< 1 Ahemfo 4 >

1 Enti Ɔhene Salomo dii Israel nyinaa so hene.
Ary nanjaka tamin’ ny Isiraely rehetra Solomona mpanjaka.
2 Na eyinom ne ne mpanyimfo: Sadok babarima Asaria.
Ary izao no lehibe tao aminy: Azaria, zanak’ i Zadoka, no mpisorona;
3 Sisa mmabarima Elihoref ne Ahiya na na wɔyɛ asennii akyerɛwfo no. Ahilud babarima Yehosafat na na ɔyɛ adehye abakɔsɛm kyerɛwfo.
Elihorefa sy Ahia, zanak’ i Sisa, no mpanoratra; Josafata zanak’ i Ahiloda, no mpitadidy ny raharaha-mpanjakana;
4 Yehoiada babarima Benaia na na ɔyɛ asraafo so sahene no; Sadok ne Abiatar na na wɔyɛ asɔfo.
ary Benaia, zanak’ i Joiada, no komandin’ ny miaramila; ary Zadoka sy Abiatara no mpisorona;
5 Natan babarima Asaria na na ɔyɛ amansin amradofo titenani. Natan babarima Sabud a na ɔyɛ ɔsɔfo no, na na ɔyɛ ɔhene fotufo a ɔde ne ho to ne so.
ary Azaria, zanak’ i Natana, no lehiben’ ny olona voatendry; ary Zaboda, zanak’ i Natana, no mpanolotsaina, sakaizan’ ny mpanjaka,
6 Ahisar na na ɔyɛ ahemfi sohwɛfo. Abda babarima Adoniram na na ɔhwɛ adwumayɛfo so.
ary Ahisara no lehiben’ ny tao an-dapa; ary Adonirama, zanak’ i Abda, no komandin’ ny mpanao fanompoana.
7 Na Salomo wɔ amansin amradofo dumien wɔ Israel nyinaa mu. Na wɔn adwuma ne sɛ, wogye nnuan fi ɔmanfo nkyɛn de kɔma ahemfifo. Wɔn mu biara hwɛ di saa dwuma yi ɔsram baako wɔ afe biara mu.
Ary Solomona nanendry roa ambin’ ny folo lahy ho amin’ ny Isiraely rehetra hiadidy ny zavatra rehetra nilain’ ny mpanjaka sy ny ankohonany; samy niadidy ny iray volana avy amin’ ny herintaona izy.
8 Saa amradofo dumien no din na edidi so yi: Na Ben-Hur wɔ Efraim bepɔw asase so.
Ary izao no anarany: Beni-hora tany amin’ ny tany havoan’ i Efraima;
9 Na Ben-Deker hwɛ Makas, Saalbim, Bet-Semes ne Elon-Bet-Hanan so.
Beni-dakera tao Makaza sy tao Salbima sy Beti-semesy ary Elon-beti-hanana;
10 Na Ben-Hesed hwɛ Arubot a Soko ne nsase a ɛwɔ Hefer nyinaa ka ho no so.
Beni-haseda tao Arobota; Soko sy ny tany Hefera rehetra no azy;
11 Na Ben-Abinadab wɔ Nafat-Dor. (Ɔwaree Salomo babea Tafat).
Ben’ abinadaba tao amin’ ny havoan’ i Dora rehetra (Tafata, zanakavavin’ i Solomona, no vadiny);
12 Na Ahilud babarima Baana hwɛ Taanak ne Megido ne Bet-Sean a ɛbɛn Saretan a ɛwɔ Yesreel anafo ne nkurow a efi Bet-Sean, de kosi Abel-Mehola, tra kosi Yokmeam akyi no so.
Bana, zanak’ i Ahiloda; azy Tanaka sy Megido ary Beti-sana rehetra, izay anilan’ i Zaretana, ambanin’ i Jezirela, hatrany Beti-sana ka hatrany Abela-mehola, dia hatrany ankoatr’ i Jokneama no azy.
