< 2 Kungaboken 18 >
1 Uti tredje årena Hosea, Ela sons, Israels Konungs, vardt Hiskia Konung, Ahas son, Juda Konungs;
Ary tamin’ ny taona fahatelo nanjakan’ i Hosea, zanak’ i Elaha, mpanjakan’ ny Isiraely, no vao nanjakan’ i Hezekia, zanak’ i Ahaza, mpanjakan’ ny Joda.
2 Och var fem och tjugu åra gammal, då han vardt Konung, och regerade nio och tjugu år i Jerusalem; hans moder het Abi, Zacharia dotter.
Dimy amby roa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary nanjaka sivy amby roa-polo taona tany Jerosalema izy. Ary ny anaran-dreniny dia Aby, zanakavavin’ i Zakaria.
3 Och han gjorde det godt var för Herranom, såsom hans fader David.
Ary nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah izy tahaka izay rehetra nataon’ i Davida rainy.
4 Han lade bort de höjder, och bröt omkull stodarna, och utrotade lundarna, och slog sönder den kopparormen, som Mose gjort hade; ty allt intill den tiden hade Israels barn rökt för honom, och han kallade honom Nehusthan.
Izy no nandrava ny fitoerana avo sy namakivaky ny tsangam-baton-tsampy sy nikapa ny Aserahany ary nanorotoro ny menarana varahina izay nataon’ i Mosesy; fa ny Zanak’ Isiraely efa nandoro ditin-kazo manitra tamin’ iny hatramin’ izany andro izany aza; ary ny anarany nataony hoe Nehostana.
5 Han förtröste på Herran Israels Gud, så att ingen hans like var efter honom, ej heller för honom, ibland alla Juda Konungar.
Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no nitokiany, ka dia tsy nisy tahaka azy tamin’ izay rehetra mpanjakan’ ny Joda, na ny teo aoriany, na ny teo alohany
6 Han höll sig intill Herran, och trädde icke ifrå honom, och höll hans bud, som Herren hade budit Mose.
Fa nifikitra tamin’ i Jehovah izy ka tsy niala tamin’ ny fanarahana Azy, fa nitandrina ny didy izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
7 Och Herren var med honom, och hvart han utdrog, handlade han visliga. Dertill föll han af ifrå Konungen i Assyrien, och var honom icke underdånig.
Ary Jehovah nomba azy, ka dia nambinina tamin’ izay nalehany rehetra izy; ary niodina tamin’ ny mpanjakan’ i Asyria izy ka tsy nanompo azy.
8 Han slog ock de Philisteer, allt intill Gasa, och deras gränsor, både slott och fasta städer.
Izy no namely ny Filistina hatrany Gaza sy ny fari-taniny, ka noravany avokoa hatramin’ ny tilikambon’ ny mpiambina ka hatramin’ ny tanàna mimànda.
9 Uti fjerde årena Hiskia, Juda Konungs, det var sjunde året Hosea, Ela sons, Israels Konungs, då drog Salmanasser, Konungen i Assyrien, upp emot Samarien, och belade det;
Ary tamin’ ny taona fahefatra nanjakan’ i Hezekia mpanjaka (dia ny taona fahafito nanjakan’ i Hosea, zanak’ i Elaha, mpanjakan’ ny Isiraely, izany) no niakaran’ i Salmanesera mpanjakan’ i Asyria, hamely an’ i Samaria sy nanaovany fahirano azy.
10 Och vann det efter tre år, uti sjette Hiskia åre, det är, uti nionde årena Hosea, Israels Konungs, så vardt Samarien vunnet.
Ary nony tapitra ny telo taona, dia afak’ ireo ny tanàna; dia tamin’ ny taona fahenina nanjakan’ i Hezekia, izay taona fahasivy nanjakan’ i Hosea, mpanjakan’ ny Isiraely, no nahafahana an’ i Samaria.
