< Mithali 11 >

1 Yehova huchukia vipimo ambavyo havipo sahihi, bali hufurahia uzani dhahiri.
Ny mizana mandainga dia fahavetavetana eo imason’ i Jehovah; Fa ny vato marina no ankasitrahany.
2 Kinapokuja kiburi, ndipo aibu huja, bali unyenyekevu huleta hekima.
Raha tonga ny fiavonavonana, dia tonga koa ny fahafaham-baraka; Fa ao amin’ ny manetry tena no misy fahendrena.
3 Uadilifu wa wenye haki huwaongoza, bali udanganyifu wa njia za wajanja utawaangamiza.
Ny fahitsian’ ny mahitsy no mitarika azy; Fa ny faharatsian’ ny mpivadika mahatonga fandringanana amin’ ny tenany.
4 Utajiri hauna thamani siku ya ghadhabu, bali kwa kutenda haki hujilinda na mauti.
Ny harena dia tsy mahasoa amin’ ny andro fahatezerana; Fa ny fahamarinana no mamonjy tsy ho azon’ ny fahafatesana.
5 Mwenendo wa mtu mwema huinyosha njia yake, bali waovu wataanguka kwa sababu ya uovu wao.
Ny fahamarinan’ ny marina mandamina ny alehany; Fa ny ratsy fanahy lavon’ ny haratsiany ihany.
6 Mwenendo mwema wa wale wampendezao Mungu utawalinda salama, bali wadanganyifu hunaswa katika shauku zao.
Ny fahamarinan’ ny mahitsy mamonjy azy; Fa ny mpivadika dia voafandriky ny filàny.
7 Mtu mwovu anapokufa, tumaini lake hupotea na tumaini lililokuwa katika nguvu zake linakuwa si kitu.
Raha maty ny ratsy fanahy, dia foana ny fanantenany, Eny, foana ny fanantenan’ ny mpanao ratsy.
8 Yule atendaye haki hulindwa katika taabu na badala yake taabu humjia mwovu.
Ny marina dia vonjena amin’ ny fahoriana; Fa ho avy kosa ny ratsy fanahy hisolo azy.
9 Kwa kinywa chake asiyeamini Mungu humwangamiza jirani yake, bali kwa maarifa wale watendao haki hulindwa salama.
Ny vavan’ ny mpihatsaravelatsihy no animbany ny namany; Fa ny fahalalana no hanafahana ny marina.
10 Wanapofanikiwa watendao haki, mji hufurahi, waovu wanapoangamia, kunakuwa na kelele za furaha.
Raha miadana ny marina, dia ravoravo ny tanàna; Fa raha ringana ny ratsy fanahy, dia velona ny hoby.
11 Kwa zawadi nzuri za wale wanaompendeza Mungu, mji unakuwa mkubwa; kwa kinywa cha waovu mji huvurugwa.
Ny fisaoran’ ny marina no isandratan’ ny tanàna; Fa ny vavan’ ny ratsy fanahy no aharavany.
12 Mtu mwenye dharau kwa rafiki yake hana akili, bali mtu mwenye ufahamu hunyamaza.
Tsy ampy saina izay manamavo ny namany; Fa izay hendry dia mangìna.
13 Anayekwenda akizunguka kwa kukashifu hufunua siri, bali mtu mwaminifu hustiri jambo.
Izay mandehandeha manaratsy dia manambara ny hevitra afenina; Fa ny olona mahatoky tsy mba tia lazalaza.
14 Pasipokuwa na uongozi wenye busara, taifa huanguka, bali ushindi huja kwa kushauriana washauri wengi.
Raha tsy misy mpitondra, dia rava ny firenena; Fa handry fahizay, raha maro ny mpanolo-tsaina.
15 Anayemdhamini mkopo wa mgeni ataumia kwa usumbufu, bali anayechukia kutoa rehani kwa namna ya ahadi yupo salama.
Hahita loza tokoa ny mianto-bahiny: Fa mitoetra tsy manana ahiahy ny tsy tia antoka.
