< Mika 7 >

1 Ole wangu! Kwangu mimi ni kama msimu wa mavuno ulipokwisha, na pia makombo ya mavuno ya zabibu kwenye shamba la mizabibu: Hakuna tena kishamba cha matunda kinachoonekana, hakuna matini ya malimbuka ambayo ninayoyatamani.
Lozako! fa efa tonga toy ny fiotazam-boankazo aho Sy toy ny fitsimponam-boaloboka, Tsy misy salohy hohanina, Na aviavy mialin-taona, izay irin’ ny fanahiko,
2 Watu waaminifu wamepotelea kutoka kwenye nchi, hakuna mtu mwadilifu katika wanadamu wote. Wote hudanganya katika kusubiri kumwaga damu; kila mtu humuwinda ndugu yake mwenyewe kwa wavu.
Lany tsy misy amin’ ny tany intsony ny tsara fanahy; Eny, tsy misy olo-marina ao amin’ ny olombelona; Samy manotrika handatsa-drà avokoa izy, Eny, mihaza ny rahalahiny amin’ ny harato izy rehetra.
3 Mikono yao ni mizuri mno kwa kufanya madhara. watawala huuliza pesa, hakimu yuko tayari kwa rushwa, na mtu mwenye nguvu anawaambia wengine kile anachokitaka kujipatia. Hivyo ndivyo waundavyo kwa pamoja.
Vonona hanao ratsy ny tànany; Mila ny mpanapaka, Azon-kolikoly ny mpitsara, Ary ny lehibe milaza ny fitsiriritan’ ny fanahiny, Koa izany no entiny mandrarirary azy.
4 Mtu bora kwao ni kama mitemba, mwadilifu sana ni kama mche wa miba. Imefika siku iliyosemwa nyuma na walinzi wako, siku ya hukumu. Sasa ni mda wa machafuko.
Na dia ny tsara indrindra ao aminy aza dia toy ny roy, Ary na dia ny mahitsy indrindra ao aminy aza dia ratsy noho ny fefy tsilo; Avy ny andron’ ny tilinao, izay hamaliana anao; Amin’ izany dia vao ho very hevitra ianao.
5 Msimwamini kila jirani; msimuweke kiongozi katika rafiki yeyote. Kuweni makini kuhusiana na kile msemacho hata kwa mwanamke ambaye adanganyaye kwenye mikono yenu.
Aza matoky namana ianareo, Aza mahazo am-po izay sakaiza mahazatra; Fa ambeno ny varavaran’ ny vavanao na dia amin’ izay andefimandrinao aza.
6 Kwa kuwa mwana humfedhehesha baba yake, binti huinuka kushindana na mama yake, na mke wa mwana wa kiume hushindana na mama mkwe wake. Adui wa watu ni watu wa nyumba yake mwenyewe.
Fa ny zanakalahy manamavo ny rainy, Ny zanakavavy mitsangan-kanohitra ny reniny, Ary ny vinantovavy hanohitra ny rafozani-vavy; Ary ny ankohonan’ ny olona ihany no fahavalony.
7 Lakini kama kwangu mimi, nitamtazama Yahwe. Nitamsubiri Mungu wa wokovu wangu; Mungu wangu ataniskia.
Fa izaho kosa dia hanandrandra an’ i Jehovah, Eny, hiandry an’ Andriamanitry ny famonjena ahy aho; Andriamanitro no hihaino ahy.
8 Usifurahi juu yangu, adui yangu. Niangukapo, nitainuka. Wakati nitakapokuwa nimekaa katika giza, Yahwe atakuwa mwanga kwangu.
Aza mifaly ahy, ry fahavaloko, Fa na dia lavo aza aho, mbola hiarina ihany; Raha mitoetra ao amin’ ny maizina aho, Dia Jehovah no fahazavana ho ahy.
9 Kwasababu nimetenda dhambi dhidi ya Yahwe, nitachukua ghadhabu yake hata aniteteapo kosa langu, na kutekeleza hukumu kwa ajili yangu. Atanileta kwenye nuru, na nitamwona akiniokoa kwenye haki yake.
Ny fahatezeran’ i Jehovah dia hiaretako ihany, Fa efa nanota taminy aho, Ambara-pandahany ny teniko Sy hanomezany rariny ho ahy; Hamoaka ahy ho amin’ ny mazava Izy, Ka ho faly aho mahita ny fahamarinany.
