 Na asase a moretwa Yordan akɔfa no yɛ mmepɔw ne abon a enya osu a efi ɔsoro.
Fa ny tany izay efa halehanareo holovana dia tany be tendrombohitra sy lohasaha sady mifoka rano avy amin’ ny ranonoran-danitra,
12 Ɛyɛ asase a Awurade, mo Nyankopɔn no, ani wɔ ho. Daa Awurade, mo Nyankopɔn, ani wɔ so fi afe no mfiase de kosi nʼawie.
dia tany izay tandreman’ i Jehovah Andriamanitrao; ny mason’ i Jehovah Andriamanitrao mitsinjo azy mandrakariva hatramin’ ny fiandohan’ ny taona ka hatramin’ ny fiafarany.
13 Sɛ mufi nokwaredi mu di mmara a merehyɛ ama mo nnɛ yi so sɛ mode mo koma ne mo kra nyinaa bɛdɔ Awurade, mo Nyankopɔn no, na moasom no a,
Ary raha hihaino tsara ny didiko izay andidiako anareo anio ianareo ka ho tia an’ i Jehovah Andriamanitrareo sy hanompo Azy amin’ ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra,
14 ɛno de, ɔbɛtɔ osu agu no asase so ne bere mu ama mo, na moatumi atwa mo awi, nsa foforo ne ngo.
dia halatsako eo amin’ ny taninareo ny ranonorana amin’ ny fotoany, dia ny loha-orana sy ny fara-orana, mba hanangonanao ny varinao sy ny ranom-boalobokao ary ny diloilonao;
15 Ɔbɛma mo sare pii na mo anantwi awe na mo nso mubedidi amee.
ary hampaniriko ahitra ny sahanao ho an’ ny biby fiompinao, ary hihinan-kanina ianao ka ho voky.
16 Monhwɛ yiye, anyɛ saa a wɔbɛtwetwe mo ama moakɔsom anyame afoforo na moakotow wɔn.
Kanefa mitandrema ianareo, fandrao ho voafitaka ny fonareo, ka hivily hanompo andriamani-kafa sy hiankohoka eo anatrehany ianareo;
17 Ɛno na ɛbɛma Awurade abufuw ahuru atia mo; na ɔbɛto ɔsoro mu, na osu rentɔ, na asase remmɔ aduan biara, na ɛrenkyɛ na moawuwu afi asase a Awurade de rema mo no so.
ary dia hirehitra aminareo ny fahatezeran’ i Jehovah, dia hanampina ny lanitra Izy, ka tsy hisy ranonorana, ary tsy hahavokatra ny tany; dia ho lany ringana faingana ianareo tsy ho eo amin’ ny tany soa izay omen’ i Jehovah anareo.
18 Enti momma me nsɛm yi ntim wɔ mo koma ne mo adwene mu. Momfa nkyekyere mo nsa sɛ nkae ade na momfa mmɔ abotiri.
Koa alatsaho ao amin’ ny fonareo sy ao amin’ ny fanahinareo izao teniko izao, ary fehezo ho famantarana eo amin’ ny tananareo izy, ka aoka ho fehy fampahatsiarovana eo ambonin’ ny handrinareo;
19 Monkyerɛkyerɛ mo mma na monka ho asɛm nkyerɛ wɔn bere a mote fie ne bere a monam akwan so; bere a modeda hɔ ne bere a mosɔre.
ary ampianaro ny zanakareo izany, ka resaho, na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha an-dalana, na mandry, na mifoha;
20 Monkyerɛw ngu mo afi apongua ne mo abobow ano apon so,
ary soraty eo amin’ ny tolam-baravaran’ ny tranonao sy eo amin’ ny vavahadinao izy;
21 sɛnea ɛbɛyɛ a, ɔsoro da so kata asase ani yi, mo ne mo mma nkwa bɛware wɔ asase a Awurade kaa ho ntam sɛ ɔde bɛma mo agyanom no so.
mba ho maro ny andronareo sy ny andron’ ny taranakareo eo amin’ ny tany izay nianianan’ i Jehovah tamin’ ny razanareo homena azy, toy ny faharetan’ ny lanitra ambonin’ ny tany.