16 Mwanamke mwenye rehema hupata heshima, bali watu wakorofi hufumbata utajiri.
Ny vehivavy tsara tarehy mahazo dera; Ary ny mpanao an-keriny mahazo harena.
17 Mtu mkarimu hufaidika mwenyewe, bali mkatili hujiumiza mwenyewe.
Ny olona mamindra fo dia mahazo soa ho an’ ny tenany; Fa ny lozabe dia todin’ ny halozany.
18 Mtu mwovu husema uongo kupata mishahara yake, bali yeye apandaye haki anavuna mishahara ya kweli.
Ny ratsy fanahy dia mahazo valiny tsy mahasoa; Fa izay mamafy fahamarinana no mahazo izay tena tambiny tokoa.
19 Mtu mwaminifu atendaye haki ataishi, bali yeye atendaye uovu atakufa.
Ny tena fahamarinana dia mamantana any amin’ ny fiainana; Fa izay fatra-panaraka ny ratsy dia iharan’ ny fahafatesana.
20 Yehova anawachukia wenye ukaidi mioyoni, bali anawapenda wale ambao njia zao hazina makosa.
Fahavetavetana eo imason’ i Jehovah ny meloka am-po; Fa ankasitrahany kosa izay mandeha tsy misy tsiny.
21 Uwe na uhakika juu ya hili- watu waovu hawatakosa adhabu, bali uzao wa wale watendao haki watawekwa salama.
Azo itompoana tokoa fa tsy maintsy hampijalina ny ratsy fanahy; Fa ny taranaky ny marina no hovonjena.
22 Kama pete ya dhahabu kwenye pua ya nguruwe ndiyo alivyo mwanamke mzuri asiye na busara.
Toy ny kavim-bolamena eo amin’ ny oron-kisoa Ny vehivavy tsara tarehy tsy manam-pahendrena.
23 Shauku ya wale watendao haki ni matokeo mema, bali watu waovu wanaweza kutumainia ghadhabu tu.
Ny soa ihany no irin’ ny marina; Fa fahatezerana no fanantenan’ ny ratsy fanahy.
24 Kuna yule ambaye hupanda mbegu- atakusanya zaidi; mwingine hapandi- huyo anakuwa masikini.
Misy mahafoy, nefa mitombo fananana ihany; Ary misy fatra-pahihitra loatra, nefa tonga malahelo ihany.
25 Mtu mkarimu atafanikiwa na yule awapaye maji wengine atapata maji yake mwenyewe.
Izay manisy soa olona hohatavezina; Ary izay mandena dia mba holemana kosa.
26 Watu wanamlaani mtu ambaye hukataa kuuza nafaka, bali zawadi njema hufunika kichwa chake ambaye huuza nafaka.
Izay tsy mamoaka ny variny dia ozonin’ ny olona; Fa saotra no ho amin’ ny lohan’ izay mivarotra.
27 Yule ambaye hutafuta mema kwa bidii pia anatafuta kibali, bali yule atafutaye ubaya atapata ubaya.
Izay fatra-pikatsaka ny tsara no mitady ny mahafinaritra; Fa izay mitady ny ratsy dia hiharan’ izany.
28 Wale wanaotumaini utajiri wataanguka, bali kama jani, wale watendao haki watasitawi.
Izay matoky ny hareny dia ho lavo; Fa ny marina ho tahaka ny ravina maitso.
29 Yule ambaye analeta taabu kwenye kaya yake ataurithi upepo na mpumbavu atakuwa mtumishi wa wenye moyo wa hekima.
Izay mampidi-doza amin’ ny ankohonany dia mandova ny rivotra; Ary ny adala dia tonga mpanompon’ ny hendry.
30 Wale watendao haki watakuwa kama mti wa uzima, lakini vurugu huondoa uzima.
Ny vokatry ny marina dia hazon’ aina, Ary ny hendry dia mahataona olona.
31 Tazama! Ikiwa wale watendao haki hupokea wanachositahili, je si zaidi kwa waovu na wenye dhambi!
Indro, ny marina aza dia valiana etỳ an-tany, Koa mainka fa ny ratsy fanahy sy ny mpanota!

< Mithali 11 >