< Mwanzo 40 >
1 Ikawa baada ya mambo haya, mnyweshaji wa mfalme wa Misri na mwokaji wa mfalime walimkosa bwana wao, mfalme wa Misri.
Ary taorian’ izany ny mpitondra kapoakan’ ny mpanjakan’ i Egypta sy ny mpanao mofony dia diso tamin’ ny mpanjakan’ i Egypta tompony.
2 Farao akawakasirikia hawa maafsa wawili, mkuu wa wanyweshaji na mkuu wa waokaji.
Ary tezitra indrindra tamin’ ireo tandapany roa lahy ireo Farao, dia tamin’ ny lehiben’ ny mpitondra kapoaka sy ny lehiben’ ny mpanao mofo.
3 Akawaweka katika lindo katika nyumba ya kapteni wa walinzi, katika gereza lile Yusufu alimofungwa.
Dia nataony tao an-trano-maizina izy roa lahy, tao an-tranon’ ny mpifehy ny mpiambina, tao anatin’ ny trano-maizina izay nifatoran’ i Josefa.
4 Kapteni wa walinzi akamweka Yusufu kuwa mtumishi wao. Walikaa kifungoni kwa muda fulani.
Ary Josefa notendren’ ny mpifehy ny mpiambina ho eo amin’ izy roa lahy, dia nanompo ireo izy; ary nitoetra andro maromaro tao amin’ ny trano-maizina izy roa lahy.
5 Wote wakaota ndoto - mnyweshaji na mwokaji wa mfalme wa Misri waliokuwa wamefungwa gerezani - kila mmoja akaota ndoto usiku huo huo, na kila ndoto ilikuwa na tafsiri yake.
Ary nanonofy izy roa lahy indray alina, dia ilay mpitondra kapoaka sy ilay mpanao mofon’ ny mpanjakan’ i Egypta, izay nifatotra tao amin’ ny trano-maizina, ka samy nanana ny nofiny araka ny hevitry ny nofiny avy.
6 Yusufu akaja kwao asubuhi na kuwaona. Tazama, walikuwa na uzuni.
Ary Josefa nankao aminy nony maraina ny andro ka nahita azy, fa, indreo, nalahelo tarehy izy.
7 Akawauliza maafsa wa Farao waliokuwa pamoja naye kifungoni katika nyumba ya bwana wake, kusema, “Kwa nini leo mnaoneka wenye uzuni?”
Dia nanontanian’ i Josefa ny tandapan’ i Farao izay niara-nifatotra taminy tao an-tranon’ ny tompony, ka hoy izy: Nahoana no malahelo tarehy izato ianareo ankehitriny?
8 Wakamwambia, Sisi wote tumeota ndoto na hakuna wakuitafsiri.” Yusufu akawambia, “Je tafsiri haitoki kwa Mungu? Niambieni, tafadhari.”
Ary hoy izy roa lahy taminy: Nanonofy izahay, ka tsy misy mahalaza ny heviny. Dia hoy Josefa taminy: Tsy avy amin’ Andriamanitra va ny filazana ny hevitry ny nofy? Masìna ianareo, lazao amiko izany.
9 Mkuu wa wanyweshaji akamwambia Yusufu ndoto yake. Akamwambia, “Katika ndoto yangu, tazama, kulikuwa na mzabibu mbele yangu.
Dia nambaran’ ny lehiben’ ny mpitondra kapoaka tamin’ i Josefa ny nofiny, ka hoy izy taminy: Nofiko fa indro, hono, nisy tahom-boaloboka teo anatrehako;
10 Na kulikuwa na matawi matatu katika mzabibu huo. Ulipochipua, ukachanua maua na kuzaa vichala vya zabibu.
ary ilay tahom-boaloboka nisampana telo, ka nony nitsimoka izy, dia niposaka ny voniny, ary ny sampahony nahavanona voaloboka masaka.
11 Kikombe cha Farao kilikuwa mkononi mwangu. Nikachukua zabibu na kuzikamua katika kikombe cha Farao, na kukiweka kikombe katika mkono wa Farao.”
Ary teny an-tanako ny kapoakan’ i Farao; dia nalaiko ny voaloboka ka nofiazako ho ao amin’ ny kapoakan’ i Farao, dia natolotro teo an-tànan’ i Farao ny Kapoaka.
12 Yusufu akamwambia, “Tafsiri yake ni hii. Yale matawi matatu ni siku tatu.
Ary hoy Josefa taminy: Izao no heviny: Ny sampany telo dia hateloana.
