< Mithali 8 >
1 Je hekima haiti? Je ufahamu hapazi sauti yake?
Tsy miantso va ny fahendrena, Ary tsy manandra-peo va ny fahalalana?
2 Juu ya kilima kando ya barabara, kwenye njia panda, hekima anasimama.
Eo an-tampon’ ny fitoerana avo amoron-dalana Sy eo an-tsampanan-dalana no ijoroany.
3 Kando ya njia ya kuingilia mjini, karibu na milango ya mji, anaita kwa sauti.
Eo anilan’ ny vavahady, amin’ ny fidirana ho ao an-tanàna, Sy eo anaty vavahady no iantsoany maty hoe:
4 Watu, ninawaita ninyi na ninapaza sauti yangu kwa wana wa wanadamu.
Hianareo no antsoiko, ry olona; Ary ny feoko ho amin’ ny zanak’ olombelona.
5 Ninyi wajinga, jifunzeni hekima, na ninyi mnaochukia maarifa, lazima mjipatieni moyo wa ufahamu.
Fantaro ny fahendrena, ry kely saina; Ary fantaro ny fahalalana, ry adala.
6 Sikiliza na mimi nitasema mambo mazuri na nifumbuapo midomo yangu nitaongea haki.
Henoy, fa hilaza zava-tsoa aho; Ary ny hilaza ny mahitsy no isokafan’ ny molotro.
7 Maana kinywa changu hunena uaminifu na midomo yangu huchukia uovu.
Fa ny marina ihany no holazain’ ny vavako; Ary ny ratsy dia fahavetavetana, raha amin’ ny molotro.
8 Maneno ya kinywa changu yote ni haki; hakuna kilichogeuzwa wala kupotoshwa.
Marina ny teny rehetra aloaky ny vavako; Tsy misy fiolakolahana na fitaka ao aminy.
9 Maneno yangu yote yamenyooka kwa yule mwenye kuelewa; maneno yangu ni haki kwa wale wanaotafuta maarifa.
Miharihary avokoa izy, raha amin’ ny mazava saina, Ary mahitsy, raha amin’ ny efa nahazo fahalalana.
10 Chagua fundisho langu badala ya fedha na maarifa kuliko dhahabu safi.
Aza ny volafotsy no raisina, fa ny anatro, Ary aleo ny fahalalana toy izay ny volamena voafantina.
11 Maana mimi, hekima ni bora kuliko vito; hakuna unachokitamani kinaweza kulinganishwa na mimi.
Fa ny fahendrena dia tsara noho ny voahangy; Ary ny zavatra irina rehetra tsy azo ampitahaina aminy.
12 Mimi, hekima, naishi kwa utaratibu, na ninamiliki maarifa na busara.
Izaho fahendrena dia miara-monina amin-tsaina, Ary hitan’ ny fahalalako ny fisainana mazava.
13 Hofu ya Mungu ni kuchukia uovu- nachukia majivuno na kiburi, njia ya uovu, na kauli iliyopotoka- hivyo ninavichukia.
Ny fankahalana ny ratsy no fahatahorana an’ i Jehovah. Ny fiavonavonana sy ny fireharehana sy ny lalana ratsy Ary ny vava fandainga dia samy halako avokoa.
14 Ninaushauri mzuri na hekima sahihi; mimi ni busara; nguvu zipo kwangu.
Ahy ny fisainana sy ny fanambinana; Izaho no fahalalana, izaho no manan-kery;
15 Kwa njia yangu wafalme hutawala- pia na waungwana, na wote ambao hutawala kwa haki.
Izaho no anjakan’ ny mpanjaka Sy andidian’ ny mpanapaka araka ny rariny;
16 Kwa njia yangu wafalme hutawala na waungwana na wote wanaotawala kwa haki.
Izaho no anapahan’ ny andriandahy sy ny lehibe, Dia ny mpitsara rehetra amin’ ny tany.
17 Nawapenda wale wanaonipenda, na wale wanaonitafuta kwa bidii, wataniona.
Tiako izay tia ahy; Ary izay fatra-pitady ahy dia hahita ahy.
18 Kwangu kunautajiri na heshima, utajiri wa kudumu na haki.
Ato amiko ny harena sy ny voninahitra, Eny, ny harena mateza sy ny fahamarinana.
19 Tunda langu ni bora kuliko dhahabu, bora hata kuliko dhahabu safi.
Ny vokatro dia tsara noho ny volamena, eny, noho ny tena volamena aza, Ary ny fitomboan’ ny hareko mihoatra noho ny volafotsy voafantina.
