< Zaburi 52 >
1 Kwa nini wewe unajivunia kufanya uovu, wewe mtu mwenye nguvu? Uaminifu wa agano la Mungu huja kila siku.
Ho an’ ny mpiventy hira. Maskila nataon’ i Davida, fony tonga Doega Edomita ka nilaza tamin’ i Saoly hoe: Davida dia efa tonga ao an-tranon’ i Ahimeleka. Nahoana no mandoka tena amin’ ny haratsiana ianao, ry ilay mahery? Ny famindram-pon’ Andriamanitra maharitra mandrakariva.
2 Ulimi wako hupanga uharibifu kama wembe mkali, na kufanya udanganyifu.
Loza no heverin’ ny lelanao, tahaka ny hareza maranitra, ry mpanao fitaka.
3 Wewe unapenda uovu kuliko wema na udanganifu kuliko kuongea haki. (Selah)
Efa tia ny ratsy noho ny tsara ianao, ary ny lainga noho ny miteny ny marina. (Sela)
4 Wewe hupenda maneno ambayo huwaumiza wengine, wewe ulimi mdanganyifu.
Ny teny mandripaka rehetra no tianao, ry lela mamitaka.
5 Vivyo hivyo Mungu atakuadhibu wewe milele; yeye atakuchukua na kukuondoa katika hema yako na kukung'oa katika ardhi ya uhai. (Selah)
Andriamanitra kosa hanimba anao mandrakizay; hisambotra anao sy hanongotra anao hiala ao an-day Izy, ary hamongotra anao tsy ho eo amin’ ny tanin’ ny velona. (Sela)
6 Wenye haki pia wataona na kuogopa; watamcheka na kusema,
Ny marina hijery, dia hatahotra ka hihomehy azy hoe:
7 “Tazama, huyu ni mtu ambaye hakumfanya Mungu kuwa kimbilio lake la usalama, bali aliamini katika wingi wa mali zake, naye alikuwa na nguvu alipowaharibu wengine.”
Indro, ny lehilahy izay tsy nanao an’ Andriamanitra ho heriny; fa natoky ny haben’ ny hareny ka nikikitra tamin’ ny faharatsiany.
8 Lakini kwangu mimi, niko kama mti bora wa mzeituni katika nyumba ya Mungu; Nami nitaamini uaminifu wa agano la Mungu milele na milele.
Fa izaho dia tahaka ny hazo oliva maitso ao an-tranon’ Andriamanitra. Matoky ny famindram-pon’ Andriamanitra mandrakizay doria aho.
9 Nitakushukuru wewe daima kwa uliyo tenda. Nitalisubiri jina lako, kwa sababu ni zuri, uweponi mwa wantu wako wa kimungu.
Hidera Anao mandrakizay aho, fa efa nataonao izany; ary hiandry ny anaranao eo anatrehan’ ny olonao masìna aho, fa tsara izany.