< 1 Beresosɛm 13 >

1 Dawid ne ne mpanyimfo a nʼasraafo so asahene ne mmapɔmma nyinaa ka ho, tuu agyina.
Ary Davida naka saina tamin’ ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato, dia ny mpifehy rehetra,
2 Na ɔkasa kyerɛɛ Israelfo a wɔahyia hɔ no nyinaa se, “Sɛ mopene so na sɛ ɛyɛ Awurade yɛn Nyankopɔn pɛ a, momma yɛmfa nkra nkɔma Israelfo a wɔwɔ ɔman no afanan nyinaa a asɔfo ne Lewifo a wɔwɔ nkurow so ne adidibea ka ho. Momma yɛnto nsa mfrɛ wɔn, na wɔmmɛka yɛn ho.
Ka hoy Davida tamin’ ny Isiraely rehetra izay tafangona: Raha ataonareo ho mety, sady avy amin’ i Jehovah Andriamanitsika izany, dia andeha isika haniraka faingana any amin’ ny rahalahintsika rehetra izay sisa amin’ ny tanin’ ny Isiraely rehetra ary amin’ ny mpisorona sy ny Levita koa, izay any amin’ ny tanànany sy ny tany manodidina azy, mba hivory atỳ amintsika;
3 Bere adu sɛ yɛsan de yɛn Nyankopɔn Apam Adaka no ba, efisɛ Saulo ahenni bere so no, yɛampɛ anhwɛ.”
Ary aoka ho entintsika atỳ amintsika indray ny fiaran’ Andriamanitsika; fa tsy nahoantsika tamin’ ny andron’ i Saoly izany.
4 Bagua no penee saa asɛm yi so efisɛ wohuu sɛ, wɔyɛ saa a, eye.
Ary ny olona rehetra izay tafangona dia nanaiky hanao izany, satria marina teo imason’ ny olona rehetra izany.
5 Enti Dawid frɛɛ nnipa a wɔwɔ Israel nyinaa, efi ɔman no ti kosi ti, sɛ wɔmmɛka ne ho na wɔmfa Onyankopɔn Apam Adaka no mfi Kiriat-Yearim mmra.
Dia novorin’ i Davida ny Isiraely rehetra hatrany Sihora any Egypta ka hatrany akaikin’ i Hamata haka ny fiaran’ Andriamanitra avy any Kiriata-jearima.
6 Afei, Dawid ne Israelfo no nyinaa kɔɔ Baala a na wɔfrɛ no Kiriat-Yearim a ɛwɔ Yuda no sɛ wɔrekɔfa Onyankopɔn Apam Adaka a wɔde ahyɛ kerubim ntam na Awurade din da so no aba.
Dia niakatra Davida sy ny Isiraely rehetra hankany Bala any Joda (Kiriata-jearima izany) hampakatra ny fiaran’ i Jehovah Andriamanitra, Izay mipetraka amin’ ny kerobima, dia ilay niantsoany ny anarany.
7 Wɔde Onyankopɔn Apam Adaka no sii teaseɛnam foforo so de fii Abinadab fi a Usa ne Ahio rekyerɛ kwan.
Ary nentiny tamin’ ny sariety vaovao niala tao an-tranon’ i Abinadaba ny fiaran’ Andriamanitra, ary Oza sy Ahio no nampandeha ny sariety.
8 Dawid ne Israelfo nyinaa fii wɔn ahoɔden mu too nnwom, bɔɔ mmɛn ahorow a bi yɛ asanku, mmɛnta, akasae, nnawuru ne ntorobɛnto dii ahurusi, Onyankopɔn anim.
Ary Davida sy ny Isiraely rehetra dia nitsinjaka fatratra teo anatrehan’ Andriamanitra tamin’ ny hira sy ny lokanga sy ny valiha sy ny ampongatapaka sy ny kipantsona ary ny trompetra.
9 Nanso woduu Nakon awiporowbea no, anantwi no anan toto maa Usa teɛɛ ne nsa sɛ ɔreteɛ Apam Adaka no.
Ary nony tonga teo amin’ ny famoloan’ i Kidona izy, dia naninjitra ny tànany hihazona ny fiara Oza, satria nazeran’ ny omby izany.
10 Ɛhɔ na Awurade abufuw sɔre tiaa Usa ma owui, efisɛ ɔde ne nsa aka Apam Adaka no. Enti Usa wuu wɔ Onyankopɔn anim hɔ ara.
Dia nirehitra tamin’ i Oza ny fahatezeran’ i Jehovah, ka namely azy Izy noho ny naninjirany ny tànany tamin’ ny fiara, dia maty teo anatrehan’ Andriamanitra izy.
11 Dawid bo fuwii, efisɛ Awurade abufuw atia Usa. Ɔtoo beae hɔ din Peres-Usa a wɔda so frɛ hɔ saa de besi nnɛ.
Ary dia tezitra Davida noho ny namelezan’ i Jehovah an’ i Oza, ka dia nataony hoe Perez-oza no anaran’ izany tany izany mandraka androany.
12 Afei, na Dawid suro Onyankopɔn, na obisae se, “Ɛbɛyɛ dɛn na matumi de Onyankopɔn Apam Adaka yi aba abɛhwɛ so?”
Ary Davida natahotra an’ Andriamanitra tamin’ izany andro izany ka nanao hoe: Nahoana aho no hitondra ny fiaran’ Andriamanitra ho atỳ amiko?
13 Enti Dawid yɛɛ nʼadwene sɛ ɔnna mmfa Apam Adaka no nkɔ Dawid kurow no mu. Mmom, ɔde kɔɔ Gatni, Obed-Edom fi wɔ Gat.
Dia tsy nafindran’ i Davida ho ao aminy ao an-tanànan’ i Davida ny fiara, fa naviliny ho ao an-tranon’ i Obed-edoma Gatita.
14 Onyankopɔn Apam Adaka no sii Obed-Edom abusuafo nkyɛn asram abiɛsa. Na Awurade hyiraa no ne ne fifo nyinaa.
Ary nipetraka telo volana tao amin’ ny ankohonan’ i Obed-edoma tao an-tranony ny fiaran’ Andriamanitra; ka dia notahin’ i Jehovah ny ankohonan’ i Obed-edoma sy izay rehetra nananany.

< 1 Beresosɛm 13 >