< Wahebrania 5 >

1 Kila kuhani mkuu huchaguliwa kutoka miongoni mwa watu kwa ajili ya kumtumikia Mungu kwa niaba yao, kutolea zawadi na tambiko kwa ajili ya dhambi zao.
Fa ny mpisoronabe rehetra dia alaina amin’ ny olona ka tendrena ho solon’ ny olona hanao ny raharahan’ Andriamanitra, hanatitra fanomezana sy fanatitra hanafaka ota,
2 Maadamu yeye mwenyewe yu dhaifu anaweza kuwaonea huruma wale wasiojua kitu na wanaofanya makosa.
dia olona izay mahay mitondra mora ny tsy mahalala sy ny mania, satria ny tenany koa dia mba hodidinin’ ny fahalemena ihany;
3 Na kwa vile yeye mwenyewe ni dhaifu, anapaswa kutolea dhabihu si tu kwa ajili ya watu, bali pia kwa ajili ya dhambi zake.
ary noho izany dia tsy maintsy hanao fanatitra hanafaka ota ho an’ ny tenany koa izy, toy ny ataony ho an’ ny olona ihany.
4 Hakuna mtu awezaye kujitwalia mwenyewe heshima ya kuwa kuhani mkuu. Kila mmoja huteuliwa na Mungu kuwa kuhani mkuu kama alivyokuwa Aroni.
Ary tsy misy maka izany voninahitra izany ho an’ ny tenany afa-tsy izay antsoin’ Andriamanitra, tahaka an’ i Arona.
5 Hali kadhalika naye Kristo hakujitwalia mwenyewe heshima ya kuwa kuhani mkuu, bali Mungu alimwambia: “Wewe ni Mwanangu; mimi leo nimekuwa baba yako.”
Dia toy izany koa Kristy: tsy Izy no nanandratra ny tenany ho Mpisoronabe, fa Ilay nanao taminy hoe: “Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao androany”;
6 Alisema pia mahali pengine: “Wewe ni kuhani milele, kufuatana na utaratibu wa ukuhani wa Melkisedeki.” (aiōn g165)
ary toy ny lazainy eo amin’ ny teny hafa koa hoe: “Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon’ i Melkizedeka”. (aiōn g165)
7 Yesu alipokuwa anaishi hapa duniani, kwa kilio kikuu na machozi, alisali na kumwomba Mungu ambaye alikuwa na uwezo wa kumwokoa kutoka kifo; naye alisikilizwa kwa sababu ya kumcha Mungu.
Tamin’ ny andron’ ny nofony, raha nanao fivavahana sy fangatahana nomban’ ny fitarainana mafy sy ny ranomaso be tamin’ izay nahavonjy Azy tamin’ ny fahafatesana Izy, sady voahaino noho ny fahatahorany an’ Andriamanitra,
8 Lakini, ingawa alikuwa Mwana wa Mungu, alijifunza kutii kwa njia ya mateso.
dia nianatra fanarahana tamin’ izay fahoriana nentiny Izy, na dia Zanaka aza;
9 Na alipofanywa mkamilifu, akawa chanzo cha wokovu wa milele kwa wale wote wanaomtii, (aiōnios g166)
ary rehefa natao tanteraka Izy, dia tonga loharanon’ ny famonjena mandrakizay ho an’ izay rehetra manaraka Azy, (aiōnios g166)
10 naye Mungu akamteua kuwa kuhani mkuu kufuatana na utaratibu wa ukuhani wa Melkisedeki.
fa notononin’ Andriamanitra hoe Mpisoronabe “araka ny fanaon’ i Melkizedeka.”
11 Tunayo Mengi ya kusema juu ya jambo hili, lakini ni vigumu kuwaelezeni, kwa sababu ninyi si wepesi wa kuelewa.
Ny amin’ izany dia manana teny maro izahay sady sarotra ambara, satria lalodalovana ny sofinareo.
12 Sasa mngalipaswa kuwa tayari walimu, lakini mnahitaji bado mtu wa kuwafundisheni mafundisho ya mwanzo ya ujumbe wa Mungu. Badala ya kula chakula kigumu, mnapaswa bado kunywa maziwa.
Fa na dia tokony ho efa mpampianatra aza ianareo noho ny fahelan’ ny andro, dia mbola mila izay hampianatra anareo ny abidim-pianaran’ ny tenin’ Andriamanitra indray; ary efa toy izay tokony homen-dronono ianareo, fa tsy ventin-kanina.
13 Kila anayepaswa kunywa maziwa huyo ni mtoto bado, hajui uadilifu ni nini.
Fa izay rehetra mivelona amin’ ny ronono dia tsy zatra amin’ ny tenin’ ny fahamarinana, satria mbola zaza-bodo.
14 Lakini chakula kigumu ni kwa ajili ya watu waliokomaa, ambao wanaweza kubainisha mema na mabaya.
Fa ho an’ izay efa lehibe ny ventin-kanina, dia ho an’ izay manana ny saina efa zatra nampiasaina tsara ka mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy.

< Wahebrania 5 >