< Yeremia 27 >
1 Katika mwanzo wa utawala wa Sedekia mwana wa Yosia, mfalme wa Yuda, neno hil lilimjia Yeremia kutoka kwa Yahwe. (Ingawa nakala nyingi za Kiebrania zinasema “Yehoyakimu, matoleo mengi ya kisasa yanasema “Sedekia”, kwa sababu tukio katika sura hii lilitokea katika kipindi cha utawala wake).
Tamin’ ny niandohan’ ny nanjakan’ i Joiakima, zanak’ i Josia, mpanjakan’ ny Joda, no nahatongavan’ izao teny izao tamin’ i Jeremia avy tamin’ i Jehovah hoe:
2 Hiki ndicho Yahwe alisema kwangu, “Tengeneza vifungo na nira kwa ajili yako mwenyewe. Ziweke shingoni mwako.
Izao no nolazain’ i Jehovah tamiko: Manaova famatorana sy zioga ianao, ka ataovy eo am-bozonao,
3 Kisha akawatuma kwenda kw mfalme wa Edomu, mfalme wa Moabu, mfalme wa watu wa amoni, mfalme wa Tiro, na kwa mfalme wa Sidoni. Watume kwa mkono wa wajumbe hao wa wafalme ambao walikuja Yerusalemu kwa Sedekia mfalme wa Yuda.
ary ampanatero any amin’ ny mpanjakan’ i Edoma sy any amin’ ny mpanjakan’ i Moaba sy any amin’ ny mpanjakan’ ny taranak’ i Amona sy any amin’ ny mpanjakan’ i Tyro ary any amin’ ny mpanjakan’ i Sidona izany ho entin’ ny iraka izay mankaty Jerosalema ho atỳ amin’ i Zedekia, mpanjakan’ ny Joda;
4 Toa amri kwao kwa ajili ya mabwana zao na sema, ' Yahwe wa majeshi, Mungu wa Israeli, anasema hivi: Hivyo ndivyo utakavyosema kwa mabwana zenu,
ary asaovy lazainy amin’ ny tompony avy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Izao no holazainareo amin’ ny tomponareo:
5 Mimi mwenyewe niliiumba dunia kwa nguvu zangu kuu na mkono wangu ulioinuka. Pia niliwaumba watu na wanyama juu ya dunia, na nikawatoa kwa yeyote aliyesahihi katika macho yangu.
Izaho no nanao ny tany sy ny olona ary ny biby izay eo aminy tamin’ ny heriko lehibe sy tamin’ ny sandriko nahinjitra; ary efa nomeko ho an’ izay sitraky ny foko ny tany.
6 Kwa hiyo sasa, Mimi mwenyewe naziweka nchi hizi zote kwenye mkono wa Nebukadreza, mfalme wa Babeli, mtumishi wangu. Pia, ninavikabidhi kwake viumbe hai vyote katika mashamba ili vimtumikie.
Ary ankehitriny Izaho dia efa nanolotra ireto tany rehetra ireto ho eo an-tànan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, mpanompoko; eny, na dia ny bibi-dia aza dia efa nomeko hanompo azy koa.
7 Kwa maana mataifa yote watamtumikia yeye, wanaye, na wajukuu zake hadi muda wa nchi yake ufike. Kisha mataifa mengi na wafalme wengi watamtiisha.
Ary ny firenena rehetra dia hanompo azy sy ny zanany ary ny zafiny ambara-pahatongan’ ny fotoana hamaliana ny tanin’ izy io kosa, ka hampanompoin’ ny firenena maro sy ny mpanjaka lehibe izy.
8 Kwa hiyo taifa na ufalme ambo haumtumikii Nebukadreza, mfalme wa Babeli, na ule usioweka shingo yake chini ya nira ya Nebukadreza mfalme wa Babeli—nitaliadhibu taifa hilo kwa upanga, njaa, na pigo—hili ni tangazo la Yahwe—hadi nitakapokuwa nimewateketeza kwa mkono wake.
Ary izay firenena na fanjakana tsy mety manompo an’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, ary tsy mety mampiditra ny vozony eo amin’ ny ziogan’ ny mpanjakan’ i Babylona, dia hovaliako amin’ ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izany firenena izany, hoy Jehovah, ambara-pandringako azy amin’ ny tànany.
9 Kwa hiyo msiwasikilize manabii wenu, wabashiri wenu, waonaji wenu, ndoto zenu, watambuzi wenu, ambao wamekuw wakisema kwenu na kusema, ' Msimtumikie mfalme wa Babeli.'
Ary aza mihaino ny mpaminaninareo ianareo, na ny mpanao fankatovanareo, na ny nofinareo, na ny mpanandronareo, na ny mpanana odinareo, izay manao aminareo hoe: Tsy hanompo ny mpanjakan’ i Babylona ianareo.
10 Kwa maana wanatabiri uongo kwenu ili kuwapeleka mbali na nchi zenu, kwa maana nitawapeleka mbali, na mtakufa.
Fa lainga no vinanin’ ireo aminareo, mba hamindrana anareo ho lavitra ny taninareo, dia horoahiko ianareo ka ho ringana.
11 Lakini taifa ambalo wataweka shingo zao chini ya nira ya mfalme wa Babeli na kumtumikia, nitawaruhusu kupumzika katika nchi yao—hili ni tangazo la Yahwe—na watailima na kufanya nyumba zao humo.””
