< Isaya 57 >
1 Wenye waki watatoweka, lakini hakuna mtu atakayelitia maanani, na watu wa agano la kuaminika wamekusanyika mbali, lakini hakuna mtu anayefahamu kuwa wenye haki wamekusanyika mbali na maovu,
Maty ny marina, nefa tsy misy misaina izany, ary alaina ny olona tsara fanahy, nefa tsy misy mihevitra fa ny marina dia alaina tsy ho azon’ ny loza hanjo.
2 Wameingia katika amani; wamepumzika katika vitanda vyao, wale wanotembea katika haki.
Miditra amin’ ny fiadanana izy, mandry amin’ ny fandriany avy izy, dia izay rehetra mizotra amin’ ny hitsiny.
3 Lakini njooni hapa, enyi watoto wa wachawi, watoto wa wazinifu na mwanamke anayefanya ukahaba.
Fa ianareo kosa dia mankanesa etỳ, ry zanaky ny mpanandro, ianareo taranaky ny mpaka vadin’ olona sy ny mpijangajanga.
4 Ni nani mnayemfanyia mzaha? dhidi ya wale wanofungua midomo yao na kutoa nje ndimi zao? Je ninyi sio watoto wa uaasi, watoto wa uongo?
Iza no ihomehezanareo? Iza no isanasananareo vava sy itrangatranganareo lela? Tsy taranaky ny fiodinana va ianareo sady taranaky ny lainga?
5 Enyi unaowasha wenywe kwa kulala pamoja chini ya mualoni, kila chini ya mti mbichi, ewe unaeua watoto wako katika mabonde yaliyokauka, chini ya miamba inayoning'inia.
Dia ianareo izay mahamaimay ny fonareo amin’ ny hazo terebinta eny ambanin’ ny hazo maitso rehetra, ka mamono zaza eny an-dohasahan-driaka eny ambanin’ ny tsefatsefaky ny harambato.
6 Miongoni mwa vitu vilaini katika bonde la mto ni mambo uliyopewa uyafanyie kazi. Ni vitu vya ibada yako. Umemwaga nje kinywaji chako kwao na kutoa sadaka ya mazao. Katika haya mambo Je ninaweza kuwa radhi na mambo haya?
Ao amin’ ny vato kilonjy any an-dohasahan-driaka no anjaranao, eny, ireny ihany no anjaranao; ireny koa no nanidinanao fanatitra aidina sy nanateranao fanatitra hohanina. Hahatsindry fo amin’ izany va Aho?
7 Umeandaa kitanda chako juu ya mlima mrefu; pia umeeda pale juu kutoa sadaka.
Teo an-tampon’ ny tendrombohitra avo sy manerinerina no nametrahanao ny fandrianao, ka tany no niakaranao hamono zavatra natao fanatitra.
8 Nyuma ya mlango na mihimili ya milango umeweka ishara zako; umeniweka mimi furagha, umejifunua wewe mwenywe, na kwenda juu; umekifanya kitanda changu kuwa kikubwa. Umefanya agano na wao; ulipenda vitanda vyao; uliona sehemu zao za siri.
Teo ivohon’ ny varavarana sy ny tolam-baravarana no nametrahanao ny fampahatsiarovana anao; fa lavitra Ahy no nitanjahanao sy niakaranao, eny, nataonao malalaka ny fandrianao, ary nanao fanekena ny amin’ izay hataon’ ireny ianao; tia ny fandriana aminy ianao ka nizaha toerana ho anao.
9 Ulienda kwa Moleki pamoja na mafuta; umeongeza marashi. Ulimtuma balozi wako mbali sana; Alikwenda chini kuzimu. (Sheol )
Dia nivezivezy nankany amin’ ny mpanjaka ianao nitondra diloilo, ary nataonao betsaka ny zava-manitrao, sady nampandehanina hatrany lavitra any ny irakao, ka nidina hatrany amin’ ny fiainan-tsi-hita ianao. (Sheol )
10 Ulichoka kwa safari yako ndefu, lakini haukusema, ''Haina matumaini.'' Umeyatafuta maisha katika mkono wako; Hivyo basi haukudhoofika.
Noho ny halavitry ny nalehanao dia sasatra ianao, nefa ianao tsy niteny hoe: kivy aho izany! Nahazo aina ny tananao, ka dia tsy nahatsiaro reraka ianao.
