< Isaya 8 >

1 Yahwe ameniambia mimi, '' chukua meza kubwa na uandike juu yake, 'Maheri Shalal Hash Baz.'
Ary hoy Jehovah tamiko: Mangalà fafana lehibe, ka soraty aminy araka ny fanoratry ny olona hoe: “Ho an’ i Mahera-salala-hasi-baza.”
2 Nitachagua mashahidi waaminifu wanishuhudie mimi, kuhani Uria, Zakaria mototo wa Yeberekia.''
Ary haka vavolombelona mahatoky Aho, dia Oria mpisorona sy Zakaria, zanakalahin’ i Jeberekia.
3 Nilienda kwa huyo nabii mwanamke alipata mimba na kumzaa mtoto. Halafu Yahwe akaniambia, ''Muite jina lake Shalal Hash Baz;
Ary nankany amin’ ny mpaminanivavy, aho; dia nanan’ anaka izy ka niteraka zazalahy. Ary hoy Jehovah tamiko: Aoka ny anarany hataonao hoe Mahera-salala-hasi-baza.
4 Maana kabla mtoto ajajua kulia, 'Baba yangu, 'Mama yangu; utajiri wa Damaskasi, na mateka wa Samaria watachuliwa na mfalme wa Asiria.
Fa raha tsy mbola mahatonona hoe Idada na Ineny io zazalahy io, dia hobaboina eo anatrehan’ ny mpanjakan’ i Asyria ny haren’ i Damaskosy sy ny fananan’ i Samaria.
5 Yahwe aliongea na mimi tena,
Ary Jehovah dia mbola niteny tamiko indray hoe:
6 Kwa sababu watu hawa wameyakataa maji ya Shiloa na ni furaha kwa Rezeni na mtoto wa Remalia,
Satria ity firenena ity mandà ny rano Siloa izay misononoka Ary mifaly amin-dRezina sy ny zanak’ i Remalia,
7 Hivyo basi Bwana anakairbia kuwaletea maji maji ya mto, yenye nguvu na mengi, mfalme Asiria na utukufu wake utakuja juu na kupita juu ya mifereji yake atafurika juu ya kingo zote.
Dia, indro, hampiakarin’ ny Tompo hanafotra azy ny rano be sady manonja amin’ ny Ony (Dia ny mpanjakan’ i Asyria sy ny voninahiny rehetra); Ary ny masondranony rehetra ho tondraka, Ary ny morony rehetra hihoarany;
8 Mto utafurika kuelekea Yuda, utafurika mpaka kufika kwenye shingo yako. Mabawa yake yaliyonyooshwa utajaza upana wa nchi, Emanueli.''
Dia himaona fatratra izy ka hihatra amin’ ny Joda Ary hanafotra sady mbola hisondrotra ihany Mandra-pahatongany havozona; Ary ny fipasany eny an-daniny roa dia hanenika ny taninao, ry Imanoela ô.
9 Nyie watu mtavunjika vipande vipande, Sikilizeni, nyote muishio nchi zilizo mbali; jiandaeni wenyewe na mtavunyika vipande vipande.
Misafoaha ihany ianareo, ry firenena ô, nefa mbola ho ringana mihitsy ianareo; Ary mihainoa ihany, ry tany lavitra rehetra, misikìna ihany ianareo, nefa mbola ho ringana mihitsy; Eny, misikìna ihany ianareo, nefa mbola ho ringana mihitsy.
10 utatengeneza mpango, lakini haufanyiwa kazi; maana Mungu yuko pamoja nasi.
Makà saina ihany ianareo, nefa mbola hofoanana izany; Milazà ihany ny teny, nefa tsy ho tanteraka izany tsy akory; Fa aminay Andriamanitra.
