< Nehemia 5 >

1 Kisha wale wanaume na wake zao wakalia kwa nguvu dhidi ya Wayahudi wenzao.
Ary nitaraina mafy ny lehilahy sy ny vadiny ny amin’ ny Jiosy rahalahiny.
2 Kwa maana kulikuwa na baadhi ya watu ambao walisema, “Sisi na wana wetu na binti zetu tupo wengi. Basi hebu tupate nafaka tuweze kula na tukae tuishi.”
Fa nisy nanao hoe: Maro izahay mbamin’ ny zanakai-lahy sy ny zanakai-vavy; koa ta-hahazo vary izahay mba hohaninay hivelomanay.
3 Pia kulikuwa na baadhi ya watu ambao walisema, “Tunaweka rehani mashamba yetu, mizabibu yetu, na nyumba zetu ili tupate nafaka wakati wa njaa.”
Ary nisy koa nanao hoe: Ny taninay sy ny tanim-boalobokay ary ny tranonay dia efa nataonay antoka, koa ta-hahazo vary izahay noho ny mosary.
4 Wengine pia walisema, “Tumekopesha pesa kulipa kodi ya mfalme kwenye mashamba yetu na mashamba yetu ya mizabibu.
Ary nisy koa indray nanao hoe: Efa nisambo-bola izahay handoavanay ny hetran’ ny mpanjaka, ary ny taninay sy ny tanim-boalobokay no nataonay antoka.
5 Hata hivyo sasa miili yetu na damu ni sawa na ndugu zetu, na watoto wetu ni sawa na watoto wao. Tunalazimishwa kuuza wana wetu na binti zetu kuwa watumwa. Baadhi ya binti zetu tayari wamekuwa watumwa. Lakini hatuna nguvu za kusaidia kwa sababu watu wengine sasa wana mashamba yetu na mizabibu yetu.”
Kanefa mba tahaka ny nofon’ ny rahalahinay ihany ny nofonay, ary tahaka ny zanany ihany ny zanakay; fa na dia izany aza, indreo izahay manetry ny zanakai-lahy sy ny zanakai-vavy ho andevo, ary ny sasany amin’ ny zanakai-vavy dia efa andevo rahateo; nefa tsy manan-ko enti-manavotra azy izahay, satria lasan’ ny sasany ny taninay sy ny tanim-boalobokay.
6 Nilikasirika sana niliposikia kilio chao na maneno haya.
Dia tezitra indrindra aho, raha nahare ny fitarainany sy izany teny izany.
7 Kisha nikafikiri juu ya hili, na kuleta mashtaka dhidi ya wakuu na viongozi. Nikawaambia, “Ninyi mnatafuta riba, kila mmoja kutoka kwa ndugu yake mwenyewe.” Nikakutanisha kusanyiko kubwa juu yao
Ary nihevitra tao am-poko aho, ka dia nananatra mafy ny manan-kaja sy ny mpanapaka ka nanao taminy hoe: Samy mampanàna zavatra amin’ ny rahalahinareo avy ianareo. Dia nanendry fiangonan-dehibe aho hitsarana azy.
8 na kuwaambia, “Sisi, kwa kadiri tulivyoweza, tumewakomboa toka utumwani ndugu zetu wa Kiyahudi ambao walikuwa wameuzwa kwa mataifa, lakini hata mnawauza ndugu na dada zenu ili wauzwe tena kwetu!” Walikuwa kimya na hawakupata neno la kusema.
Ary hoy izaho taminy: Izahay araka izay tratry ny nanananay dia efa nanavotra ny Jiosy rahalahinay, izay efa namidy tamin’ ny jentilisa; fa ianareo kosa moa hivarotra ny rahalahinareo va, ka hamidy aminay va izy? Dia sina izy, fa tsy hitany izay havaliny.
9 Pia nikasema, 'Mnachokifanya sio kizuri. Je, hampaswi kutembea katika hofu ya Mungu wetu ili kuzuia malalamiko ya mataifa ambayo ni adui zetu?
Ary hoy koa aho: Tsy tsara izao ataonareo izao; moa tsy tokony handeha amin’ ny fahatahorana an’ Andriamanitsika va ianareo noho ny fanaratsian’ ny jentilisa fahavalontsika?
10 Mimi na ndugu zangu na watumishi wangu tunawapa fedha na nafaka. Lakini lazima tuache kutoza riba juu ya mikopo hii.
Izaho sy ny rahalahiko ary ny zatovoko efa nampanàna vola sy vary taminy; koa masìna ianareo, aoka re hafointsika izany trosa izany;
11 Warudishieni leo leo mashamba yao, mizabibu yao, mashamba yao ya mizeituni, na nyumba zao na asilimia ya fedha, nafaka, divai mpya, na mafuta mliyowatoza.”
eny, masìna ianareo, ampodio aminy anio ihany ny taniny sy ny tanim-boalobony sy ny tanin’ olivany sy ny tranony sy ny ampahazaton’ ny vola sy ny vary ary ny divay sy ny diloilo izay nampisamborinareo azy.
