< Isaya 47 >

1 Njoo chini na ukae kwenye mavumbi, binti bikira wa Babeli; kaa juu ya aridhi pasipo enzi, ewe binti wa Wakaldayo. Hautaitwa tena mpenda anasa na maisha ya anasa.
Mialà, ka mipetraha amin’ ny vovoka, ry Babylona, zanakavavy virijina! Mipetraha eo amin’ ny tany, fa tsy amin’ ny seza fiandrianana, ry Kaldea zanakavavy! Fa tsy hatao hoe vehivavy malemilemy sy mihantahanta intsony ianao.
2 Chukua jiwe la kusagia na usage unga; ondoa pazia lako, ondoa mavazi yako, ondoa viatu miguuni, na vuka mkondo wa maji.
Alao ny vato fikosoham-bary, ka kosohy ny koba; esory ny fisalobonanao, akaro ny moron-tongotr’ akanjonao; aoka hiseho ny fenao, ka miroboha mita ny ony.
3 Uchi wako utafunuliwa, ndio, na aibu yako itaonekana; Nitachukua kizazi na sitamuacha mtu,
Hiseho ny fitanjahanao, eny, ho hita ny fahamenaranao; hitondra famaliana Aho ka tsy hiantra olona.
4 Mkombozi, Yahwe wa majeshi ndilo jina lake, Mtakatifu wa Israeli.
Ny anaran’ ny Mpanavotra anay dia Jehovah, Tompon’ ny maro, Iray Masin’ ny Isiraely.
5 Kaa kimya na nenda katika giza, ewe binti wa Wakaldoyo; maana hautaitwa tena malikia wa falme.
Mipetraha mangingina, ka midìra ao amin’ ny maizina, ry Kaldea zanakavavy! Fa tsy hatao hoe Tompovavin’ ny fanjakana intsony ianao.
6 Nilikuwa na hasira na watu wangu; Nimeunajisi urithi wangu na kuwakabidhi nyie katika mkono wenu, lakini hamkuomyesha huruma; umeweka nira kubwa kwa wazee.
Tezitra tamin’ ny oloko Aho; navelako holotoina ny lovako, ka natolotro ho eo an-tananao izy, tsy mba namindranao fo izy, fa na dia ny antitra aza dia nasianao zioga mavesatra dia mavesatra.
7 Umesema, ''Nitaongoza daima kama malikia huru.'' Haukuvichukua vitu hivi katika moyo, wala hakutafakari jinsi hivi vitu vitakavyojeuka.
Ary hoy ianao: Ho tompovavy mandrakizay Aho; ka dia tsy nandatsaka am-po izany zavatra izany ianao, na nitsapa izay hiafarany.
8 Hivyo sasa sikiliza hili, Ewe upendae anasa na kukaa salama; ewe usemae katika moyo wako, 'Ninaishi, na hakuna mwingine kama mimi; Sitakaa kama mjane wala sitazoea kufiwa na watoto.
Koa mihainoa, ianao izay mihantahanta sady mipetraka tsy manana ahiahy ka manao anakampo hoe: Izaho no izy, ary tsy misy hafa; tsy hipetraka ho mpitondratena aho, na hahita fahafoanan’ anaka.
9 ''Lakini vitu hivi vitakuja kwako siku moja katika kipindi cha siku moja; kwa nguvu za kutosha yatakuja kwako, japo uchawi wako na dua zako na hirizi.
Kanjo hanjo anao tampoka amin’ ny indray andro monja ireto zavatra roa ireto, dia ny fahafoanan’ anaka sy ny fananoan-tena; Hotanterahina aminao avokoa izany, na dia maro aza ny fankatovanao, ary na dia be dia be aza ny odinao.
10 Umeweka imani katika mapungufu yako; na kusema, ''Hakuna anayeniona mimi''; hekima na maarifa yako yanakupoteza, lakini unasema katika moyo wako, ''Nipo na hakuna hata mmoja kama mimi.''
Fa nitoky tamin’ ny faharatsianao ianao ka nanao hoe: Tsy misy mahita ahy. Ny fahendrenao sy ny fahalalanao dia nampivily anao, ka dia nanao anakampo ianao hoe: Izaho no izy, fa tsy misy afa-tsy izaho.
11 Maafa yatakuzidi wewe; hautaweza kuyaondoa kwa dua zako mwenyewe. Uharibifu utakuwa juu yako; hautaweza kuukata. Maafa yatakuangamiza ghafla, kabla haujajua kitu.
Kanjo hanjo anao ny fahoriana, nefa tsy ho fantatrao izay fanafany; Ary hahazo anao ny loza, nefa tsy ho hainao ny fanàlany; eny, hanjo anao tampoka ny fandringanana izay tsy ampoizinao.
12 Endeleni kutoa uganga wako na wachawi wengi ambao mlioaminishwa kusoma toka utotoni mwao; labda utafanikiwa, labda utayashinda maafa.
Arosoy ary ny odinao sy ny hamaroan’ ny fankatovanao, izay efa nisasaranao hatry ny fony ianao mbola kely; Angamba hahavita izay mahasoa ianao; angamba ho tonga mahatahotra ianao.
13 Umejaribu sana kwa kushauriwa sana; waache hao watu wasimame na kukuokoa wewe- wale wanaoangalia mbingu na wanoangalia nyota, wale wanotangaza mwenzi mpya- waache wawaokoe nyie kutoka kwenye yaliyowapata.
Sasatra noho ny hamaroan’ ny fisainanao ianao; aoka hitsangana ankehitriny ireo mpamantatra ny lanitra sy mpandinika ny kintana ireo hamonjy anao, dia ireo mpanambara isaky ny tsinam-bolana izay zavatra ho tonga aminao.
14 Tazama, watakuwa kama mabua. Moto utayachoma juu. Hayataweza kujisaidia yenyewe kutoka kwenye mkono wa moto. Hakuna makaa kuwapa joto wao na hakuna moto uliowekwa pembeni kwa ajili yao!
Indro, fa ho tahaka ny vodivary ireo; ho main’ ny afo izy ka tsy hahavonjy ny tenany amin’ ny herin’ ny lelafo akory; tsy misy vainafo hamindroana, na afo hitaninana aza.
15 Hivi ndio wamekuwa kwako, wale unaofanya nao kazi, na unauza na kununua na wao toka ulipo kuwa mdogo, na wale wanaendelea kufanya mambo yao ya kijinga; na unapolia kuhitaji msaada, hakuna hata mmjoa ambaye atakukomboa wewe.''
Ho toy izany aminao ireo efa nisasaranao ireo, dia ireo nifampivarotra taminao hatry ny fony ianao mbola kely; samy hipariaka mandositra ho any amin’ ny fonenany avy izy, ka tsy hisy hahavonjy anao.

< Isaya 47 >