< Mwanzo 50 >
1 Yusufu akahuzunika sana hata akauangukia uso wa baba yake, akamlilia, na kumbusu.
Ary Josefa nihohoka tamin’ ny tavan’ ny rainy ka nitomany teo amboniny sady nanoroka azy.
2 Yusufu akawaagiza watumishi wake matabibu kumtia dawa babaye. Hivyo matabibu wakampaka dawa Israeli.
Ary nasain’ i Josefa nanosotra zava-manitra an-drainy ny mpanompony izay mpanao fanafody; dia nanosotra an’ Isiraely ny mpanao fanafody.
3 Wakatimiza siku arobain, kwani huo ndio uliokuwa muda kamili wa kutia dawa. Wamisri wakamlilia kwa siku sabini
Ary notanterahiny taminy ny efa-polo andro, fa izany no isan’ ny andro nanosoram-paty; ary ny Egyptiana nisaona azy fito-polo andro.
4 Siku za maombolezo zilipotimia, Yusufu akaongea na watumishi wa baraza la kifalme wa Farao kusema, “Ikiwa nimepata kibali machoni penu, tafadharini ongeeni na Farao, kusema,
Ary rehefa tapitra ny andro nisaonana azy, Josefa dia niteny tamin’ ny tao an-tranon’ i Farao ka nanao hoe: Raha mba nahita fitia eo imasonareo aho, masìna ianareo, lazao amin’ i Farao, ka ataovy hoe:
5 'Baba yangu aliniapisha, kusema, “Tazama, ninakaribia kufa. Unizike katika kaburi nililolichimba kwa ajili yangu mwenyewe katika nchi ya Kanaani. Ndipo utakaponizika.” Basi sasa niruhusu niende nimzike baba yangu, na kisha nitarudi.”
Ny raiko efa nampianiana ahy ka nanao hoe: Indro, ho faty aho; koa ao amin’ ny fasako, izay nohadiko ho ahy any amin’ ny tany Kanana, dia ao no andeveno ahy. Koa ankehitriny, trarantitra ianao, aoka aho hiakatra handevina ny raiko, dia hiverina atỳ indray.
6 Farao akajibu, “Nenda na umzika baba yako, kama alivyokuwapisha.”
Ary hoy Farao: Miakara ary, ka aleveno ny rainao araka izay nampianianany anao.
7 Yusufu akaenda kumzika baba yake. Maofisa wa Farao wote wakaenda pamoja naye - washauri wa nyumba yake, maofisa waandamizi wote wa nchi ya Misri,
Dia lasa niakatra Josefa handevina ny rainy; ary niara-niakatra taminy ny mpanompon’ i Farao rehetra, dia ny loholona tao an-tranony sy ny loholona rehetra tany amin’ ny tany Egypta,
8 pamoja na nyumba yote ya Yusufu na ndugu zake, na nyumba yote ya baba yake. Lakini watoto wao, kondoo wao na makundi ya mbuzi wao yaliachwa katika nchi ya Gosheni.
ary ny ankohonan’ i Josefa rehetra sy ny rahalahiny ary ny ankohonan-drainy; ny ankizy madinika sy ny ondriny aman’ osiny sy ny ombiny ihany no navelany tao amin’ ny tany Gosena.
9 Vibandawazi na wapanda farasi pia walikwenda pamoja naye. Lilikuwa kundi kubwa sana la watu.
Ary nisy kalesy sy mpitaingin-tsoavaly niara-niakatra taminy koa, ka lehibe dia lehibe ny tobiny.
10 Hata walipokuja katika sakafu ya kupuria ya Atadi upande mwingine wa Yordani, wakaomboleza kwa majonzi ya huzuni kubwa. Yusufu akafanya maombolezo ya siku saba kwa ajili ya babaye pale.
Ary rehefa tonga teo Goren’ atada izy, izay ao an-dafin’ i Jordana, dia nanao fisaonana lehibe sy mafy indrindra teo izy; dia nisaona an-drainy hafitoana Josefa.
11 Wenyeji wa nchi, Wakanaani, walipoona maombolezo katika sakafu ya Atadi, wakasema, “Hili ni tukio la kuhuzunisha sana kwa Wamisri.” Ndiyo maana eneo hilo likaitwa Abeli Mizraimu, lililoko mbele ya Yordani.
Ary rehefa hitan’ ny Kananita tompon-tany ny fisaonana teo Goren-atada, dia hoy izy: Fisaonana mafy amin’ ny Egyptiana izao; izany no nanaovany ny anarany hoe Abel-Egyptiana, izay ao an-dafin’ i Jordana.
12 Hivyo wanawe wakamfanyia Yakobo kama alivyokuwa amewaagiza.
Ary ny zanakalahin’ i Jakoba nanao taminy araka izay nandidiany azy,
13 Wana wake wakampeleka katika nchi ya Kanaani na wakamzika katika pango katika shamba la Makpela, karibu na Mamre. Ibrahimi alikuwa amelinunua pango pamoja na shamba kwa ajili ya eneo la kuzikia. Alikuwa amelinunua kutoka kwa Efroni Mhiti.
dia nitondra azy tany amin’ ny tany Kanana, ary nandevina azy tao amin’ ny zohy amin’ ny saha Makpela, tandrifin’ i Mamre, dia ilay novidin’ i Abrahama mbamin’ ny saha tamin’ i Efrona Hetita ho tany fandevenana.
