< 2 Beresosɛm 28 >
1 Ahas dii ade no, na wadi mfirihyia aduonu. Odii hene wɔ Yerusalem mfirihyia dunsia. Wanyɛ nea ɛsɔ Awurade ani sɛnea ne tete agya Dawid yɛe no.
Roa-polo taona Ahaza, fony izy vao nanjaka, ary enina ambin’ ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema; ary tsy mba nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah tahaka an’ i Davida rainy izy,
2 Mmom, ɔyɛɛ nea Israel ahemfo yɛe no bi, yɛɛ ahoni a wɔde som Baal.
fa nandeha tamin’ ny lalan’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izy sady nanao sarin-javatra an-idina ho an’ ireo Bala koa.
3 Ɔbɔɔ afɔre wɔ Hinom babarima bon mu, na mpo ɔde ne mmabarima bɔɔ afɔre wɔ ogya mu. Osuaa akyiwade a abosonsom aman no yɛe a nti Awurade pam wɔn fii asase no so ansa na Israelfo rekodu hɔ no.
Ary nandoro ditin-kazo manitra tao amin’ ny lohasahan’ ny taranak’ i Hinoma koa izy, ary ny zanany dia nodorany tamin’ ny afo, araka ny fahavetavetan’ ny jentilisa izay noroahin’ i Jehovah tsy ho eo anoloan’ ny Zanak’ isiraely.
4 Ɔbɔɔ afɔre, hyew nnuhuam wɔ abosomfi, mmepɔw so ne dua frɔmfrɔm biara ase.
Ary namono zavatra hatao fanatitra izy sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin’ ny fitoerana avo koa sy teny an-tampon’ ny havoana ary teny ambanin’ ny hazo maitso rehetra.
5 Ɛno nti na Awurade, ne Nyankopɔn, maa Aramhene kwan na odii Ahas so nkonim, twaa ne nkurɔfo bebree asu kɔɔ Damasko. Israel asraafo bebree nso dii Ahas so nkonim, kunkum nʼakofo no bebree nso.
Koa dia natolotr’ i Jehovah Andriamaniny ho eo an-tànan’ ny mpanjakan’ i Syria izy; dia namely azy ireo, ka betsaka no lasany ho babo ka nentiny tany Damaskosy. Ary natolony ho eo an-tànan’ ny mpanjakan’ ny Isiraely koa izy, dia namely mafy ka naharesy azy koa ireo.
6 Israelhene Peka, a ɔyɛ Remalia babarima de da koro kunkum Yuda asraafo no nnipa mpem ɔha aduonu, efisɛ na wɔapo Awurade, wɔn agyanom Nyankopɔn.
Fa Peka, zanak’ i Remalia, nahafaty olona roa alina sy iray hetsy indray andro tamin’ ny Joda, dia lehilahy mahery avokoa, noho ny nahafoizan’ ireny an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany.
7 Afei, Sikri, ɔkofo kɛse a ofi Efraim, kunkum Maaseia a ɔyɛ ɔhene babarima Asrikam, a ɔyɛ ahemfi so sahene ne Elkana, a ɔyɛ ɔhene sahene abediakyiri no.
Ary Zikry, lehilahy mahery tamin’ ny Efraima, namono an’ i Mahaseia, zanaky ny mpanjaka, sy Azrikama, mpanapaka ny trano, ary Elkana, izay nanarakaraka ny mpanjaka.
8 Israelfo asraafo kyekyeree mmea ne Yuda mmofra mpem ahannu, faa asade bebree, de kɔɔ Samaria.
Ary ny Zanak’ isiraely nahazo sambo-belona roa hetsy tamin’ ireo havany, dia vehivavy sy zazalahy sy zazavavy, ary nahazo babo betsaka taminy koa izy, dia nentiny tany Samaria ireny.
9 Na Awurade odiyifo a ne din de Oded wɔ Samaria hɔ bere a Israel asraafo san baa fie no. Okohyiaa wɔn ka kyerɛɛ wɔn se, “Awurade, mo agyanom Nyankopɔn, bo fuw Yuda, na ɔmaa mudii wɔn so nkonim. Nanso moayɛ ama aboro so dodo sɛ mode atirimɔden akunkum wɔn, ma ahaw ɔsoro nyinaa.
Ary nisy mpaminanin’ i Jehovah tao, Odeda no anarany, izay nivoaka hitsena ny miaramila, raha nankany Samaria, izy ka nanao taminy hoe: He! ny nahatezeran’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, tamin’ ny Joda no nanolorany azy ho eo an-tananareo, dia novonoinareo ireny tamin’ ny fahatezerana manakatra ny lanitra.
