< Habakuki 3 >

1 Maombi ya Habakuki nabii:
Ny fivavak’ i Habakoka mpaminany. Araka ny Sigionota.
2 Yahwe, nimesikia taarifa zako, na mimi naogopa. Yahwe, fufua kazi yako katikati wakati; katikati ya muda huu; fanya hiyo ijulikane; kumbuka kuwa na rehema katika ghadhabu yako.
Jehovah ô, efa reko ny filazana Anao, ka raiki-tahotra aho; Jehovah ô, velomy ny asanao ao an-tenatenan’ ny taona, Ataovy fantatra ao an-tenatenan’ ny taona izany; Na dia tezitra aza Hianao, tsarovy ny indrafo.
3 Mungu alikuja kutoka Temani, na yule Mtakatifu kutoka Parani. (Sela) Utukufu wake umezifunika mbingu, na dunia ilikuwa imejaa utukufu wake.
Tamy avy any Temana Andriamanitra, Dia ny iray Masìna avy any an-tendrombohitra Parana. (Sela) Manarona ny lanitra ny voninahiny, Ary manenika ny tany ny fiderana Azy.
4 Miali miwili ya mikono yake ilikuwa iking'aa kama mwanga, ambapo uweza wake ulifichwa.
Misy famirapiratana toy ny mazava, Ary misy tàna-masoandro avy eo amin’ ny tànany; Ary ao no fieren’ ny heriny.
5 Ugonjwa wa kuua ulitangulia mbele yake, na adha iliifuta miguu yake.
Eo alohany no andehanan’ ny areti-mandringana, Ary areti-mandripaka no mivoaka avy eo aoriany.
6 Yeye alisimama na akaipima nchi; aliangalia na aliyatikisa mataifa. Hata milima ya milele iliharibiwa kabisa, na vilima vya milele vilianguka chini. Njia yake ni ya milele.
Mijanona Izy ka manozongozona ny tany; Mijery Izy ka mampangovitra ny firenena, Ary torotoro ny tendrombohitra mandrakizay, Mietry ny havoana fahagola, Fanaony hatry ny fahagola ny Azy.
7 Niliona mahema ya Wakushi katika mateso, na vitambaa vya mahema katika Midiani vinatetema.
Mahita ny lain’ i Kosana azom-pahoriana aho, Sady mipararetra ny ambain-dain’ ny tany Midiana.
8 Yahwe alikuwa na hasira pale mtoni? Ghadhabu yako ilikuwa dhidi ya mito, au hasira yako dhidi ya bahari, unapopanda juu ya farasi wenye mikokoteni na wa ushindi wako?
Moa amin’ ny ony va no irehetan’ ny fahatezeran’ i Jehovah? Amin’ ny ony va no ahatezeranao, Na amin’ ny ranomasina va no ahasosoranao, No dia mitaingina ny soavalinao sy ny kalesim-pamonjenao Hianao?
9 Umeleta upinde wako bila mfuniko; unaweka mishale kwenye upinde wako! (Sela) uliigawa nchi na mito.
Nalan-tsarona ny tsipìkanao; Efa nianianana ny fikapohan’ ny teny. (Sela) Namakivaky ny tany Hianao mba hisy ony.
10 Milima ilikuona wewe na kugeuka kwa huzuni. Maji yaliyomwagwa chini yalipita juu yao; kina cha bahari kilipaza sauti. Mawimbi yake yakainuka juu.
Nahita Anao ny tendrombohitra ka toran-kovitra; Mirotsaka ny ranonorana mivatravatra, Mamoa-peo ny lalina Sady manangan-tanana ho amin’ ny avo.
11 Jua na mwezi vilisimama imara juu mahali pake katika mwanga wa mishale yako na ilipaa, pale katika uangavu wa mwanga wa mikuki yako.
Ny masoandro sy ny volana niditra teo amin’ ny fitoerany, Noho ny fahazavan’ ny zana-tsipìkanao mitsoriaka Sy ny fanelatselatry ny lefonao mamirapiratra.
12 Umetembea juu ya nchi kwa uchungu. Katika ghadhabu umepukuchua mataifa.
Amin’ ny fahatezeranao no anitsahanao ny tany; Amin’ ny fahaviniranao no anosihosenao ny firenena.
13 Ulikwenda nje kwaajili ya wokovu wa watu wako, Kwaajili ya wokovu wa mteule wako. Wewe pondaponda kichwa cha nyumba ya mwovu kuweka wazi msingi wa shingo. (Sela)
Mivoaka hamonjy ny olonao Hianao, dia hamonjy ny voahosotrao; Torotoroinao ny tapenaky ny tranon’ ny ratsy fanahy, Ka ahariharinao hatreo an-tenatenany ny fanorenany. (Sela)
14 Umekichoma kichwa cha wapiganaji wake kwa mshale wake mwenyewe sababu walikuja kama upepo kututawanya sisi, wivu wao ulikuwa kama mtu ambaye anamteketeza masikini katika mahali pamaficho.
Ny lefony ihany no anaboroahanao ny lohan’ ireo miaramilany betsaka, Izay avy toy ny tadio hanely ahy, Sady mifaly handany mangingina ny ory izy.
15 Umesafiri juu ya bahari kwa farasi wako, na kuyapita maji makuu.
Mitety ny ranomasina amin’ ny soavalinao Hianao, Dia eny amin’ ny rano be miavovona.
16 Nilisikia, na ndani yangu nilitetemeka! midomo yangu ilitetemesha sauti. Uozo unakuja katika mifupa yangu, na chini yangu mwenyewe nilitetemeka kama nasubiri kwaajili ya siku ya kuhuzunisha ifike juu ya watu waliotushambulia sisi.
Nony mandre aho, dia mandevilevy ny kiboko; Ny molotro mipararetra noho ny feo; Azon’ ny fahalòvana ny taolako, ary mangovitra aho; Fa tsy maintsy miandry ny andro fahoriana aho, Dia izay hiakaran’ ny mpanao andiany hamely ny olonao.
17 Ingawa mtini hauchipui na hauzai kutokana na mzababibu; na ingawa kuzaa kwa mti wa mzaituni hakuridhishi na mashamba hayatoi chakula; na ingawa kundi mifugo limetoweka na hakuna ng'ombe katika zizi, hiki ndicho nitakacho kifanya.
Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy, Ary tsy misy voany ny voaloboka, Na dia mahadiso fanantenana aza ny oliva, Ary tsy mahavokatra hohanina ny saha, Na dia vonoina aza ny ondry ao amin’ ny vala, Ary tsy misy omby ao am-pahitra,
18 Bado, nitafurahia katika Yahwe. Nitakuwa nafuraha kwa sababu ya Mungu wa wokovu wangu.
Nefa izaho dia mbola hifaly amin’ i Jehovah ihany Sy hiravoravo amin’ Andriamanitry ny famonjena ahy.
19 Bwana Yahwe ni nguvu yangu na anaifanya miguu yangu kama ya kulungu. Ananifanya mimi niende mbele mahali pangu pa juu. - kufuata maelekezo ya muziki, katika vyombo vyangu vya nyuzi.
Jehovah Tompo no tanjako, Ary manao ny tongotro ho toy ny an’ ny dieravavy Izy Ka mampandeha ahy any amin’ ny havoanako. Ho an’ ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ ny valiha.

< Habakuki 3 >