< Zaburi 105 >
1 Mshukuruni Yahwe, liitieni jina lake; myafanye matendo yake yajulikane kati ya mataifa.
Miderà an’ i Jehovah, miantsoa ny anarany; Ataovy fantatra any amin’ ny firenena ny asany.
2 Mwimbieni yeye, mwimbieni sifa yeye; semeni matendo yake yote ya ajau.
Mihirà ho Azy, mankalazà Azy; Saintsaino ny fahagagana rehetra ataony.
3 Mjivune katika utakatifu wa jina lake; moyo wao wamtafutao Yahwe ufurahi.
Ataovy ho reharehanareo ny anarany masìna; Aoka hifaly ny fon’ izay mitady an’ i Jehovah.
4 Mtafuteni Yahwe na nguvu zake; utafuteni uwepo wake siku zote.
Mitadiava an’ i Jehovah sy ny heriny Katsaho mandrakariva ny tavany.
5 Kumbukeni mambo ya ajabu aliyoyatenda,
Tsarovy ny asa mahagaga natao-ny Dia ny fahagagany sy ny fitsaran’ ny vavany,
6 miujiza yake na amri zitokazo kinywani mwake, enyi kizazi cha Ibrahimu mtumishi wake, enyi watu wa Yakobo, wachaguliwa wake.
Ry taranak’ i Abrahama mpanom-pony, Dia ianareo olom-boafidiny, taranak’ i Jakoba.
7 Yeye ni Yahwe, Mungu wetu. Amri zake ziko juu ya nchi yote.
Jehovah, Izy no Andriamanitsika; Manerana ny tany rehetra ny fitsarany.
8 Naye hulikumbuka agano lake milele, neno alilo amuru kwa ajili ya vizazi elfu.
Mahatsiaro ny fanekeny mandrakizay Izy, Dia ilay teny izay voadidiny ho an’ ny taranaka arivo mandimby,
9 Hulikumbuka agano alilolifanya na Ibrahimu na kiapo alicho mwapia Isaka.
Eny, ilay nataony tamin’ i Abrahama, Sy ny fianianany tamin’ Isaka;
10 Hiki ndicho alicho mthibitishia Yakobo kama agano na kama agano la milele kwa Israeli.
Izay naoriny ho lalana ho an’ i Jakoba, Sy ho fanekena mandrakizay ho an’ Isiraely,
11 Alisema, “Nitakupa wewe ardhi ya Kanaani kama sehemu yako ya urithi.”
Ka nataony hoe: Homeko anao ny tany Kanana, Ho lovanareo voazara amin’ ny famolaina,
12 Alisema hili wakati tu walipokuwa wachache katika hesabu, yaani wachahe sana, nao walikuwa wageni katika nchi.
Fony mbola olom-bitsy izy, Eny, vitsy sady vahiny tao,
13 Walienda taifa hadi taifa na kutoka ufalme moja kwenda mwingine.
Ary nifindrafindra tany amin’ ny firenena, Sy nifindrafindra fanjakana ho amin’ ny firenen-kafa,
14 Hakuruhusu yeyote kuwaonea; aliwakemea wafalme kwa ajili yao.
Tsy nisy navelany hampahory azy, Ary nananatra mpanjaka Izy noho ny amin’ ireo hoe:
15 Alisema, “Msiwaguze wapakwa mafuta wangu, na msiwadhuru manabii wangu.”
Aza manendry ireo voahosotro, Ary aza manisy ratsy ireo mpaminaniko.
16 Aliita njaa katika nchi; akaondoa upatikanaji wa mkate wote.
Dia niantso ny mosary ho amin’ ny tany Izy; Notapahiny avokoa ny mofo rehetra, izay tohan’ aina;
17 Akatuma mtu mbele yao; Yusufu aliuzwa kama mtumishi.
Naniraka lehilahy hialoha azy Izy; Josefa namidy ho andevo;
18 Miguu yake ilifungwa kwa pingu; alivishwa mnyororo wa chuma shingoni mwake,
Nampijaliny tamin’ ny fatorana ny tongony; Nogadrany vy izy.
19 mpaka wakati wa maneno yake ulipotimia, nalo neno la Yahwe lilimjaribu.
Mandra-pahatongan’ ny fotoana hahatanterahan’ ny teniny; Nizaha toetra azy ny tenin’ i Jehovah.
20 Mfalme alituma watumishi kumfungua; mtawala wa watu alimuweka huru.
Naniraka ny mpanjaka hamaha azy, Eny, ny mpanapaka ny vahoaka, mba handefa azy.
21 Alimuweka kuwa msimamizi wa nyumba yake kama mtawala wa mali zake zote
Nanao azy ho tompon’ ny tranony izy Sy ho mpanapaka ny fananany rehetra,
22 kuwaelekeza wakuu kama alivyopenda na kuwafundisha viongozi wake hekima.
Mba hamatotra ny mpanapaka araka ny sitrapony, Sy hampianatra fahendrena ny loholony.
