< Zaburi 108 >

1 Ee Mungu, moyo wangu u thabiti; nitaimba, naam, nitaimba sifa pia kwa moyo mkuu.
Tonon-kira. Salamo nataon’ i Davida. Andriamanitra ô, tafatoetra ny foko; Ny fanahiko no hihira sy hankalaza.
2 Amka, kinanda na kinubi; nitaamka alfajiri.
Mifohaza, ry valiha sy lokanga; hifoha maraina koa aho.
3 Nitakushukuru wewe, Yahwe, kati ya watu; nitakuimbia sifa kati ya mataifa.
Hidera Anao eny amin’ ny firenena maro aho, Jehovah ô, Ary hankalaza Anao eny amin’ ny jentilisa.
4 Kwa maana uaminifu wa agano lako ni mkuu juu ya mbingu; na uaminifu wako wafika mawinguni.
Fa lehibe mihoatra ny lanitra ny famindram-ponao; Ary mipaka eny amin’ ny rahona ny fahamarinanao.
5 Ee Mungu, uinuliwe, juu ya mbingu, na utukufu wako utukuke juu ya nchi.
Misandrata any ambonin’ ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô; Ary aoka ho etỳ ambonin’ ny tany rehetra ny voninahitrao.
6 Ili kwamba wale uwapendao waokolewe, utuokoe sisi kwa mkono wako wa kuume na unijibu.
Mba hahafaka ny malalanao, Dia vonjeo amin’ ny tananao ankavanana aho, ka valio.
7 Mungu ameongea katika utakatifu wake; “Nitashangilia; nitaigawanya Shekemu na nitalipima bonde la Sukothi.
Andriamanitra niteny tamin’ ny fahamasinany hoe: Hifaly Aho ka hizara an’ i Sekema, Ary ny lohasahan’ i Sokota horefesiko;
8 Gileadi ni yangu, na manase ni yangu; Ephraimu ni nguvu ya kichwa changu; Yuda ni fimbo yangu ya kifalme.
Ahy Gileada, Ahy Manase; Ary aron’ ny lohako Efraima; Tehim-panjakako Joda;
9 Moabu ni bakuli langu la kunawia; nitatupa kiatu changu juu ya Edomu; nitapaza sauti katika ushindi kwa ajili ya Filisti.
Tavindranoko fanasana Moaba; Edoma no hanipazako ny kapako; noho ny amin’ i Filistia ho hihobiako.
10 Ni nani atakaye nipeleka kwenye mji imara? Ni nani atakayeniongoza mpaka Edomu?”
Iza no hitondra ahy ho any an-tanàna mafy? Iza no hitarika ahy ho any Edoma?
11 Ee Mungu, sio wewe uliyetukataa? Hauendi vitani na jeshi letu.
Tsy Hianao va no efa nanary anay, Andriamanitra ô, Sady tsy mivoaka miaraka amin’ ny miaramilanay, Andriamanitra ô?
12 Utupe msaada dhidi ya adui yetu, maana msaada wa wanadamu ni bure.
Vonjeo amin’ ny fahavalo izahay; Fa zava-poana ny famonjena ataon’ ny olona.
13 Tutashinda kwa msaada wa Mungu; atawakanyaga kwa adui zetu.
Andriamanitra no haharezan-tsika; Fa Izy no hanitsakitsaka ny fahavalontsika.

< Zaburi 108 >