< Isaya 60 >
1 Nyanyuka, uangaze; maana mwanga wako umekuja, na utukufu wa Yahwe umekuja kwako.
Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao, ary ny voninahitr’ i Jehovah efa miposaka aminao.
2 Japokuwa giza litatanda katika nchi, na giza nene katika mataifa; Lakini Yahwe atakuja juu yenu, na utukufu wake utaonekana kwenu.
Fa, indro, ny aizina manarona ny tany, ary ny aizim-pito manarona ny firenena; fa aminao kosa no iposahan’ i Jehovah, ary aminao no isehoan’ ny voninahiny.
3 Mataifa yatakuja kwenye mwanga wako, na wafalme katika mwanga wako mkali uliokuja
Ary ny firenena manatona ny fahazavanao, ary ny mpanjaka mankeo amin’ ny famirapiratan’ ny fiposahanao.
4 Tazama na angalia pande zote. Wamekusanyika wao wenyewe kwa pamoja na wanakuja kwako. Watoto wako watatoka mbali, na binti zao watabebwa katika mikono yenu.
Atopazy manodidina ny masonao ka jereo! Izy rehetra dia mivory ka mankaty aminao; Ny zanakao-lahy dia avy lavitra, ny zanakao-vavy dia sakelehina.
5 Halafu wataangalia na kuwa furaha, na moyo wako utafurahia na kufurika, maana wingi wa maji utamwagwa juu yenu, utajiri wa mataifa utakuja kwenu.
Ary hahita izany ianao ka ho miramirana, dia hiemponempona sady hohalehibiazina ny fonao; fa ho entina ho anao ny haren’ ny ranomasina, ary hafindra ho anao ny fananan’ ny firenena.
6 Msafara wa ngamia utawafunika ninyi, na ngamia wa Midiani na Efa; wote watakuja kutoka Sheba; wataleta dhahabu na ubani, wataimba sifa kwa Yahwe.
Ho feno ny rameva betsaka ao aminao, dia ny rameva tanora avy any Midiana sy Efaha, samy avy any Sheba izy rehetra; volamena sy ditin-kazo mani-pofona no ho entiny, ary ny fiderana an’ i Jehovah no teny mahafaly hambarany.
7 Makundi yote ya Kedari yatakusanika kwa pamoja kwako, kondoo wa Nebaioti watabeba mahitaji yako; watakubalika kutolewa sadaka katika madhebau yangu; na nitaitukuza nyumba yangu takatifu.
Ny ondry aman’ osy rehetra any kedara dia hangonina ho ao aminao, ary ny ondrilahin’ i Nebaiota hanompo anao; hiakatra amin’ ny fankasitrahana ho eo ambonin’ ny alitarako ireo, ary hataoko be voninahitra ny tranon’ ny voninahitro.
8 Ni nani hawa wanopaa wenyewe kama mawingu, na kama njiwa kwenye makazi yao?
Iza moa ireto manidina tahaka ny rahona ary tahaka ny voromailala ho amin’ ny varavarankeliny?
9 Pwani itanitafuta mimi, na meli ya Tarshishi huwaongoza, huwaleta watoto wenu kutoka mbali, pamoja na fedha zao na dhahabu zao, maana jina la Yahwe Mungu wenu, na Mtakatifu wa Israeli, maana amekuheshimu wewe.
Fa Izaho no andrasan’ ny nosy, ary ny sambon’ i Tarsisy ho loha-lalana, Hitondra ny zanakao avy lavitra mbamin’ ny volafotsiny sy ny volamenany, ho an’ ny anaran’ i Jehovah Andriamanitrao sy ho an’ ny Iray Masin’ ny Isiraely, Satria efa nanome voninahitra anao Izy.
10 Watoto wa wageni watajenga tena kuta zenu, n awafalme wao watawatumikia ninyi; japo katika laana yangu nimewaadhibu ninyi, lakini kwa neema yangu nitawahurumia ninyi.
Ary ny hafa firenena no hanangana ny mandanao, ary ny mpanjakany hanompo anao; fa tamin’ ny fahatezerako no namelezako anao. Ary amin’ ny fitiavako kosa no amindrako fo aminao,
11 Milango yenu itaendelea kuwa wazi; haitafungwa mchana au usiku, hivyo utajiri wa mataifa ili uweze kuletwa, pamoja na viongozi wanowaongoza.
Ary hidanadana mandrakariva ny vavahadinao, tsy hirindrina izy na andro na alina, hampidirana ny haren’ ny firenena sy ny mpanjakany izay efa voababo ho ao aminao.
12 Kweli, mataifa na falme ambayo hayatakutumikia wewe yatatoweka; mataifa hayo yataangamizwa kabisa.
Fa ho levona izay firenena sy fanjakana tsy hanompo anao; eny, ireny firenena ireny hofongorana tokoa.
