< 2 Beresosɛm 21 >

1 Bere a Yehosafat wui no, wosiee no wɔ nʼagyanom nkyɛn wɔ Dawid kurom. Na ne babarima Yehoram dii nʼade sɛ ɔhene.
Ary Josafata lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao amin’ ny razany tao an-Tanànan’ i Davida izy; ary Jehorama zanany no nanjaka nandimby azy.
2 Yehoram nuanom mmarima a na wɔyɛ Yehosafat mmabarima afoforo bi no ne Asaria, Yehiel, Sakaria, Asaria, Mikael ne Sefatia.
Ary nanan-drahalahy, zanak’ i Josafata, koa izy, dia Azaria sy Jehiela sy Zakaria sy Azaria sy Mikaela ary Sefatia; ireo rehetra ireo no zanak’ i Josafata, mpanjakan’ ny Isiraely.
3 Wɔn agya maa wɔn mu biara akyɛde a ɛsom bo, a ɛyɛ dwetɛ, sikakɔkɔɔ ne aboɔdenne; na afei, ɔde Yuda nkurow a wɔabɔ ho ban no bi kyekyɛɛ wɔn. Na esiane sɛ Yehoram yɛ abakan nti, ɔbɛyɛɛ ɔhene.
Ary nomen-drainy harena betsaka ireo, dia volafotsy sy volamena ary zava-tsoa mbamin’ ny tanàna sasany mimanda tany Joda; fa ny fanjakana kosa dia nomeny an’ i Jehorama, satria izy no lahimatoa.
4 Na bere a Yehoram ahenni timii no, okunkum ne nuabarimanom no nyinaa ne Israelfo ntuanofo bi.
Ary raha vao nanjaka tamin’ ny fanjakan’ ny rainy Jehorama, dia nitombo hery izy ka namono ny rahalahiny rehetra mbamin’ ny mpanapaka sasany tamin’ ny Isiraely koa tamin’ ny sabatra.
5 Bere a Yehoram dii ade no, na wadi mfirihyia aduasa abien. Na odii ade wɔ Yerusalem mfirihyia awotwe.
Roa amby telo-polo taona Jehorama, fony izy vao nanjaka, ary valo taona no nanjakany tany Jerosalema.
6 Na Yehoram yɛɛ sɛnea Israel ahemfo yɛe. Na ɔyɛ otirimɔdenfo te sɛ ɔhene Ahab, efisɛ na waware Ahab mmabea no mu baako. Enti Yehoram yɛɛ bɔne wɔ Awurade ani so.
Ary nandeha tamin’ ny lalan’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izy, dia tahaka ny nataon’ ny taranak’ i Ahaba fa zanakavavin’ i Ahaba no vadiny, eny, nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy.
7 Nanso na Awurade mpɛ sɛ ɔsɛe Dawid ahenni nnidiso no, efisɛ na ɔne Dawid ayɛ apam ahyɛ bɔ sɛ, nʼasefo bɛkɔ so adi hene afebɔɔ.
Nefa Jehovah tsy nety nandringana ny taranak’ i Davida noho ny fanekena nataony tamin’ i Davida sy ny nilazany fa homeny jiro mandrakizay izy mbamin’ ny taranany.
8 Yehoram bere so na Edomfo sɔre tiaa Yuda, na wosii wɔn ankasa wɔn hene.
Tamin’ ny andron’ i Jehorama no niodinan’ ny Edomita ka tsy nanoa ny Joda, fa nanangana mpanjaka ho azy izy.
9 Enti Yehoram de asraafo ne ne nteaseɛnam nyinaa kɔtow hyɛɛ Edom so. Edomfo twaa ɔno ne ne nteaseɛnamkafo no ho hyiae, nanso ɔfaa anadwo sum mu guanee.
Ka dia nivoaka Jehorama sy ireo mpanjaka nitondra ny kalesiny rehetra; ary nanaovany latsak’ alina ny Edomita izay nanodidina azy sy ny komandin’ ny kalesy.
10 Edom ade ne ho a ɔnhyɛ Yuda ase de besi nnɛ. Saa bere koro no ara mu, Libna kurow tew atua, efisɛ na Yehoram atwe ne ho afi Awurade, nʼagyanom Nyankopɔn ho.
Nefa ny Edomita mbola niodina ka tsy nanoa ny Joda ihany ambaraka androany. Ary tamin’ izany andro izany Libna koa niodina tsy nety nanoa an’ i Jehorama, satria efa nahafoy an’ i Jehovah, Andriamanitra ny razany, izy.
