< Hoşea 2 >

1 “Kardeşlerinizi ‘Halkım’, kızkardeşlerinizi ‘Merhamete ermişler’ diye çağırın.”
Manaova amin’ ny rahalahinareo hoe: Amy, ary amin’ ny anabavinareo hoe: Rohama.
2 “Azarlayın annenizi, azarlayın, Çünkü o benim karım değil artık, Ben de onun kocası değilim. Yüzünden akan fahişeliği, Koynundan zinaları atsın.
Mifandahara amin-dreninareo, eny, mifandahara fa izy tsy vadiko, ary Izaho tsy vadiny, ary aoka hesoriny ny fijejojejoany hiala eo amin’ ny tavany sy ny fijangajangany tsy ho eo an-tratrany;
3 Yoksa onu çırılçıplak soyacak, Anneden doğma edeceğim, Çöle, çorak toprağa çevirecek, Susuzluktan öldüreceğim.
Fandrao hampihanjahanjaiko izy ka hataoko toy ny tamin’ ny andro nahaterahany, ary hataoko toy ny efitra sy ny tany karankaina izy, eny, hataoko matin-ketaheta izy.
4 Acımayacağım çocuklarına, Çünkü onlar zina çocuklarıdır.
Ary tsy hamindrako fo ny zanany, Satria zanaky ny fijangajangana ireny.
5 Anneleri zina etti, Onlara gebe kaldı, rezillik etti. ‘Oynaşlarımın ardından gideceğim’ dedi, ‘Ekmeğimi, suyumu, yapağımı, ketenimi, zeytinyağımı, içkimi onlar veriyor.’
Fa efa nijangajanga ny reniny, eny, ilay torontoronina azy efa nanao izay mahamenatra; Fa hoy izy: Hanaraka ireo lehilahiko ihany aho, Izay manome ahy ny hanin-kohaniko sy ny rano hosotroiko, sy ny volon’ ondriko sy ny rongoniko sy ny diloiloko ary ny fisotroko.
6 İşte bu yüzden onun yoluna dikenli çit çekeceğim, Yolunu bulamasın diye Önüne duvar öreceğim.
Koa, indro, hotampenako tsilo ny lalanao sady hasiako fefy, ary tsy hahita izay lalan-kalehany izy.
7 Oynaşlarının ardına düşecek, Ama onlara erişemeyecek, Onları arayacak, Ama bulamayacak. O zaman, ‘İlk kocama döneyim’ diyecek, ‘Çünkü o zamanki halim şimdikinden iyiydi!’
Ary hiezaka hanenjika ireo lehilahiny izy, nefa tsy hahatratra azy; Eny, hitady ireo izy, nefa tsy hahita; Dia hanao hoe izy: Handeha hody amin’ ny vadiko taloha aho; Fa niadana aho tamin’ izay noho ny ankehitriny.
8 Ama kendisine tahıl, yeni şarap, zeytinyağı verenin, Baal için harcadığı altınla gümüşü bol bol sağlayanın Ben olduğumu bilmedi.
Ary tsy fantany fa Izaho no nanome azy ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo, sady nataoko be ny volafotsiny sy ny volamenany, izay nolaniny ho an’ i Bala,
9 Bu yüzden zamanında tahılımı, Mevsiminde yeni şarabımı geri alacağım; Çıplak bedenini örten yapağımı, ketenimi çekip alacağım.
Koa dia halaiko indray ny variko amin’ ny androny sy ny ranom-boaloboko amin’ ny taonany, ary haoriko ny volon’ ondriko sy ny rongoniko, izay nomena hasarony ny fitanjahany.
10 Evet, oynaşlarının önünde ayıbını ortaya çıkaracağım, Kimse elimden kurtaramayacak onu.
Ary ankehitriny hasehoko eo imason’ ireo lehilahiny ny fahamenarany, ka tsy hisy hahafaka azy amin’ ny tanako.
11 Bütün sevincine, bayramlarına, Yeni Ay törenlerine, Şabat günlerine, Dinsel bayramlarının tümüne son vereceğim.
Ary hatsahatro ny fifaliany rehetra, dia ny andro firavoravoany sy ny voaloham-bolany ary ny Sabatany, eny, ny fotoam-pivavahany rehetra.
12 Viran edeceğim asmalarını, incir ağaçlarını, Hani, ‘Bunlar oynaşlarımın bana verdiği ücrettir’ dediği; Çalılığa çevireceğim onları, Yem olacaklar yabanıl hayvanlara.
