< Hesabu 8 >
1 BWANA akanena na Musa, akamwambia,
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
2 “Sema na Haruni umwambie, 'zile taa saba lazima zimulike mbele ya kinara utakapoziwasha,”
Mitenena amin’ i Arona hoe: Raha mampirehitra ny jiro fito ianao, dia ataovy mahazava ny eo anoloan’ ny fanaovan-jiro izy.
3 Haruni alifanya haya. Aliziwasha zile taa juu ya kinara ili ziangaze mbele yake kama BWANA alivyomwagiza Musa.
Dia nataon’ i Arona izany, fa nampirehetiny ny jiro mba hahazava ny eo anoloan’ ny fanaovan-jiro, araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
4 Kinara kilitengenezwa kwa njia hii kama BWANA alivyomwelekeza Musa muundo wake. Kiitakaiwa kutengenezwa kwa dhahabu kuanzia kwenye kitako chake hadi juu, ndivyo kilivyotakiwa kutengenezwa kwa dhahabu kwa maua hadi juu.
Ary izao no toetry ny fanaovan-jiro; volamena novoasana izy; hatramin’ ny faladiany sy ny voniny aza dia samy novoasana avokoa; araka ny endrika izay nasehon’ i Jehovah an’ i Mosesy no nanaovany ny fanaovan-jiro.
5 Tena, BWANA akanena na Musa, akasema,
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
6 '“Uwatwae Walawi kati ya wana wa Israeli na uwatakase.”
Alao ny Levita avy amin’ ny Zanak’ Isiraely, ka diovy izy.
7 Uwafanyie hivi ili kuwatakasa: Uwanyunyizie maji ya utakaso juu yao. Hakikisha wamenyoa miili yao yote, wafue nguo zao, na kwa njia hii wajitakase wenyewe.
Ary izao no hataonao aminy hanadiovana azy: Fafazo rano fanadiovana izy, ary asaovy haratany avokoa ny tenany rehetra, ary aoka hosasany ny fitafiany, ka dia hadio izy.
8 Kisha wachukue fahari mchanga na sadaka ya unga mwembamba uliochanganywa na mafuta. Halafu wachukue fahari mchanga kwa ajili ya sadaka ya dhambi.
Dia asaovy maka vantotr’ ombilahy iray izy mbamin’ ny fanatitra hohanina fombany, dia koba tsara toto voaharo diloilo; ary vantotr’ ombilahy iray koa no halainao ho fanatitra noho ny ota.
9 Uwalete Walawi mbele ya hema ya kukutania, na uwakusanye jamii yote ya wana wa Israeli.
Ary ento ny Levita hankeo anoloan’ ny trano-lay fihaonana; ary vorio ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra.
10 Uwalete Walawi mbele yangu, BWANA. Wana wa Israeli wataweka mikono yao juu ya Walawi.
Ary ento ny Levita hankeo anatrehan’ i Jehovah; ary ny Zanak’ Isiraely hametraka ny tànany aminy;
11 Haruni atawatoa Walawi mbele yangu, kuwa sadaka ya kutikiswa. Atafanya hivi ili kwamba Walawi wanitumikie.
ary Arona dia hanatitra ny Levita eo anatrehan’ i Jehovah ho fanatitra ahevaheva avy amin’ ny Zanak’ Isiraely, mba hanao ny fanompoana an’ i Jehovah izy.
12 Walawi wataweka mikono yao juu ya hao fahari. Mtatoa fahari mmoja kuwa sadaka ya dhambi na fahari mwingine kuwa sadaka ya kuteketezwa kwangu, ili kuwa upatanisho kwa Walawi.
Ary ny Levita hametraka ny tànany amin’ ny lohan’ ny vantotr’ ombilahy roa; dia atero ny anankiray ho fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa ho fanatitra dorana ho an’ i Jehovah, hanaovana fanavotana ho an’ ny Levita.
13 Walete Walawi mbele ya Haruni na mbele ya wana wake, uwainue kuwa sadaka ya kutikiswa kwa ajili yangu.
Ary apetraho eo anatrehan’ i Arona sy ny zanany ny Levita, ka atero ho fanatitra ahevaheva ho an’ i Jehovah izy.
14 Kwa njia hii utawatenganisha Walawi toka wana wa Israeli. Walawi watakuwa wangu.
Ary ampiavaho amin’ ny Zanak’ Isiraely ny Levita, dia ho Ahy izy.