Fa izay firenena mampiditra ny vozony eo amin’ ny ziogan’ ny mpanjakan’ i Babylona kosa ka manompo azy dia havelako hitoetra amin’ ny taniny ihany, hoy Jehovah, ka hiasa azy sady honina ao izy.
12 Kwa hiyo nilisema kwa Sedekia mfalme wa Yuda na kumpa ujumbe huu, “Ziwekeni shingo zenu chini ya nira ya mfalme wa Babeli na mtumikieni yeye na watu wake, na mtaishi.
Ary Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, koa dia efa nilazako araka izany teny rehetra izany hoe: Ampidiro eo amin’ ny ziogan’ ny mpanjakan’ i Babylona ny vozonareo, ka manompoa azy sy ny vahoakany, dia ho velona ianareo.
13 Kwa nini mfe—wewe na watu wako—kwa upanga, njaa, na pigo, kama vile nilivyotangaza kuhusu taifa ambalo watapuuza kumtumikia mfalme wa Babeli?
Nahoana no ho fatin’ ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana ianareo, dia ianao mbamin’ ny vahoakanao, araka ny nolazain’ i Jehovah ny amin’ ny firenena izay tsy mety manompo ny mpanjakan’ i Babylona?
14 Msisikilize maneno ya manabii wanaozungumza kwenu na kusema, 'Msimtumikie mfalme wa Babeli', kwa maana wanatabiri uongo kwenu.
Koa aza mihaino ny tenin’ ny mpaminany izay manao aminareo hoe: Tsy hanompo ny mpanjakan’ i Babylona ianareo; fa lainga no vinanin’ ireo aminareo.
15 'Kwa maana mimi sikuwatuma—hili ni tangazo la Yahwe—kwa maana wanatabiri uongo katika jina langu ili kwamba niwafukeze inje na muangamie, ninyi nyote na manabii wanaotabiri kwenu.”'
Fa tsy naniraka azy Aho, hoy Jehovah, nefa manandoka ho mpaminany amin’ ny anarako ihany izy, mba handroahako anareo, ka ho lany ringana ianareo, dia ianareo sy ny mpaminany izay maminany aminareo.
16 Nilitangaza hili kwa makuhani na watu wote na kusema, “Yahwe anasema hivi: Msisikilize maneno ya manabii wanaotabiri kwenu na kusema, 'Angalia! Vyombo vya nyumba ya Yahwe vinarudishwa kutoka Babeli sasa hivi!' Wanatabiri uongo kwenu.
Ary ny mpisorona sy ity firenena rehetra ity dia efa nilazako hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Aza mihaino ny tenin’ ny mpaminaninareo, izay maminany aminareo hoe: Indro, ny fanaky ny tranon’ i Jehovah hampodina faingana avy any Babylona; fa lainga no vinaniny aminareo.
17 Msiwasikilize. Mtamtumikia mfalme wa Babeli na mtaishi. Kwa nini mji huu uangamizwe?
Aza mihaino azy, fa manompoa ny mpanjakan’ i Babylona, dia ho velona ianareo; fa nahoana no ho rava ity tanàna ity?
18 Kama ni manabii, na kama neno la Mungu limekuja kwao kweli, basi wamwombe Yahwe wa majeshi asivipeleke Babeli vyombo vilivyosalia katika nyumba, nyumba ya mfalme wa Yuda, na Yerusalemu.
Fa raha mpaminany tokoa ireo, ary raha ao aminy tokoa ny tenin’ i Jehovah, dia aoka hifona amin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, izy, mba tsy ho lasa ho any Babylona koa ny fanaka sisa ao an-tranon’ i Jehovah sy ao an-tranon’ ny mpanjakan’ ny Joda sy ato Jerosalema
19 Yahwe wa majeshi anasema hivi kuhusu zile nguzo, bahari, na kitako, na vyombo vyote vilivyosalia katika mji huu—
Fa izao ny lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, ny amin’ ny andry sy ny tavin-drano lehibe sy ny fitoeran-tavin-drano ary ny amin’ ny fanaka hafa izay mbola sisa amin’ ity tanàna ity,
20 vyombo ambavyo Nebukadreza mfalme wa Babeli hakuvichukua wakati alipomchukua Yekonia mwana wa Yehoyakimu, mfalme wa Yuda, katika utumwa kutoka Yerusalemu kwenda Babeli pamoja na wakuu wote wa Yuda na Yerusalemu.
dia izay tsy nalain’ i Nebokadnezara mpanjakan’ i Babylona, fony izy nitondra an’ i Jekonia, zanak’ i Joiakima, mpanjakan’ ny Joda, ho babo avy tany Jerosalema ho any Babylona, mbamin’ ny manan-kaja rehetra amin’ ny Joda sy Jerosalema,
21 Yahwe wa majeshsi, Mungu wa Israeli, anasema hivi kuhusu vyombo vilivyosalia katika nyumba ya Yahwe, nyumba ya mfalme wa Yuda, na Yerusalemu,
eny, izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, ny amin’ ny fanaka izay sisa ao an-tranon’ i Jehovah sy ao an-tranon’ ny mpanjakan’ ny Joda sy ato Jerosalema:
22 'Vitaletwa Babeli, na vitabaki huko hadi siku niyovipangia kutimia—hili ni tangazo la Yahwe—kisha nitavileta na kuvirudisha kataika sehemu hii.”
Ho any Babylona no hitondrana ireo, sady hitoetra any izy ambara-pahatongan’ ny andro hamangiako azy, hoy Jehovah, dia vao ho entiko miakatra izy ka hampodiko amin’ ity tanàna ity.