< Zaburi 91 >

1 Yeye aishiye katika makazi ya Aliye Juu atakaa katika uvuli wa mwenyezi.
Ny mitoetra ao amin’ ny fierena izay an’ ny Avo Indrindra Dia monina eo ambanin’ ny aloky ny Tsitoha.
2 Nami nitasema kuhusu Yahwe, “Yeye ni kimbilio langu na ngome yangu, Mungu wangu, ambaye niaamini katika yeye.”
Izaho hilaza an’ i Jehovah hoe: Fialofako sy batery fiarovana ho ahy Izy Ary Andriamanitro, Izay hitokiako.
3 Kwa maana yeye atakuokoa dhidi ya mtego wa mwindaji na dhidi ya pigo liletalo mauti.
Fa Izy no hanafaka anao amin’ ny fandriky ny mpihaza sy ny areti-mandoza.
4 Yeye atakufunika kwa mbawa zake, na chini ya mbawa zake utapata kimbilio. Uaminifu wake ni ngao na ulinzi.
Ny volon’ elany no anaronany anao, Ary ao ambanin’ ny elany no hialofanao; Ho ampinga kely sy ampinga lehibe ny fahamarinany.
5 Nawe hautaogopeshwa na vitisho wakati wa usiku, wala mishale ipaayo kwa siku,
Tsy hatahotra ny horohoro nony alina ianao, Na ny zana-tsipìka manidina nony andro,
6 wala pigo lizungukalo gizani, wala ugonjwa ujao wakati wa mchana.
Na ny areti-mandringana mandeha amin’ ny maizina, Na ny fandringanana mandripaka amin’ ny mitataovovonana.
7 Maelfu waweza kuangukia upande wako na makumi elfu mkono wako wa kuume, lakini uovu hauwezi kukupata.
Na dia hisy arivo aza lavo eo anilanao sy iray alina eo an-kavananao, Dia tsy hihatra aminao izany
8 Wewe utatazama tu na kuona hukumu ya waovu.
Hijery maso fotsiny ianao, Ka ho hitanao ny hamaliana ny ratsy fanahy.
9 Kwa kuwa Yahwe ni kimbilio langu! Umfanye Aliye Juu kuwa kimbilio lako pia.
Satria hoy ianao: Jehovah ô, Hianao no aroko, Sady nataonao ho fonenanao ny Avo Indrindra,
10 Hakuna uovu utakao kushinda wewe; mateso hayatakuja karibu na nyumba yako.
Dia tsy hisy loza hanjo anao, Na aretina hanakaiky ny lainao.
11 Maana yeye atawaelekeza malaika moja kwa moja kukulinda wewe, na kukuwekea ulinzi katika njia zako zote.
Fa Izy handidy ny anjeliny ny aminao Mba hiaro anao eny amin’ izay rehetra halehanao.
12 Nao watakuinua juu kwa mikono yao ili usiweze kujigonga mguu wako kwenye jiwe.
Eny an-tànany no hitondran’ ireo anao, Fandrao ho tafintohina amin’ ny vato ny tongotrao.
13 Utawaangamiza simba na nyoka chini ya miguu yako; utawakanyaga wana-simba na nyoka.
Ny liona masiaka sy ny vipera hodiavinao; Ny liona tanora sy ny menarana no hohitsahinao.
14 Kwa sababu amejitoa kwangu, nitamuokoa. Nitamlinda kwa sababu yeye ni mwaminifu kwangu.
Satria Izaho no niraiketan’ ny fitiavany, Dia hamonjy azy Aho, Hanandratra azy ho any amin’ ny avo Aho, satria mahalala ny anarako izy
15 Aniitapo, nitamjibu. Katika shida nitakuwa naye; nitampatia ushindi na nitamuheshimu.
Hiantso Ahy izy, dia hamaly azy Aho; Ho eo aminy Aho, raha ory izy; Hamonjy sy hanome voninahitra azy Aho.
16 Nitamtosheleza kwa maisha malefu na kumuonesha wokovu wangu.
Hovokisako fahela-velona izy Ary hasehoko azy ny famonjeko.

< Zaburi 91 >