23 Kisha Israeli iliingia Misri, na Yakobo aliishi kwa muda katika nchi ya Hamu.
Ary Isiraely nankany Egypta; Eny, Jakoba nivahiny tany amin’ ny tanin’ i Hama.
24 Yahwe aliwajalia watu wake wazae sana, na aliwafanya wenye nguvu kuliko adui zao.
Dia nahamaro ny taranaky ny olony ho be indrindra Izy ka nampahery azy noho ny fahavalony.
25 Alisababisha adui zao wawachukie watu wake, na kuwatendea visivyo watumishi wake.
Nampiova ny fon’ ireny hankahala ny olony Izy Sy hihendry ny mpanompony.
26 Alimtuma Musa, mtumishi wake, na Haruni, ambaye alikwisha mchagua.
Naniraka an’ i Mosesy mpanompony Sy Arona izay nofidiny Izy.
27 Walifanya ishara zake kati ya Wamisri na maajabu yake katika ya nchi ya Hamu.
Ary izy ireo nanao ny famantarany teo aminy Sy fahagagana tany amin’ ny tanin’ i Hama.
28 Alituma giza na likaifanya nchi hiyo kuwa giza, lakini watu wake hawakutii amri zake.
Nahatonga aizina Izy ka nahamaizina; Ary tsy nandà ny teniny izy ireo.
29 Aligeuza maji kuwa damu na aliua samaki wao.
Nahatonga ny ranony ho rà Izy Ka nahafaty ny hazandranony.
30 Nchi yao ilijaa vyura, hata katika vyumba vya watawala wao.
Nisy sahona betsaka ny taniny, Eny, na dia hatrao an-trano fandrian’ ny mpanjakany aza.
31 Alisema, na makundi ya inzi na chawa wakaja mjini mwote.
Niteny Izy, dia tonga ny lalitra betsaka Sy ny moka teny amin’ ny faritaniny rehetra.
32 Aliigeuza mvua yao kuwa mvua ya mawe, pamoja na miali ya moto juu ya ardhi yao.
Nahatonga havandra ho solon’ ny ranonorana Izy Sy afo midedadeda teny amin’ ny taniny.
33 Aliiharibu mizabibu yao na mitini yao; akaivunja miti ya mji wao.
Namely ny voalobony sy ny aviaviny Izy Ka nanapatapaka ny hazo teo amin’ ny taniny.
34 Alisema, na nzige wakaja, nzige wengi sana.
Niteny Izy, dia tonga ny valala Sy ny sompanga tsy hita isa;
35 Nzige walikula mboga zao zote za majani katika nchi yao. Walikula mazao yote ardhini.
Dia nihinana ny zava-maitso rehetra teny amin’ ny taniny ireny Ka nandany ny vokatry ny taniny.
36 Aliua kila mzaliwa wa kwanza katika nchi yao, malimbuko ya nguvu zao.
Ary namely ny lahimatoa rehetra tany amin’ ny taniny Izy, Dia ny voalohan’ ainy rehetra.
37 Aliwatoa nje Waisraeli wakiwa na fedha na dhahabu; hakuna mmoja wa kabila lake aliyejikwaa njiani.
Ary dia nitondra ny olony nivoaka Izy sady nampahazo azy volafotsy sy volamena; Ary tsy nisy nangozohozo na dia iray akory aza tamin’ ny fireneny.
38 Misri ilifurahi walipoondoka, maana Wamisri waliwaogopa.
Faly Egypta tamin’ ny nahalasanany; Fa efa nahazo azy ny fahatahorana ireo.
39 Alitandaza wingu liwafunike na alifanya moto uwaangazie wakati wa usiku.
Namelatra rahona ho fialokalofana Izy Ary afo ho fanazavana nony alina.
40 Waisraeli waliomba chakula, naye aliwaletea kware na aliwatosheleza kwa mkate kutoka mbiguni.
Nangataka izy ireo, dia nahatonga papelika Izy, Ary mofon-danitra no namokisany azy.
41 Aliugawa mwamba, maji yalimwagika kutoka humo; yalitiririka katika jangwa kama mto.
Nanokatra ny vatolampy Izy, dia nigororoana ny rano Ka nandriaka tamin’ ny tany maina ho renirano.
42 Kwa maana alikumbuka ahadi yake takatifu aliyoifanya kwa Ibrahimu mtumishi wake.
Fa nahatsiaro ny teniny masìna Sy Abrahama mpanompony Izy,
43 Aliwaongoza watu wake kwa furaha, wateule wake kwa kelele za ushindi.
Dia nitondra ny olony nivoaka tamin’ ny fifaliana Izy Ary ny voafidiny tamin’ ny fihobiana;
44 Aliwapa nchi za mataifa; walichukua milki ya mali za watu
Ka dia nanome azy ny tanin’ ny jentilisa Izy; Ary nandova ny vitan’ ny firenena maro ireny,
45 ili waweze kushika amri zake na kutii sheria zake. Msifuni Yahwe.
Mba hitandremany ny didiny, Sy hankatoavany ny lalàny. Haleloia.