< Yeremia 46 >

1 Hili ni neno la Yahwe lililomjia Yeremia nabii juu ya mataifa.
Ny tenin’ i Jehovah Izay tonga tamin’ i Jeremia mpaminany ny amin’ ny jentilisa.
2 Juu ya Misri; “Hili ni juu ya jeshi la Farao Neko, mfalme wa Misri aliyekuwako Karkemishi kando ya mto Frati. Hili ni jeshi alilolishinda Nebukadneza mfalme wa Babeli likishindwa katika mwaka wa nne wa Yehoyakimu mwana wa Yosia, mfalme wa Yuda:
Ny amin’ i Egypta. Ny amin’ ny miaramilan’ i Farao-neko, mpanjakan’ i Egypta, izay teny amoron’ ny ony Eofrata, tany Karkemisy, dia ilay resin’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, tamin’ ny taona fahefatra nanjakan’ i Joiakima, zanak’ i Josia, mpanjakan’ ny Joda:
3 Wekeni tayari ngao ndogo na kubwa, na msonge vitani.
Mitaova amin’ ny ampinga kely sy ny ampinga lehibe, ka mandrosoa hiady;
4 Watieni farasi lijamu na hatamu, na mpande juu yao, ninyi wapanda farasi. Jiwekeni mahali penu, mkiwa mmevaa helmeti vichwani mwenu. Inoweni mishale yenu na kuvaa silaha zenu.
Fehezo amin’ ny kalesy ny soavaly, ary itaingeno ny soavaly fitaingina; Mijoroa tsara ianareo, ka samia misatroka fiarovan-doha; Fotsio ny lefona, miakanjoa ny akanjo fiarovan-tena.
5 Ninaona nini hapa? Wana woga na wanakimbia, maana askari wao wameshindwa. Wanakimbia kwa usalama na hawaangalii nyuma. Kitisho kipo mahali pote - hili ni tamko la Yahwe -
Indrisy ny ahitako azy! raiki-tahotra sy miamboho izy, ary ny maheriny aza dia efa ripaka, sady miezaka mandositra izy ka tsy miherika akory; Fa misy fampangorohoroana manodidina, hoy Jehovah.
6 wepesi hawawezi kukimbia, na askari hawezi kukwepa. Wana jikwaa kaskazini na kuanguaka kando ya mto Frati.
Tsy ho afa-mandositra ny haingan-tongotra, na ho afaka ny mahery; Any avaratra eo amoron’ ny ony Eofrata no hahatafintohina sy hahalavo azy.
7 Ni nani hawa wainukao kama Nile, ambao maji yao yanaruka juu na chini kama mito?
Iza moa izato mizotra tahaka an’ i Neily, ary ny onjany misamboaravoara toy ny renirano
8 Misri huinuka kama mto Nile, na maji yake yanaumuka juu na chini kama mito. Anasema, 'nitapanda juu; nitaifunika nchi. Nitaiharibu miji na watu wake.
Egypta mizotra tahaka an’ i Neily, ary ny onjany misamboaravoara toy ny renirano, ary hoy izy: Hizotra aho ka hanafotra ny tany; Haringako ny tanàna sy ny mponina ao aminy.
9 Inukeni, farasi. Mwe na hasira, ninyi vibandawazi. Askari na waende, Kushi na Putu, watu walio na ujuzi wa ngao, na Ludimu, watu wenye ujuzi wa kupiga pinde zao.
Miakara, ianareo soavaly, ary miriota toy ny adala, ianareo kalesy; Ary aoka hivoaka ny lehilahy mahery, dia ny Etiopiana sy ny Libyana, izay mitana ampinga, ary ny Lydiana, izay mitana sy manenjana tsipìka.
10 Siku hiyo itakuwa siku ya kisasi kwa Bwana Yahwe wa majeshi, naye atajilipizia kisasa juu ya adui zake. Upanga utararua na kujirishisha. Utakula na kujishibisha kwa damu yao. Kwa maana kutakuwa na sadaka kwa Bwana Yahwe wa majeshi katika nchi ya kaskazini kando ya mto Frati.
