< Isaya 51 >
1 Nisikilizeni mimi, enyi mtendao haki, enyi mtafutaye Yahwe: Tazama katika mwamba uliouchonga nakuchimba kutoka pale ulipopakata.
Mihanoa Ahy, ianareo izay miezaka mitady fahamarinana, dia izay mitady an’ i Jehovah: Tsarovy ny vatolampy izay nakana anareo sy ny ati-lavaka izay nihadiana anareo.
2 Mtazameni Ibrahimu, baba yenu, na Sara, aliyewazaa ninyi; maan alipokuwa na upweke yeye mwenyewe, Nilimuita yeye. Nikambariki yeye na kumfanya yeye kuwa wengi.
Eny, tsarovy Abrahama rainareo sy Saraha, izay niteraka anareo; fa fony mbola tokana izy, dia nantsoiko sy notahiko ary nohamaroiko.
3 Ndio, Yahwe ataifariji Sayuni; Ataifariji miji yake yote iliyo na ukiwa; jangwa lake atalifanya kama Edeni, na jangwa lililo wazi pembeni ya bonde la mto Yordani kama bustani ya Yahwe; Furaha na shangwe vitakuwa kwake, shukrani, na sauti ya kuimba.
Fa Jehovah mampionona an’ i Ziona; Eny, mampionona izay rava rehetra ao Izy Ka manao ny efitra ao ho tahaka an’ i Edena. Ary ny tany foana ao ho tahaka ny sahan’ i Jehovah; Hafaliana sy haravoana no hita ao mbamin’ ny fisaorana sy ny feo fiderana.
4 ''Kuwa makini kwangu, watu wangu; na nisikilizeni mimi, watu wangu! Maana nitatoa amri, na nitaifanya haki yangu kuwa sheria ya mataifa.
Mihainea Ahy, ry vahoakako, ary atongilano amiko ny sofinareo, ry oloko; fa hisy lalàna hivoaka avy amiko, ary ny fitsipiko dia hampitoeriko ho fanazavana ny firenena.
5 Haki yangu ipo karibu; wokovu wangu utaenda nje, na mikono yangu itahihukumu mataifa; Pwani itanisubiri mimi; maana wanashauku ya kuhusubiria mkono wangu.
Akaiky ny fahamarinako, efa nivoaka ny famonjeko, ary ny sandriko no hitsara ny firenena; izaho no hantenain’ ny nosy, ary ny sandriko no andrasany.
6 Nyanyueni macho yanu juu angani, na tazama nchi chini, maana mbingu zitatoweka mbali kama moshi, na nchi itachakaa kama vazi, na wenyeji wake watakufa kama inzi. Lakini wokovu wangu utaendelea daima, na haki yangu haitaacha kutenda kazi.
Andrandrao ho amin’ ny lanitra ny masonareo, ary jereo ny tany ambany; fa ny lanitra ho levona tahaka ny setroka, ary tany ho tahaky ny lamba mangarahara, ary ny mponina ao dia ho faty tampoka; fa ny famonjena kosa haharitra mandrakizay, ary ny fahamarinako tsy mba ho rava.
7 Nisikizeni mimi, enyi mnaotambua ukweli, enyi watu wangu mliobeba sheria yangu katika mioyo yenu: Msiogope matusi ya watu, wala kukatishwa tamaa na unyanyasaji wao.
Mihainoa ahy, ianareo izay mahalala ny fahamarinana, dia ianao, ry firenena izay manana ny lalàko ao am-ponao; aza matahotra ny latsa ataon’ ny zanak’ olombelona, na manahy noho ny faharatsiany.
8 Maana Nonda watawala wao kama vazi, na minyoo itawala wao kama sufu; lakini haki yangu itakwa daima, na wokovu wangu katika vizazi vyote.''
Fa ny kalalao hihinana azy tahaka ny fihinan-damba, ary lolo fotsy hihinana azy tahaka ny fihinam-bolon’ ondry; fa ny fahamarinako haharitra mandrakizay, ary famonjena hihatra amin’ ny taranaka fara-mandimby.
9 Amka, amka, jivishe wewe mwenyewe kwa nguvu, mkono wa Yahwe. Amka kama siku za zamani, kizazi cha nyaktii za kale, Je sio wewe uliyeangamiza mnyama wa baharini, na uliyemchoma joka?
Mifohaza, mifohaza, ry sandrin’ i Jehovah, mitafia hery! Mifohaza tahaka ny tamin’ ny andro fahiny! dia tamin’ ny taranaka lasa ela. Tsy Hianao va Ilay nitetitetika an-dRahaba sy nitomboka ny dragona?
10 Je haukukausha bahari, maji ya kina kirefu, na kufanya kina cha bahari kuwa nija ya ukombozi kupita?
Tsy Hianao va Ilay nahamaina ny ranomasina, dia ny rano ao amin’ ny lalina indrindra, ka nanao ny ranomasina lalina ho lalana halehan’ ny navotana?
11 Fidia ya Yahwe itarudi na kwenda Sayuni kwa kilio cha furaha na furaha ya milele itakuwa katika vichwa vyao, na huzuni na kuomboleza vitatoweka mbali.
Eny, ny navotan’ i Jehovah hiverina ka hankany Ziona amin’ ny fihobiana, ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; hahazo fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; hahazo fifaliana faharavoravoana izy, ka dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana.
