< Mwanzo 46 >

1 Israeli akasafiri na yote aliyokuwa nayo na akaja Beersheba. Pale akatoa sadaka kwa Mungu wa Isaka baba yake.
Ary niainga Isiraely nitondra izay rehetra nananany ka nankany Beri-sheba, dia namono zavatra hatao fanatitra ho an’ Andriamanitr’ Isaka rainy izy.
2 Mungu akamwambia Israeli katika ndoto usiku, akisema, “Yakobo, Yakobo.”
Ary Andriamanitra niteny tamin’ Isiraely tao amin’ ny fahitana nony alina ka nanao ho: Ry Jakoba, ry Jakoba ô! Ary hoy kosa izy: Inty aho.
3 Akasema, “Mimi hapa.” Akasema, “Mimi ni Mungu, Mungu wa baba yako. Usiogope kushuka Misri, kwa maana nitakufanya taifa kubwa huko.
Dia hoy Izy: Izaho no Andriamanitra, dia Andriamanitry ny rainao; aza matahotra hidina any Egypta ianao, fa hataoko firenena lehibe any ianao.
4 Nitakwenda pamoja nawe huko Misri, Nami nitakupandisha huku tena bila shaka. Na Yusufu akayafunika macho yako kwa mikono wake.”
Izaho hiara-midìna aminao ho any Egypta; ary Izaho hitondra anao hiakatra indray tokoa ary ny tànan’ i Josefa no hanirina ny masonao.
5 Yakobo akainuka kutoka Beersheba. Wana wa Israeli wakamsafirisha Yakobo baba yao, watoto wao, na wake wao, katika mikokotene ambayo Farao alikuwa ameipeleka kuwachukua.
Dia niainga Jakoba ka niala tao Beri-sheba; ary ny zanak’ Isiraely nitondra an’ i Jakoba rainy sy ny zanany madinika ary ny vadiny teo anatin’ ny sariety, izay efa nampitondrain’ i Farao hitondrana azy.
6 Wakachukua mifugo yao na mali zao walizokuwa wamezipata katika nchi ya Kanaani. Wakaja Misri, Yakobo na uzao wake wote pamoja naye.
Ary nentin’ izy ireo ny omby aman’ ondriny sy ny fananany, izay efa nohariny tany amin’ ny tany Kanana, dia tonga tany Egypta Jakoba sy ny zanany rehetra nomba azy:
7 Akaja Misri pamoja na wanawe na wana wa wanawe, binti zake na wana wa binti zake, na uzao wake wote.
ny zananilahy sy ny zafini-lahy nomba azy, ary ny zananivavy sy ny zafini-vavy; eny, nentiny nomba azy ho any Egypta avokoa ny zanany rehetra.
8 Haya ni majina ya watoto wa Israeli waliokuja Misri, Yakobo na wanawe: Rubeni, mzaliwa wa kwanza wa Yakobo;
Ary izao no anaran’ ny zanak’ Isiraely izay tonga tany Egypta, dia Jakoba sy ny zananilahy:
9 wana wa Rubeni Hanoki na Palu na Hezroni na Karmi;
Robena, lahimatoan’ i Jakoba. Ary ny zanakalahin-dRobena dia Hanoka sy Palo sy Hezrona ary Karmy
10 wana wa Simoni, Yemueli, Yamini, Ohadi, Yakini, Zohari, na Shauli, wana wa mwanamke Mkanaani;
Ary ny zanakalahin’ i Simeona dia Jemoela sy Jamina sy Ohada sy Jakina sy Zohara ary Saoly, zanakalahin’ ny vehivavy Kananita.
11 wana wa Lawi Gershoni, Kohathi, na Merari.
Ary ny zanakalahin’ i Levy dia Gersona sy Kehata atỳ Merary.
12 Wana wa Yuda: Eri, Shela, Peresi, na Zera, (Lakini Eri na Onani walikufa katika nchi ya Kanaani). Na wana wa Peresi walikuwa Hezroni na Hamuli.