Fa izao andro izao dia an’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, ho andro famaliana hamaliany ny fahavalony; Ary ny sabatra hihinana ka ho voky sy ho mamon’ ny ran’ ireo; Fa ny Tompo, dia Jehovah, Tompon’ ny maro, no mamono zavatra hatao fanatitra any amin’ ny tany avaratra ao amoron’ ny ony Eofrata.
11 Panda Gileadi ujipatie dawa, binti wa Misri uliyebikra. Haifai kwamba unaweka dawa nyingi juu yako. Hakuna uponyaji kwako.
Miakara any Gileada, ka makà balsama, ry Egypta zanakavavy virijina; Foana ny nanaovanao fanafody maro, fa tsy manana plasitera hapetaka amin’ ny ferinao ianao,
12 Mataifa wamesikia kuaibika kwako. Nchi imejawa na maombolezo yako, maana askari anajikwaa juu ya askari; na wote wawili uanguka pamoja.”
Efa ren’ ny firenena ny henatrao, ary ny fiantsoantsoanao nanenika ny tany; fa mifandona ny samy mahery, ka miara-davo izy roa tonta.
13 Hili ndilo neno Yahwe alilomwambia nabii Yeremia wakati Nebukadneza mfalme wa Babeli alipokuja na kushambulia nchi ya Misri:
Ny teny izay nolazain’ i Jehovah tamin’ i Jeremia mpaminany ny amin’ ny hihavian’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, hamely ny tany Egypta.
14 Toa taarifa kwa Misri na isikiwe katika Migdoli na Memfisi. Wamesema katika Tapenesi, wekeni kituo na mwe imara, kwa maana upanga unakula wote kati yenu.
Ambaraonareo any Egypta, ary torio any Migdola, eny, torio any Memfisa sy Tapanesa, ka ataovy hoe: Mijoroa tsara ianao, ka miomàna; Fa mandringana manodidina anao ny sabatra.
15 Kwa nini Apisi mungu wenu amekimbia? Kwa nini ng'ombe dume mungu wenu hakuweza kusimama? Yahwe amemwangusha chini.
Nahoana no voapaoka ny maherinao? Tsy nahafahatra izy, satria Jehovah no nandroaka azy.
16 Ameongeza idadi ya waliojikwaa. Kila askari anaanguka kinyume cha anayefuata. Wanasema, “Inuka. Haya twende nyumbani. Haya na turudi kwa watu wetu, katika nchi yetu ya asili. Na tuuache upanga huu unaotuuwa.”
Efa nahatafintohina ny maro Izy, ka lavo mifanindry ireo; Dia hoy ireo: Mitsangàna, ka andeha isika hiverina ho any amin’ ny firenentsika sy ho any amin’ ny tany nahaterahantsika ho afaka amin’ ny sabatra mandoza,
17 Walitangaza pale, “Farao mfalme wa Misri ni kelele tu, ameuacha wasaa wake mbali.”
Nitaraina tany izy hoe: Tabataba foana Farao, mpanjakan’ i Egypta, efa nandiso ny fotoana izy.
18 Kama niishivyo - hili ni tamko la mfalme - Yahwe wa majeshi kwa jina, kuna mtu atakuja aliye kama Mlima Tabori na Mlima Karmeli kando ya bahari.
Raha velona koa Aho, hoy ny Mpanjaka, Jehovah, Tompon’ ny maro, no anarany: Tahaka an’ i Tabara amin’ ny tendrombohitra, sy tahaka an’ i Karmela ao amoron-dranomasina, dia ho tahaka izany no hihaviany.
19 Wekeni masanduku yenu kuyachukua uhamishoni, binti mwishio Misri. Kwani Memfisi haitafaa, magofu. Hakuna atakayeishi huko.
Ry Egypta zanakavavy mponina, Mifeheza entana ho entinao any amin’ ny fahababoana; Fa ho tonga tany lao Memfisa, eny, hodorana izy, ka tsy hisy mponina.
