< Ufunuo 10 >

1 Kisha nikaona malaika mwingine mkuu akishuka chini kutoka mbinguni. Alikuwa amefungwa katika wingu, na kulikuwa na upinde wa mvua juu ya kichwa chake. Uso wake ulikuwa kama jua na miguu yake ilikuwa kama nguzo za moto.
Ary hitako fa, indro, nisy anjely mahery anankiray koa, nidina ary tany an-danitra sady nitafy rahona; ary ny avana dia teo amin’ ny lohany, ary ny tavany dia tahaka ny masoandro, ary ny tongony tahaka ny andry afo,
2 Alishikilia gombo dogo katika mkono wake lililokuwa limefunuliwa, naye aliweka mguu wake wa kulia juu ya bahari na mguu wake wa kushoto juu ya nchi kavu.
ary nitàna boky kely nivelatra teny an-tanany izy; ary nabahany ny tongony, ka ny ankavanany tamin’ ny ranomasina, ary ny ankaviany tamin’ ny tany;
3 Kisha alipaza sauti ya juu kama simba aungurumapo, na wakati alipopaza sauti radi saba ziliunguruma.
ary niantso tamin’ ny feo mahery izy, tahaka ny fieron’ ny liona; ary nony niantso izy, dia nikotroka ny kotrokorana fito.
4 Wakati radi saba zilipounguruma, nilikuwa nakaribia kuandika, lakini nilisikia sauti kutoka mbinguni ikisema, “Tunza iwe siri kile ambacho radi saba zimesema. Usiiandike.”
Ary rehefa nikotroka ny kotrokorana fito, dia efa hanoratra aho, kanjo nahare feo avy tany an-danitra aho nanao hoe: Asio tombo-kase izay efa notononin’ ny kotrokorana fito, fa aza soratana.
5 Kisha malaika niliyemwona amesimama juu ya bahari na nchi kavu, aliinua mkono wake juu mbinguni
Ary ny anjely, ilay efa hitako, dia nitsangana teo ambonin’ ny ranomasina sy teo ambonin’ ny tany, ka nanangana ny tànany ankavanana ho amin’ ny lanitra
6 na kuapa kwa yule aishiye milele na milele —aliyeumba mbingu na vyote vilivyomo, dunia na vyote vilivyomo, na bahari na vyote vilivyomo: “Hakutakuwepo kuchelewa tena. (aiōn g165)
ary nianiana tamin’ izay velona mandrakizay mandrakizay, dia Ilay nahary ny lanitra sy ny ao aminy ary ny tany sy ny ao aminy ary ny ranomasina sy ny ao aminy fa tsy hisy andro intsony; (aiōn g165)
7 Lakini katika siku ile, wakati malaika wa saba atakapokaribia kupiga tarumbeta yake, ndipo siri ya Mungu itakuwa imetimizwa, kama alivyotangaza kwa watumishi wake manabii.”
fa amin’ ny andro hitsofan’ ny anjely fahafito, rehefa hitsoka izy, dia ho tanteraka ny zava-miafina izay an’ Andriamanitra, araka ny teny soa mahafaly nambarany tamin’ ny mpaminany mpanompony
8 Sauti niliyosikia kutoka mbinguni iliniambia tena: “Nenda, chukua gombo dogo lililofunuliwa ambalo kiko katika mkono wa malaika aliyesimama juu ya bahari na juu ya nchi kavu.”
Ary ny feo izay efa reko avy tany an-danitra dia niteny tamiko indray hoe: Mandehana, raiso ilay boky mivelatra eny an-tànan’ ny anjely mitsangana eo ambonin’ ny ranomasina sy eo ambonin’ ny tany.
9 Kisha nilikwenda kwa malaika na kumwambia anipe gombo dogo. Aliniambia, “Chukua gombo na ule. Litalifanya tumbo lako liwe na uchungu, lakini katika mdomo wako litakuwa tamu kama asali.”
Dia nankany amin’ ny anjely aho ka nanao taminy hoe: Omeo ahy iny boky kely iny. Ary hoy izy tamiko: Raiso, ka hano avokoa io; dia hampangidy ny kibonao izy, nefa eo am-bavanao dia ho mamy tahaka ny tantely.
10 Nilichukua gombo dogo kutoka mkononi mwa malaika na kulila. Lilikuwa kitamu kama asali katika mdomo wangu, lakini baada ya kula, tumbo langu lilikuwa na uchungu.
Dia noraisiko ilay boky kely teny an-tanan’ ny anjely ka nohaniko avokoa; ary raha nataoko teo am-bavako izy, dia mamy tahaka ny tantely, kanjo nony voateliko, dia nangidy ny kiboko.
11 Kisha baadhi ya sauti ziliniambia, “Unapaswa kutabiri tena kuhusu watu wengi, mataifa, lugha, na wafalme.”
Ary nisy nilaza tamiko hoe: Tsy maintsy maminany indray ianao ny amin’ ny olona maro sy ny firenena maro sy ny fiteny maro ary ny mpanjaka maro.

< Ufunuo 10 >