< Zaburi 90 >

1 Bwana, wewe umekuwa kimbilio letu vizazi vyote.
Fivavak’ i Mosesy, lehilahin’ Andriamanitra.
2 Kabla milima haijaumbwa, wala haujaumba nchi na dunia, tangu milele na milele, wewe ni Mungu.
Fony tsy mbola ary ny tendrombohitra, Na voaforonao ny tany sy izao rehetra izao, Dia Andriamanitra Hianao hatramin’ ny taloha indrindra ka mandrakizay.
3 Humrudisha mtu mavumbini, na kusema, “Rudi, ewe uzao wa mwanadmu.
Mamerina ny olona ho amin’ ny vovoka Hianao Ka manao hoe: Miverena, ry zanak’ olombelona.
4 Kwa maana miaka elfu machoni pako ni kama jana ipitapo, na kama saa wakati wa usiku.
Fa eo imasonao ny arivo taona dia toy ny fandalon’ ny omaly, Ary tahaka ny fotoam-piambenana iray amin’ ny alina.
5 Huwafagia kama vile kwa mafuliko nao hulala; na wakati wa asubuhi wako kama majani yameayo.
Manindao azy tahaka ny riaka Hianao torimaso izy; Amin’ ny maraina tahaka ny ahitra mora miova izy.
6 Asubuhi yachipuka na kumea; jioni yakatika na kukauka.
Amin’ ny maraina mamony izy, nefa mora miova; Amin’ ny hariva voajinja izy ka maina.
7 Hakika, tumeangamizwa kwa hasira yako, na gadhabu yako inatuogopesha sana.
Fa lanin’ ny fahatezeranao izahay, Ary raiki-tahotra noho ny fahaviniranao.
8 Umeudhihirisha uovu wetu mbele zako, na dhambi zetu zilizofichika katika nuru ya uwepo wako.
Ny helokay efa nataonao teo anatrehanao, Ary ny fahotanay miafina teo amin’ ny fahazavan’ ny tavanao.
9 Uhai wetu unatoweka chini ya gadhabu yako; Miaka yetu inapita haraka kama pumzi.
Fa ny androanay rehetra efa lasa amin’ ny fahatezeranao; Efa laninay toy ny eritreritra ny taonanay.
10 Miaka yetu ni sabini, au themanini tukiwa na afya; lakini hata hivyo miaka yetu mizuri imetiwa alama ya taabu na huzuni. Ndiyo, inapita haraka, kisha tunatoweka.
Fito-polo taona no andron’ ny taonanay Ary raha tàhiny mateza aza, dia valo-polo taona, Nefa fahasasarana sy zava-poana ny voninahiny, Fa mihelina faingana izany, ka lasa manidina izahay.
11 Ni nani ajuaye kiwango cha hasira yako, na ghadhabu yako ambayo iko sawa na hofu yako?
Iza no mahafantatra ny herin’ ny fahatezeranao sy ny fahaviniranao Araka izay tokony ho fahatahorana Anao?
12 Hivyo utufundishe sisi kuyafikiria maisha yetu ili kwamba tuweze kuishi kwa hekima.
Mampianara anay hanisa ny andronay, Hahazoanay fo hendry.
13 Ugeuke, Ee Yahwe! Mpaka lini itakuwa hivi? Uwahurumie watumishi wako.
Miverena, Jehovah ô! Mandra-pahoviana? Ary mba aneneno ny amin’ ny mpanomponao.
14 Ututosheleze sisi wakati wa asubuhi kwa uaminifu wa agano lako ili kwamba tuweze kufurahi na kushangilia siku zote za maisha yetu.
Vokiso ny famindram-ponao nony maraina izahay, Mba hihobianay sy hifalianay amin’ ny andro rehetra hiainanay.
15 Utufurahishe kwa uwiano sawa na zile siku ulizo tutesa na kwa ile miaka tuliyopitia taabu.
Mampifalia anay araka ny andro nampahorianao anay Sy ny taona nahitanay loza.
16 Watumishi wako na waione kazi yako, na watoto wetu wauone ukuu enzi yako.
Aoka hiseho amin’ ny mpanomponao ny asanao, Ary ny voninahitrao amin’ ny zanany.
17 Na neema ya Bwana Mungu wetu iwe yetu; fanikisha kazi za mikono yetu; hakika, fanikisha kazi ya mikono yetu.
Ary aoka ho aminay ny fahasoavan’ ny Tompo Andriamanitray; Ary ampitoero aminay ny asan’ ny tananay; Eny, ny asan’ ny tananay, ampitoero izy.

< Zaburi 90 >