20 Ninazalisha kilicho bora kuliko fedha safi. Natembea katika njia ya haki,
Amin’ ny alehan’ ny fahamarinana no izorako, Dia ao amin’ ny lalan’ ny fitsarana marina,
21 katika mapito ambayo huelekea kwenye haki, ili niwape urithi wale wanaonipenda na kuzijaza hazina zao.
Mba hampandovako harena izay tia ahy, Sy hamenoako ny firaketany.
22 Yehova aliniumba tokea mwanzo- mwazoni mwa matendo yake ya nyakati za kale.
Jehovah nahary ahy ho fiandohan’ ny alehany, Ho voalohany amin’ ny asany hatramin’ ny taloha.
23 Tokea enzi za kale niliwekwa katika nafasi- tokea kwanza, tokea mwanzo wa dunia.
Izaho notendreny hatramin’ ny fahagola, Eny, hatramin’ ny voalohany indrindra, dia fony tsy mbola ary ny tany.
24 Kabla ya bahari, mimi nilizaliwa- kabla ya kuwepo chemchemi zenye maji tele.
Fony tsy mbola ary ny lalina, no efa teraka aho, Fony tsy mbola ary ny loharano miboiboika be,
25 Kabla ya milima na vilima kuwekwa, mimi nilizaliwa.
Fony tsy mbola naorina ny tendrombohitra, Fony tsy mbola nisy havoana, no efa teraka aho,
26 Nilizaliwa kabla ya Yehova hajaiumba dunia wala makonde, hata mavumbi ya kwanza katika dunia.
Fony tsy mbola natao ny tany, na ny saha, Na ny voalohan’ ny vovo-tany ambonin’ izao rehetra izao.
27 Nilikuwepo alipoziimarisha mbingu, wakati alipochora mstari katika sura ya kilindi.
Raha namorona ny lanitra Izy, dia tany aho, Raha namaritra ny hababakaka tambonin’ ny lalina Izy,
28 Nilikuwepo alipoimarisha anga la juu na wakati wa kutengeneza kina cha chemchemi.
Raha nampitoetra ny rahona eny ambony Izy, Raha niboiboika fatratra ny loharanon’ ny lalina,
29 Nilikuwepo alipotengeneza mipaka ya bahari, ili maji yasisambae kuvuka pale alipoyaamuru, na wakati anaamuru misingi ya dunia sehemu ya kukaa.
Raha nanisy faritra ho an’ ny ranomasina Izy, Mba tsy hahazoan’ ny rano mihoatra ny fetrany, Ary nandidy ny amin’ ny fanorenan’ ny tany,
30 Nilikuwa kando yake, kama fundistadi mkuu, na mimi nilikuwa furaha yake siku kwa siku, nikifurahi mbele zake daima.
Dia mpità-marika teo anilany aho Sady ravoravo isan’ andro isan’ andro Ka nilalao mandrakariva teo anatrehany;
31 Nilikuwa nikifurahi katika dunia yake yote na furaha yangu ilikuwa kwa wana wa wanadamu.
Eny, nahafaly ahy ny tany nataony honenana, Ary naharavoravo ahy ny zanak’ olombelona.
32 Na sasa, wanangu, nisikilizeni, maana wale wazishikao njia zangu watakuwa na furaha.
Koa mihainoa ahy ianareo, anaka; Fa sambatra izay manaraka ny diako;
33 Sikilizeni fundisho langu na mpate hekima; wala msilipuuze.
Minoa anatra, ka hendre, Fa aza mandà.
34 Anisikilizaye atakuwa na furaha- kila siku akitazama katika malango yangu, akinisubiri pembeni mwa milango ya masikani yangu.
Sambatra izay olona mihaino ahy Ka miari-tory mandrakariva eo am-bavahadiko, Ary miandry eo amin’ ny tolam-baravarako.
35 Maana yeyote anionaye mimi, anapata uzima, naye atapata kibali kwa Yehova.
Fa izay mahita ahy dia mahita fiainana Sady mahazo sitraka amin’ i Jehovah;
36 Na yeyote asiyeniona mimi, hujiumiza mwenyewe, wote wanaonichukia hupenda mauti.
Fa izay diso ahy kosa mampidi-doza amin’ ny fanahiny; Ary izay rehetra mankahala ahy tia fahafatesana.