14 Baada ya kuwa amemzika babaye, Yusufu akarudi Misri, yeye, pamoja na ndugu zake, na wote waliokuwa wamemsindikiza ili kumzika babaye.
Ary rehefa voalevin’ i Josefa ny rainy, dia niverina tany Egypta izy sy ny rahalahiny mbamin’ izay rehetra niara-niakatra taminy handevina ny rainy.
15 Nduguze Yusufu walipoona kwamba baba yao amekufa, wakasema, “Itakuwaje ikiwa Yusufu atatukasirikia na akataka kutulipa kikamilifu kwa ajili ya uovu tuliomtenda?”
Ary rehefa hitan’ ny rahalahin’ i Josefa fa maty ny rainy, dia hoy izy: Andrao hanao fo-lentika amintsika Josefa ka hamaly antsika tokoa noho izay ratsy rehetra nataontsika taminy.
16 Hivyo wakamwagiza Yusufu, kusema, “Baba yako alitoa maelekezo kabla hajafa, kusema,
Dia naniraka nankany amin’ i Josefa izy ka nanao hoe: Ny rainao nanafatra, fony izy tsy mbola maty,
17 'Mwambieni hivi Yusufu, “Tafadhari samehe makosa ya ndugu zako na dhambi yao uovu waliokutenda.” Basi wasamehe watumishi wa Mungu wa baba yako.” Yusufu akalia walipomwambia.
ka nanao hoe: Izao no holazainareo amin’ i Josefa: Mamela re ny fahadisoan’ ny rahalahinao sy ny fahotany, fa efa nanao ratsy taminao izy; eny, mamela ankehitriny ny fahadisoan’ ny mpanompon’ ny Andriamanitry ny rainao. Dia nitomany Josefa, raha niteny taminy izy ireo.
18 Ndugu zake pia wakaenda na kuinamisha nyuso zao mbele zake. Wakasema, “Tazama, sisi ni watumishi wako.”
Koa nanatona azy ny rahalahiny, dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Indreto izahay ho mpanomponao.
19 Lakini Yusufu akawajibu, “Msiogope, Je mimi ni badala ya Mungu?
Ary hoy Josefa taminy: Aza matahotra; fa moa solon’ Andriamanitra va aho?
20 Lakini kwenu, mlikusudia kunidhuru, lakini Mungu alikusudia mema, kuhifadhi maisha ya watu wengi, kama mwonavyo leo.
Hianareo no nisaina hanisy ratsy ahy; fa Andriamanitra kosa nisaina izany ho soa, hanao tahaka ny amin’ izao anio izao, hamelona olona betsaka.
21 Hivyo basi msiogope. Nitawahudumia ninyi na watoto wenu wadogo.” Kwa njia hii aliwatia moyo na kuongea na mioyo yao kwa upole.
Koa ankehitriny, aza matahotra ianareo; fa izaho hamelona anareo sy ny zanakareo madinika. Dia nampionona azy sy nanao teny malefaka nahafinaritra azy izy.
22 Yusufu akakaa Misri, pamoja na familia ya baba yake. Akaishi miaka mia moja na kumi.
Ary Josefa sy ny ankohonan’ ny rainy nonina tany Egypta; ary ny andro niainan’ i Josefa dia folo amby zato taona.
23 Yusufu akawaona wana wa Efraimu hata kizazi cha tatu. Pia aliwaona wana wa Makiri mwana wa Manase, waliowekwa katika magoti ya Yusufu.
Ary hitan’ i Josefa ny zafiafin’ i Efraima; ny zanak’ i Makira koa, zanakalahin’ i Manase, dia noraisin’ i Josefa ho eo am-pofoany.
24 Yusufu akawambia ndugu zake, “Ninakaribia kufa; lakini kwa hakika Mungu atawajilia na kuwaongoza kutoka katika nchi hii na kuwapeleka katika nch aliyoapa kumpa Ibrahimu, kwa Isaka na kwa Yakobo.”
Ary hoy Josefa tamin’ ny rahalahiny: Ho faty aho; nefa Andriamanitra hamangy anareo tokoa ka hitondra anareo hiala amin’ ity tany ity ho any amin’ ny tany izay nianianany tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba homena azy.
25 Kisha Yusufu akawaapisha watu wa Israeli kwa kiapo. Akasema, “Bila shaka Mungu atawajilia. Wakati huo mtachukuwa mifupa yangu kutoka hapa.”
Ary Josefa dia nampianiana ny zanak’ Isiraely ka nanao hoe: Hamangy anareo tokoa Andriamanitra, dia hitondra ny taolako hiala eto ianareo.
26 Hivyo Yusufu akafa, mwenye miaka 110. Wakampaka dawa na akawekwa katika jeneza huko Misri.
Dia maty Josefa, rehefa folo amby zato taona; ary dia nohosorany zava-manitra izy ka napetrany tao anatin’ ny vata tany Egypta.