13 Ndani ya siku tatu Farao atakiinua kichwa chako na kukurudisha katika nafasi yako. Utakiweka kikombe cha Farao katika mkono wake, kama ulivyokuwa ulipokuwa mnyweshaji wake.
Ato anatin’ ny hateloana dia hasandratr’ i Farao ianao ka hampodiny ho ao amin’ ilay nipetrahanao; dia hanolotra ny kapoakan’ i Farao ho eo an-tanany ianao tahaka ilay fanao fahiny, fony ianao mpitondra kapoakany.
14 Lakini unikumbuke ukifanikiwa, na unionesha wema. Unitaje kwa Farao na kuniondoa hapa gerezani.
Fa mba tsarovy aho, rehefa mahita soa ianao, ka trarantitra ianao, iantrao aho, dia lazao amin’ i Farao aho, ka avoahy amin’ ity trano ity;
15 Maana hakika nilitekwa kutoka katika nchi ya Waebrania. Na hapa sijafanya chochote kinachonipasa niwekwe gerezani.”
fa nangalarina mihitsy avy tany amin’ ny tanin’ ny Hebreo aho, ary atỳ koa tsy mba nanao izay tokony ho nanaovany ahy eto amin’ ity lavaka ity aho.
16 Mkuu wa waokaji alipoona kwamba tafsiri ilikuwa ya kuvutia, akamwambia Yusufu, “Mimi pia niliota ndoto, na tazama, vikapu vitatu vya mikate vilikuwa juu ya kichwa changu.
Ary rehefa hitan’ ny lehiben’ ny mpanao mofo fa tsara ny filazana ny hevitry ny nofy, dia hoy izy tamin’ i Josefa: Izaho koa nanonofy, ka, indro, niloloha karaba telo feno mofo fotsy aho;
17 Katika kikapu cha juu kulikuwa na kila aina za bidhaa ya kuokwa kwa Farao, lakini ndege wakavila ndani ya kikapu juu ya kichwa changu.”
ary teo anatin’ ny karaba ambony indrindra dia nisy ny fihinan’ i Farao samy hafa karazana rehetra fanaon’ ny mpanao mofo; ary nohanin’ ny vorona teo anatin’ ny karaba izay nololohaviko izany.
18 Yusufu akajibu na kusema, “Tafsiri ni hii. Vikapu vitatu ni siku tatu.
Dia namaly Josefa ka nanao hoe: Izao kosa no heviny. Ny karaba telo dia hateloana.
19 Ndani ya siku tatu Fareao atakiinua kichwa chako kutoka kwako na atakutundika juu ya mtu. Ndege watakula mwili wako.”
Ato anatin’ ny hateloana dia hasandratr’ i Farao ho afaka aminao ny lohanao, (ka hahantony amin’ ny hazo ianao) dia hohanin’ ny vorona ny nofonao.
20 Ikawa siku ya tatu ambayo ilikuwa ni siku ya kuzaliwa kwa Farao. Akafanya sherehe kwa watumishi wake wote. “Akakiinua juu” kichwa cha mkuu wa wanyweshaji na kichwa cha mkuu wa waokaji, kati ya watumishi wake.
Ary tamin’ ny andro fahatelo, izay niherenan’ ny taona nahaterahan’ i Farao, dia nanao fanasana ho an’ ny mpanompony rehetra izy; dia nasandrany ny lohan’ ny lehiben’ ny mpitondra kapoaka sy ny lohan’ ny lehiben’ ny mpanao mofo teo amin’ ny mpanompony.
21 Akamrudisha mkuu wa wanyweshaji katika majukumu yake, na akakiweka tena kikombe katika mkono wa Farao.
Ary ny lehiben’ ny mpitondra kapoaka dia nampodiny tamin’ ny fitondrany kapoaka indray, ka dia nanolotra ny kapoaka ho eo an-tànan’ i Farao izy;
22 Lakini akamtundika mkuu wa waokaji, kama Yusufu alivyokuwa amewatafsiria.
fa ny lehiben’ ny mpanao mofo kosa dia nahantony, araka izay efa nolazain’ i Josefa tamin’ izy roa lahy avy.
23 Hata hivyo mkuu wa wanyweshaji hakukumbuka kumsaidia Yusufu. Badala yake, alimsahau.
Kanjo tsy mba nahatsiaro an’ i Josefa ilay lehiben’ ny mpitondra kapoaka, fa nanadino azy.