< Isaya 33 >

1 Ole wenu, waharibifu ambao hamjaharibiwa! Ole wao wasaliti ambao hamjaslitiwa! Pindi mtakapoacha uaribifu, nanyi mtaharibiwa. Pindi mtakapoacha usaliti, nayi mtasalitiwa.
Lozanao, ry ilay mandroba, nefa tsy norobaina ianao! Ary mamitaka, nefa tsy nofitahina ianao! Rehefa mitsahatra ny mandrava ianao, dia vao horavana kosa; Ary rehefa mitsahatra ny mamitaka ianao, dia vao hofitahina kosa.
2 Yahwe, tuurumie sisi; tumekusubiri wewe; umekuwa mkono wetu kila asubuhi, na wokovu wetu katika kipindi cha mateso.
Jehovah ô, mamindrà fo aminay; Hianao no antenainay; Aoka ho sandrinay isa-maraina ianao sy ho famonjena anay amin’ ny andro fahoriana.
3 Watu wamekimbia kwa kusikia sauti kubwa; uliponyanyuka, mataifa yametawanyika,
Ny feon’ ny fitabatabana no mampandositra ny firenena; Raha misandratra Hianao, dia mipariaka ny jentilisa.
4 Mateka wako wamejikusanya kama mkasanyiko wa nzige; kama nzige warukavyo, watu wataruka juu yake.
Ary ireny handevona ny babonareo tahaka ny fandevon’ ny valala, tahaka ny fifanaretsaky ny kalalao no fifanaretsany eo aminy.
5 Yahwe ameinuliwa. Anaishi mahali pa juu. Ataijaza Sayuni kwa haki na usawa.
Manerinarina Jehovah, fa mitoetra any amin’ ny avo Izy; Nofenoiny rariny sy fahamarinana Ziona.
6 Atakuwa imara katika kipidi chenu, wingi wa wokovu, busara, na maarifa; hofu ya Yahwe iko katika hazina yake.
Ary hisy andro tsy manam-piovana ho anao, eny, haren’ ny famonjena sy ny fahendrena ary ny fahalalana; Ny fahatahorana an’ i Jehovah no rakitrao.
7 Tazama, wujumbe wanalia mtaani; wanadiplomasia wanamatumaini ya amani kwa kulia kwa uchungu.
Indreo, ny lehilahy maheriny mitaraina eny ivelany; Ny iraka nitady fihavanana dia mitomany mafy.
8 Barabara kuu imeachwa faragha; hakuna wasafiri tena. Maagano yamevujika, mashahidi wanadharaulika, na utu wa mtu hauheshimiki.
Maty ny lalambe; Tsy misy ny mpandeha; Nofoanany ny fanekena; Nalany baraka ny tanàna; Tsy nanaja olona izy.
9 Nchi imeomboleza na kunyaukia mbali; Lebanoni inaibisha na kunyaukia mbali; Sharoni imekuwa kama jangwa wazi; Bashani na Kermeli zimepuputisha majani yake.
Misaona ny tany ka milofika; Menatra Libanona ka malazo; Efa tonga tahaka ny tani-hay Sarôna, Ary manintsana Basana sy Karmela.
10 ''Sasa nitanyanyuka, ''asema Yahwe; '' sasa nitanyanyuliwa juu; sasa nitainuliwa.
Ankehitriny dia hitsangana Aho, hoy Jehovah; Ankehitriny dia ho any amin’ ny avo Aho; Ankehitriny dia hisandratra Aho.
11 Utashika mimba ya makapi na utazaa mabua; na punzi yako ni moto ambao utakuunguza wewe.
Torontoronina bozaka ianareo ka miteraka vodivary; Ny fofonainareo dia tahaka ny afo handevona anareo.
12 Watu watachomwa na kuwa kama chokaa, kama miiba ya porini inavyokatwa na kuchomwa.
Ary ny firenena ho tahaka ny fandoroan-tsokay, eny, ho tahaka ny tsilo notombohina izay mirehitra amin’ ny afo izy.
13 Enyi mlio mbali sana, sikiliza nilicho kifanya; na enyi mlio karibu, kirini ukuu wangu.''
Mihainoa ny amin’ izay efa nataoko, ianareo izay lavitra, ary aoka hahafantatra ny heriko ianareo izay akaiky.
