< Zaburi 47 >

1 Pigeni makofi, enyi watu wote; mpigieni Mungu kelele za ushindi.
Ho an’ ny mpiventy hira. Nataon’ ny Koraïta. Salamo. Mitehafa tanana, ry firenena rehetra; mihobia ho an’ Andriamanitra.
2 Kwa maana Yahwe Aliye Juu anatisha; ni Mfalme mkuu dunia yote.
Fa Jehovah no avo indrindra ka tokony hatahorana; Mpanjaka lehibe ambonin’ ny tany rehetra Izy.
3 Yeye anawatiisha chini yetu na mataifa chini ya miguu yetu.
Mandresy firenena maro Izy ho ambanintsika, ary firenen-tsamy hafa ho ambanin’ ny tongotsika.
4 Yeye huchagua urithi kwa ajili yetu, utukufu wa Yakobo ambaye alimpenda. Serah
Mifidy ny lovantsika ho antsika Izy, dia ny voninahitr’ i Jakoba izay tiany. (Sela)
5 Mungu ameinuliwa juu kwa shangwe, Kwa mbiu ya shangwe Yahwe yu juu.
Efa niakatra tamin’ ny fihobiana Andriamanitra, Jehovah niakatra tamin’ ny fitsofana ny anjomara.
6 Mwimbieni Mungu sifa, imbeni sifa; mwimbieni sifa Mfalme wetu, imbeni sifa.
Mankalazà an’ Andriamanitra, eny mankalazà; mankalazà ny Mpanjakantsika, eny, mankalazà.
7 Kwa maana Mungu ni Mfalme duniani kote; mwimbieni mkiwa na uelewa.
Fa Mpanjaka amin’ ny tany rehetra Andriamanitra; mahaiza mankalaza tsara ianareo.
8 Mungu anatawala mataifa yote; Mungu hukaa kwenye kiti cha enzi.
Andriamanitra manjaka amin’ ny firenen-tsamy hafa; Andriamanitra mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianany masìna.
9 Wakuu wa watu wamekusanyika pamoja kwa watu wa Mungu wa Ibrahimu; kwa kuwa ngao za duniani ni za Mungu; yeye ameinuliwa juu sana.
Ny mpanapaka ny firenen-tsamy hafa miangona ho olon’ Andriamanitr’ i Abrahama; fa an’ Andriamanitra ny ampingan’ ny tany; Avo indrindra Izy.

< Zaburi 47 >