13 Na Ben-Geber wɔ Ramot-Gilead, a Yair nkurow a wɔde too Manase babarima Yair a ɛwɔ Gilead ka ho, wɔ Argob mantam a ɛwɔ Basan a nkuropɔn aduosia a wɔde kɔbere apon asisi ano no ka ho.
Beni-gabera tao Ramota-gileada; ny tanàna madinika an’ i Jaïra, zanak’ i Manase, izay any Gileada, no azy; azy koa ny tany Argoba, izay any Basana, dia tanana enim-polo lehibe nisy manda sy hidy varahina;
14 Na Ido babarima Abinadab wɔ Mahanaim.
Ahinadaba, zanak’ Ido, tany Mahanaima;
15 Na Ahimaas wɔ Naftali. Ɔno nso waree Salomo babea Basmat.
Ahimaza tany Naftaly; izy kosa nanambady an’ i Basemata, zanakavavin’ i Solomona;
16 Na Husai babarima Baana wɔ Aser ne Alot.
Bana, zanak’ i Hosay, tany Asera sy Alota;
17 Na Parua babarima Yehosafat wɔ Isakar.
Josafata, zanak’ i Paroa, tany Isakara;
18 Na Ela babarima Simei wɔ Benyamin.
Simey, zanak’ i Ela, tany Benjamina;
19 Na Uri babarima Geber wɔ Gilead asase so a Amorihene Sihon ne Basanhene Og amantam ka ho. Na amrado baako pɛ na ɔhwɛ Yuda asase so.
Gabera, zanak’ i Ory, tany amin’ ny tany Gileada, tanin’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, sy Oga, mpanjakan’ i Basana; ary izy ihany no voatendry ho amin’ izany tany izany.
20 Na nnipa a wɔwɔ Yuda ne Israel no dodow te sɛ mpoano nwea. Nea wonya di ne nea wonya nom no, na wɔn ani sɔ.
Ary ny Joda sy ny Isiraely dia maro, tahaka ny fasika amoron-dranomasina ny hamarony, sady mihinana sy misotro ary mifaly.
21 Salomo dii ahemman nyinaa so, fi Asubɔnten Eufrate kosi Filistifo asase so, de kosi Misraim hye so. Na nnipa a wadi wɔn so wɔ saa nsase no so no de sonkahiri brɛ Salomo, na wɔkɔɔ so som no ne nkwanna nyinaa.
Ary Solomona nanjaka tamin’ ny fanjakana rehetra hatramin’ ny Ony sy ny tanin’ ny Filistina ka hatramin’ ny sisin’ i Egypta; nandoa hetra ireo sady nanompo an’ i Solomona tamin’ ny andro rehetra niainany.
22 Nnuan a na wohia daa wɔ Salomo ahemfi no yɛ asikresiam pa susukoraa ɔha ne aduonum ne atokosiam susukoraa ahaasa,
Ary ny fihinan’ i Solomona isanandro dia koba tsara toto telo-polo kora sy koba hafa enim-polo kora,
23 anantwi a wɔadodɔ wɔ buw mu du, anantwi a wɔde wura ayɛn wɔn aduonu, nguan anaa mmirekyi ɔha, atwe, nnowa, awansan ne nkokɔ a wɔadodɔ.
sy omby mifahy folo sy omby an-tondraka roa-polo ary ondry aman’ osy zato, afa-tsy ny diera koa sy ny gazela sy ny kapreola ary ny vorona mifahy.
24 Na Salomo amantow no yɛ ahenni ahorow a ɛwɔ Asubɔnten Eufrate atɔe fam nyinaa de fi Tifsa kosi Gasa. Na asomdwoe wɔ asase no so mmaa nyinaa.
Fa nanapaka ny tany rehetra atỳ an-dafin’ ny Ony hatrany Tifsa ka hatrany Gaza izy, dia tamin’ ny mpanjaka rehetra etỳ an-dafin’ ny Ony; ary izy dia tsara fihavanana tamin’ ireny rehetra manodidina nanoa azy ireny.