14 Watenda zambi wa Sayuni wanogopa; tetemeko limewakuta wasio na Mungu. Ni nani miongoni mwetu anayeweza kukaa kwenye moto mkali? Na ni nani miongoni mwetu anayeweza kukaa kwenye moto wa milele?
Raiki-tahotra ny mpanota ao Ziona; Horohoro no nahazo ny mpihatsaravela-tsihy. Iza amintsika no hahatoetra amin’ ny afo mandevona? Iza amintsika moa no hahatoetra amin’ ny lelafo mandrakizay?
15 Nyie mnaotembe katika haki na kuongea kw uaminifu; yeye anayedharau mapato ya ukandamizaji, yeye anayekataa kuchuka rushwa, ambaye hausiki kwenye kupanga vurugu za kihalifu, na ambaye haangali maovu-
Izay mandeha amin’ ny fahamarinana sady miteny zava-mahitsy, izay tsy mety mandray harena amin’ ny fanaovana an-keriny fa manifikifika ny tanany mba tsy handray kolikoly, izay manentsin-tadiny mba tsy handrenesany ny amin’ ny fandatsahan-drà sady manakimpy ny masony mba tsy hahita ny ratsy;
16 Ataiweka nyumba yake juu; sehemu yake ya ulinzi itakuwa ni ngome ya mwamba; chakula na maji yake hayataisha.
Izy no honina ao amin’ ny avo; Ny fitoerana avony dia ny fiarovana any amin’ ny harambato; Izay hohaniny dia homena azy, ary ny rano hosotroiny tsy ho diso.
17 Macho yako yatamuona mfalme katika uzuri wake; watatazama nchi kubwa.
Ny masonao hahita ny mpanjaka amin’ ny hatsaran-tarehiny sady hahatsinjo tany malalaka dia malalaka.
18 Moyo wako utakumbuka hofu; yuko wapi mwandishi, yuko wapi yule aliayepima pesa? na yuko wapi yeye aesabue minara?
Hotsaroan’ ny fonao ilay nahatahotra: Aiza ny mpanoratra? Aiza ny mpandanja? Aiza ny mpanisa ny tilikambo?
19 Hautawaona watu wanaopinga, watu weye lugha ya ajabu ambayo hautaweza kuielewa.
Ny firenena misetaseta dia tsy ho hitanao intsony, dia ilay olona miboediboedi-piteny ka tsy fantatra, na ny lela mikodedidedy ka tsy azo.
20 Itazame Sayuni, mji wa sikukuu yetu; macho yako yataiona Yerusalemu kama makao tulivu, hema ambalo halitatolewa, vigingi vyake havitatolewa wala kamba zake hazitakatika.
Tsiniovy Ziona, dia ilay tanàna fihaonantsika tamin’ ny fotoam-pivavahana; Ny masonao hahita an’ i Jerosalema ho fonenana mandry fahizay, dia lay izay tsy hafindra, ny tsimatra aminy tsy hongotana mandrakizay, ary tsy hisy hotapahina ny kofehiny.
21 Badala yake Yahwe katika ukuu wake atakuwa pamoja na sisi, katika eneo la maji mengi na mifereji mingi. Hakuna manuari na mpiga makasia watakayepita hapo, na hakuna mashua itakayopita uko.
Fa Jehovah dia mahery ho antsika any, tany be ony sy lahin-drano lehibe any, nefa sy halehan’ ny sambo voizina, na hovakin’ ny sambo lehibe.
22 Maana Yahwe ni hakimu wetu, Yahwe ni mwanasheria wet, Yahwe ni mfalme wetu; atatukomboa sisi.
Fa Jehovah no Mpitsara antsika; Jehovah no mpanome lalàna antsika; Jehovah no mpanjakantsika; Izy no hamonjy antsika.
23 Kamba zako zimelegea; haziwezi kushika mlingoti katika eneo lake; haziwezi kuzunguka meli; pindi mateka wanavyogawanyika, hata vilema watawatoa nje kama mateka.
Mivaha ny mahazakan-tsambonao; Tsy mahahazona mafy ny fiorenan’ andry izy, na mahavelatra ny lay; Fa amin’ izay kosa dia hozaraina ny zavatra be voababo; Na dia ny mandringa aza dia mba hahazo babo ihany.
24 Na wenyeji watasema, ''Ninaumwa;'' watu wanaoishi pale watasamehewa maovu yao.
Tsy hisy amin’ ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho; Ny olona izay mitoetra ao dia voavela heloka.

< Isaya 33 >