11 Yahwe ameiniambia mimi, kwa mkono wake imara juu yangu, na amenikataza nisitembee katika njia za watu hawa. Nisiseme,
Fa izao no nolazain’ i Jehovah tamiko, raha nanindry ahy mafy ny tànany, Ka nanariny tsy handeha amin’ ny falehan’ ity firenena ity aho:
12 Ni fitina habari ya mambo ambayo watu hawatasema, ni fitina msihofu wala msiogope.
Aza mba lazainareo ho tetika fikomiana izay lazain’ ity firenena ity ho tetika fikomiana; Ary aza matahotra izay atahorany na mangovitra ianareo.
13 Yahwe wa majeshi ambaye mtakaye muheshimu kama mtakatifu; yeye ndie mtakayemuogopa na yeye ndiye mtakayemuhofia.
Jehovah, Tompon’ ny maro, no hasino; Ary aoka Izy ihany no hatahoranareo, Ary Izy ihany no hangovitanareo.
14 mtakatifu; lakinia takuwa kama jiwe la kikwazo na mwamba wa kujikwaza kwa nyumba zote za Israeli. Na atakuwa mtego na mtego kwa watu wake Yerusalemu.
Dia ho fitoerana masìna ho anareo Izy, Fa ho vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka kosa Amin’ ny firenena roa amin’ ny Isiraely, sady ho fandrika sy tonta Amin’ ny mponina any Jerosalema.
15 Wengi watajikwaa juu yao na kuanguka na kuvunjika, na kutekwa na kukamata mateka.
Ary maro ao aminy no ho tafintohina sady ho lavo sy ho ringana Ary ho voafandrika sy ho voasambotra.
16 Ufunge huo ushuhuda, tia muhuri, na uwape wafuasi wangu,
Fehezo ny teni-vavolombelona, Ary asio tombo-kase ny lalàna eo amin’ ny mpianatro.
17 Nitamsubiri Yahwe, afichaye uso wake kutoka nyumba ya Yakobo; Nitamsubiri yeye.
Ary hiandry an’ i Jehovah aho Izay manafina ny tavany amin’ ny taranak’ i Jakoba, Ka hanantena Azy ihany aho.
18 Ona, Mimi na watoto ambaye Yahwe amenipa mimi ni ishara na maajabu tu katika Israeli kutoka kwa Yahwe wa Majeshi yeye aishiye mlima wa Sayuni.
Indreto, izaho sy ireo zaza nomen’ i Jehovah ahy dia famantarana sy fahagagana ao amin’ ny Isiraely Avy amin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Izay monina ao an-tendrombohitra Ziona.
19 Watakuambia wewe, ''tafuta habari kwa watu wenye pepo na wachawi'', walio kama ndege na kunong'ona dua. Lakini hawataacha kutafuta habari kwa Mungu wao? Je waenende kwa watu waliokufa badala ya walio hai?
Ary raha lazainy aminareo hoe: Milà saina amin’ ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao sikidy, izay mitsiatsiaka sy miboeriboerika, Moa tsy Andriamaniny va no tokony hilan’ ny olona saina? Fa hila saina amin’ ny maty ho an’ ny velona va izy?
20 Kwa sheria na kwa ushuhuda! kama hawatayasema mambo hayo ni kwa sababu hakuna mwanga wa alfajiri.
Ho amin’ ny lalàna sy ny teni-vavolombelona ihany! Raha tsy miteny araka izany teny izany izy, Dia olona izay tsy hiposahan’ ny fahazavan’ ny maraina.
21 Nawatapita katikati ya nchi kwa shida kubwa na njaa. Walipokuwa na njaa, walipatwa na hasira na kumlaani mfalme wao na Mungu wao, na wakajeuza macho yao juu.
Dia samy hivezivezy amin’ ny tany izy rehetra sady mahantra no mosarena; Ary rehefa mosarena izy, dia ho sosotra ka hanozona ny mpanjakany sy Andriamaniny, ary dia hiandrandra;
22 Wataiangalia nchi na kuona dhiki, giza, na ukandamizaji wa viza. Watapelekwa kwenye nchi ya giza.
Ary hijery ny tany izy, ka indro fahoriana sy fahamaizinana ary manjombona mahafadiranovana, Ary horoahina ho any amin’ ny aizim-pito izy.

< Isaya 8 >