11 Och Konungen af Assyrien förde Israel bort till Assyrien, och satte dem i Halah och Habor, vid den älfven Gosan, och uti de Meders städer;
Ary ny mpanjakan’ i Asyria nitondra ny Isiraely ho babo tany Asyria ka nametraka azy tao Hala sy teo amoron’ i Habora, onin’ i Gozana, ary teny amin’ ny tanànan’ ny Mediana,
12 Derföre, att de icke lydt hade Herrans sins Guds röst, och hade öfverträdt hans förbund; och allt det Mose Herrans tjenare budit hade, det hade de intet lydt, eller gjort.
Satria tsy nihaino ny feon’ i Jehovah Andriamaniny izy, fa nivadika ny fanekeny, dia izay rehetra nandidian’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, ka tsy nihaino na nankato izany izy.
13 Men uti fjortonde årena Konungs Hiskia, drog upp Sanherib, Konungen i Assyrien, emot alla fasta städer i Juda, och tog dem in.
Ary tamin’ ny taona fahefatra ambin’ ny folo nanjakan’ i Hezekia mpanjaka dia niakatra Sankeriba, mpanjakan’ i Asyria, hamely ny tanàna mimànda rehetra any Joda ka nahafaka azy.
14 Då sände Hiskia, Juda Konung, till Konungen af Assyrien i Lachis, och lät säga honom: Jag hafver syndat, vänd om ifrå mig; hvad du lägger mig uppå, det vill jag draga. Så lade Konungen af Assyrien på Hiskia, Juda Konung, trehundrad centener silfver, och tretio centener guld.
Ary Hezekia, mpanjakan’ ny Joda, naniraka tany amin’ ny mpanjakan’ i Asyria tany Lakisy nanao hoe: Efa diso aho, ialao aho, fa izay hampitondrainao ahy dia ho entiko. Ary ny mpanjakan’ i Asyria nampandoa an’ i Hezekia, mpanjakan’ ny Joda, talenta volafotsy telon-jato sy talenta volamena telo-polo.
15 Alltså gaf Hiskia ut allt det silfver, som i Herrans hus, och i Konungshusets drätsel funnet vardt.
Ary Hezekia nanome azy ny volafotsy rehetra izay hita tao an-tranon’ i Jehovah sy tao amin’ ny rakitry ny tranon’ ny mpanjaka.
16 På den samma tiden slog Hiskia, Juda Konung, sönder dörrarna af Herrans tempel, och de skifvor, som han sjelf hade låtit bedraga dem med, och fick dem Konungenom af Assyrien.
Tamin’ izany andro izany no nanendahan’ i Hezekia ny volamena tamin’ ny varavaran’ ny tempolin’ i Jehovah sy tamin’ ny tolana, dia ilay efa napetak’ i Hezekia, mpanjakan’ ny Joda; ary dia nomeny ho an’ ny mpanjakan’ i Asyria izany.
17 Och Konungen af Assyrien sände Tharthan, och öfversta kamereraren, och RabSake ifrå Lachis, till Konung Hiskia med stora magt till Jerusalem, och de drogo upp; och då de kommo, höllo de vid vattugrafvena af öfversta dammen, som ligger vid den vägen på valkareåkrenom;
Ary ny mpanjakan’ i Asyria naniraka an’ i Tartana sy Raba-sarisa ary Rabsake mbamin’ ny miaramila betsaka avy teo Lakisy hankany Jerosalema ho any amin’ i Hezekia mpanjaka. Dia niakatra ireny ka tonga tany Jerosalema; ary nony tonga teo izy, dia nitsangana teo anilan’ ny lakan-drano amin’ ny kamory ambony, teo an-dalambe mankamin’ ny sahan’ ny mpamotsy lamba.
18 Och de kallade Konungen. Då kom ut till dem Eliakim, Hilkia son, hofmästaren, och Sebna skrifvaren, och Joah, Asaphs son, cancelleren.
Ary nony efa niantso ny mpanjaka izy, dia nivoaka ho eo aminy Eliakima, zanak’ i Hilkia, izay lehiben’ ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary Joa, zanak’ i Asafa, mpitadidy ny raharaham-panjakana.
19 Och RabSake sade till dem: Käre, säger Konung Hiskia: Så säger den store Konungen, Konungen af Assyrien: Hvad är detta för en tröst, der du förlåter dig uppå?
