< Obadia 1 >
1 Maono ya Obadia. Bwana MUNGU asema hivi juu ya Edomu Tumesikia habari kutoka kwa Bwana, na mjumbe ametumwa kati ya mataifa, akisema, Inukeni! Tuinuke dhidi yake kwa vita!”
Ny fahitan’ i Obadia. Izao no lazain’ i Jehovah Tompo ny amin’ i Edoma: Nahare filazana avy tamin’ i Jehovah izahay, Ary nisy iraka nalefa ho any amin’ ny jentilisa hanao hoe: Mitsangàna, aoka isika hitsangana hanafika azy!
2 Tazama, nitawafanya wadogo kati ya mataifa, mutadharauliwa sana.
Indro, hataoko tsinontsinona eo amin’ ny firenena ianao, Eny, ho fanazimbazimba indrindra ianao.
3 Kiburi cha moyo wako kimekudanganya wewe, wewe ambaye unishi katika makaburi ya miamba, katika nyumba yako ya juu; asemaye moyoni mwako, 'Ni nani atakayenishusha mimi chini?'
Ny avonavon’ ny fonao no namitaka anao, Ry ilay monina ao an-tsefatsefaky ny harambato, Any amin’ ny fonenana avo, Sady manao anakampo hoe: Iza no hampivarina ahy ho eny an-tany?
4 Ingawa unasimama juu kama tai na ingawa kiota chako huwekwa kati ya nyota, nitakushusha chini kutoka huko, asema Yahweh.
Na dia miakatra tahaka ny voromahery aza ianao Ka mametraka ny akaninao eny amin’ ny kintana, Dia havariko avy eny ianao, hoy Jehovah.
5 Kama wezi walikuja kwako, ikiwa wanyang'anyi wangekujilia usiku (jinsi ungekatilwa mbali!), Wasingeweza kuiba vya kuwatosha? Ikiwa wakusanya zabibu wangekujilia, wasingeacha mavuno?
Raha, tahìny misy mpangalatra, na jiolahy alina, tonga ao aminao, (Indrisy, fongotra ianao!) Moa tsy izay hahafa-po azy ihany va no hangalariny? Raha tahìny misy mpioty voaloboka tonga ao aminao, Moa tsy hamela voaloboka sisa hotsimponina va izy?
6 Jinsi Esau amekwisha kupigwa, na hazina zake zilizofichwa zimewekwa nje!
Endrey ny fitady ny an’ i Esao! Endrey ny fikatsaka ny hareny miafina!
7 Watu wote wa ushirikiano wako watakupeleka katika njiani ya hadi mpakani. Watu waliokuwa na amani pamoja nawe wamekudanganya, na kukushinda. Wale wanaokula mkate wako wameweka mtego chini yako. Hakuna uelewa ndani yake.
Ny olona rehetra izay vita fanekena taminao no nampandeha anao hatramin’ ny sisin-tany; Izay tsara fihavanana aminao no namitaka ka naharesy anao; Izay mihinana ny haninao no namela-pandrika ao ambaninao Tsy misy fahalalana ao aminy!
8 Je! Sikuweza siku hiyo, asema Bwana, kuwaangamiza watu wenye hekima kutoka Edomu na kuelewa kutoka mlima wa Esau?
Moa tsy amin’ izany andro izany va, hoy Jehovah, no hamongorako ny olon-kendry ao Edoma, Sy ny manan-tsaina ao an-tendrombohitr’ i Esao?
9 Mashujaa wako watafadhaika, Temani, ili kila mtu akatiliwe mbali kutoka mlima wa Esau kwa kuuawa.
Ary ho raiki-tahotra ny lehilahy maherinao, ry Temana, Mba haringana amin’ ny vonoana ho foana ny any an-tendrombohitr’ i Esao.
10 Kwa sababu ya ukatili uliofanywa kwa ndugu yako Yakobo, utafunikwa na aibu, nawe utakatiliwa mbali milele.
Noho ny fampahoriana an’ i Jakoba rahalahinao dia ho voasaron-kenatra ianao Ka ho fongotra mandrakizay.
11 Siku ile ulikuwa umesimama, siku wageni walichukua mali zake, na waliokuwa wageni katika malango yake, na kupiga kura kwa Yerusalemu, wewe ulikuwa kama mmoja wao.
Tamin’ ilay andro namitsahanao teny am-pita, Tamin’ ny andro namaboan’ ny vahiny ny fananany, Sy nidiran’ ny hafa firenena teo amin’ ny vavahadiny, Ary nanaovany loka an’ i Jerosalema, Dia mba toy ny anankiray tamin’ ireny koa ianao.