11 Ni uliyemuogopa? Ni nani uliye muhofia zaidi ambaye aliyekufanya wewe kutenda udanganyifu, kwa wingi namna hiyo ambapo hauwezi kunikumbuka mimi au kufikiria kuhusu mimi? Maana nilikuwa kimya kwa mda mrefu, hauniogopi mimi tena.
Ary iza no nahinao sy natahoranao, no dia nandainga ianao ka tsy nahatsiaro ahy na nandatsaka am-po? Moa tsy efa nangina va Aho hatrizay hatrizay? Ka dia tsy natahotra Ahy ianao.
12 Nitatangaza matendo haki yako na nitawaambia kila kitu ulichokifanya, lakini hawatakusaidia.
Izaho no hanambara ny fahamarinanao ary ny asanao dia tsy hahasoa anao.
13 Utakapolia nje, wacha sanamu ulizozikusnya zikusaidie wewe. Badala yake upepo utavipeperusha vyote, punzi itavipeperusha mbali. Lakini yeye anayenikimbilia mimi atairithi aridhi na atachukua umiliki katika mlima wangu mtakatifu.
Raha mitaraina ianao, dia aoka ireo maronao no hamonjy anao, nefa hongahan’ ny rivotra avokoa ireo sy ho lasan’ ny tso-drivotra malemilemy aza; Fa izay mialoka amiko kosa no hanana ny tany sy handova ny tendrombohitro masìna.
14 Atasema, 'Jenga, jenga! safisha njia! ondoeni vizuizi vyote katika njia ya watu wangu!''
Ary Izy hilaza hoe: Manandrata, eny, manandrata ka manamboara lalana, esory izay mahatafintohina eny amin’ ny alehan’ ny oloko.
15 Maana yeye allye juu palipoinuka, anayeishi katika uzima wa milele, ambaye jina lake ni mtakatifu, asema hivi, ''Ninaishi mahali pa juu na mahali patakatifu pamoja na yeye pia aliyemnyenyekevu na moyo uliopondeka, ili kuzifufua roho za wanyenyekevu na kufufua mioyo ya wanaojutia.
Fa izao no lazain’ ny Iray avo sy manerinerina, izay monina mandrakizay, masìna no anarany: Ao amin’ ny fitoerana avo sy masìna no onenako, ary ao amin’ ny torotoro fo sy ny manetry tena, hamelombelona ny fanahin’ ny manetry tena sy hamelombelona ny fon’ ny torotoro fo;
16 Maana sitawahukumu milele, wala sitakuwa na hasira milele, Kisha roho ya mtu itazimia mbele yangu, maisha niliyowafanyia.
Fa tsy hifandahatra mandrakariva Aho ary tsy ho tezitra mandrakizay; Fandrao ho reraka eo anatrehako ny fanahy, dia ny aina izay nataoko.
17 Kwa sababu ya dhambi ya mapato ya vurugu zake, Nilipatwa na hasira, na nikamuadhibu yeye; niliuficha uso wangu, nilikuwa na hasira, lakini alirudi nyuma katika njia za moyo wake mwenyewe.
Ny helony noho ny fieremany no nahatezitra Ahy ka namelezako azy; fa niery Aho, satria tezitra, nefa niodina izy ka mbola nandroso tamin’ ny lalana tian’ ny fony ihany.
18 Nimeziona njia zake, lakini nitamoponya yeye. Nitamuongoza yeye na kumfariji na kuwashauri wale wanomliliia yeye,
Efa nahita ny lalany Aho, nefa hahasitrana azy ihany, dia hitari-dalana azy Aho ka hampody ny fiononana ho aminy sy ho amin’ ny malahelo ao aminy,
19 na natengeneza tunda la midomo. Amani, amani, kwa wale walio mbali sana na wale walio karibu-asema Yahwe nitawaponya ninyi.
Dia Izaho Izay mahary ny vokatry ny molotra: Fiadanana, fiadanana ho an’ izay lavitra sy ho an’ izay akaiky! hoy Jehovah, ka dia hahasitrana azy Aho.
20 Lakini waovu ni kama bahari iliyochafuka, haiwezi kutulia, na maji yake yametanda juu ya matope.
Fa ny ratsy fanahy dia tahaka ny ranomasina misamboaravoara, eny, tsy mety tafatoetra izy, ka ny ranony dia mamoaka loto sy fotaka.
21 Hakuna amani kwa wakosaji asema Mungu.''
Tsy misy fiadanana ho an’ ny ratsy fanahy, hoy Andriamanitro.