12 ''Mimi, mimi ndiye niwapae faraja. Kwa nini uwaogope watu, ambao wanakufa, watatoto wa wanadamu, waliofanywa kama majani?
Izaho dia Izaho no mpampionona anareo, koa nahoana ianao no dia matahotra ny zanak’ olombelona mety maty sy ny zanak’ olona hatao tahaka ny ahitra
13 Kwa nini umemsahau Yahwe Muumba, yeye azinyooshayembingu na kuweka misingi ya nchi? Nyie ambao mna hofu za mara kwa mara kila siku kwa sababu ya hasira ya moto ya wanyanyasaji anapo fanya maamuzi ya kuangamiza. Iko wapi hasira ya wanyanyasaji?
ka manadino an’ i Jehovah, Mpanao anao, izay namelatra ny lanitra sy nanorina ny tany, sady matahotra lalandava mandritra ny andro ianao noho ny fahatezeran’ ny mpampahory, raha mikendry hamono izy? Fa aiza intsony izay fahatezeran’ ny mpampahory?
14 Yeye aliyeinama chini, Yahwe atafanya haraka kumuachia; hatakufa wala kwenda chini katika shimo, wala hatakosa mkate.
Izay mitanondrika dia ho afaka faingana; Tsy ho faty havarina ao an-davaka izy ary tsy ho diso hanina.
15 Maana Yahwe Mungu wenu, anaye ifanya bahari itembee, hivyo mawimbi yake yavume kwa kishindo- Yahwe wa majeshi ndilo jina lake.
Fa Izaho Jehovah no Andriamanitrao, Izay mampanonja ny ranomasina, ka dia mirohondrohona ny onjany; Jehovah, Tompon’ ny maro, no anarako.
16 Niweka maneno yangu mdomoni mwako, na nimekufunika wewe kwa kivuli cha mkono wangu, ili niweze kupanda mbingu, kuweka misingi ya nchi, na kutamkia Sayuni, 'ninyi ni watu wangu.''
Ary nataoko eo am-bavanao ny teniko, ary ao amin’ ny aloky ny tanako no nanaronako anao, hanao ny lanitra sy hanorina ny tany Aho ary hanao an’ i Ziona hoe: Oloko ianao.
17 Amka, amka, simama juu, Yerusalemu, ewe unyweae katika kikombe cha hasira ya Yahwe kutoka mkononi mwako; umekunjwa katika kikombe, kikombe cha mateso, na umekunjwa na kumaliza.
Mifohaza, mifohaza, mitsangana, ry Jerosalema ô, izay efa nisotro ny kapoaky ny fahatezerana avy tamin’ ny tànan’ i Jehovah; eny, ny kapoaka gobilia mampiraikiraiky dia efa nisotroanao, ka notrohinao mbamin’ ny faikany.
18 Hakuna hata mmoja miongoni mwa watoto aliyewazaa wa kumuongoza yeye; hakuna hata mmoja miongoni mwa wote aliyewalea wa kumshika mkono wake.
Tsy misy mitondra azy ny zananilahy rehetra izay naterany; ary tsy misy mitantana azy ny zananilahy rehetra izay notezainy.
19 Shida hizi mbili ziliwatokea ninyi- ni nani atahuzunika pamja nanyi? - ukiwa na uharibifu, na njaa na upanga. Ni nani atakayekufariji wewe?
Izao zavatra roa Izao no hanjo anao (Iza no hanony ny alahelonao?): Fandravana sy fandringanana ary mosary sy sabatra, koa hataoko ahoana no fampionona anao?
20 Watoto wako walizimia; walilala kila kona ya mtaa, kama swala kwenye mtego; Wamejawa na hasira ya Yahwe, Laana ya Mungu wako.
Ny zanakao-lahy efa reraka, ka miapokapoka eny an-joron-dalambe rehetra eny izy, tahaka ny diera ao anatin’ ny fandrika harato eny, tahaka ny olona rakotry ny fahatezeran’ i Jehovah sy ny teny mafy ataon’ Andriamanitrao.
21 Lakini sasa sikiliza hili, ewe uliodhulumiwa na kulewa, lakini sio kwa mvinyo:
Koa mihainoa izao, ianao ry ilay ory sady mamo tsy amin-divay:
22 Bwana wenu Yahwe Mungu, anayewasihi watu wake, asema hivi, ''Tazama, Nimechukua kikombe cha ukubwa mkononi mwako- ukubwa wa kikombe cha hasira yangu - ili usiweze kunjwa tena.
Izao no lazain’ i Jehovah Tomponao, dia Andriamanitrao, Izay mandaha-teny ho an’ ny olony: Indro, esoriko eny an-tananao ny kapoaka mampiraikiraiky, dia ny kapoaka gobilian’ ny fahatezerako; Tsy hisotroanao intsony iny,
23 Nitakuweka kwenye mikono ya watesaji, wale waliokuambia wewe, Lala chini, ili tutembee juu yako'; wameufanya mgongo wako kama uwanjwa na kama wao wa.''
Fa hataoko eo an-tànan’ izay mampahory anao kosa, dia izay efa nilaza taminao hoe: Miankohofa mba hohitsahinay, ka dia nataonao ho tahaka ny tany ny tenanao sy ho tahaka ny lalambe ho an’ izay mandeha eo.