12 Lakini usifurahi siku ya ndugu yako, siku ya msiba wake, wala usifurahi juu ya watu wa Yuda siku ya uharibifu wao; msijisifu siku ya dhiki yao.
Aza finaritra mijery ny andron’ ny rahalahinao amin’ ny andro ahitany loza izay tsy misy toa izany; Ary aza mifaly ny amin’ ny taranak’ i Joda amin’ ny andro andringanana azy; Ary aza manao teny miavonavona amin’ ny andro fahoriana
13 Usiingie mlango wa watu wangu siku ya msiba wao; usifurahi juu ya taabu yao siku ya msiba wao, wala msipotee utajiri wao siku ya uharibifu wao.
Aza miditra amin’ ny vavahadin’ ny oloko amin’ ny andro ahitany loza; Aza finaritra mijery ny fahantrany amin’ ny andro ahitany loza ianao, Ary aza maninji-tàna haka ny fananany amin’ ny andro ahitany loza
14 Usisimama kwenye njia panda, ili kuwakatilia mbali wakimbizi wake na usiwatoe waathirika wake katika siku ya dhiki.
Aza mamitsaka eo amin’ ny sampanan-dalana hamono izay afa-nandositra ianao; Ary aza manolotra izay sisa aminy amin’ ny andro fahoriana.
15 Kwa maana siku ya Bwana iko karibu na mataifa yote. Kama ulivyofanya, itafanyika kwako; matendo yako yatarudi juu ya kichwa chako mwenyewe.
Fa efa antomotra amin’ ny jentilisa rehetra ny andron’ i Jehovah; Toy ny nataonao no mba hatao aminao kosa; Eny, hitsingerina ho eo an-dohanao ny nataonao.
16 Kwa vile mlivyokunywa katika mlima wangu mtakatifu, ndivyo mataifa yote yatakavyo kunywa daima. Watakunywa na kumeza na itakuwa kana kwamba hawakuwepo kabisa.
Fa toy ny nisotroanareo teo an-tendrombohitra masìna, Dia toy izany koa no hisotroan’ ny firenena rehetra mandrakariva, Eny, hisotro izy ka hitelina, Ary ho toy ny tsy ary izy.
17 Lakini katika Mlima Sayuni kutakuwa na wale waliookoka na watakuwa watakatifu; na nyumba ya Yakobo watamiliki miliki zao.
Fa ao an-tendrombohitra Ziona dia hisy izay sisa afaka, Ary ho masìna izy; Ary ny taranak’ i Jakoba hahalasa ny fananany.
18 Nyumba ya Yakobo itakuwa moto, na nyumba ya Yusufu ni mwali wa moto, na nyumba ya Esau itakuwa mabua makavu, nao watawaunguza, na kuwateketeza. Hakutakuwa na waathirika kwa nyumba ya Esau, kwa kuwa Bwana amesema.
Ny taranak’ i Jakoba ho afo, Ary ny taranak’ i Josefa ho lelafo, Fa ny taranak’ i Esao kosa ho vodivary, Ary harehitr’ ireny izy ka holevoniny; Ary tsy hisy sisa afaka ny taranak’ i Esao, Fa Jehovah no efa niteny.
19 Wote kutoka Negebu watamiliki mlima wa Esau na wale wa Shepela watamiliki nchi ya Wafilisti. Wao wataimiliki nchi ya Efraimu na nchi ya Samaria; na Benyamini atamiliki Gileadi.
Ny any amin’ ny tany atsimo no hahalasa ny tendrombohitr’ i Esao; Ary ny any amin’ ny tany lemaka amoron-tsiraka no hahalasa ny Filistina; Hahalasa ny tanin’ ny Efraima sy ny tany Samaria izy; Ary Benjamina hahalasa an’ i Gileada.
20 Wahamiaji wa jeshi hili la watu wa Israeli watamiliki ardhi ya Kanaani mpaka Sarepta. Wahamiaji wa Yerusalemu, waliopo Sefaradi, wataimiliki miji ya Negebu.
Ary ny babo amin’ izao Zanak’ Isiraely maro be izao hahalasa ny Kananita hatrany Zarefata, Ary ny babo tany Jerosalema, izay any Sefarada, dia hahalasa ny tanàna any amin’ ny tany atsimo.
21 Waokoaji watakwenda hadi juu ya Mlima Sayuni kutawala nchi ya vilima ya Esau, na ufalme utakuwa wa Bwana.
Ary hisy mpamonjy miakatra ho ao an-tendrombohitra Ziona Hitsara ny tendrombohitr’ i Esao; Ary ho an’ i Jehovah.