25 Salomo nkwa nna mu nyinaa, Yuda ne Israel nyaa bammɔ tenaa ase asomdwoe mu. Na efi Dan kosi Beer-Seba no, na abusua biara wɔ ne fi ne ne bobe ne borɔdɔma mfikyifuw.
Ary ny Joda sy ny Isiraely nandry fahizay tamin’ ny andron’ i Solomona rehetra, samy teny ambanin’ ny voalobony sy ny aviaviny ny olona hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba.
26 Na Salomo wɔ apɔnkɔdan mpem anan ma ne nteaseɛnam apɔnkɔ ne apɔnkɔ mpem dumien.
Ary Solomona nanana efi-trano efatra alina, fitoeran’ ny soavaly mpitarika kalesy, ary soavaly fitaingina roa arivo amby iray alina.
27 Amansin mu amradofo na na wɔma ɔhene Salomo ne nʼasennii nnuan pɛpɛɛpɛ wɔ wɔn ɔsram ɔsram nnuanma no mu.
Ary ireo olona voatendry ireo dia niadidy ny zavatra rehetra nilain’ i Solomona mpanjaka sy izay rehetra nentina teo amin’ ny: latabatr’ i Solomona mpanjaka; izy rehetra samy niadidy ny amin’ ny iray volany avy, ka tsy navelany ho nisy tsy ampy na inona na inona.
28 Na wɔde atoko ne sare a ɛho hia brɛ adehye apɔnkɔ no wɔ wɔn nnae.
Ny vary hordea koa sy ny mololo ho an’ ny soavaly sy ny soavaly haingampandeha dia nentiny ho ao amin’ ny fitoerana izay tokony hitondrana azy, dia samy araka ny anjarany avy.
29 Onyankopɔn maa Salomo nyansa, ntease ne nhumu a emu nni hwehwɛbea.
Ary Andriamanitra nanome an’ i Solomona fahendrena sy fahiratan-tsaina be indrindra ary fahalalana betsaka tahaka ny fasika amoron-dranomasina.
30 Nokware, na ne nyansa no boro anyansafo a wɔwɔ apuei ne anyansafo a wɔwɔ Misraim nyinaa nyansa so.
Ary ny fahendren’ i Solomona nihoatra noho ny fahendren’ ny zanaky ny atsinanana rehetra sy ny fahendren’ ny Egyptiana rehetra.
31 Na onim nyansa sen obiara a Esrahini Etan ne Heman ne Kalkol ne Darda a wɔyɛ Mahel mmabarima no ka ho. Na ne din hyetaa wɔ aman a atwa ne ho ahyia no so.
Fa hendry noho ny olona rehetra izy; eny, hendry mihoatra noho Etana Ezrahita sy Hemana sy Kalkola sy Darda, zanak’ i Mahola, aza izy ary ny lazany efa niely tamin’ ny firenena rehetra manodidina.
32 Obuu mmɛ mpem abiɛsa, na ɔkyerɛw nnwom apem ne anum.
Nanao ohabolana telo arivo izy, sady nanao tonon-kira dimy amby arivo.
33 Na otumi ka afifide biara ho nsɛm, efi Lebanon sida so de kosi adwerɛ a efifi ɔfasu mpaapae mu so. Na otumi ka mmoa, nnomaa, mmoa a wɔwea fam ne nsumnam ho nsɛm nso.
Ary nilaza ny amin’ ny hazo hatramin’ ny hazo sedera any Libanona ka hatramin’ ny hysopa izay maniry eny amin’ ny ampiantany izy, sady nilaza ny amin’ ny biby sy ny vorona sy ny biby mandady sy mikisaka ary ny hazandrano koa.
34 Enti na ahemfo a wɔwɔ aman afoforo so tu wɔn ananmusifo ba Salomo nkyɛn betie ne nyansasɛm no bi.
Ary dia nisy tonga avy tany amin’ ny firenena rehetra mba hihaino ny fahendren’ i Solomona, dia avy amin’ ny mpanjakan’ ny tany rehetra izay efa nahare ny amin’ ny fahendreny.

< 1 Ahemfo 4 >