< Yeremia 16 >

1 Ndipo neno la Bwana likanijia, kusema,
Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah hoe:
2 “Usiwe na mke, wala usiwe na wana au binti hapa.
Aza manam-bady ianao, ary aoka tsy hanan-janakalahy na zanakavavy amin’ ity tany ity.
3 Kwa kuwa Bwana asema hivi kwa wana na binti ambao wamezaliwa hapa, kwa mama waliowabeba, na kwa baba waliowafanya wazaliwe katika nchi hii,
Fa izao no lazain’ i Jehovah ny amin’ ny zanakalahy sy ny zanakavavy izay teraka amin’ ity tany ity sy ny amin’ ny reniny izay niteraka azy ary ny amin’ ny rainy izay niteraka azy amin’ ity tany ity koa:
4 'Watakufa vifo vya magonjwa. Hawataliliwa wala kuzikwa. Watakuwa kama samadi juu ya nchi. Kwa maana wataangamizwa kwa upanga na njaa, na miili yao itakuwa chakula cha ndege wa angani na wanyama wa dunia.'
Ho fatin’ ny loza samy hafa izy, nefa tsy hisaonana na halevina, fa ho zezika eny ambonin’ ny tany; ary ho lanin-tsabatra sy mosary izy, ka ho fihinan’ ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny fatiny.
5 Maana Bwana asema hivi, 'Usiingie nyumba yoyote yenye kuomboleza. Usiende kuwaombolezea, wala usihuzunike kwa ajili ya watu hawa. Kwa maana nimeondoa amani yangu, uaminifu wa agano, na huruma, kutoka kwa watu hawa! Ndivyo asemavyo Bwana;
Fa izao no lazain’ i Jehovah: Aza miditra amin’ ny trano misy fisaonana, ary aza misaona na mitsapa alahelo azy; Fa efa hesoriko tsy ho amin’ ity firenena ity ny fiadanako, hoy Jehovah, dia ny famindram-po sy ny fiantrana.
6 kwa hiyo wakuu na wadogo watakufa katika nchi hii. Wala hawatazikwa, wala hakuna yeyote atakayeomboleza kwa ajili yao. Hakuna mtu atakayejikata-kata au kunyoa vichwa vyao kwa ajili yao.
Ho faty na ny lehibe na ny kely amin’ ity tany ity; Samy tsy halevina na hisaonana izy, na hitetehan’ ny sasany tena, na hiboriany;
7 Hakuna mtu anayepaswa kugawa chakula chochote wakati wa kuomboleza ili kuwafariji kwa sababu ya vifo, na hawatawapa kikombe cha faraja kwa baba yake au mama yake ili kuwafariji.
Ary tsy hisy hamahan-kanina azy amin’ ny fisaonany, mba hampionona azy ny amin’ ny maty; Ary tsy hisy hampisotro azy amin’ ny kapoaka fampiononana, raha maty ny rainy na ny reniny;
8 Usiende kwenye nyumba ya karamu ili ukae pamoja nao ili kula au kunywa.
Ary aza miditra ao amin’ ny trano misy fanasana koa ianao, hiara-mitoetra aminy hihinana sy hisotro.
9 Kwa maana Bwana wa majeshi, Mungu wa Israeli, asema hivi, 'Tazama, mbele yako, siku zako na mahali hapa, nitakomesha sauti ya furaha na sherehe, sauti ya bwana na bibi arusi. '
Fa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hatsahatro amin’ ity tany ity eo imasonareo sy amin’ ny andronareo ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon’ ny mpampakatra sy ny feon’ ny ampakarina.
10 Kisha itatokea kwamba utawaambia watu hawa maneno haya yote, na watakuambia, 'Mbona Bwana amesema maafa yote haya juu yetu? Uovu wetu ni uovu gani na dhambi yetu tuliyomtendea Bwana, Mungu wetu?'
Ary raha ambaranao amin’ ity firenena ity izany teny rehetra izany, ka hoy izy aminao: Nahoana Jehovah no nilaza izany loza mafy rehetra izany hamelezana anay? Fa inona no helokay, ary inona no fahotanay, izay nanotanay tamin’ i Jehovah Andriamanitray?
11 Basi uwaambie, 'hii ndiyo ahadi ya Bwana; Kwa sababu baba zenu waliniacha, nao wakafuata miungu mingine, wakaiabudu na kuisujudia. Waliniacha na hawakuishika sheria yangu.
dia lazao aminy hoe: Noho ny nahafoizan’ ny razanareo Ahy, hoy Jehovah, sy ny nanarahany andriamani-kafa sy ny nanompoany azy sy ny niankohofany teo anatrehany ary ny nahafoizany Ahy sy ny tsy nitandremany ny lalàko.