13 Utukufu wa Lebanoni utakuja kwako, mti wa msonobari, mtidhari, pamoja na msonobari ili kupamba madhebau yangu; na Nitalitukuza eneo la miguu yangu.
Ny voninahitr’ i Libanona ho tonga aminao, ny hazo kypreso sy ny pina ary ny bokso koa handravahana ny fitoerako masìna, ary hasiako voninahitra ny fitoeran-tongotro.
14 Watakuja kwako kukusujudia wewe, watoto wa wale wanaokunyenyekea wewe; wataisujudia miguu yako; watakuita wewe mji wa Yahwe, sayani ya Mtakatifu wa Israeli.
Ny zanak’ izay nampahory anao dia handeha hiondrika eo anatrehanao, ary hiankohoka amin’ ny faladianao izay rehetra nanamavo anao; ary izy hanao anao hoe Tanànan’ i Jehovah, Zionan’ ny Iray Masin’ ny Isiraely.
15 Badala yake uwepo wenu umetelekezwa na kuchukiwa, kwa kuwa hakuna hata mmoja anayepita ndani yenu, nitawafanya kuwa kitu cha kiburi milele, furaha kutoka kizazi hata kizazi.
Ho solon’ ny nahafoizana anao sy ny nankahalana anao ary ny tsy nandehanan’ olona namaky anao, dia hasandratro ho rehareha mandrakizay ianao, eny, ho fifaliana hatramin’ ny taranaka fara mandimby.
16 Pia utakunywa maziwa ya mataifa, utatunzwa katika kifua cha wafalme; utajua kwamba Mimi Yahwe, Mimi ni mwokozi na mkombozi wenu, aliye Mkuu wa Israeli.
Ary hinono amin’ ny jentilisa ianao sady hinono amin’ ny mpanjaka; ka dia ho fantatrao fa Izaho Jehovah no Mpamonjy anao, ary Ilay Maherin’ i Jakoba no Mpanavotra anao.
17 Badala ya shaba Nitaleta dhahabu, badaia ya chuma nitaleta fedha; badala ya mbao, shabana badala ya jiwe, chuma. Nitachagua amani kwa kiongozi wenu, na haki kiongozi wenu.
Hahatonga volamena Aho ho solom-barahina, ary hahatonga volafotsy ho solom-by, ary varahina ho solon-kazo, ary vy ho solom-bato; ny fiadanana no hataoko fanapahana anao, ary ny fahamarinana no ho mpampiasa anao.
18 Vurugu hazitasikika katika aridhi yenu, uharibifu wala uvunjaji katika mipaka yenu; lakini mtaita kuta zenu wokovu, na malngo yenu mtayaita sifa.
Ny fampahoriana tsy ho re eo amin’ ny taninao intsony, na ny fandravana sy ny fandringanana ao anatin’ ny fari-taninao; ny mandanao dia hataonao hoe Famonjena, ary ny vavahadinao hataonao hoe Fiderana.
19 Jua halitakuwa mwanga wenu wakati wa mchana, wala mwanga wa mwenzi wakati wa usiku hautawawakia ninyi; Lakini Yahwe atakuwa mwanga wenu wa milele, na Mungu wenu na utukufu wenu.
Tsy ny masoandro intsony no ho fanazavana anao nony andro; ary tsy ny fangarangaran’ ny volana no hanazava anao; fa Jehovah no ho fanazavana anao mandrakizay, ary Andriamanitrao no ho voninahitrao.
20 Jua lenu halitakuewepo wala mweni utaondoshwa na kutoweka; maana Yahwe atakuwa mwanga wenu daima, na siku za maombolezo zitakwisha.
Tsy hilentika intsony ny masoandronao, ary ny volanao tsy hisoka; fa Jehovah no ho fanazavana anao mandrakizay, ary ho tapitra ny andro fahalahelovanao.
21 Watu wako wote watakuwa wenye haki; watachukuwa urithi wa nchi kwa mda wote, tawi la mazao yangu, kazi ya mikono yangu, ili niweze kuitukuza.
Ary ny olonao rehetra ho marina avokoa; hanana ny tany ho mandrakizay izy, eny, ho voly maitso eo amin’ ny sahako. Asan’ ny tanako ho fampisehoam-boninahitra.
22 Mtoto atakuwa maelfu, na mdogo atakuwa taifa la wenye nguvu; Mimi Yahwe Nitayatimiza hayo mda utakapowadia.
Ny kely ho tonga arivo, ary ny malemy ho tonga firenena mahery; Izaho Jehovah no hanafaingana izany amin’ ny fotoany.