10 Na mprempren, moredwene sɛ mobɛfa saa nnipa yi a wofi Yuda ne Yerusalem nkoa. Na mo ankasa mo bɔne a moyɛ tiaa Awurade, mo Nyankopɔn no, ho asɛm te dɛn?
Ary ankehitriny ny taranak’ i Joda sy Jerosalema dia kasainareo handevozina ho andevolahinareo sy ho andevovanivareo; ka moa ianareo ireo va tsy mba manan-keloka amin’ i Jehovah Andriamanitrareo koa?
11 Muntie me, na munnyaa saa nneduafo a wɔwɔ mo nsam no, efisɛ wɔyɛ mo ankasa mo abusuafo. Monhwɛ no yiye, efisɛ mprempren, wɔadan Awurade abufuwhyew no aba mo so!”
Ary ankehitriny mihainoa ahy, koa alefaso ny babo izay efa nentinareo avy tamin’ ny rahalahinareo; fa mirehitra aminareo ny fahatezeran’ i Jehovah.
12 Na Israel ntuanofo bi a wɔyɛ Yehohanan babarima Asaria, Mesilemot babarima Berekia, Salum babarima Yehiskia ne Hadlai babarima Amasa penee eyi so, na wɔne mmarima a wofi akono reba no kae se,
Dia nitsangana ny loholona sasany avy amin’ ny taranak’ i Efraima, dia Azaria, zanak’ i Johanana, sy Berekia, zanak’ i Mesilemota, sy Jehizkia, zanak’ i Saloma, ary Amasa, zanak’ i Hadlay, ka nanohitra izay vao avy tany an-tafika
13 “Mommfa nneduafo no mma ha! Yɛrentumi mfa nka yɛn bɔne ne yɛn afɔdi ho. Yɛn afɔdi so dedaw, na wɔadan Awurade abufuwhyew no aba Israel so dedaw.”
nanao taminy hoe: Tsy mahazo mampiditra ny babo eto ianareo; fa mikasa hanampy ny fahotantsika sy ny fahadisoantsika ianareo mba hahameloka antsika amin’ i Jehovah; fa efa be ny fahadisoantsika, ka iharan’ ny fahatezerana mirehitra ny Isiraely.
14 Enti akofo no gyaee nneduafo no de asade no mae wɔ ɔmanfo no ne ntuanofo no anim.
Dia nalefan’ ny miaramila teo anatrehan’ ny mpanapaka sy ny fiangonana rehetra izay sambo-belona sy babo azony,
15 Afei, nnipa baanan a wɔbobɔɔ wɔn din no baa anim, bɛkyekyɛɛ ntade a ɛwɔ asade no mu no maa nneduafo a wɔda adagyaw no. Wɔmaa wɔn ntade ne mpaboa sɛ wɔnhyɛ ne nnuan pii ne nsu, de ngo guguu wɔn apirakuru mu. Wɔde wɔn a wɔayɛ mmerɛw no tenatenaa mfurum so, de nneduafo no nyinaa san baa wɔn asase Yeriko, mmɛkurow, no so. Afei, wɔsan kɔɔ Samaria.
ka ireo olona voalaza anarana ireo dia nitsangana ka naka ny sambo-belona, ary izay rehetra tsy nitafy no nampiakanjoiny tamin’ ny zavatra nentiny; eny, nampiakanjoiny sy nokiraroiny izy ary nampihinaniny sy nampisotroiny ary nohosorany, sady nampitaingeniny boriky izay rehetra osaosa, ka nentiny tany Jeriko, tanàna be rofia, ho any amin’ ny rahalahiny; dia niverina tany Samaria izy.
16 Saa bere no mu, Yudahene Ahas kɔsrɛɛ Asiriahene sɛ ɔmmɛboa no na ɔnkɔko ntia nʼatamfo.
famin’ izany andro izany Ahaza mpanjaka naniraka tany amin’ ny mpanjakan’ i Asyria nangataka ny any hanampy azy.
17 Bio, na Edom asraafo adi Yuda so nkonim, akyekyere ebinom nnommum.
Fa ny Edomita dia tonga indray ka namely ny Joda ary namabo azy.
18 Na Filistifo atow ahyɛ nkurow a ɛwɔ Yuda mmepɔw no ase ne Negeb so. Na wɔako afa Bet-Semes, Ayalon, Gederot ne Soko ne wɔn nkurow ne Timna ne Gimso ne wɔn nkurow no. Na Filistifo no tenatenaa saa nkurow yi so.