12 Wakasema, “Tutarudisha kile tulichochukua kutoka kwao, wala hatutahitaji kitu kutoka kwao. Tutafanya kama unavyosema.” Ndipo nikawaita makuhani, na kuwaapisha kuwafanya kama walivyoahidi.
Dia hoy ireo: Eny, hampodinay izany, ka tsy haka na inona na inona aminy izahay, fa hanao araka izay lazainao. Dia niantso ny mpisorona aho ka nampianiana ireo hanao araka izany teny izany,
13 Nikakung'uta vazi langu, nikasema, “Basi Mungu aondoe nyumba na mali ya kila mtu asiyetimiza ahadi yake. Kwa hiyo akung'utwe na kuwa hana kitu. Kusanyiko lote likasema “Amina,” na wakamsifu Bwana. Na watu wakafanya kama walivyoahidi.
sady nanakopaka ny lambako teo am-pofoako aho ka nanao hoe: Ho tahaka izany anie no hanakopahan’ Andriamanitra ny olona rehetra izay tsy mahantanteraka izany teny izany hiala amin’ ny tranony sy ny vokatry ny asany; eny, hakopaka ka hofoanana tahaka izany anie izy. Ary ny fiangonana rehetra nanao hoe: Amena; sady nidera an’ i Jehovah izy. Ary dia nanao araka izany teny izany ny olona.
14 Kwa hiyo tangu wakati niliowekwa kuwa mkuu wao katika nchi ya Yuda, tangu mwaka wa ishirini mpaka mwaka wa thelathini na pili wa mfalme Artashasta, miaka kumi na miwili, mimi na ndugu zangu hatukula chakula kilichotolewa kwa gavana.
Ary koa, hatramin’ ny andro nanendrena ahy ho governora amin’ ny tany Joda, dia hatramin’ ny taona faharoa-polo ka hatramin’ ny taona faharoa amby telo-polo nanjakan’ i Artaksersesy, dia roa ambin’ ny folo taona izay, izaho sy ny raha! ahiko tsy mba nihinana izay anjara-fiveloman’ ny governora.
15 Lakini wakuu wa zamani waliokuwa kabla yangu waliwaweka watu mizigo mizito, na wakachukua kwao shekeli arobaini za fedha kwa ajili ya chakula na divai yao ya kila siku. Hata watumishi wao waliwadhulumu watu. Lakini sikufanya hivyo kwa sababu ya hofu ya Mungu.
Fa ireo governora fahiny izay teo alohako ireo dia nahavaky tratra ny olona ka nampandoa azy hanina sy divay ary sekely volafotsy efa-polo koa; eny, na dia ny zatovony aza dia nisetrasetra tamin’ ny olona; fa izaho tsy mba nanao izany noho ny fahatahorako an’ Andriamanitra.
16 Niliendelea kufanya kazi kwenye ukuta, na hatukununua ardhi. Na watumishi wangu wote walikusanyika huko kwa ajili ya kazi hiyo.
Eny, izaho naharitra nanao io manda io ihany, sady tsy nividy tany izahay; ary ny zatovoko rehetra dia voangona hanao ny asa.
17 Katika meza yangu walikuwa Wayahudi na maafisa, watu 150, isipokuwa wale waliokuja kwetu kutoka kwa mataifa waliokuwa wakituzunguka.
Ary teo amin’ ny latabatro nisy Jiosy sy mpanapaka dimam-polo amby zato afa-tsy izay nankeo aminay avy tamin’ ny firenena manodidina anay.
18 Kila kitu kilichoandaliwa kila siku kilikuwa ng'ombe moja, kondoo sita waliochaguliwa, na ndege, na kila siku kumi aina zote za divai nyingi. Na hata kwa haya yote sikuhitaji mahitaji ya chakula cha gavana, kwa sababu madai yalikuwa mazito sana juu ya watu.
Ary ny namboarina ho ahy isan’ andro dia omby iray sy ondry matavy enina ary vorona koa, ary indray mandeha isan-kafoloana dia nasiana divay samy hafa betsaka; nefa na dia izany aza, ny anjara-fiveloman’ ny governora dia tsy mba nilaiko, satria nahavesatra ny olona ny fanompoana.
19 Nikumbuke, Ee Mungu wangu, kwa wema, kwa sababu ya yote niliyoyafanya kwa watu hawa.
Tsarovy aho ka hasoavy, ry Andriamanitro ô, araka izay rehetra nataoko ho an’ ity firenena ity.

< Nehemia 5 >