12 Lakini ninyi wenyewe mmeleta uovu zaidi kuliko baba zenu, kwa maana, kila mtu anaenda kwa ukaidi wa moyo wake mbaya; hakuna mtu anayenisikiliza.
Ary ny tenanareo koa nanao ratsy mihoatra noho ny razanareo; Fa he! ianareo samy mandeha araka ny ditry ny fo ratsinareo avokoa ka tsy mihaino Ahy;
13 Kwa hiyo nitawafukuza kutoka nchi hii mpaka nchi msiyoijua, wewe wala baba zako, nanyi mtaiabudu miungu mingine huko mchana na usiku, kwa maana mimi sitawapa fadhili zangu.'
Ka dia horoahiko hiala amin’ ity tany ity ianareo ho any amin’ ny tany tsy fantatrareo na ny razanareo; Any no hanompoanareo andriamani-kafa andro aman’ alina, satria tsy hamindra fo aminareo Aho.
14 Kwa hiyo tazama! Siku zinakuja-hili ndilo tamko la Bwana-ambapo hawatasema tena, 'Kama Bwana aishivyo, yeye aliyewaleta wana wa Israeli kutoka nchi ya Misri.'
Koa, indro, avy any andro, hoy Jehovah, izay tsy hanaovana intsony hoe: Raha velona koa Jehovah, Izay nitondra ny Zanak’ Isiraely niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta;
15 Kwa maana, kama Bwana aishivyo, yeye aliyewaleta wana wa Israeli kutoka nchi ya kaskazini, na kutoka nchi aliyowaangamiza, nitawarudisha katika nchi niliyowapa baba zao.
Fa izao kosa: Raha velona koa Jehovah, Izay nitondra ny Zanak’ Isiraely niakatra avy tany amin’ ny tany avaratra sy avy tany amin’ ny tany rehetra izay nandroahany azy; Fa hampodiko ho amin’ ny tany izay nomeko ny razany izy.
16 Angalia! hili ni tamko la Bwana-Nitatuma wavuvi wengi-kwa hiyo watawavua watu. Baada ya hayo nitatuma wawindaji wengi ili waweze kuwinda kati ya milima na vilima vyote, na katika miamba ya mwamba.
Indro, Izaho haniraka mpamono maro, hoy Jehovah, Izay hamono azy; Ary rehefa afaka izany, dia haniraka mpihaza maro Aho, Izay hihaza azy any amin’ ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra ary any an-tsefatsefaky ny harambato.
17 Kwa kuwa macho yangu yapo juu ya njia zao zote; hawawezi kujificha mbele yangu. Uovu wao hauwezi kufichika mbele ya macho yangu.
Fa ny masoko dia mijery ny alehany rehetra, ka tsy miafina amin’ ny tavako izany, ary tsy takona amin’ ny masoko ny helony.
18 Nami kwanza nitawalipa mara mbili uovu na dhambi zao kwa kuwa wameichafua nchi yangu sanamu za machukizo, na kwa kujaza urithi wangu na sanamu zao za machukizo.
Alohan’ izany anefa dia hovaliako avy sasaka ny helony sy ny fahotany noho ny nandotoany ny taniko, dia ny namenoany ny lovako tamin’ ireo fatin’ ny sampiny sy fahavetavetany ireo.
19 Ee Bwana, wewe ndiwe ngome yangu, na kimbilio langu, na mahali pa usalama wangu siku ya shida. Mataifa yatakujia kwako kutoka mwisho wa dunia na kusema, 'Hakika baba zetu walirithi udanganyifu. Ubatili mtupu; hakuna faida ndani yao. Je!
Jehovah ô, ry heriko sy fiarovana mafy ho ahy ary fandosirako amin’ ny andro fahoriana ô! Ho tonga aminao ny jentilisa avy any amin’ ny faran’ ny tany dia hanao hoe: Eny, tokoa lainga no nolovan’ ny razanay, dia zava-poana sady tsy misy mahasoa.
20 Watu hufanya miungu kwa ajili yao wenyewe? Lakini wao sio miungu.
Moa mahay manao andriamanitra ho azy va ny olona? Tsy Andriamanitra ireny.
21 Kwa hiyo tazama! Nitawafanya wajue wakati huu, nitawafanya watambue mkono wangu na nguvu zangu, kwa hiyo watajua kwamba Yahweh ni jina langu.”
Koa, indro, hampahafantariko azy amin’ izao indray mandeha izao, eny, hampahafantariko azy ny tanako sy ny heriko, ka dia ho fantany fa Jehovah no anarako.

< Yeremia 16 >