< Isaya 40 >

1 ''Faraja, faraja watu wangu,'' amesema Mungu.
Ampionony, ampionony ny oloko, Hoy Andriamanitrareo;
2 ''Ongea kwa upole kwa Yerusalemu; na tangaza vita vimeisha, maana maovu yao yamesamehewa, maana alipokea mara mbili kutoka kwa mkono wa Yahwe kwa dhambi zao.''
Mitoria teny soa mahafaly amin’ i Jerosalema, ka lazao aminy fa vita ny adiny, sady voavela ny helony, ary efa nandray indroa heny tamin’ ny tànan’ i Jehovah izy ho valin’ ny fahotana rehetra nataony.
3 Sauti inalia nje, ''Katika jangwa tengeneza njia ya Yahwe; njoosha njia ya Araba katika njia kuu ya Mungu.''
Injany! misy feon’ ny miantso hoe: Manamboara lalana any an-efitra ho an’ i Jehovah, manaova lalambe any an-tany foana ho an’ Andriamanitsika.
4 Kila bonde litanyanyuliwa juu, kila mlima na kilima kitasawazishwa; na aridhi ya mwinuko itasawazishwa, mahali palipokwaruzwa patakuwa na usawa;
Aoka hasandratra ny lohasaha rehetra, Aoka haetry ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra; Aoka ny be havoana ho tonga lembalemba, ary ny tany saro-dalana ho tonga lemaka;
5 na utukufu wa Mungu utafunuliwa, na watu wote wataona kwa pamoja; maana mdomo wa Yahwe umezungumza.
Dia hiseho ny voninahitr’ i Jehovah, ary ny nofo rehetra hiara-mahita izany; Fa ny vavan’ i Jehovah no efa niteny.
6 Sauti inasema, ''Lia.'' Jibu lingine, ''Kwa nini nilie?'' ''Mwili wote ni nyasi na maagano yaliyoaminika ni kama ua kwenye shamba.
Injany! misy miteny hoe: Miantsoa. Ary hoy izy: Ahoana anefa no antso hataoko? Ahitra ny nofo rehetra, ary ny hatsaran-tarehiny rehetra dia tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha;
7 Nyasi zinanyauka na maua yanaperuka pale Yehwe atakapo puliza punzi yake juu yake; hakika ubinadamu ni nyasi.
Maina ny ahitra, malazo ny voniny, satria tsofin’ ny fofonain’ i Jehovah ireny; Eny, ahitra tokoa ny olona.
8 Nyasi hunyauka, maua hupepea, lakini neno la Yahwe litasimama daima.''
Maina ny ahitra, malazo ny voniny; Fa ny tenin’ Andriamanitsika dia haharitra mandrakizay.
9 Nenda juu ya mlima mrefu, Sayuni, mbeba taarifa njema. waambie miji ya Yuda, ''Hapa ni Mungu wako!''
Ry Ziona, izay mitondra teny soa mahafaly ô, miakara any an-tendrombohitra avo; Ry Jerosalema izay mitondra teny soa mahafaly ô, Asandrato mafy ny feonao, asandrato, fa aza matahotra; Lazao amin’ ny tanànan’ ny Joda hoe. Indro Andriamanitrareo!
10 Angalia, Bwana Yahwe anakuja kama mpiganaji shujaa na jeshi imara linatawa juu yake. Ona, zawadi yako iko kwake, na wale walikombolewa wataenda mbele yake.
Indro, Jehovah Tompo ho avy amin’ ny heriny, ka ny sandriny ihany no hanapaka; indro, ny valim-pitia hatolony dia eny aminy, ary ny valin’ asa homeny dia eo anoloany.
11 Atalilisha kundi lake kama mchungaji, Atawakusanya kondoo katika jeshi lake, na kulichukua karibu na moyo wake, kwa upole atawongoza wake kuwauuguza watoto wao.
Hiandry ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry Izy; Ny sandriny no hanangonany ny zanak’ ondry, ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny, ary horoahiny miadana ny ampianahany.
12 Ni nani aliyepima maji ya mashimo kwa mkono wake, anayepima anga kwa urefu wa mkono wake, na kuweka vumbi za nchi katika kikapu, kupima milima kwa mizani, au vilima kwa usawa?
Iza no namatra ny rano teo am-pelatanany, ary nanjehy ny lanitra tamin’ ny zehiny, sy namory ny vovo-tany tamin’ ny vata, ary nandanja ny tendrombohitra tamin’ ny fandanjana sy ny havoana tamin’ ny mizana?
13 Ni nani aliyeelewa akili za Yahwe, au kumuelekeza yeye kama mshauri?
Iza no nanome hevitra ny Fanahin’ i Jehovah, ary iza no mpanolo-tsaina nampianatra Azy?
14 Ni kutka kwa nani alipokea maelekezo milele? Nani alikufundisha njia sahihi ya kufanya vitu, kumfundisha yeye maarifa, au kumuonyesha njia ya ufahamu?
Iza no nidinihany ka nanome saina Azy sy nanoro Azy ny lalan’ ny fitsarana ary nampianatra fahalalana Azy sy nampahafantatra Azy ny lalan’ ny fahendrena?
15 Tazama, Mataifa ni kama tone katika ndoo, na kama mavumbi kwenye mizani; ona, na alipima kisiwa kama tundu.
Indro, ny firenena dia tahaka ny rano indray mitete avy amin’ ny siny ary atao ho tahaka ny vovoka madinika amin’ ny mizana; Indro, ny nosy dia tsintsininy tahaka ny zavatra bitika indrindra.