Dia hoy Rabsake tamin’ ireo: Andeha, lazao amin’ i Hezekia hoe: Izao no lazain’ ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan’ i Asyria: Inona izato itokianao?
20 Menar du, att du hafver ännu råd och magt till att strida? Hvaruppå förlåter då du dig nu, att du äst affallen ifrå mig?
Hoy ianao (nefa teny foana izany): Manana saina sy hery hiady aho. Koa iza no itokianao, no miodina amiko ianao?
21 Si, förlåter du dig uppå den sönderbråkade rörstafven Egypten? Hvilken som stöder sig vid honom, honom varder han gångandes upp i handena, och genomstinger henne; alltså är Pharao, Konungen i Egypten, allom dem som förlåta sig på honom.
Fa, indro, ianao matoky io tehina volotara torotoro io, dia Egypta, nefa raha itehenan’ olona iny, dia manindrona ny tànany miboroaka; tahaka izany Farao, mpanjakan’ i Egypta, amin’ izay rehetra matoky azy.
22 Om I ock viljen säga till mig: Vi förlåte oss på Herran vår Gud; är icke han den, hvilkens höjder och altare Hiskia hafver aflagt, och sagt till Juda och Jerusalem: För detta altaret, som i Jerusalem är, skolen I tillbedja?
Ary raha hoy ianareo amiko: Jehovah Andriamanitray no itokianay, moa tsy Azy va ny fitoerana avo aman’ alitara izay noravan’ i Hezekia, izay nilaza tamin’ ny Joda sy Jerosalema hoe: Eto anoloan’ ity alitara eto Jerosalema ity no hiankohofanareo?
23 Så gör nu samman en hop minom herra, Konungenom af Assyrien, så vill jag få dig tutusend hästar; lät se, om du kan åstadkomma dem, som deruppå rida måga.
Koa aoka hifaninana ianao sy ny tompoko, mpanjakan’ i Asyria, fa homeko soavaly roa arivo ianao, raha tàhiny manana olona hitaingina azy.
24 Huru vill du då blifva ståndandes för en den minsta höfdingan, mins herras underdåna, om du förlåter dig uppå Egypten, för vagnars och resenärars skull?
Hataonao ahoana no fampiamboho ny komandy iray amin’ ny mpanompon’ ny tompoko, na dia izay kely indrindra aminy aza? Nefa matoky an’ i Egypta ianao hahazoanao kalesy sy mpitaingin-tsoavaly.
25 Menar du, att jag utan Herrans vilja är hit uppdragen, till att förderfva denna staden? Herren hafver mig det befallt: Drag upp i detta landet, och förderfva det.
Koa moa haitraitro va izao niakarako izao? Tsia, fa Jehovah no naniraka ahy handrava ity tany ity ka nanao hoe: Miakara hamely ity tany ity, ka ravao izy.
26 Då sade Eliakim, Hilkia son, och Sebna, och Joah, till RabSake: Tala med dina tjenare på Syrisko, ty vi förstå det, och tala icke med oss på Judisko, för folkens öron, som på muren är.
Dia hoy Eliakima, zanak’ i Hilkia, sy Sebna ary Joa tamin-dRabsake: Masìna ianao, teny Syriana no ataovy aminay mpanomponao, fa fantatray ihany izany; fa aza manao teny Jiosy ho ren’ ny olona eny ambonin’ ny mànda.
27 Men RabSake sade till dem: Hafver nu min herre sändt mig till din herra, eller till dig, att jag dessa orden säga skulle? Ja, till de män som sitta på muren, att de skulle äta sin egen träck med eder, och dricka sitt piss.
Fa hoy Rabsake taminy: Moa ho amin’ ny tomponao sy ianao akory va no nanirahan’ ny tompoko ahy hilaza izao teny izao, fa tsy ho amin’ ny olona izay mipetraka eny ambonin’ ny manda, hihinanany izay tsy fihinany sy hisotroany izay tsy fisotrony miaraka aminareo?
28 Alltså stod RabSake, och ropade med höga röst på Judisko, talade, och sade: Hörer den stora Konungens röst, Konungens af Assyrien.