Ary hofongorako ny voalobony sy ny aviaviny, izay nataony hoe: Tangiko avy tamin’ ireo lehilahiko ireto, ary hataoko ho tonga ala ireny ka hohanin’ ny bibidia.
13 Cezalandıracağım onu, Baallar'a buhur yaktığı günler için; Halkalarla, takılarla süslenmiş, Oynaşlarının ardınca gitmiş, Beni unutmuştu” Diyor RAB.
Ary hovaliako izy noho ny andron’ ireo Bala, izay efa nandoroany ditin-kazo manitra sady niravahany ny kaviny sy ny firavany, ka nanaraka ireo lehilahiny izy; Fa Izaho kosa nohadinoiny, hoy Jehovah.
14 “İşte bu yüzden onu ikna edip çöle götürecek, Onunla dostça konuşacağım.
Koa, indro, Izaho dia hitaona azy ka hitondra azy ho any an-efitra ary hanao teny malefaka hahafinaritra azy.
15 Kendisine orada bağlar vereceğim, Akor Vadisi'ni ona umut kapısı yapacağım. Gençlik günlerinde olduğu gibi, Mısır'dan çıktığı günlerde olduğu gibi, Ezgiler söyleyecek.
Ary hatrany dia homeko azy ny tanim-boalobony sy ny lohasaha Akora ho varavaram-panantenana; Ary any no hamaliany toy ny tamin’ ny andro fahatanorany, dia toy ny tamin’ ny andro niakarany avy tany amin’ ny tany Egypta.
16 Ve o gün gelecek” diyor RAB, “Bana, ‘Kocam’ diyeceksin; Artık, ‘Efendim’ demeyeceksin.
Ary raha mby amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, dia hataonao hoe Aho Vadiko, fa tsy hataonao intsony hoe Balako.
17 Ağzından Baallar'ın adını sileceğim, Adları bir daha anılmayacak.
Fa hesoriko amin’ ny vavany ny anaran’ ireo Bala, ka tsy hotsarovana amin’ ny anarany intsony ireo.
18 Kırdaki hayvanlarla, gökteki kuşlarla, Toprakta yaşayan canlılarla, Halkım için o gün antlaşma yapacağım; Ülkeden yayı, kılıcı, savaşı kaldıracağım, Güvenlik içinde yatıracağım onları.
Ary raha mby amin’ izany andro izany, Izaho dia hanao fanekena ho azy amin’ ny bibidia sy amin’ ny voro-manidina ary amin’ ny biby mandady sy mikisaka amin’ ny tany; Ary hotapatapahiko tsy hisy amin’ ny tany intsony ny tsipìka sy ny sabatra ary ny fiadiana, dia hataoko mandry fahizay izy;
19 Seni sonsuza dek kendime eş alacağım, Doğruluk, adalet, sevgi, merhamet temelinde Seninle evleneceğim.
Ary hofofoiko ho vadiko mandrakizay ianao, eny, hofofoiko ho vadiko amin’ ny rariny sy ny hitsiny ary amin’ ny fitiavana sy ny indrafo ianao;
20 Sadakatle seninle evleneceğim, RAB'bi tanıyacaksın.
Eny, hofofoiko ho vadiko amin’ ny fahamarinana ianao. Ka dia hahalala an’ i Jehovah.
21 “Ve o gün yanıt vereceğim” diyor RAB, “Göklere yanıt vereceğim; Onlar da yere yanıt verecek;
Ary amin’ izany andro izany dia hihaino Aho, hoy Jehovah, eny, hihainoa ny lanitra Aho, ary izy kosa hihaino ny tany;
22 Yerse, tahıla, yeni şaraba, Zeytinyağına yanıt verecek, Onlar da Yizreel'e yanıt verecekler.
Ary ny tany kosa hihaino ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo; Ary ireo kosa dia hihaino an’ i Jezirela,
23 Onu ülkede kendim için ekeceğim, Merhamete ermemiş olana acıyacağım, Halkım olmayana, ‘Halkımsın’ diyeceğim; Onlar da bana, ‘Tanrım’ diyecekler.”
Dia hafafiko ho Ahy amin’ ny tany izy; Ary hamindra fo amin’ i Lò-rohama Aho sady hanao amin’ i Lò-amy hoe: Oloko ianao; Ary izy kosa hanao hoe: Andriamanitro Hianao.

< Hoşea 2 >