< Mwanzo 25 >
1 Abraham akaoa mke mwingine; jina lake aliitwa Ketura.
Ary Abrahama nampaka-bady indray, Ketora no anarany.
2 Akamzalia Zimrani, Jokshani, Medani, Midiani, Ishbaki, na Shua.
Dia niteraka an’ i Zimrana sy Joksana sy Medana sy Midiana sy Jisbaka ary Soaha tamin’ i Abrahama izy.
3 Jokshani akamzaa Sheba na Dedani. Wana wa Dedani walikuwa ni Waashuru, Waletushi, na Waleumi.
Ary Joksana niteraka an’ i Sheba sy Dedana. Ary ny zanakalahin’ i Dedana dia Asorima sy Letosima ary Leomima.
4 Wana wa Midiani walikuwa ni Efa, Eferi, Hanoki, Abida, na Eldaa. Hawa wote walikuwa ni wana wa Ketura.
Ary ny zanakalahin’ i Midiana dia Efaha sy Efera sy Hanoka sy Abida ary Eldaha. Ireo rehetra ireo no zanak’ i Ketora.
5 Abraham akampatia Isaka vitu vyote alivyokuwa navyo.
Dia natolotr’ i Abrahama an’ Isaka izay rehetra nananany.
6 Ingawaje, wakati alipokua angali akiishi, aliwapatia zawadi wana wa masuria wake na kuwapeleka katika nchi ya mashariki, mbali na Isaka, mwanae.
Fa ny zanak’ ireo vaditsindranony hafa, izay nananan’ i Abrahama, dia samy notolorany avy ka nampandehaniny, dieny mbola velona izy, hiala amin’ Isaka zanany hiantsinanana ho any amin’ ny tany atsinanana.
7 Hizi ndizo zilikuwa siku za miaka ya uhai wake Abraham alizoishi, miaka 175.
Ary ny andro niainan’ i Abrahama dia dimy amby fito-polo amby zato taona.
8 Abraham akapumua pumzi ya mwisho na akafa katika uzee mwema, mzee aliye shiba siku, na akakusanywa kwa watu wake.
Dia niala aina Abrahama ka maty, rehefa fotsy volo tsara sady lahy antitra ela niainana; dia voangona any amin’ ny razany izy.
9 Isaka na Ishmaili, wanae wakamzika katika pango la Makipela, katika shamba la Efron mwana wa Soari Mhiti, pango lililokuwa karibu na Mamre.
Ary nalevin’ Isaka sy Isimaela zanany izy tao amin’ ny zohy ao Makpela, tao amin’ ny sahan’ i Efrona, zanak’ i Zohara Hetita, izay tandrifin’ i Mamre,
10 Shamba hili Abraham alilinunua kwa watoto wa Hethi. Abraham akazikwa pale pamoja na Sara mkewe.
dia ilay saha izay novinidin’ i Abrahama tamin’ ny taranak’ i Heta; tao no nandevenana an’ i Abrahama sy Saraha vadiny.
11 Baada ya kifo cha Abraham, Mungu akambariki Isaka mwanae, na Isaka akaishi karibu na Beerlalahairoi.
Ary rehefa maty Abrahama, dia notahin’ Andriamanitra Isaka zanany; ary Isaka dia nonina teo akaikin’ i Bera-lahai-roy.
12 Na sasa hawa ndio walikuwa wana wa Ishimaeli, mwana wa Abraham, ambaye Hajiri Mmisri mtumishi wake Sara, alizaa kwa Abraham.
Ary izao no taranak’ Isimaela, zanakalahin’ i Abrahama izay naterak’ i Hagara, ilay Egyptiana, andevovavin’ i Saraha, tamin’ i Abrahama:
13 Haya ndiyo yalikuwa majina ya wana wa Ishimaeli, kuanzia mzaliwa wa kwanza: Nebayothi - mzaliwa wa kwanza wa Ishimaeli, Kedari, Adbeeli, Mibsamu,
Izao no anaran’ ny zanakalahin’ Isimaela, araka ny anarany sy araka ny taranany: Nebaiota, lahimatoan’ Isimaela, sy Kedara sy Adbela sy Mibsama
15 Hadadi, Tema, Yeturi, Nafishi, na Kedema.
sy Hadada sy Tema sy Jetora sy Nafisy ary Kedema.
16 Hawa ndio walikuwa wana wa Ishimaeli, na haya ndiyo majina yao, kwa vijiji vyao, na katika vituo vyao; Maseyidi kumi na wawili kufuatana na kabila zao.
Izy ireo no zanakalahin’ Isimaela, ary ireo no anarany, araka ny vohiny sy ny tobiny, dia andriana roa ambin’ ny folo araka ny fireneny.
17 Hii ndiyo ilikuwa miaka ya Ishimaeli, miaka 137: akapumua pumzi yake ya mwisho na akafa, na akakusanywa pamoja na watu wake.
Ary ny andro niainan’ Isimaela dia fito amby telo-polo amby zato taona; ary niala aina izy ka maty, dia voangona any amin’ ny razany.
18 Walioshi toka Havila mpaka Shuri, ambayo iko karibu na Misri, kuelekea Ashuru. Waliishi kwa uadui kati yao.
Ary ny taranany nonina hatrany Havila ka hatrany Sora, izay tandrifin’ i Egypta amin’ ny lalana mankany Asyria; nifanandrify tamin’ ny rahalahiny rehetra no nitoerany.