15 Baadaye Walawi wataingia ndani ya hema ya kukutania. Utawatakasa. utawatoa kuwa sadaka ya kutikiswa
Ary rehefa afaka izany, dia hiditra ny Levita hanao fanompoana ao amin’ ny trano-lay fihaonana. Dia hodiovinao toy izany izy ka haterinao ho fanatitra ahevaheva;
16 Fanya hivi kwa sababu wao ni wangu wote kutoka kwa wana wa Israeli. Watachukua nafasi ya kila mzaliwa wa kwanza afunguaye tumbo, mzaliwa wa kwanza wa uzao wa Israeli. Nimewachukua Walawi kwa ajili yangu.
fa efa nomena ho Ahy avy tamin’ ny Zanak’ Isiraely mihitsy izy; ho solon’ izay voalohan-teraka rehetra, dia izay lahimatoa rehetra amin’ ny Zanak’ Isiraely, no nanalako azy ho Ahy.
17 Wazaliwa wa kwanza wote kutoka kwa wana wa Israeli ni wangu, watu wote pamoja na wanyama pia. Siku ile nilipowachukua wazaliwa wa kwanza katika nchi ya Misri, Niliwatenga kwa ajili yangu
Fa Ahy ny voalohan-teraka rehetra amin’ ny Zanak’ Isiraely, na olona na biby fiompy; tamin’ ilay andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany amin’ ny tany Egypta no nanamasinako azy ho Ahy.
18 Nimewachukua Walawi kutoka kwa wana wa Israeli badala ya wazaliwa wa kwanza.
Ary efa nalaiko ny Levita ho solon’ ny lahimatoa rehetra amin’ ny Zanak’ Isiraely.
19 Nimewatoa Walawi kuwa zawadi kwa Haruni na wana wake. Nimewachukua toka wana wa Isreali ili kuwatumikia wana wa Israeli katika hema ya kukutania. Nimewatoa ili kuwa upatanisho kwa watu ili kwamba wasipatwe na mapigo wakati wanapokaribia kwenye eneo takatifu.
Ary nomeko ho an’ i Arona sy ny zanany mihitsy ny Levita, avy amin’ ny Zanak’ Isiraely, hanao ny fanompoan’ ny Zanak’ Isiraely ao amin’ ny trano-lay fihaonana sy hanao fanavotana ho an’ ny Zanak’ Isiraely, mba tsy hisy areti-mandringana hanjo azy, raha manakaiky ny fitoerana masìna izy.
20 Musa, Haruni na jamii ya Waisraeli wote waliwafanyia Walawi hivi. Walifanya kila kitu ambacho BWANA alikuwa amemwamuru Musa kuhusu Walawi. Wana wa Israeli wakafanya haya pamoja nao.
Dia nataon’ i Mosesy sy Arona mbamin’ ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, tamin’ ny Levita izany; araka izay rehetra efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy ny amin’ ny Levita no nataon’ ny Zanak’ Isiraely taminy.
21 Walawi wakajitakasa wenyewe na kufua mavazi yao, Na Haruni akawatoa kama sadaka ya kutikiswa kwa BWANA na akafanya upatanisho kwao ili kuwatakasa.
Dia nodiovin’ ny Levita ny tenany ho afaka ota, ary nosasany ny fitafiany; ary Arona nanatitra azy ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’ i Jehovah sady nanao fanavotana ho azy hanadiovana azy.
22 Baada ya hayo, Walawi waliingia ndani kufanya utumishi wao katika hema ya kukutania mbele ya Haruni na mbele ya wanawe. Kama BWANA alivyokuwa amemwagiza Musa juu ya Walawi. Waliwahudumia Walawi wote kwa jinsi hii.
Ary rehefa afaka izany, dia niditra ny Levita hanao ny fihaonana teo anatrehan’ i Arona sy ny zanany; araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy ny amin’ ny Levita no nataony taminy.
23 BWANA akanena na Musa tena, Akasema,
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
24 “Haya yote ni kwa ajili ya Walawi ambao wana umri wa miaka ishirini na mitano na zaidi. Wataungana na wale wanaohudumia hekaluni.
Ny amin’ ny Levita dia izao: Hatramin’ ny dimy amby roa-polo taona no ho miakatra izy no hanatona hilatsaka amin’ ny antokony hanao ny fanompoana ao amin’ ny trano-lay fihaonana;
25 Wataacha kutoa huduma hii watakapokuwa na umri wa miaka hamsini. Katika umri huu hawatakiwi kuendelea na huduma tena.
fa rehefa dimam-polo taona kosa izy, dia hiala amin’ ny antokon’ ny fanompoana ka tsy hanompo intsony;
26 Wanaweza kuwasaidia ndugu zao wanaoendelea kufanya kazi ndani ya hema ya kukutania, lakini hawatakiwai kufanya kazi tena. Utawaelekeza Walawi kuyafahamu haya yote.”
kanefa mahazo manampy ny rahalahiny ao amin’ ny trano-lay fihaonana ihany izy mba hitandrina izay anjara-raharaha; fa tsy hanao fanompoana hafa izy. Izany no hataonao amin’ ny Levita ny amin’ ny anjara-raharahany.