20 Misri ni mtamba mzuri sana, lakini mdudu aumaye anakuja kutoka kaskazini. Anakuja.
Egypta dia tahaka ny ombivavy kely tsara tarehy dia tsara tarehy; Fa injay! tamy, eny, tamy ny fihitra avy any avaratra!
21 Askari wake wakukodiwa ni kama dume la ng'ombe lililonona kati yake. lakini wao pia watageuka na kukimbia. Hawatasimama pamoja, kwani siku yao ya madhara inakuja kunyume chao, wakatik wa kuadhibiwa kwao.
Na dia ny olona karamaina ao aminy aza, izay tahaka ny ombilahy kely mifahy, ireny koa dia mihodìna ka samy mandositra avokoa; Tsy mahajanona izy, fa efa tonga aminy ny andro hahitany loza, dia ny andro hamaliana azy.
22 Misri anatoa sauti kama ya nyoka na kuondoka kwa kutambaa. maana adui yake anajiandaa kinyume chake. Wanamkabili kama mkata miti aliye na shoka.
Ny feony dia toy ny fikasaotsaoky ny menarana mandeha; Fa mandeha hitondra miaramila izy ka avy hamely azy amin’ ny famaky toy ny mpikapa hazo.
23 Wataangusha misitu - japokuwa ni mingi sana - hili ni tamko la Yahwe. Kwa maana adui watakuwa wengi kuliko nzige, wasiohesabika.
Kapainy ny alany, hoy Jehovah, satria efa nikirindro loatra; Fa maro noho ny valala izy ka tsy tambo isaina.
24 Binti Misri ataaibishwa. Atawekwa mkononi mwa watu kutoka kaskazini.”
Ho afa-baraka Egypta zanakavavy, Hatolotra eo an-tànan’ ny olona any avaratra izy.
25 Yahwe wa majeshi, Mungu wa Israeli, asema, “Tazama, niko karibu kumwadhibu Amoni wa Thebesi, Farao, Misri na miungu yake, Farao mfalme wake, na wote wanaomtumaini.
Ary hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely; Indro, hovaliako Amona avy any Nô Ary Farao sy Egypta mbamin’ ny andriamaniny sy ny mpanjakany, dia Farao sy izay rehetra matoky azy;
26 Nitawaweka katika mkono wa wanaoyaona maisha yao, na katika mkono wa Nebukadneza mfalme wa Babeli na watumishi wake. Kisha baada ya haya Misri itakaliwa kama mwanzo - asema Yahwe.”
Ary hatolotro eo an-tànan’ izay mitady ny ainy izy, dia eo an-tànan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, sy eo an-tànan’ ny mpanompony; Ary aorian’ izany, dia handry fahizay toy ny tamin’ ny andro fahiny ihany izy, hoy Jehovah.
27 Lakini, wewe Yakobo mtumishi wangu, usihofu. Usifadhaike, Israeli, maana tazama, nitakurudisha kutoka mbali, na uzao wako kutoka nchi ya mateka. Kisha Yakobo atarudi, tafuta amani, na kuwa salama, na hapatakuwa na wa kumwogofya.
Fa aza matahotra ianao, ry Jakoba mpanompoko, ary aza mivadi-po, ry Isiraely; Fa, indro, hovonjeko avy any amin’ ny lavitra ianao, ary ny taranakao avy any amin’ ny tany nahababo azy; Dia hiverina Jakoba ka hiadana, eny, handry fahizay izy, ka tsy hisy hanaitaitra azy.
28 Wewe, mtumishi wangu Yakobo, usiogope - asema Yahwe - kwa maana nipo nawe, hivyo nitaleta maangamizi makamilifu dhidi ya mataifa yote nilikokupeleka. Lakini sitakuharibu kabisa. Hata hivyo nitakuadhibu kwa haki na hakika sitakuacha bila adhabu.”
Aza matahotra ianao, ry Jakoba mpanompoko, hoy Jehovah, fa momba anao Aho; Fa na dia levoniko aza ny firenena rehetra izay nandroahako anao, ianao tsy mba holevoniko, nefa kosa mba hanariko araka ny antonony ihany ianao, fa tsy dia havelako fotsiny.

< Yeremia 46 >