< Zaburi 23 >

1 Yahwe ni mchungaji wangu; sita pungukiwa na kitu.
Salamo nataon’ i Davida.
2 Yeye hunilaza katika majani mabichi; huniongoza kando ya maji matulivu.
Mampandry ahy amin’ ny ahi-maitso Izy; mitondra ahy eo amoron’ ny rano fialan-tsasatra Izy.
3 Yeye huurejesha uhai wangu; huniongoza katika njia iliyo sahihi kwa ajili ya jina lake.
Mamelombelona ny fanahiko Izy; mitarika ahy amin’ ny lalan’ ny fahamarinana noho ny anarany Izy.
4 Hata ijapokuwa nikipita katika bonde la uvuli na giza nene, sitaogopa kudhurika kwa kuwa wewe uko pamoja nami; fimbo yako na gongo lako vya nifariji.
Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza aho, fa Hianao no amiko; ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafa-tahotra ahy.
5 Wewe waandaa meza mbele yangu katika uwepo wa maadui zangu; umenipaka mafuta kichwa changu na kikombe changu kinafurika.
Mamelatra latabatra eo anoloako eo imason’ ny fahavaloko Hianao; manosotra diloilo ny lohako Hianao; ny kapoakako feno dia feno.
6 Hakika wema na uaminifu wa agano vitaniandama siku zote za maisha yangu; nami nitaishi katika nyumba ya Yahwe milele!
Eny tokoa, fahasoavana sy famindram-po no hanaraka ahy amin’ ny andro rehetra hiainako, dia hitoetra ao an-tranon’ i Jehovah andro lava aho.

< Zaburi 23 >