< Ayubu 10 >
1 Nimechoka na maisha yangu; Nitanena wazi manung'uniko yangu; nitasema kwa uchungu wa roho yangu.
Maharikoriko ahy ny aiko; Hamoaka ny fitarainako aho sy hiteny noho ny fangidian’ ny fanahiko
2 Nitamwambia Mungu, 'Usinihukumie makosa; nionyeshe sababu za wewe kunilaumu mimi. Je
Hanao amin’ Andriamanitra hoe aho: Aza manameloka ahy; Mba ampahalalao izay anton’ ny iadianao amiko aho.
3 ni vizuri kwako wewe kunionea mimi, kudharau kazi ya mikono yako wakati unafurahia juu ya mipango ya waovu?
Mahafaly Anao va ny hampahory sy hanary ny efa nisasaranao ka hamirapiratra amin’ ny fisainan’ ny ratsy fanahy?
4 Je wewe una macho ya kimwili? Je wewe unaona kama mtu aonavyo?
Manana maso nofo va Hianao? Na mijery tahaka ny fijerin’ ny zanak’ olombelona?
5 Je siku zako ni kama siku za wanadamu au miaka yako ni kama miaka ya watu,
Tahaka ny andron’ ny zanak’ olombelona va ny andronao? Na tahaka ny taonan’ ny olombelona ny taonanao,
6 hata ukauliza habari za uovu wangu na kuitafuta dhambi yangu,
No dia mikaroka izay heloko Hianao sy mikatsaka izay fahotako,
7 ingawa wewe wafahamu mimi sina kosa na hapana mwingine awezaye kuniokoa mimi na mkono wako?
Na dia fantatrao aza fa tsy mba ratsy fanahy aho, ary tsy misy mahavonjy amin’ ny tananao?
8 Mikono yako imeniumba na kunifinyanga kwa wakati mmoja nawe kunizunguka, hata hivyo unaniangamiza.
Ny tananao ihany no namorona ahy ka nanisy endrika izao tenako rehetra izao, kanjo levoninao indray aho izao.
9 Kumbuka, nakuomba, ulivyonifinyanga kama vile udongo; je utanirudisha mavumbini tena?
Masìna Hianao, tsarovy fa notefenao toy ny tanimanga aho, ka hamerina ahy amin’ ny vovoka indray Hianao!
10 Je wewe hukunimimina kama maziwa na kunigandisha mfano wa jibini?
Tsy naidinao toy ny ronono va aho ka nampandrinao toy ny ronono-mandry?
11 Umenivika ngozi na nyama na kuniunganisha pamoja kwa mifupa na misuli.
Eny, notafianao hoditra sy nofo aho ary norarinao tamin’ ny taolana sy ny ozatra.
12 Wewe umenizawadia mimi uhai na ahadi ya upendeleo na usaidizi wako umeilinda roho yangu.
Aina sy famindram-po no nomenao ahy; Ary ny fiahianao no niaro ny aiko.
13 Hata hivyo mambo haya uliyaficha moyoni mwako - nafahamu kwamba hivi ndivyo ufikirivyo:
Saingy izao no nafeninao tao am-ponao, eny, fantatro fa tao aminao izao:
14 kuwa kama nimefanya dhambi, wewe utaizingatia; hutaniachilia na uovu wangu.
Raha manota aho, dia mamantatra ahy Hianao ka tsy manafaka ahy amin’ ny heloko.
15 Kama mimi ni muovu, ole wangu; hata kama ni mwenye haki, sitaweza kuinua kichwa changu, kwa kuwa nimejaa aibu na kuyaangalia mateso yangu.
Raha meloka aho, dia lozako! Ary na dia marina aza aho, dia tsy ho sahy miandrandra, satria feno henatra sady mahatsiaro fahoriana aho.
16 Kama kichwa changu kikijiinua chenyewe, waniwinda kama simba; tena wajionyesha mwenyewe kuwa ni mwenye nguvu kwangu.
Fa raha sahy miandrandra aho, dia hihaza ahy tahaka ny liona masiaka Hianao; Ary hiverina indray Hianao, ka ho mahagaga ny famelinao ahy.
17 Wewe unaleta mashahidi wapya dhidi yangu na kuzidisha hasira zako dhidi yangu; wanishambulia na majeshi mapya.
Mbola hanangana vavolombelona vaovao mandrakariva hanameloka ahy Hianao sy hampitombo ny fahatezeranao amiko; Fahavalo mifanontona no mamely ahy.
18 Kwa nini, basi, ulinitoa tumboni? Natamani ningekata roho na ili jicho lolote lisinione.
Ka nahoana no namoaka ahy foana avy tany am-bohoka Hianao? Fa raha tsy izany, dia ho niala aina aho, ka tsy mba nisy maso nahita ahy akory.
19 Ningelikuwa kama asiyekuwepo; ningelichukuliwa kutoka tumboni mpaka kaburini.
Ary efa toy ny tsy ary aho. Ka nentina avy tany an-kibo ho any am-pasana.
20 Je si siku zangu pekee ni chache? Acha basi, usinisumbue, ili kwamba nipate kupumzika kidogo
Tsy vitsy va ny androko? Koa mitsahara Hianao, mihataha mba hakako aina kely,
21 kabla sijaenda huko ambako sitarudi, kwenye nchi ya giza na kivuli cha mauti,
Dieny tsy mbola lasa tsy hiverina aho, dia ho any amin’ ny tanin’ ny aizina sy ny aloky ny fahafatesana,
22 ni nchi ya giza kama usiku wa manane, nchi ya kivuli cha mauti, isiyokuwa na mpangilio, ambayo nuru yake ni kama usiku wa manane.'”
Ho any amin’ ny tany maizim-pito, dia ny an’ ny aloky ny fahafatesana sy ny fikorontanana, sady maizim-pito ny famirapiratana any.