< Ayubu 22 >
1 Kisha Elifazi Mtemani akajibu na kusema,
Dia namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe:
2 Je mtu anaweza kumfaa Mungu “Je mwenye hekima anaweza kufaa kwake.
Mahasoa an’ Andriamanitra va ny olona? Tsia, fa mahasoa ny tenany ihany ny olon-kendry.
3 Je inafurahisha kwa Mwenyezi ikiwa u mwenye haki? Je ni faida yake ukiyafanya safi maisha yako?
Mampaninona ny Tsitoha moa, raha marina ianao, sa misy tombony ho Azy, raha ataonao tsy misy diso ny alehanao?
4 Je ni kwa sababu ya uchaji wako kwake hata akukemee na kukuadhibu?
Moa ny fahatahoranao Azy va no ananarany anao, sy ifanatrehany aminao amin’ ny fitsarana?
5 Je si kwa sababu ya wingi wa uovu wako? Je hakuna mwisho wa makosa yako?
Tsy be va ny faharatsianao, sady tsy hita isa ny helokao?
6 Kwa maana umechukua dhamana kutoka kwa ndugu yako bila sababu; umechukua mavazi ya mtu na kumwacha uchi.
Fa efa naka tsatòka tsy ahoan-tsy ahoana tamin’ ny rahalahinao ianao ka nanendaka ny akanjon’ ny mahantra.
7 Haukuwapa wenye kiu maji ya kunywea; umewanyima chakula wenye njaa
Tsy nanome rano hosotroin’ ny mangetaheta ianao sady tsy nahafoy hanina ho an’ ny noana.
8 japokuwa wewe, mwenye uwezo, uliimiliki nchi, japokuwa wewe, mwenye kuheshimiwa, uliishi ndani yake.
Fa ny olona sandriana ihany no nanana ny tany; Ary ny manan-kaja ihany no nitoetra teo.
9 Umewaacha wajane waondoke bila kitu; umewatesa yatima.
Efa nampialainao maina ny mpitondratena. Ary tapahina ny sandrin’ ny kamboty.
10 Kwa hiyo, mabaya yanakuzunguka, na hofu za ghafla zinakusumbua.
Koa noho izany dia misy fandrika manodidina anao, ary ny fahatahorana dia mampihorohoro anao tampoka;
11 Kuna giza, hata usione; gharika inakufunika.
Moa tsy ianao va ny maizina Sy ny rano mandriaka mandifotra anao?
12 Je Mungu hayupo juu mbinguni? Anaangalia juu ya nyota, jinsi zilivyo juu!
Tsy avo tahaka ny lanitra va Andriamanitra? Jereo ny hahavon’ ny kintana, endrey ny hahavony!
13 Unasema, 'Mungu anajua nini? Je anaweza kuamua kupitia giza totoro?
Nefa hoy ianao: Ataon’ Andriamanitra ahoana no fahafantatra? Mahay mitsara ary ankoatry ny rahona maizina va Izy?
14 Mawingu ni kifuniko chake, hata asituone; anatembea anga la mbinguni.'
Ny rahona matevina manakona Azy, ka tsy mahita Izy; Ary mandehandeha eny amin’ ny lanitra Izy.
15 Je utayaishi maisha ya zamani walioishi waovu -
Moa hizotra amin’ ny lalana izay nalehan’ ny olona fahagola va ianao? Dia ilay nalehan’ ny olona ratsy fanahy.
16 walioondolewa kabla ya siku zao, ambao misingi yao imeondolewa kama mto,
Izay nesorina alohan’ ny androny, ka nindaosin’ ny riaka ny fanorenany,
17 waliomwambia Mungu, 'Ondoka kwetu'; waliosema, 'Mwenyezi anaweza kututenda nini?
Dia ireo izay manao tamin’ Andriamanitra hoe: Mialà aminay! Ary inona no azon’ ny Tsitoha atao ho anay?
18 Hata hivyo bado alizijaza nyumba zao kwa mema; mipango ya waovu iko mbali nami.
Kanefa Izy no efa nameno zava-tsoa ny tranony ho lavitra ahy anie ny fisainan’ ny ratsy fanahy!
19 Wenye haki wanayaona yawapatayo waovu na kufurahi; wasio na hatia wanawacheka kwa dhihaka.
Ny marina mahita ka mifaly, Ary ny tsy manan-tsiny mihomehy ireny hoe:
20 Wanasema, 'Bila shaka walioinuka kinyume chetu wameondolewa; moto umeteketeza mali zao.'
Marina tokoa fa efa rava ny fahavalontsika, ary ny hareny betsaka efa levon’ ny afo.
21 Basi patana na Mungu na uwe na amani naye; kwa njia hiyo, mema yatakujia.
Mifankazara amin’ ny Tsitoha ianao, dia hiadana; Izany no hahatongavan’ ny soa aminao.
22 Nakusihi, pokea, maelekezo yake; uyatii maneno yake.
Masìna ianao, mandraisa fampianarana avy amin’ ny vavany, ary alatsaho ao am-ponao ny teniny.
23 Ukimrudia Mwenyezi, utajengwa, ukiacha kutenda uovu makaoni mwako.
Raha miverina aminy ianao, dia haorina tsara, eny, raha ampanalavirinao ny lainao ny heloka.
24 Weka hazina zako mavumbini, dhahabu ya Ofiri kati ya mawe ya vijito,
Ario eny amin’ ny vovoka ny akoram-bolamena sy ny akoram-bolafotsy, eny, ario eny amin’ ny vato eny an-dohasahan-driaka ny volamena avy any Ofira;
25 na Mwenyezi atakuwa hazina zako, fedha ya thamani kwako.
Fa ny Tsitoha no ho akoram-bolamenanao sy akoram-bolafotsinao, Ary ho volafotsy mamirapiratra ho anao.
26 Nawe utajifurahisha katika Mwenyezi; utamwangalia Mungu.
Fa amin’ izany dia hiravoravo amin’ ny Tsitoha ianao ka hanandratra ny tavanao amin’ Andriamanitra.
27 Utamwomba, naye atakusikiliza; utamtolea nadhiri.
Raha mifona aminy ianao, dia hihaino anao Izy; Ary ny voadinao dia hefainao.
28 Lakini pia utatamka lolote, nawe utapewa; nuru itaangaza maishani mwako.
Ary raha misy kasainao hatao, dia hotanterahina aminao, ary hamirapiratra amin’ ny lalanao ny mazava.
29 Mungu humshusha mwenye kiburi, naye humwinua mnyenyekevu.
Raha misy mietry, dia hataonao hoe: Misandrata; fa ny manetry tena hovonjeny.
30 Atamwokoa asiye na hatia; utaokolewa kupitia usafi wa mikono yako.”
Hanafaka ny olona meloka Izy, eny, ny fahadiovan’ ny tananao no hamonjena azy.