< Zekaria 1 >

1 Katika mwezi wa nane mwaka wa pili wa kutawala kwake Dario, neno la Yahwe lilimjia nabii Zekaria, mwana wa Berekia mwana wa Ido, kusema,
Tamin’ ny volana fahavalo tamin’ ny taona faharoa nanjakan’ i Dariosa no nahatongavan’ ny tenin’ i Jehovah tamin’ i Zakaria mpaminany, zanak’ i Berekia, zanak’ Ido, nanao hoe:
2 “Yawhe alikuwa na hasira sana juu ya baba zenu!
Tezitra indrindra tamin’ ny razanareo Jehovah.
3 Wambie, 'Yahwe wa majeshi asema hivi: Nirudieni! - nami nitawarudia ninyi, asema Yahwe wa majeshi.
Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Miverena amiko ianareo, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
4 Msiwe kama baba zenu ambao hapo zamani manabii waliwambia, wakisema, “Yahwe wa majeshi asema hivi: Geukeni kutoka katika njia zenu za mbaya na matendo yenu mabaya!” Lakini hawakuweza kusikia wala kunijari - asema Yahwe.'
Aza mba toy ny razanareo, izay nantsoin’ ny mpaminany fahiny hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Mialà amin’ ny lalanareo ratsy ianareo sy amin’ ny ratsy fanaonareo; nefa tsy nitandrina izy, na nihaino Ahy, hoy Jehovah.
5 Wako wapi baba zenu? Na manabii, je wapo hapa daima?
Ny razanareo ― aiza moa ireny izao? Ary ny mpaminany ― moa velona mandrakizay va ireny?
6 Lakini maneno yangu na maagizo niliyowaamru watumishi wangu manabii, je hayakuwapata baba zenu? Hivyo walitubu na kusema, 'Kama vile Yahwe wa majeshi alivyokusudia kututenda kwa kadili zinavyostahili njia na matendo yetu, ndivyo alivyotutenda.”
Fa ny teniko sy ny didiko, izay nandidiako ny mpaminany mpanompoko, tsy nahatratra ny razanareo va izany? Ary izy nitodika ka nanao hoe: Araka izay nosainin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, hatao amintsika, araka ny alehantsika sy ny ataontsika, dia araka izany no nataony tamintsika.
7 Katika siku ya ishirini na nne ya mwezi wa kumi na moja, ndiyo mwezi wa Shebati, mwaka wa pili wa utawala wa Dario, neno la Yahwe lilimjia nabii Zekaria mwana wa Berekia mwana wa Ido, akasema,
Tamin’ ny andro fahefatra amby roa-polo tamin’ ny volana fahiraika ambin’ ny folo (volana Sebata izany) tamin’ ny taona faharoa nanjakan’ i Dariosa dia tonga tamin i Zakaria mpaminany, zanak’ i Berekia, zanak’ Ido, ny tenin’ i Jehovah nanao, hoe:
8 “niliona wakati wa usiku, na tazama! mtu alikuwa amepanda farasi mwekundu, naye alikuwa kati ya miti ya mihadasi iliyoko bondeni; na nyuma yake kulikuwa na farasi mwekundu, farasi wa kijivu, na farasi mweupe.”
Nahita tamin’ ny alina aho fa, indro, nisy lehilahy nitaingina soavaly mena ka nijanona teny amin’ ny rotra teny an-dohasaha, ary teo aoriany nisy soavaly mena sy mavo ary fotsy.
9 Nikauliza, “Bwana, hivi ni vitu gani?” Malaika aliyesema nami akaniambia, “Nitakueleza vitu hivi ni nini.”
Dia hoy izaho: Tompoko ô, inona moa ireo? Ary ilay anjely niresaka tamiko dia nanao tamiko hoe: Izaho haneho anao ny amin’ ireo.
10 Kisha mtu aliyesimama kati ya miti ya mihadasi akajibu na kusema, “Hawa ndiyo Yahwe aliowatuma kuzunguka katika dunia yote.”
Ary ralehilahy izay nijanona teny amin’ ny rotra dia namaly hoe: Ireo dia nirahin’ Jehovah hivoivoy eny amin’ ny tany.
11 Wakamjibu malaika wa Yahwe aliyekuwa amesimama kati ya miti ya mihadasi na kumwambia, “Tumekuwa tukizunguka duniani pote; tazama, dunia yote imekaa na kutulia.”