Ary ny Filistina koa nanafika ny tanàna eny amin’ ny tany lemaka amoron-tsiraka sy eny amin’ ny tany atsimo momba an’ i Joda, dia nahafaka an’ i Beti-semesy sy Aialona sy Gederota sy Soko mbamin’ ny zana-bohiny ary Timna sy ny zana-bohiny ary Gimzo koa sy ny zana-bohiny; ary nonina tao izy.
19 Na Awurade rebrɛ Yuda ase, esiane Yudahene Ahas nti, efisɛ na ɔboa ne nkurɔfo ma wɔyɛ bɔne, na na onni Awurade nokware korakora nso.
Fa Jehovah nampietry ny Joda noho Ahaza, mpanjakan’ ny Isiraely, satria Ahaza efa nanaram-po nanao ratsy teo amin’ ny Joda ka nivadika tamin’ i Jehovah.
20 Enti bere a Asiriahene Tilgat-Pilneser bedui no a anka ɛsɛ sɛ ɔboa ɔhene Ahas no, ɔhaw no mmom.
Ary Tiglato-pilesera, mpanjakan’ i Asyria, tonga tao aminy, nefa nampahory azy fa tsy nampahery azy.
21 Ahas tasee nneɛma a ɛsom bo fii Awurade asɔredan no mu, ahemfi hɔ ne ne mpanyimfo afi mu, de kɔmaa Asiriahene sɛ ne tow. Nanso eyi mpo, ammoa no.
Fa efa nalain’ i Ahaza ny zavatra tao an-tranon’ i Jehovah sy tao an-tranon’ ny mpanjaka sy ny an’ ny mpanapaka, ary efa nomeny ny mpanjakan’ i Asyria, nefa tsy nahasoa azy akory izany.
22 Na sɛ ɔhaw bi ba ɔhene Ahas so mpo a, ɔkɔ so yɛ asoɔden wɔ Awurade so.
Ary tamin’ ny andro nampahoriana azy dia mbola nanao izay nahadiso amin’ i Jehovah ihany io Ahaza mpanjaka io.
23 Ɔbɔɔ afɔre maa Damasko anyame a wodii ne so nkonim no, na ɔkae se, “Saa anyame yi na wɔboaa Aram ahemfo nti, sɛ mebɔ afɔre ma wɔn a, wɔbɛboa me nso.” Nanso wɔmaa no sɛee, maa Israel nyinaa sɛee.
Ary namono zavatra hatao fanatitra ho an’ ireo andriamanitr’ i Damaskosy, izay namely azy, izy ka nanao hoe: Ireo andriamanitry ny mpanjakan’ i Asyria, izay nanampy azy, no hamonoako zavatra hatao fanatitra mba hanampiany ahy. Kanjo tonga fandravana azy sy ny Isiraely rehetra ireo.
24 Ɔhene no tasee nneɛma ahorow a ɛwɔ Onyankopɔn Asɔredan no mu nyinaa bubuu mu asinasin. Ɔtotoo Awurade asɔredan no apon mu, sɛnea obiara ntumi nkɔsom wɔ hɔ. Osisii afɔremuka maa abosonsom anyame wɔ Yerusalem twɔtwɔw so baabiara.
Ary Ahaza nanangona ny fanaky ny tranon’ Andriamanitra ka namakivaky azy ary nandrindrina ny varavaran’ ny tranon’ i Jehovah sady nanao alitara teny amin’ ny zoron-dalana rehetra tany Jerosalema.
25 Ɔyɛɛ abosonsom nsɔree so wɔ Yuda nkurow nyinaa so a wɔbɔ afɔre wɔ hɔ ma anyame foforo no. Ɔnam saa ɔkwan yi so, hyɛɛ Awurade, nʼagyanom Nyankopɔn, abufuw.
Ary teny amin’ ny tanànan’ ny Joda rehetra dia nanaovany fitoerana avo handoroana ditin-kazo manitra ho an’ ny andriamani-kafa, ka dia nahatezitra an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izy.
26 Ahas ahenni ho nsɛm nkae no fi mfiase kosi awiei no, wɔakyerɛw agu Yuda ahemfo ne Israel ahemfo nhoma mu.
Ary ny tantarany sisa sy ny fanaony rehetra, na ny voalohany na ny farany, indreo, efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny mpanjakan’ ny Joda sy ny Isiraely izany.
27 Ɔhene Ahas wui no, wosiee no Yerusalem, nanso wɔansie no wɔ adehye amusiei. Ne babarima Hesekia na odii nʼade sɛ ɔhene.
Ary Ahaza lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao an-tanàna Jerosalema izy, fa tsy mba natao tao amin’ ny fasan’ ny mpanjakan’ ny Isiraely. Ary Hezekia zanany no nanjaka nandimby azy.