< Isaya 37 >

1 Ikawa siku hiyo mfalme Hezekia aliposika taarifa zao, alichana mavazi yake, na kujifunika nguo za magunia, na akaenda kwenye nyumba ya Yahwe.
Ary raha nandre izany Hezekia mpanjaka, dia nandriatra ny fitafiany izy sady nitafy lamba fisaonana ka lasa niditra tao an-tranon’ i Jehovah,
2 Na alimtuma Eliakimu, ambae ni kiongozi wa kaya na Shebna mwandishi, na wazee wa makuhani, wote walijifunika nguo za magunia, kwa Isaya mtoto wa Amozi, nabii.
ary izy naniraka an’ i Eliakima, lehiben’ ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary ny lohan’ ny mpisorona, samy nitafy lamba fisaonana avokoa, hankany amin’ Isaia mpaminany, zanak’ i Amoza,
3 Wakamwambia yeye, Hezekia akasema hivi, 'Siku hii ni siku ya dhiki, kukemewa, na aibu, ni kama mtoto aliye tayari kuzaliwa lakini mama yake hana nguvu za kumsukuma mtoto.
ary nanao taminy hoe: Izao no lazain’ i Hezekia: Andro fahoriana sy famaizana ary fanalam-baraka ity andro ity; fa mby ao am-piterahana ny zaza, nefa tsy misy hery hiterahana azy.
4 Itakuwa Yahwe Mungu wenu atasikia maneno ya kamanda mkuu, ambao mfalme wa Asira Bwana wake alimtuma kumpinga Mungu anayeishi, na atakemea maneno ambayo Yahwe Mungu wenu ameyasikia. Sasa inueni maombi yenu juu mabaki yaliyoobakia hapa.''
Angamba ho ren’ i Jehovah Andriamanitrao ny tenin-dRabsake, izay nirahin’ ny mpanjakan’ i Asyria tompony hihaika an’ Andriamanitra velona, ka mba hovaliany izy noho ny teny izay efa ren’ i Jehovah Andriamanitrao; koa aingao ny fivavakao hamonjy izay mbola sisa.
5 Sasa watumishi wa mfalme Hezekia walikuja kwa Isaya,
Dia nankany amin’ Isaia ny mpanompon’ i Hezekia mpanjaka.
6 na Isaya akawambia, ''Mwambieni Bwana wenu: 'Yahwe amesma, ''Msiogope kwa maneno mliyoyasikia, maneno ambayo mfalme wa Asiria amenitusi mimi.
Ary hoy Isaia taminy: Ambarao amin’ ny tomponareo hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Aza matahotra ny teny efa renao, dia izay nanompan’ iretsy ankizilahin’ ny mpanjakan’ i Asyria iretsy Ahy.
7 Tazama nitaiweka roho yangu ndani yake na atasikiliiza taarifa fulani na atarudi kwenye nchi yake mwenyewe. Na nitamfanya anguke kwa upanga katika nchi yake mwenyewe.''
Fa, indro, Izaho efa hanisy fanahy ao anatiny, ary hahare siosio izy, ka hiverina ho any amin’ ny taniny; dia hataoko lavon-tsabatra any an-taniny izy.
8 Basi kamanda mkuu alirudi na kumkuta mfalme wa Asira anapigana dhidi ya Libna, Maana aliskia kwamba mfalme amekwenda mbali kutoka Lachishi.
Dia niverina Rabsake ka nankany Libna, izay nataon’ ny mpanjakan’ i Asyria fahirano tamin’ izay; satria efa reny fa efa niala tany Lakisy ny mpanjaka.
9 Halafu Sennacheribi alisikia kwamba Tirkhaka mfalme wa Ethiopia na Misri wamehamasishana kupigna dhidi yake. Hivyo akamtuma mjumbe mara nyingine kwa Hezekia apeleke ujumbe:
Ary ren’ i Sankeriba ny amin’ i Tiraka, mpanjakan’ i Etiopia, nanao hoe: Avy hiady aminao izy; ary nony nandre izany izy, dia naniraka olona ho any amin’ i Hezekia nanao hoe:
10 ''Mwambie Hezekia, mfalme wa Yuda, 'Usimruhusu Mungu unayemwamini akudanganye, ''Yerusalemu haitatiwa mikononi mwa mfalme wa Asiria.''