16 Lebanoni sio mafuta ya kutosha, wala wanyama pori wake hawatoshi kwa dhabihu ya kuteketezwa.
Ary Libanona aza tsy ampy hataina, ary ny biby ao tsy ampy ho fanatitra dorana.
17 Mataifa yote hayatochelezi mbele yake; wanachukuliwa na yeye kama hakuna kitu.
Ny firenena rehetra dia tahaka ny tsinontsinona eo anatrehany, ka ataony ho naman’ ny tsinontsinona sy ny zava-poana izy.
18 Ni nanibasi utayemlingalisha na Mungu? Ni kwa sanamu ipi utakayomfananisha nayo?
Koa ampitovinareo amin’ iza moa Andriamanitra? Ary endrik’ inona no ampanahafinareo Azy?
19 Sanamu! ambayo fundi ameitupa: Mfua dhahabu ameka pamoja na mikufu bandi ya fedha.
Ny mpiasa manao sarin-javatra an-idina, ary ny mpanefy volamena mametaka takela-bolamena aminy sy manao tongalika volafotsy an-idina.
20 Kuafanya sadaka hii mtu atachagua kuni ambayo haiozi; anamtafuta fundi mwenye ujuzi wa kutengeneza sanamu ambayo haitaanguka.
Izay malahelo ka tsy manan-katerina dia mifidy hazo tsy mety ho lò ary mitady mpiasa mahay zavatra mba hamorona sarin-javatra voasokitra izay tsy hihezongozona.
21 Je hamkujua? Je hamjasikia? Je hamkuambiwa tokea mwanzo? Je hamkuelewa toka misingi ya nchi?
Tsy fantatrareo va? Tsy efa renareo va? Tsy efa nambara taminareo fony taloha va? Tsy efa azonareo an-tsaina va ny amin’ ny fanorenan’ ny tany?
22 Yeye ndiye aketie juu ya upeo wa macho ya nchi? na wenyeji wake ni kama panzi mbele yake. Akijinyoosha nje ya mbingu ni kama pazia na kutawnya nje kama hema la kuishi.
Izy no mipetraka amin’ ny habakabaka ambonin’ ny tany, ary ny mponina etỳ dia tahaka ny valala; Izy no mamelatra ny lanitra tahaka ny lamba manify kararavina ary manenjana azy tahaka ny lay hitoerana;
23 Anawapunguza viongozi kuwa si kitu na amewafanya viongozi wa nchi kwa sio wenye umuhimu.
Izy no mahatsinontsinona ny mpanapaka sy mahatonga ny mpitsara amin’ ny tany ho tahaka ny zava-poana.
24 Tazama wamekuwa wagumu kuotesha; tazama wamekuwa wagumu kupanda; imekuwa ni vigumu kuchukua mzizi katika nchi, kabla ajapuliza juu yao, na wakanyauka, na upepo unawaondosha mbali kama majani.
Vao nambolena vetivety ireo, vao nafafy ireo, vao namaka tao amin’ ny tany ny fotony, dia notsofin’ Andriamanitra ireo, ka dia nalazo, ary nindaosin’ ny tafio-drivotra tahaka ny vodivary izy.
25 Ni nani tena utakayemfananisha na mimi, ni nani ninayefanan nae?'' amesema mtakatifu.
Koa ampitovinareo amin’ iza moa Aho, hitahako aminy? Hoy ny Iray Masìna.
26 Tazama juu kwenye anga! Nani aliyeziumba nyota hizi zote? Analileta nje jeshi na anawaita kwa majina yote. Kwa ukuu wa nguvu zake na kwa uimara wa nguvu zake, hakuna hata mmoja atakayekosa.
Asandrato ny masonareo, ka mijere; Iza no nahary ireny? Izy no mamoaka ny antokony araka ny isany sy miantso azy rehetra amin’ ny anarany avy noho ny haben’ ny fahatanjahany sy ny heriny tsy toha, ka tsy misy diso ireny na dia iray akory aza.
27 Kwa nini unasema, Yakobo, na kutangaza, Israeli, ''Njia yangu imefichwa Yahwe asione, na Mungu wangu hakuwekwa wazi kuhusiana na uthibitisho wangu''?
Nahoana no miteny ianao, ry Jakoba ô, ary milaza ianao, ry Isiraely ô, hoe: Miafina tsy hitan’ i Jehovah ny lalako, ary mihelina tsy hitan’ Andriamanitro ny rariny tokony ho ahy?
28 Je hakufahamu? Mungu wa milele, Yahwe, Muumbaji wa miisho ya nchi, apatwi na uchovu wala hachoki; hakuna mipaka katika ufahamu wake.
Tsy fantatrao va? Tsy efa renao va fa Andriamanitra mandrakizay Jehovah, izay namorona ny faran’ ny tany? Tsy mba mety ho reraka na sasatra Izy; Tsy takatry ny saina ny fahalalany.
29 Anawapa nguvu waliochoka; na atawapa nguvu mpya waliowadhaifu.
Mampahatanjaka ny reraka Izy, ary izay kely hery dia omeny hery be.
30 Hata vijana wadogo watapatwa na uchovu na kuchoka, vijana wadogo watapata mashaka na kuanguka:
Na dia ny tanora fanahy aza dia ho reraka sy ho sasatra, ary na dia ny zatovo aza dia mety ho tafintohina mafy;
31 Lakini wale watakao mngojea Yahwe watapewa nguvu mpya; na watapaa kwa mbawa kama malaika; watakimbia wala hawatachoka; watatembea wala hawatazimia.
Fa izay miandry an’ i Jehovah dia mandroso hery kosa; Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; Hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra; Handeha izy, nefa tsy ho reraka.

< Isaya 40 >