Ary namaly Ilay Anjelin’ i Jehovah nijanona teny amin’ ny rotra ireo ka nanao hoe: Efa nivoivoy teny amin’ ny tany izahay, ary, indro, ny tany rehetra dia miadana sy mandry fahizay.
12 Ndipo malaika wa Yahwe alipojibu na kusema, “Yahwe wa majeshi, hata lini usiuhurumie Yerusalemu na miji ya Yuda ambayo imeteswa na kudhurumiwa miaka hii sabini?”
Ary Ilay Anjelin’ i Jehovah namaly hoe: He, Jehovah, Tompon’ ny maro ô! mandra-pahoviana no tsy hamindranao fo amin’ i Jerosalema sy amin’ ny tanànan’ ny Joda, izay efa nahatezitra Anao fito-polo taona izay.
13 Yahwe akamjibu malaika aliyekuwa amesema nami, kwa maneno mazuri, maneno ya faraja.
Dia novalian’ i Jehovah teny tsara sy mampionona ilay anjely niresaka tamiko.
14 Hivyo malaika aliyekuwa anaongea nami akaniambia, “Ita kwa sauti na useme 'Yahwe wa majeshi asema: Nina wivu kwa ajili ya Yerusalemu yaani Sayuni kwa uchungu mkubwa!
Ary ilay anjely niresaka tamiko dia nanao tamiko hoe: Miantsoa hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Saro-piaro dia saro-piaro an’ i Jerosalema sy Ziona Aho.
15 Nami nina hasira juu ya mataifa yaliyo na utulivu. Kwa maana nilikasirika kidogo tu, lakini wao wakasababisha madhara mabaya.
Ary tezitra indrindra Aho amin’ ireo firenena miadana; satria Izaho dia tezitra kely ihany, fa ireo kosa dia nampitombo ny fahoriana.
16 Kwa hiyo Yahwe wa majeshi asema hivi: Nimeirudia Yerusalema kwa huruma. Hivyo nyumba yangu itajengwa ndani yake - asema Yahwe wa majeshi. Kipimo kitanyoshwa juu ya Yerusalemu!
Koa izao no lazain’ i Jehovah: Efa tafaverina eto Jerosalema amin’ ny indrafo Aho; ny tranoko haorina eto, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, ary ny famolaina hohenjanina eto Jerosalema.
17 Ita tena, ukisema, 'Yahwe wa majeshi asema hivi: Miji yangu kwa mara nyingine itajawa na uzuri, na Yahwe ataifariji tena Sayuni, na kuichagua Yerusalemu kwa mara nyingine tena.”
Miantsoa indray hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Hihoa-pampana ny fanambinana ny tanànako; ary Jehovah hampionona an’ i Ziona ary mbola hifidy an’ i Jerosalema indray.
18 Kisha nikainua macho na kuona pembe nne!
Ary natopiko ny masoko, ka hitako fa, indreo, nisy tandroka efatra.
19 Nikaongea na malaika aliyesema nami, “Hivi ni vitu gani? Akanijibu “hizi ni pembe zilisosababisha kutawanyika kwa Yuda, Israeli, na Yerusalemu.”
Ary hoy izaho tamin’ ilay anjely niresaka tamiko: Inona moa ireo? Dia hoy izy tamiko: Ireo no tandroka izay nampihahaka ny Joda sy ny Isiraely ary Jerosalema.
20 Kisha Yahwe akanionesha mafundi stadi wanne.
Ary dia nanehoan’ i Jehovah mpiasa efatra aho.
21 Nikasema, “Watu hawa wanakuja kufanya nini?” Akajibu na kusema, “Hizi ni pembe zililoitawanya Yuda na hakuna mtu angeweza kuinua kichwa chake. Lakini watu hawa wanakuja kuziondoa, kutupa chini pembe za mataifa yaliyoinua nguvu zao kinyume cha nchi ya Yuda na kuisambaza.”
Dia hoy izaho: Avy hanao inona moa ireto? Ary Izy nanao hoe: Ireo no tandroka nampihahaka ny Joda, ka tsy nisy olona nanandrandra loha; fa ireto kosa dia avy hampahatahotra azy mba hampiongana ny tandroky ny firenena, dia izay nanandratra ny tandrony tamin’ ny tanin’ ny Joda hanely azy.

< Zekaria 1 >