Izao no holazainareo amin’ i Hezekia, mpanjakan’ ny Joda: Aza mety hofitahin’ ny Andriamanitrao Izay itokianao ianao hoe: Jerosalema tsy hatolotra eo an-tànan’ ny mpanjakan’ i Asyria.
11 umesikia kitu ambacho mfalme wa Asiria alichokifanya kwa nchi yote kwa kuiangamiza kabisa. Je utawaokoa?
Indro, ianao efa nandre izay nataon’ ireo mpanjakan’ i Asyria tamin’ ny tany rehetra, dia ny nandravany azy; ka ianao kosa va no ho voavonjy?
12 Je miungu ya mataifa imewakomboa? taifa ambalo baba yangu aliliangamiza: Gozani, Harani, Rezefi na watu wa Edeni katika Telassari?
Moa nahavonjy azy va ireo andriamanitry ny firenena noravan’ ny razako, dia Gozana sy Harana sy Razefa ary ny taranak’ i Edena izay tao Telasara?
13 Yuko wapi mfalme wa Hamathi, mfalme wa Arpadi, mfalme wa miji ya Sefarvaaimi, wa Hema na Ivva?''
Aiza ny mpanjakan’ i Hamata sy ny mpanjakan’ i Arpada sy ny mpanjakan’ ny tanàna Sefarvaima sy Hena ary Iva?
14 Hezekia alipokea barua hii kutoka mikononi mwa mjumbe na kisoma. Halafu akaenda juu kwenye nyumba ya Yahwe na kuusoma mbele yake.
Dia noraisin’ i Hezekia tamin’ ny tanan’ ny iraka ny taratasy ka novakiny, dia niakatra nankao an-tranon’ i Jehovah izy ka namelatra iny teo anatrehan’ i Jehovah.
15 Hezekia alimuomba Mungu:
Ary Hezekia nivavaka tamin’ i Jehovah nanao hoe:
16 Yahwe wa majeshi, Mungu wa Israeli, wewe ambae uko juu ya makerubi, wewe ni Mungu mwenywe juu falme zote za dunia. umezifanya mbingu na nchi.
Ry Jehovah, Tompon’ ny maro ô, Andriamanitry ny Isiraely, Izay mipetraka amin’ ny kerobima, Hianao dia Hianao ihany no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin’ ny tany; Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany.
17 Jeuza masikio yako, Yahwe, na sikiliza. Fungua macho yako, Ee Yahwe na uone, na usikilize maneno ya Sanacheribi, ambayo ameyatuma kumfanyia mzadha Mungu anayeishi.
Atongilano ny sofinao, Jehovah ô, ka mihainoa; ahirato ny masonao, Jehovah ô, ka mijere; ary mihainoa ny teny rehetra izay nampitondrain’ i Sankeriba hihaika an’ Andriamanitra velona.
18 Ni kweli Yahwe, mfalme wa Asiria ameangamiza mataifa yote na aridhi yao.
Jehovah ô, marina ihany tokoa fa ireo mpanjakan’ i Asyria dia efa nandrava ny firenena rehetra sy ny taniny
19 Wameiweka miungu yao katika moto, maana haikuwa miungu lakini kazi ya mikono ya wanadamu, ni kuni na jiwe tu.
ary efa nanary ny andriamaniny tao anaty afo, satria tsy Andriamanitra ireny, fa asan’ ny tànan’ olona ihany, dia hazo sy vato, ka dia azony nosimbana.
20 Hivyo Waasira wameawaangamiza wao. hivyo saa Yahwe Mungu wetu, tuokoe kwa nguvu zako, ili falme zote za duniani zijue kwamba wewe ni Yahwe peke yako.''
Koa ankehitriny, Jehovah Andriamanitray ô, vonjeo amin’ ny tànany izahay, mba hahafantaran’ ny fanjakana rehetra ambonin’ ny tany fa Hianao ry ihany no Jehovah.