Ary ny zanakalahin’ i Joda dia Era sy Onana sy Sela sy Fareza ary Zera; ary Era sy Onana anefa dia maty tany amin’ ny tany Kanana ihany. Ary ny zanakalahin’ i Fareza dia Hezrona sy Hamola.
13 Wana wa Isakari walikuwa Tola, Puva, Lobu, na Shimroni;
Ary ny zanakalahin’ Isakara dia Tola sy Pova sy Joba ary Simrona.
14 Wana wa Zabuloni walikuwa Seredi, Eloni, na Yahleeli
Ary ny zanakalahin’ i Zebolona dia Sereda sy Elona ary Jahalela.
15 Hawa walikuwa wana wa Lea aliomzalia Yakobo huko Padani Aramu, pamoja na na Dina binti yake. Wanawe na binti zake walikuwa thelathini na watatu.
lreo no zanakalahin’ i Lea izay naterany tamin’ i Jakoba tany Mesopotamia, ary Dina zananivavy; ny isan’ ny zananilahy rehetra mbamin’ ny zananivavy dia telo amby telo-polo.
16 Wana wa Gadi walikuwa Zifioni, Hagi, Shuni, Ezboni, Eri, Arodi, na Areli.
Ary ny zanakalahin’ i Gada dia Zifiona sy Hagy sy Sony sy Ezbona sy Erỳ sy Aroda ary Arely.
17 Wana wa Asheri walikuwa Imna, Ishva, Ishvi, na Beria; na Sera alikuwa dada yao. Wana wa Beria walikuwa Heberi na Malkieli.
Ary ny zanak’ i Asera dia Jimna sy Jisva sy Jisvy sy Beria ary Sera, anabavin’ ireo; ary ny zanakalahin’ i Beria dia Hebera sy Malkiela.
18 Hawa walikuwa wana wa Zilpa, ambaye Labani alikuwa amempa Lea binti yake. Wana aliomzalia Yakobo wote walikuwa kumi na sita.
Ireo no zanak’ i Zilpa, izay nomen’ i Labana an’ i Lea zananivavy, ary ireo no naterany tamin’ i Jakoba, dia enina ambin’ ny folo izy.
19 Wana wa Raheli mkewe Yakobo walikuwa Yusufu na Benjamini.
Ny zanakalahin-dRahely, vadin’ i Jakoba dia Josefa sy Benjamina.
20 Huko Misri Manase na Efraimu walizaliwa kwa Yusufu na Asenathi, binti Potifera kuhani wa Oni.
Ary ny zanakalahin’ i Asenata, zanakavavin’ i Poti-fera, mpisorona tao Ona, izay naterak’ i Josefa tany amin’ ny tany Egypta, dia Manase sy Efraima.
21 Wana wa Benjamini walikuwa Bela, Bekeri, Ashbeli, Gera, Naamani, Ehi, Roshi, Mupimu, Hupimu, na Ardi.
Ary ny zanakalahin’ i Benjamina dia Bela sy Bakera sy Asbela sy Gera sy Namana sy Ehy sy Rosy sy Mopima sy Hopima ary Arda.
22 Hawa walikuwa wana wa Raheli waliozaliwa kwa Yakobo - jumla yao kumi na wanne.
Ireo no zanakalahin-dRahely, izay naterany tamin’ i Jakoba; efatra ambin’ ny folo ny isan’ izy rehetra.
23 Mwana wa Dani alikuwa Hushimu.
Ary ny zanakalahin’ i Dana dia Hosima.
24 Wana wa Naftali walikuwa Yahzeeli, Guni, Yezeri, na Shilemi.
Ary ny zanakalahin’ i Naftaly dia Jaziela sy Gony sy Jezera ary Silema.
25 Hawa walikuwa wana Bilha aliomzalia Yakobo, ambaye Labani alimpa Raheli binti yake - wote walikuwa saba.
Ireo no zanakalahin’ i Bila, izay nomen’ i Labana an-dRahely zananivavy, ary ireo no naterak’ i Jakoba; fito no isan’ izy rehetra.
