< Zaburi 57 >
1 Unihurumie, Mungu, unihurumie mimi, kwa maana ninakukimbilia wewe mpaka matatizo haya yaishe. Ninakaa chini ya mbawa za zako kwa ajili ya ulinzi mpaka huu uharibifu utakapoisha.
Ho an’ ny mpiventy hira. Al-tasheth. Miktama nataon’ i Davida tamin’ ny nandosirany an’ i Saoly tao anaty zohy. Mamindrà fo amiko. Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko; fa Hianao no ialofan’ ny fanahiko; eny, ao amin’ ny aloky ny elatrao no ialofako, mandra-pahalasan’ ny loza.
2 Nitakulilia Mungu uliye hai, kwa Mungu, afanyaye mambo yote kwa ajili yangu.
Hitaraina amin’ Andriamanitra Avo Indrindra aho, dia amin’ Andriamanitra Izay mahatanteraka ho ahy.
3 Yeye atatuma msaada kutoka mbinguni na kuniokoa, ana hasira na wale wanaonishambulia. (Selah) Mungu atanitumia upendo wake mwema na uaminifu wake.
Haniraka avy any an-danitra Izy ka hamonjy ahy, raha miteny ratsy izay misafoaka manenjika ahy. (Sela) Eny, Andriamanitra haniraka ny famindram-pony sy ny fahamarinany.
4 Uhai wangu uko katikati ya simba; niko katikati ya wale walio tayari kunila. Niko katikati ya watu ambao meno yao ni mikuki na mishale, na ambao ndimi zao ni kali kama upanga.
Ny fanahiko dia eo afovoan’ ny liona; handry eo amin’ ny masiaka aho, dia eo amin’ ny zanak’ olombelona, ― lefona sy zana-tsipìka ny nifiny, ary sabatra maranitra ny lelany.
5 Uinuliwe, Mungu, juu ya mbingu, utukufu wako uwe juu ya nchi yote.
Misandrata any ambonin’ ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô! aoka ho ambonin’ ny tany rehetra ny voninahitrao.
6 Wao walisambaza nje wavu kwa ajili ya miguu yangu; nilikuwa na shida sana. Walichimba shimo mbele yangu. Wao wenyewe wameangukia katikati ya shimo! (Selah)
Efa namela-pandrika harato haningotra ny diako izy, ary nampitanondrika ny fanahiko; nihady lavaka teo anoloako izy, kanjo ny tenany ihany no latsaka ao anatiny. (Sela)
7 Moyo wangu umeponywa, Mungu, moyo wangu umeponywa, nitaimba, ndiyo, nitaimba sifa.
Tafatoetra ny foko, Andriamanitra ô, eny, tafatoetra ny foko; hihira sy hankalaza aho.
8 Inuka, moyo wa thamani; inuka, kinanda na kinubi; nitaamka alfajiri.
Mifohaza, ry voninahitro; mifohaza ry valiha sy lokanga; hifoha maraina koa aho.
9 Nitakushukuru wewe, Bwana, kati ya watu; Kati ya mataifa nitakuimbia sifa.
Hidera Anao eny amin’ ny vahoaka aho, Tompo ô, hankalaza Anao eny amin’ ny firenena aho.
10 Maana upendo wako usiokwisha, huzifikia mbingu; na uaminifu wako mawinguni.
Fa lehibe mihatra amin’ ny lanitra ny famindram-ponao, ary mihatra amin’ ny rahona ny fahamarinanao.
11 Uinuliwe, Mungu, juu ya mbingu; na utukufu wako uinuliwe juu ya nchi yote.
Misandrata any ambonin’ ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô; aoka ho ambonin’ ny tany rehetra ny voninahitrao.