11 Na wasisi abosonsomfo nsɔree so wɔ Yuda mmepɔw asase so, ama nnipa a wɔwɔ Yerusalem ne Yuda akɔsom abosonsomfo anyame.
Ary nanao fitoerana avo teny an-tendrombohitr’ i Joda koa izy sady nampijangajanga ny mponina tany Jerosalema ary nitaona ny Joda mangingina hanao izany.
12 Na odiyifo Elia kyerɛw saa krataa yi kɔmaa Yehoram: “Asɛm a Awurade, wʼagya Dawid Nyankopɔn se ni: ‘Woanni wʼagya Yehosafat anaa wo nena Yudahene Asa nhwɛsopa so.
Ary nisy taratasy avy tamin’ i Elia mpaminany tonga tao aminy nanao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitr’ i Davida rainao: Noho ny tsy nandehananao tamin’ ny lalan’ i Josafata rainao, na ny lalan’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda,
13 Mmom, woayɛ omumɔyɛfo sɛ Israel ahemfo. Woama Yerusalemfo ne Yudafo akɔsom ahoni te sɛnea ɔhene Ahab yɛɛ wɔ Israel no. Na mpo, woakunkum wʼankasa wo nuanom mmarima a na wodi mu sen wo.
fa nandeha tamin’ ny lalan’ ny mpanjakan’ ny Isiraely kosa ianao ka nampijangajanga ny Joda sy ny mponina any Jerosalema toy ny fijangajangan’ ny taranak’ i Ahaba, sady novonoinao koa ny rahalahinao nateraky ny rainao, izay tsara noho ianao,
14 Enti afei, Awurade de ɔhaw kɛse bɛba wo, wo nkurɔfo, wo mma, wo yerenom ne biribiara a ɛyɛ wo dea so.
dia, indro, hasian’ i Jehovah areti-mandringana ny vahoakanao sy ny zanakao sy ireo vadinao mbamin’ ny biby fiompinao rehetra;
15 Wʼankasa de, wɔde nsono mu yare a ɛyɛ yaw yiye bɛto wo so akosi sɛ wʼayamude betu apue.’”
ary ianao koa ho azon’ ny aretina mafy, dia aretina amin’ ny tsinainao, mandra-pialàlan’ ny tsinainao isan’ andro isan’ andro noho ny aretina.
16 Na Awurade kaa Filistifo ne Arabfo a na wɔte bɛn Etiopiafo so sɛ wɔnkɔtow nhyɛ Yehoram so.
Ary Jehovah namporisika ny Filistina sy ny Arabo izay ao akaikin’ ny Etiopiana hamely an’ i Jehorama;
17 Wɔbɔɔ nsra kɔɔ Yuda so kotuaa wɔn ano, fow aboɔden nneɛma a ɛwɔ ahemfi hɔ a ne mmabarima ne ne yerenom ka ho. Ne babarima kumaa Yehoahas nko na wogyaw no.
ary niakatra tany Joda ireo ka nisesika tao, dia nobaboiny ny fananana rehetra izay an’ ny ankohonan’ ny mpanjaka mbamin’ ny zanany sy ny vadiny koa, ka tsy nisy zanany intsony, afa-tsy Joahaza faralahiny ihany.
18 Eyi akyi na Awurade maa nsono mu yare a ano yɛ den bɔɔ Yehoram.
Ary nony afaka izany rehetra izany, dia nasian’ i Jehovah aretina tsy azo sitranina tamin’ ny tsinainy izy.
19 Akyiri no, mfe abien akyi, ɔyare no maa nʼayamde puei, na owui ɔyaw mu. Ne nkurɔfo ammɔ ogyatannaa kɛse, amfa anhyɛ no anuonyam wɔ nʼayiyɛ mu sɛnea wɔyɛ maa nʼagyanom no.
Ary rehefa ela, nony afaka roa taona, dia nialàla ny tsinainy azon’ ny aretiny; ka dia maty tamin’ ny fangirifiriana mafy izy. Ary ny vahoakany tsy mba nandoro zavatra ho fisaonana azy toy ny nataony tamin’ ny razany.
20 Yehoram dii ade no, na wadi mfirihyia aduasa abien, na odii ade wɔ Yerusalem mfirihyia awotwe. Owui no, anyɛ obiara awerɛhow. Wosiee no wɔ Dawid kurom, nanso ɛnyɛ adehye asiei.
Roa amby telo-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary valo taona no nanjakany tany Jerosalema; koa lasa tsy nisy nalahelo azy izy. Ary nalevina tao an-Tanànan’ i Davida ihany izy, nefa tsy mba tao amin’ ny fasan’ ny mpanjaka.

< 2 Beresosɛm 21 >