19 Haya ndiyo yalikuwa matukio kumuhusu Isaka, mwana wa Abraham: Abraham alimzaa Isaka.
Ary izao no taranak’ Isaka, zanakalahin’ i Abrahama:
20 Isaka alikuwa na umri wa miaka arobaini alipomuoa Rebeka, binti wa ethueli Mshami wa Padani Aramu, ndugu wa Labani Mshami.
Abrahama niteraka an’ Isaka; ary efa-polo taona Isaka, raha nampakatra an-dRebeka, zanakavavin’ i Betoela Syriana, avy tany Mesopotamia, sady anabavin’ i Labana Syriana.
21 Isaka akamwomba Yahwe kwa ajili ya mke wake kwa sababu alikuwa tasa, na Yahwe akajibu maombi yake, Rebeka mkewe akabeba mimba.
Ary Isaka nangataka tamin’ i Jehovah ho an’ ny vadiny, satria momba izy; ary nohenoin’ i Jehovah ny fangatahany, dia nanan’ anaka Rebeka vadiny.
22 Watoto hawa walipokuwa tumboni mwake wakasumbuka, naye akasema, “Kwa nini jambo hili linatokea kwangu mimi?” Akaenda kumuuliza Yahwe kuhusu jambo hili.
Ary nifanosika ny zaza kambana tao an-kibony; ary hoy Rebeka: Raha izao, nahoana re aho no dia mbola velona? Dia lasa nanontany tamin’ i Jehovah izy.
23 Yahwe akamwambia, “Mataifa mawili yako katika tumbo lako, na mataifa haya mawili yatatengana ndani yako. Taifa moja litakuwa lenye nguvu kuliko lingine, na yule mkubwa atamtumikia mdogo.
Ary hoy Jehovah taminy: Firenena roa no ao an-kibonao; ary vahoaka roa toko no hisaraka hatrao am-bohokanao; ary ny vahoaka iray toko hahery noho ny iray toko. Ka ny zokiny hanompo ny zandriny.
24 Ulipo wadia wakati wa kujifungua, tazama, kulikuwa na mapacha ndani ya tumbo lake.
Ary rehefa tonga ny andro hahaterahany, indreo, nisy zaza kambana tao an-kibony.
25 Wakwanza akatoka akiwa mwekundu mwili wote kama vazi la nywele. Wakamwita jina lake Esau.
Dia teraka ny voalohany ka mena, ary tahaka ny kapôty volom-biby ny tenany rehetra; dia nataony hoe Esao ny anarany.
26 Baada ya hapo ndugu yake akatoka. Mkono wake ukiwa umeshika kisigino cha Esau. Akaitwa jina lake Yakobo. Isaka alikuwa na umri wa miaka sitini wakati mke wake alipo wazaa hawa watoto.
Ary rehefa afaka izany, dia teraka koa ny rahalahiny, ary ny tànany nihazona ny ombelahin-tongotr’ i Esao, dia nataony hoe Jakoba ny anarany; ary efa enim-polo taona Isaka tamin’ ny niterahana azy mirahalahy.
27 Vijana hawa wakakua, Hesau akawa mwindaji hodari, mtu wa nyikani; lakini Yakobo alikuwa mtu mkimya, aliye tumia muda wake akiwa katika mahema.
Dia nitombo ireo zaza ireo; ary Esao lehilahy nahay nihaza, dia mpianefitra, fa Jakoba kosa lehilahy tsara fanahy sady mpitoetra an-day.
28 Kisha Isaka akampenda Esau kwa sababu alikula wanyama ambao alikuwa anawinda, lakini Rebeka akampenda Yakobo.
Ary Isaka tia an’ i Esao, satria nankafy ny hazany; fa Rebeka kosa tia an’ i Jakoba.
29 Yakobo akapika mchuzi. Esau akaja kutoka nyikani, akiwa dhaifu kutokana na njaa.
Ary nahandro hanina Jakoba; ary sendra avy tany an-tsaha Esao ka reraka.
30 Esau akamwambia Yakobo, “Nilishe mchuzi mwekundu. Tafadhari, nimechoka!” Na hii ndiyo sababu jina lake aliitwa Edomu.
Dia hoy Esao tamin’ i Jakoba: Mba anomezo ahy hohaniko ny mena, dia io mena io, fa reraka aho (izany no nanaovana ny anarany hoe Edoma).
31 Yakobo akasema, “Kwanza uniuzie haki yako ya mzaliwa wa kwanza.”
Fa hoy Jakoba: Amidio amiko ary aloha ny fizokianao.
32 Esau akasema, “Tazama, nakaribia kufa. Ni nini kwangu haki ya mzaliwa wa kwanza?”
Dia hoy kosa Esao: Indro, ho faty ihany aho; ka mahasoa inona izay fizokiana?
33 Yakobo akasema, “Kwanza uape kwangu mimi,” kwa hiyo Esau akaapa kiapo na kwa njia hii akawa ameuza haki yake ya mzaliwa wa kwanza kwa Yakobo.
Ary hoy Jakoba: Mianiana ary amiko aloha. Dia nianiana taminy izy; ka dia namidiny tamin’ i Jakoba ny fizokiany.
34 Yakobo akampatia Esau mkate pamoja na mchuzi wa dengu. Akala na kunywa, kisha akainuka na akaenda zake. Kwa njia hii Esau akawa ameidharau haki yake ya mzaliwa wa kwanza.
Ary Jakoba nanome an’ i Esao mofo sy voanemba masaka; dia nihinana sy nisotro izy, ary niainga ka lasa nandeha. Izany no nanamavoan’ i Esao ny fizokiany.