10 Kisha adui yangu atakapoliona hilo, na aibu itamfunika yule aliyeniambia, “Yahwe Mungu wako yuko wapi?” macho yangu yatamtazama; atakanyagwa chini kama tope kwenye mitaa.
Dia hahita izany ilay fahavaloko ka hosaronan-kenatra, Dia ilay nanao tamiko hoe: Aiza Izay Jehovah Andriamanitrao? Ho faly mahita azy ny masoko; Ankehitriny dia ho fanitsakitsaka toy ny fotaka eny an-dalambe izy.
11 Siku ya ya kujenga kuta zako zitafika; siku hiyo mipaka itasogezwa mbali sana.
He ny andro hananganana ny mandanao! Amin’ izany andro izany dia hitarina ny faritra.
12 Siku hiyo watu watakuja kwako, kutoka Ashuru na miji katika Misri, kutoka Misri hata mto mkubwa, kutoka bahari kwenda bahari, na kutoka mlima kwenda mlima.
Amin’ izany andro izany koa dia hanatona anao ny olona Avy any Asyria sy avy any amin’ ny tanànan’ i Egypta, Eny, hatrany Egypta ka hatramin’ ny Ony, Ary hatramin’ ny ranomasina ka hatramin’ ny ranomasina, Ary hatramin’ ny tendrombohitra ka hatramin’ ny tendrombohitra.
13 Hizo nchi zitakuwa zimejitenga kwasababu ya watu ambao wanaishi huko sasa, kwasababu ya tunda la matendo yao.
Nefa ho lao ny tany noho ny amin’ ny mponina eo aminy, Dia noho ny vokatry ny asany.
14 Chunga watu wako kwa fimbo yako, kundi la urithi wako. Wanaishi wenyewe kwenye msitu, katikati ya msitu. Wachunge katika Bashani na Gileadi kama siku za zamani.
Ny tehinao no ento miandry ny olonao, Dia ny ondry lovanao, Izay monina mitokana, dia any an’ ala ao an-tampon’ i Karmela; Aoka handrasana any Basana sy Gileada ireny Toy ny tamin’ ny andro taloha ela.
15 Kama katika siku wakati mlipotoka nje ya nchi ya Misri, nitawaonyesha maajabu.
Toy ny tamin’ ny andro nivoahanao avy tany amin’ ny tany Egypta No hanehoako azy zava-mahagaga.
16 Mataifa yataona na kuwa na aibu ya nguvu zao zote. Wataweka mikono yao kwenye midomo yao; masikio yao yatakuwa kiziwi.
Hahita izany ny jentilisa, Ka hahamenatra azy ny heriny rehetra; Hitampim-bava izy, Ho tonga marenina ny sofiny.
17 Watalamba vumbi kama nyoka, kama viumbe vitaambavyo juu ya nchi. Watatoka nje kwenye maficho kwa hofu; watakuja kwako kwa hofu, Yahwe Mungu wetu, na wataogopa kwa sababu yako.
Hilelaka ny vovoka toy ny menarana izy; Hiala amin-kovitra avy ao amin’ ny fiarovany mafy tahaka ny biby mikisaka amin’ ny tany izy; Jehovah Andriamanitsika dia hohatoniny amin-kovitra, Eny, hatahotra Anao izy.
18 Ni nani aliye Mungu kama wewe, wewe uchukuaye dhambi, wewe upitaye juu ya kosa la mabaki ya mrithi wako? Hutunzi hasira yako milele, kwa sababu unapenda kutuonyesha agano lako la aminifu.
Iza no Andriamanitra tahaka Anao, Izay mamela heloka Sady mandalo ny fahadisoan’ ny sisa amin’ ny lovany? Tsy mitana ny fahatezerany ho mandrakizay Izy, Fa tia famindram-po.
19 Tena utakuwa na huruma juu yetu; utayakanyaga maovu chini ya miguu yako. Utazitupa dhambi zetu zote kwenye vilindi vya bahari.
Hamindra fo amintsika indray Izy Ka hanitsakitsaka ny fahotantsika, Eny, harianao ho any amin’ ny ranomasina lalina ny fahotany rehetra.
20 Utampatia ukweli Yakobo na agano aminifu kwa Abrahamu, ulipoapa kwa babu zetu katika siku za kale.
Hanefa fahamarinana ho an’ i Jakoba Hianao Sy famindram-po ho an’ i Abrahama, Dia ilay nianiananao tamin’ ny razanay hatramin’ ny andro taloha ela.

< Mika 7 >