26 Wate waliokwenda na Yakobo, waliokuwa uzao wake, bila kuhesabu wake wa wana wa Yakobo walikuwa sitini na sita.
Ny isan’ izay rehetra nankany Egypta niaraka tamin’ i Jakoba, dia izay naloaky ny kibony, afa-tsy ny vadin’ ny zanakalahin’ i Jakoba dia enina amby enim-polo.
27 Pamoja na wana wawili wa Yusufu waliozaliwa kwake huko Misri, watu wa familia yake waliokwenda Misri walikuwa sabini jumla yao.
Ary ny zanakalahin’ i Josefa, izay naterany tany Egypta, dia roa lahy; ny isan’ ny terak’ i Jakoba rehetra, izay tonga tany Egypta, dia fito-polo.
28 Yakobo akamtuma Yuda kuwatangulia mbele kwa Yusufu kuonesha njia mbele yake kwenda Gosheni, nao wakaja katika eneo la Gosheni.
Ary Joda nirahiny nialoha azy hankany amin’ i Josefa mba hanoro lalana azy ho any Gosena; dia tonga tany amin’ ny tany Gosena izy.
29 Yusufu akaandaa kibandawazi chake na akaenda kumlaki baba yake huko Gosheni. Akamwona, akaikumbatia shingo yake, na akalia shingoni mwake kwa kitambo.
Ary Josefa nampanamboatra ny kalesiny, dia niakatra hitsena an’ Isiraely rainy tany Gosena izy; ary raha niseho taminy izy, dia namihina ny vozony ka nitomany ela teo amin’ ny vozony.
30 Israeli akamwambia Yusufu, “Basi na nife sasa, kwa kuwa nimeuona uso wako, kwamba bado uko hai.”
Ary hoy Isiraely tamin’ i Josefa: Aoka ho faty amin’ izao aho, satria efa hitako ny tavanao, fa mbola velona ihany ianao.
31 Yusufu akawambia ndungu zake na nyumba ya baba yake, “Nitakwenda na kumwambia Farao, kusema, 'Ndugu zangu na nyumba ya baba yangu, waliokuwa katika nchi ya Kanaani, wamenijia.
Ary hoy Josefa tamin’ ny rahalahiny sy ny ankohonan’ ny rainy: Hiakatra aho hilaza amin’ i Farao ka hanao aminy hoe: Ny rahalahiko sy ny ankohonan’ ny raiko, izay tany amin’ ny tany Kanana, dia efa tonga atỳ amiko.
32 Watu hawa ni wafugaji, kwani wamekuwa watunza wanyama. Wamekuja na makundi yao ya kondoo, na mbuzi, na vyote walivyonavyo.'
Ary mpiandry ondry ireo lehilahy ireo, fa mpiompy omby aman’ ondry izy; ary ny ondry aman’ osiny sy ny ombiny mbamin’ izay rehetra ananany dia nentiny avokoa.
33 Itakuwa, Farao atakapowaita na kuwauliza, 'Kazi yenu ni ipi?'
Ary raha hiantso anareo Farao ka hanao hoe: Inona no raharaha fanaonareo?
34 mwambieni, 'Watumishi wako wamekuwa watunza wanyama tangu ujana wetu mpaka sasa, sisi, na baba zetu.' Fanyeni hivyo ili mweze kuishi katika nchi ya Gosheni, kwani kila mfugaji ni chukizo kwa Wamisri.”
dia izao no havalinareo: Miompy omby aman’ ondry no raharaha fanaon’ ny mpanomponao, hatry ny fony vao zaza ka ambaraka ankehitriny, dia izahay sy ny razanay koa mba hahazoanareo monina ao amin’ ny tany Gosena, satria fahavetavetana amin’ ny Egyptiana ny mpiandry ondry rehetra.

< Mwanzo 46 >