21 Basi Isaya mtoto wa Amozi alituma ujumbe kwa Hezekia, na kusema, Yahwe Mungu wa Israeli amesema, Kwa sababu umeomba kwangu kuhusu Sannacheribi mfalme wa Asiria,
Ary Isaia, zanak’ i Amoza, dia naniraka hankany amin’ i Hezekia nanao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ny amin’ ilay fitarainana nataonao tamiko ny amin’ i Sankeriba, mpanjakan’ i Asyria,
22 Haya ndiyo maneno ambayo Yahwe amezungumza kuhusu yeye, ''Binti bikira wa Sayuni wanakudharau na kukucheka kwa dharau; mabinti wa Yerusalemu wanatingisha vichwa vyao kwa ajili yako.
dia izao no teny nolazain’ i Jehovah ny amin’ i Sankeriba: Manao tsinontsinona sy mandatsalatsa anao Ziona, zanakavavy virijina; Mihifikifi-doha mahita anao mandositra Jerosalema zanakavavy.
23 Ni nani unayempinga na kumtusi? na dhidi ya nani unayenyanyua sauti yako na kunyanyua macho yako kwa kiburi? dhidi ya mtakatifu wa Israeli.
Fa iza no nohaikainao sy nompanao? Ary hanohitra an’ iza no nanandratanao ny feonao sy nampiandrandranao ny masonao any ambony? Hanohitra ny Iray Masin’ ny Isiraely.
24 Kwa kupitia watumishi wako umempinga Bwana na amesema, 'Kwa wingi wa gari nimepanda juu kwenye kilele cha milima, katika kilele cha mwuinuko wa Lebanoni. Nitaikata mierezi yake na kuchagua miti ya miseprasi pale, ni msitu uzao sana.
Ny mpanomponao no nihaikanao ny Tompo hoe: Tamin’ ny kalesiko maro no niakarako tany an-tampon’ ny tendrombohitra, tao afovoan’ i Libanona; Ary hokapaiko ny sedera avo sy ny kypreso voafantina, dia hiditra any amin’ ny faran’ ny azo iakarana ao aho sy any amin’ ny alany midokadoka,
25 Nimechimba kisima na kunywa maji; nimechimba mito yote ya Misri chini ya nyayo za miguu yangu.'
Izaho no nihady ka nisotro rano, Ary ny faladiako no handritako ny lahin-drano rehetra any Egypta.
26 Je haujasikia jinsi nilivyoamua toka siku nyingi na nimelifanyia kazi toka kipindi cha kale? ninayaleta sasa ili yaweze kutimia. Mko hapa kuhiaribu miji imara na yenye ulinzi wa kutosha na kuwa chungu cha uharibifu.
Tsy mbola renao va, hoy Jehovah, fa hatry ny fony ela no nanomanako izany, ary hatramin’ ny andro taloha no nikasako izany? Ankehitriny dia efa nahatanteraka izany Aho ka dia nandrava tanàna mimanda ho tonga korontam-bato.
27 Wakazi wake, waliowadhaifu, waliokata tamaa na wenye aibu. Wanaotesha shambani, majani mabichi, majani juu paa au kwenye shamba kabla ya upepo wa mashariki.
Ary efa tsy nahatohitra ny mponina any, sady raiki-tahotra no nangaihay. Efa tahaka ny ahitra any an-tsaha izy, ary tahaka ny ahi-maitso sy ny ahitra eo amin’ ny tampon-trano. Ary tahaka ny vary maty raha vao mitsiry.
28 Lakini najua kukaa kwenu chini, kutoka kwenu nje, mnapoingia ndani, na mnapokuwa wakali dhidi yangu.
Fa samy fantatro avokoa ny ipetrahanao sy ny ivoahanao sy ny idiranao ary ny fahatezeranao amiko.
29 Kwa sababu mnakuwa wakali dhidi yangu, maana kiburi chenu kimeyafikia masikio yangu, Nitaweka ndoano katika pua zenu, na sauti katika midomo yenu; Nitawageuza nyuma kwenye njia mliyokuja nayo.
