< Wimbo wa Sulemani 4 >
1 O, wewe ni mzuri, mpenzi wangu; wewe ni mzuri. Macho yako ni ya hua nyuma kitamba chako cha uso. Nywele zako ni kama kundi la mbuzi likienda chini kutoka Mlima Gileadi.
Endrey, tsara tarehy ianao, ry tompokovavy havako! Endrey, tsara tarehy ianao! Ny masonao dia voromailala eo amin’ ny fisalobonanao; Ny volonao dia tahaka ny osy andiany, izay mandriandry eny an-kilan’ ny tendrombohitr’ i Gileada.
2 Meno yako ni kama kondoo walio nyolewa, wakitoka sehemu ya kuoshwa. Kila mmoja ana pacha, na hamna ata mmoja miongoni mwao aliyefiwa.
Ny nifinao dia tahaka ny ondrivavy andiany efa voahety, izay miakatra avy eo amin’ ny fampandroana; Samy kambana avy ireo, fa tsy misy tsy mana-namana.
3 Mdomo wako ni kama uzi mwekendu; mdo wako wapendeza. Mashavu yako ni kama majani ya komamanga nyuma ya kitambaa chako cha uso.
Tahaka ny kofehy jaky ny molotrao, ary mahafinaritra ny vavanao; Tahaka ny hasin’ ampongabendanitra ny takolakao eo amin’ ny fisalobonanao,
4 Shingo yako ni kama mnara wa Daudi ukiwa umejengwa kwa mistari ya mawe, na ngao elfu moja ikining'nia juu yake, ngao zote za wanajeshi.
Ny vozonao dia tahaka ny tilikambon’ i Davida, natao ho trano fihantonam-piadiana; Ampinga arivo no voahantona eo, dia ny ampinga rehetra an’ ny lehilahy mahery.
5 Maziwa yako mawili ni kama swala wawili, mapacha wa ayala, wakila miongoni mwa nyinyoro.
Ny nononao roa dia toy ny diera kambana mbola tanora, izay homana eny amin’ ny lilia.
6 Hadi jioni ifike na vivuli viondoke, nitaenda kwenye mlima wa manemane na vilima vya ubani.
Mandra-pangatsiatsiaky ny andro, ka efa hilentika ny masoandro, dia handeha aho ho any amin’ ny tendrombohitry ny miora sy ny havoan’ ny ditin-kazo mani-pofona.
7 Wewe ni mzuri kwa kila namna, mpenzi wangu na hakuna lawama ndani yako.
Tsara avokoa izato bikanao izato, ry tompokovavy havako; Tsy misy kilema ianao.
8 Njoo nami kutoka Lebanoni, bibi arusi wangu. Njoo nami kutoka Lebanoni; njoo kutoka juu ya Amana, kutoka juu ya Seneri na Herimoni, kutoka shimoni mwa simba, kutoka mashimo ya milima ya chuwi.
Hiaraka amiko avy any Libanona ianao, ry ampakariko, eny, hiaraka amiko avy any Libanona, hitazana eny an-tampon’ i Amana, eny an-tampon’ i Senira sy Hermona, eny an-davaky ny liona, eny an-tendrombohitry ny leoparda.
9 Umeuiba moyo wangu, dada yangu, bibi arusi wangu; umeuiba moyo wangu, kwa mtazamo mmoja tu wako kwangu, kwa mkufu mmoja wa shingo yako.
Efa lasanao ny foko, ry havako ampakariko, efa lasanao ny foko tamin’ ny masonao an-ila sy tamin’ ny rojo anankiray amin’ ny vozonao.
10 Jinisi gani upendo wako ulivyo mzuri, dada yangu, bibi arusi wangu! Jinsi gani zaidi upendo wako ulivyo bora kuliko mvinyo, na arufu ya marashi yako kuliko manukato yeyote.
Akory ny hatsaran’ ny fitiavanao, ry havako ampakariko! Akory ny hatsaran’ ny fitiavanao! eny, tsara noho ny divay! Ary ny fofon’ ny menaka manitrao dia mihoatra noho ny zava-manitra rehetra!
11 Midomo yako, bibi arusi wangu, yatiririka asali; asali na maziwa vichini ya ulimi wako; arufu ya mavazi yako ni kama marashi ya Lebanoni.
Mitete tantely toy ny avy amin’ ny tohotra ny molotrao, ry ampakariko; Tantely sy ronono no ao ambanin’ ny lelanao, ary ny fofon’ ny fitafianao dia tahaka ny fofon’ i Libanona.
12 Dada yangu, bibi arusi wangu ni bustani ilio fungwa, bustani ilio fungwa, chemchemi iliyo fungwa kwa muhuri.
Saha voahidy ny havako ampakariko, loharano voahidy, fantsakan-drano voaisy tombo-kase.
13 Matawi yako ni kichaka cha miti ya komamanga yenye matunda tofauti, na ya mimea ya hina na nardo,
Hianao no saha anirian’ ny ampongabendanitra tsara voa, sady misy kofera sy narda,
14 Nardo na Zafarani, mchai na mdalasini pamoja na aina zote za uvumba, manemane na udi na aina tofauti za manukato.
Eny, narda sy safrona, veromanitra sy havozomanitra sy ny hazo misy ny ditin-kazo mani-pofona rehetra. Miora sy hazo manitra Mbamin’ ny zava-manitra tsara rehetra;
15 Wewe ni bustani ya chemchemi, kisima cha maji safi, mifereji inayo shuka kutoka Lebanoni. Mwanamke mdogo akizungumza peke yake
Loharano ao an-tanimboly ianao, loharano miboiboika, ary renirano kely avy any Libanona.
16 Amka, upepo wa kaskazini; njoo, upepo wa kusini; vuma katika bustani yangu ili manukato yake yatoe marashi. Mpenzi wangu na aje katika bustani yake na kula matunda ya chaguo lake.
Mifohaza, ry rivotra avy any avaratra; avia, ry avy any atsimo, Mitsofa eny an-tsahako hielezan’ ny fofony manitra. Aoka ny malalako hankatỳ an-tanimboliny ka hihinana ny voankazony tsara.