< Habakuki 1 >

1 Ujumbe ambao habakuki nabii alipokea,
Faminaniana ny loza hanjo, izay hitan’ i Habakoka mpaminany.
2 Yahwe, kwa muda gani nitalilia msaada, na hutasikia? Nimekulilia wewe katika kitisho, 'vurugu' lakini hutaniokoa.
Jehovah ô, indrisy ny hahelan’ ny efa nitarainako, Nefa tsy nohenoinao! Mitaraina aho hoe: Loza! Nefa tsy vonjenao ihany.
3 Kwanini unanifanya nione mabaya na kuangalia matendo mabaya. Uharibifu na vurugu uko mbele yangu; kuna mapambano, na ushindani unainuka.
Nahoana no ataonao mahita faharatsiana aho. Ary mijery fahoriana Hianao? Fa fandravana sy loza no eo anatrehako, Ary misy ady, sady miseho ny fifandirana.
4 Walakini sheria ni dhaifu, na haki haiishi kwa wakati wowote. Sababu uovu umezunguka haki; walakini haki ya uongo inatoweka. “Yahwe” anamjibu habakuki
Koa noho izany dia ngoly ny lalàna, Ary tsy mivoaka ny rariny; Fa irohonan’ ny ratsy fanahy ny marina, Ka izany no ivoahan’ ny fitsarana miangatra.
5 “Angalia mataifa na uwajaribu; stajaabishwa na shangazwa! Sababu nina uhakika kuhusu kufanya kitu katika siku zako kwamba hutaamini itakapotaarifiwa kwenu.
Jereo any amin’ ny jentilisa, ka diniho, ary gagà dia gagà; Fa manao zavatra amin’ ny andronareo Aho, Izay tsy hinoanareo, na dia holazaina aminareo aza.
6 Sababu angalia! nakaribia kuwainua Wakaldayo - taifa katili na lenye kishindo - wanatembea kupitia upana wa nchi kuteka nyumba zisizo za kwao.
Fa, indro, atsangako ny Kaldeana, Dia ilay firenena masiaka sady mirehidrehitra, Izay mamaky eran’ ny tany Hahazoany fonenana izay tsy azy.
7 Wanahofu na kuogopa; hukumu yao na uzuri kutoka kwao unaendelea.
Mahatsiravina sy mahatahotra izy; Avy amin’ ny tenany ihany ny fitsarany sy ny fahalehibiazany.
8 Farasi wao pia wanambio sana kuliko chui, wepesi sana kuliko mbwa mwitu wa jioni. Farasi wao huwaseta, na wapanda farasi wao wanakuja kutoka mbali - wanapaa kama tai anayewahi kula.
Faingana noho ny leoparda ny soavaliny Sady masiaka noho ny amboadia hariva; Ny mpitaingin-tsoavaliny mampiriotra, eny, ny mpitaingin-tsoavaliny dia avy lavitra; Miezaka toy ny voromahery maika hihinana izy.
9 Wote wanakuja kwa vurugu; makundi yao yanakwenda kama upepo wa jangwani, na wanakusanya mateka kama mchanga.
Hampidi-doza no ihavian’ izy rehetra; Ny handroso ihany no atrehiny fatratra, Ka manangona sambotra toy ny fasika izy.
10 Wanawadhihaki wafalme, na viongozi ni dhihaka kwaajili yao. Huicheka kila ngome, maana hurundika mavumbi na kuyaondoa.
Izy manakora ny mpanjaka, Ary ihomehezany ny mpanapaka; Ny tanàna mimanda rehetra dia ihomehezany, Ka dia manandratra tovon-tany izy ka mahafata azy.
11 Ndipo upepo utapita; itaendelea kupita - watu wenye hatia, ambao uwezo wao ni katika mungu.” Habakuki anamuuliza Yahwe swali lingine
Dia mihelina toy ny rivotra izy Ary mandroso ka mahazo heloka. Izany heriny izany no andriamaniny!
12 “Wewe si wa tangu nyakati za zamani, Yahwe Mungu wangu, uliye Mtakatifu? Sisi hatutakufa. Yahwe aliwatenga kwaajili ya hukumu, na ninyi, Mwamba, mmeimarisha kwaajili ya kusahihisha.
Tsy hatrizay hatrizay va Hianao, Jehovah Andriamanitro, Iray Masiko? Tsy ho faty izahay; Ry Jehovah ô, ho famaizana no nanendrenao ireny, Ry Vatolampy ô, fananarana no nanangananao azy
13 Macho yenu ni safi kuangaza juu ya uovu, lakini hamuwezi kuangalia matendo mabaya kwa fadhila; kwa nini mnaangalia kwa upendeleo hivyo juu ambao wanasaliti? Kwanini kunyamaza wakati uovu unameza sana wenye haki zaidi yao?
Hianao, Izay madio maso ka tsy te-hitsinjo ny ratsy Ary tsy mahajery fahoriana, Nahoana Hianao no mijery izay mamitaka Ary mangìna, raha ny ratsy fanahy mandrapaka ny marina noho izy,
14 unawafanya watu kama samaki baharini, kama vitu vitambaavyo bila kiongozi juu yao.
Ary manao ny olona ho toy ny hazandrano any an-dranomasina, Sy ho toy ny biby mandady sy mikisaka, izay tsy mana-mpanapaka?
15 Wao wanawaleta wote kwa ndoano; wanawakokota watu kutoka kwenye nyavu za samaki na kuwakusanya kwenye wavu wao. Hii ndiyo sababu wanafurahi na kupiga kelele kwa uchangamfu sana.
Aingainy amin’ ny fintana izy rehetra, Samboriny amin’ ny haratony Ary sarihany amin’ ny harato tarihiny; Ka dia faly sy ravoravo izy.
16 Walakini wanatoa sadaka kwenye nyavu zao za kuvulia na kuchoma ubani kwenye nyavu zao, sababu wanyama wanene ni sehemu yao, na nyama iliyonona ni chakula chao.
Koa izany no amonoany zavatra hatao fanatitra ho an’ ny haratony sy andoroany ditin-kazo manitra ho an’ ny harato tarihiny; Fa ireo no ahazoany hanina matsiro sy anjara matavy.
17 Kwa sababu hiyo watamaliza nyavu zao za kuvulia na kuendelea kuchicha mataifa, bila kuhisi huruma”?
Koa noho izany dia hanaisotra ny ao amin’ ny tandrohony va izy Ary hamono firenena mandrakariva ka tsy hiantra?

< Habakuki 1 >