< Zaburi 67 >
1 Mungu atuhurumie sisi na kutubariki na kufanya nuru ya uso wake ituangazie (Selah)
Ho an’ ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ ny valiha. Salamo. Tonon-kira. Andriamanitra anie hamindra fo aminay sy hitahy anay; (Sela) hampamirapiratra ny tavany aminay anie Izy;
2 ili kwamba njia zako zijulikane nchi yote, wokovu wako kati ya mataifa yote.
Mba ho fantatra etỳ ambonin’ ny tany ny lalanao sy ny famonjenao any amin’ ny jentilisa rehetra.
3 Watu wakusifu wewe, Mungu; watu wote wakusifu wewe.
Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô; eny, hidera Anao ny firenena rehetra.
4 Oh, mataifa wafurahi na na kuimba kwa furaha, maana utawahukumu watu kwa haki na kuwaongoza mataifa walioko duniani.
Hifaly sy hihoby ny firenentsamy hafa, Satria mitsara marina ny firenena Hianao; ny firenen-tsamy hafa ambonin’ ny tany dia entinao. (Sela)
5 Watu wakushukuru wewe, Mungu; watu wote wakusifu wewe.
Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô; eny, hidera Anao ny firenena rehetra.
6 Nchi imetoa mavuno yake na Mungu, Mungu wetu, ametubariki.
Ny tany efa nahavokatra; mitahy antsika Andriamanitra, dia Andriamanitsika.
7 Mungu ametubariki sisi, na miisho yote ya dunia itamuheshimu yeye.
Mitahy antsika Andriamanitra; ary hatahotra Azy ny vazan-tany rehetra.