Satria efa tezitra amiko ianao, ary efa tonga ato an-tsofiko ny fireharehanao, dia hasiako ny masom-biko ny oronao ary hasiako ny lamboridiko ny vavanao, ary hampivereniko amin’ ny lalana izay nihavianao ianao.
30 Hii itakuwa wimbo kwenu: mwaka huu mtakula kinachoota porini na mwaka pili mtakula kinachoota hapo hapo. Lakini mwaka wa tatu lazima mpande na mvune, pandeni mizabibu na mle matunda yake.
Ary izao no ho famantarana ho anao kosa: Hihinana ny maniry ho azy amin’ ity taona ity ianareo; ary amin’ ny taona manaraka dia ny kolokolon’ izany, fa amin’ ny taona fahatelo kosa dia mamafaza ianareo, ka mijinjà, ary manaova tanim-boaloboka, ka mihinàna izay vokatra eo.
31 Mabaki ya nyumba ya Yuda ambao wanaishi watachukua mzizi tena na kuzalisha matunda.
Ary izay sisa amin’ ny taranak’ i Joda dia mbola hamaka lalindalina kokoa sady hisondrotra hamoa.
32 Maana katika Yerusalemu waliobaki watatoka; Kutoka kwenye mlima Sayuni waliobaki watakuja. Bidii ya Yahwe wa majeshi itafanikisha hili.''
Fa hisy sisa hiseho avy any Jerosalema sy sisa afaka avy any an-tendrombohitra Ziona ny fahasaro-piaron’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, no hanao izany.
33 Hivyo basi Yahwe asema hivi kuhusu Asiria: ''Atakuja katika miji, wala kurusha mkuki hapa. Wala atakuja hapa mbele kwa ngao au kujenga uzio njia panda dhidi yao.
Koa izao no lazain’ i Jehovah ny amin’ ny mpanjakan’ i Asyria: Tsy ho tafiditra amin’ ity tanàna ity izy, na handefa zana-tsipìka ho ato, na hitondra ampinga eo anoloany, na hanandratra tovon-tany hamelezany azy.
34 Njia atakayojia itakuwa njia hiyo hiyo atakayorudia; ataingia katika mji huu. Hili ni Tamko ya Yahwe.
Ny lalana izay nihaviany ihany no hiverenany, fa tsy ho tafiditra amin’ ity tanàna ity izy, hoy Jehovah.
35 Maana nitaulinda huu mji na kuuokoa, kwa niaba yangu mimi mwenyewe na kwa niaba Daudi mtumishi wangu.''
Fa hiaro ity tanàna ity Aho ka hamonjy azy noho ny amin’ ny tenako sy Davida mpanompoko.
36 Halafu malaika wa Yahwe alienda nje na kuvamia kambi ya Waasiria, na kuwauwa askari 185, 000. Watu walipoamka asubuhi na mapema, miili iliyokufa imelala kila mahali.
Dia avy Ilay Anjelin’ i Jehovah ka namely olona dimy arivo amby valo alina sy iray hetsy tao an-tobin’ ny Asyriana; ary nony maraina koa vao nifoha olona, dia hita fa, indreo, efa maty avokoa ireo.
37 Hivyo Sennacheribi mfalme wa Asiria aliiacha Israeli na kwenda nyumbani na akakaa Ninewi.
Dia niainga Sankeriba, mpanjakan’ i Asyria, ka lasa nody ary nitoetra tany Ninive.
38 Baadaye, na alipokuwa anabudu katika nyumba ya Nisrochi mungu wake, mtoto wake Adramaleki na Shareza alimuua kwa upanga. Halafu wakakimbilia kwenye nchi ya Ararati. Halafu Esarhadoni mtoto wake akatawala katika sehemu ya baba yake.
Ary raha niankohoka tao an-tranon’ i Nisroka andriamaniny izy, dia nokapain’ i Adrameleka sy Sarezera zananilahy ny sabatra izy; ary dia afaka nandositra ho any amin’ ny tany Ararata izy mirahalahy; ary Esara-hadona zananilahy no nanjaka nandimby azy.

< Isaya 37 >