22 Sɛ mudi ahyɛde ahorow a mede rema mo sɛ munni so; sɛ monnɔ Awurade, mo Nyankopɔn, nyɛ osetie mma no na munni no ni, yi so pɛpɛɛpɛ a,
Fa raha hitandrina tsara izao lalàna rehetra izao izay andidiako anareo ianareo ka manaraka azy ary ho tia an’ i Jehovah Andriamanitrareo sy handeha eo amin’ ny lalany rehetra sy hifikitra aminy,
23 ɛno de, Awurade bɛpam saa aman yi nyinaa wɔ mo anim, na mubetu aman a ɛsoso na wɔyɛ den sen mo no agu.
dia horoahin’ i Jehovah eo anoloanareo ireo firenena rehetra ireo, ary ianareo haharesy firenena maro, izay lehibe sy mahery noho ianareo.
24 Baabiara a mode mo anan betia no bɛyɛ mo de. Mo ahye bɛtrɛw afi sare so akosi Lebanon, na afi Asubɔnten Eufrate akosi Ntam Po no.
Ny tany rehetra izay hodiavin’ ny faladian’ ny tongotrareo dia ho anareo: hatramin’ ny efitra sy Libanona ary hatramin’ ny ony Eofrata ka hatramin’ ny ranomasina andrefana no ho fari-taninareo.
25 Obiara rentumi nsɔre ntia mo, efisɛ sɛnea Awurade, mo Nyankopɔn, ahyɛ bɔ no, ɔde mo ho huboa ne osuro bɛto asase no nyinaa so wɔ baabiara a mobɛkɔ.
Tsy hisy olona hahajanona eo anoloanareo, fa hataon’ i Jehovah Andriamanitrareo ho azon’ ny tahotra sy horohoro anareo ny tany rehetra izay hodiavinareo, araka izay nolazainy taminareo.
26 Hwɛ, nnɛ mede nhyira ne nnome resi mo anim;
Indro, Izaho mametraka fitahiana sy ozona eo anoloanareo anio:
27 sɛ mudi Awurade, mo Nyankopɔn, mmara a merehyɛ ama mo nnɛ yi so a, ɛbɛyɛ nhyira.
fitahiana, raha hohenoinareo ny didin’ i Jehovah Andriamanitrareo, izay andidiako anareo anio;
28 Na sɛ mopo Awurade, mo Nyankopɔn mmara dan fi nʼakwan a merehyɛ mo nnɛ yi so, kɔsom anyame afoforo a, ɛbɛyɛ nnome.
ary ozona kosa, raha tsy hohenoinareo ny didin’ i Jehovah Andriamanitrareo, fa hivily hiala amin’ ny lalana izay andidiako anareo anio mba haleha ianareo ka hanaraka andriamani-kafa izay tsy fantatrareo.
29 Na sɛ Awurade, mo Nyankopɔn, de mo du asase a morekɔ so akɔfa no a, monka nhyira nsɛm mfi Gerisim Bepɔw no so na monka nnome nsɛm nso mfi Ebal Bepɔw so.
Ary rehefa entin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao ka tafiditra any amin’ ny tany izay alehanao holovana, dia ny fitahiana no hotononinao eo an-tendrombohitra Gerizinia, ary ny fanozonana kosa eo an-tendrombohitra Ebala.
30 Sɛnea munim no, mmepɔw abien yi wɔ Asubɔnten Yordan agya wɔ atɔe fam, a ɛkyerɛ owitɔe na ɛbɛn More kwae wɔ Kanaanfo a wɔte Araba no asase so; faako a wɔn ani tua Gilgal no.
Tsy any an-dafin’ i Jordana va izy roa, any ankoatry ny lalana andrefana, amin’ ny tanin’ ny Kananita, izay monina eo amin’ ny tani-hay tandrifin’ i Gilgaly, eo anilan’ ny hazo terebintan’ i More?
31 Moreyɛ atwa Yordan akɔfa asase a Awurade, mo Nyankopɔn, de rema mo no. Sɛ mokɔfa saa asase no kɔtena so a,
Fa ianareo efa handeha hita an’ i Jordana ka hiditra sy handova ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrareo anareo, ary handova azy ianareo ka honina eo;
32 monhwɛ yiye na munni mmara ne ahyɛde ahorow a mede rema mo nnɛ yi no nyinaa so.
koa tandremo mba harahinareo ny didy rehetra sy ny fitsipika izay ataoko eo anoloanareo anio.

< 5 Mose 11 >