Dia nijoro teo Rabsake ka niantso tamin’ ny feo mahery tamin’ ny teny Jiosy hoe: Henoy ny tenin’ ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan’ i Asyria:
29 Detta säger Konungen: Låter icke Hiskia bedraga eder; ty han förmår icke fria eder utu mine hand;
Izao no lazain’ ny mpanjaka: Aza mety ho fitahin’ i Hezekia ianareo, fa tsy hahavonjy anareo amin’ ny tanako izy tsy akory.
30 Och låter icke Hiskia förtrösta eder på Herran, så att han säger: Herren skall fria oss, och denne stad skall icke gifven varda i Konungens händer af Assyrien.
Ary aza mety hampahatokin’ i Hezetia an’ i Jehovah ianareo amin’ ny anaovany hoe: Jehovah no hamonjy antsika tokoa; ary tsy hatolotra eo an-tànan’ ny mpanjakan’ i Asyria tsy akory ity tanàna ity.
31 Hörer icke Hiskia; ty så säger Konungen af Assyrien: Görer mig till vilja, och kommer ut till mig, så skall hvar och en äta af sitt vinträ, och af sitt fikonaträ, och dricka af sin brunn:
Aza mihaino an’ i Hezekia; fa izao no lazain’ ny mpanjakan’ i Asyria: Manaova fanekena amiko hiadanana, ka mankanesa atỳ amiko, ary samia homana ny voalobony sy ny aviaviny, ary samia misotro ny rano avy amin’ ny lavaka famorian-dranony avy ianareo,
32 Intilldess jag kommer, och hemtar eder uti ett land, det edro lande likt är, der korn, must, bröd, vingårdar, oljoträ, olja och hannog uti är, så fån I lefva, och icke dö; hörer intet Hiskia, ty han förförer eder, då han säger: Herren varder oss hjelpandes.
mandra-pihaviko hitondra anareo ho any amin’ izay tany tahaka ny taninareo, dia tany misy vary sy ranom-boaloboka, tany misy mofo sy tanim-boaloboka, tany misy oliva tsara diloilo sy tantely, mba ho velona ianareo, fa tsy ho faty, ary aza mihaino an’ i Hezekia, raha izy manome vohony anareo amin’ ny anaovany hoe: Jehovah no hamonjy antsika.
33 Hafva ock Hedningarnas gudar hvar och en hulpit sitt land ifrå Konungens hand i Assyrien?
Moa nisy nahavonjy ny taniny tamin’ ny mpanjakan’ i Asyria va ireo andriamanitry ny firenena?
34 Hvar äro de gudar i Hamath och Arphad? Hvar äro de gudar i Sepharvaim, Hena och Iva? Hafva de ock hulpit Samarien utu mine hand?
Aiza moa ireo andriamanitr’ i Hamata sy Arpada? Ary aiza koa ireo andriamanitr’ i Sefarvaima sy Hena ary Iva? Nahavonjy an’ i Samaria tamin’ ny tanako va ireo andriamaniny?
35 Hvar är en gud ibland alla lands gudar, som sitt land friat hafver utu mina hand, att Herren nu skall fria Jerusalem utu mina hand?
Iza moa amin’ ny andriamanitra rehetra amin’ ny tany no efa nahavonjy ny taniny tamin’ ny tanako, koa aiza no hahavonjen’ i Jehovah an’ i Jerosalema amin’ ny tanako?
36 Då tigde folket, och svarade honom intet; ty Konungen hade budit, och sagt: Svarer honom intet.
Nefa nangina ny olona, ka tsy nisy namaly azy na dia teny indraim-bava akory aza, satria ny mpanjaka efa nandidy hoe: Aza misy mamaly azy.
37 Så kom då Eliakim, Hilkia son, hofmästaren, och Sebna skrifvaren, och Joah, Asaphs son, cancelleren, till Hiskia med rifven kläder, och gåfvo honom tillkänna RabSake ord.
Ary Eliakima, zanak’ i Hilkia izay lehiben’ ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary Joa, zanak’ i Asafa, mpitadidy ny raharaham-panjakana, dia niditra nankao amin’ i Hezekia, sady voatriatra ny fitafiany, ary nilaza taminy ny tenin-dRabsake izy.