< Mwanzo 19 >
1 Malaika wawili wakaja Sodoma jioni, wakati ambao Lutu alikuwa amekaa langoni mwa Sodoma. Lutu akawaona, akainuka kuwalaki, na akainama uso wake chini ardhini.
Dia nankany Sodoma ilay anjely roa nony hariva, raha Lota nipetraka teo am-bavahadin’ i Sodoma; ary raha nahita azy Lota, dia nitsangana mba hitsena azy izy ka niankohoka tamin’ ny tany.
2 Akasema, Tafadhari Bwana zangu, nawasihi mgeuke mwende kwenye nyumba ya mtumishi wenu, mlale pale usiku na muoshe miguu yenu. Kisha muamke asubuhi na mapema muondoke.” Nao wakasema, “Hapana, usiku tutalala mjini.”
Dia hoy izy: Mba mivilia ianareo, tompoko, ho ato an-tranon’ ny mpanomponareo, ka mandria anio alina, ary sasao ny tongotrareo, ary hifoha maraina koa ianareo, dia handeha amin’ izay lalan-kalehanareo. Fa hoy izy roa lahy: Tsia; fa hitoetra eto an-kianja ihany izahay anio alina.
3 Lakini akawasihi sana, mwishowe wakaondoka pamoja nae, na wakaingia katika nyumba yake. Akaandaa chakula na kuoka mkate usiotiwa chachu, wakala.
Ary rehefa noteren’ i Lota fatratra izy roa lahy, dia nivily tany aminy izy ka niditra tao an-tranony; dia nanaovany nahandro izy sy nanendasany mofo tsy misy masirasira, dia nihinana izy.
4 Lakini kabla hawaja lala, wanaume wa mji, wa Sodoma, vijana kwa wazee wakaizunguka nyumba, wanaume wote kutoka kila kona ya mji.
Ary raha tsy mbola nandry izy, dia avy manodidina ny trano ny mponina tao an-tanàna Sodoma, hatramin’ ny tanora ka hatramin’ ny antitra, dia ny vahoaka rehetra tao an-tanàna;
5 Wakamwita Lutu, na kumwambia, “Wale wanaume walioingia kwako usiku wakowapi? watoe hapa nje waje kwetu, ili tuweze kulala nao.”
dia niantso an’ i Lota izy ireo ka nanao taminy hoe: Aiza ireo lehilahy vao tonga tato aminao izao alina izao? avoahy ho atỳ aminay izy hahalalanay azy.
6 Lutu akatoka nje na akafunga mlango.
Dia nivoaka teo am-baravarana Lota hankeo aminy, ka nakatony ny varavarana teo ivohony;
7 Akasema, “Nawasihi, ndugu zangu, msitende uovu.
ary hoy izy: Masìna ianareo, ry rahalahiko, aza manao ratsy.
8 Tazama, nina mabinti wawili ambao hawajawahi kulala na mwanaume yeyote. Nawaomba tafadhari niwalete kwenu, na muwafanyie lolote muonalo kuwa jema machoni penu. Msitende lolote kwa wanaume hawa, kwa kuwa wamekuja chini ya kivuli cha dari yangu.”
Indro, manan-janaka roa vavy aho, izay tsy mbola nahalala lahy; masìna ianareo, aoka re ireo no havoakako ho eto aminareo, ka hataonareo aminy izay sitraponareo; fa ireo lehilahy ireo kosa dia aza anaovanareo na inona na inona; fa tonga hialoka eto ambanin’ ny tafon-tranoko izy.
9 Wakasema, “Ondoka hapa!” Wakasema pia, huyu alikuja kukaa hapa kama mgeni, na sasa amekuwa mwamuzi! Sasa tutakushugulilia vibaya wewe kuliko wao.” Wakamsonga sana huyo mtu, huyo Lutu, na wakakaribia kuvunja mlango.
Ary hoy izy ireo: Mialà eto ianao. Dia hoy izy ireo indray: Ilehity tonga etỳ hivahiny, kanefa matetika mila hiseho ho mpitsara; ankehitriny dia hanao ratsiratsy kokoa aminao noho ny amin’ ireo lehilahy ireo izahay. Dia nanosika mafy an-dralehilahy izy ireo, dia an’ i Lota, ka nisesika hamaky ny varavarana.
10 Lakini wale wanaume wakamkamata Lutu na kumweka ndani na wakafunga mlango.
Fa naninjitra ny tànany izy roa lahy, dia nanintona an’ i Lota hankao an-trano ho ao aminy, ka nakatony ny varavarana.
11 Kisha wale wageni wa Lutu wakawapiga kwa upofu wale wanaume waliokuwa nje ya nyumba, vijana na wazee kwa pamoja, kiasi kwamba wakachoka wakati wakiutafuta mlango.
Dia nampanjambena ny mason’ ny lehilahy izay teo am-baravaran’ ny trano izy hatramin’ ny kely ka hatramin’ ny lehibe; ka dia sasa-poana nitady ny varavarana ireo.
12 Basi wale watu wakamwambia Lutu, Je una mtu mwingine yeyote hapa? wakwe zako, wanao na mabinti zako, na yeyote mwingine katika huu mji, ukawatoe hapa.
Ary hoy izy roa lahy tamin’ i Lota: Mbola manana ato koa va ianao? dia izay vinantonao-lahy sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy, ary na zovy na zovy anananao ato an-tanàna, ento miala amin’ ity tanàna ity;
13 Kwa kuwa tunakaribia kuiangamiza sehemu hii, kwa sababu mashitaka dhidi yake mbele ya Yahwe yamezidi kiasi kwamba ametutuma kuuangamiza.”
fa horavanay ity tanàna ity, satria efa lehibe ny fitarainany eo anatrehan’ i Jehovah; ka dia naniraka anay Jehovah handrava azy.
14 Lutu akatoka na akazungumza na wakwe zake, wanaume ambao walikuwa wamewaposa binti zake, akawambia, “Ondokeni upesi mahali hapa, kwa kuwa Yahwe anakaribia kuuangamiza mji.” Lakini kwa wakwe zake alionekana kuwa anawatania.
Dia nivoaka Lota ary niteny tamin’ ny vinantony, izay efa hanambady ny zananivavy, ka nanao hoe: Miaingà, miala amin’ ity tanàna ity; fa horavan’ i Jehovah ity tanàna ity. Fa nataon’ ny vinantony ho tahaka ny mpanao vazivazy izy.
15 Alfajiri, malaika wakamsihi Lutu, wakisema, ondoka, mtwae mkeo na binti zako wawili ambao wako hapa, ili kwamba usipotelee katika adhabu ya mji huu.”
Ary nony maraina koa ny andro, dia nandodona an’ i Lota ireo anjely ka nanao hoe: Miaingà, ento ny vadinao sy ny zanakao roa vavy izay eto, fandrao mba haringana ianao noho ny heloky ny tanàna.
16 Lakini akakawia-kawia. Kwa hiyo watu wale wakamshika mkono wake, na mkono wa mkewe, na mikono ya binti zake wawili, kwa sababu Yahwe alimhurumia. Wakawatoa nje, na kuwaweka nje ya mji.
Ary nony nitaredretra izy, dia notantanan’ izy roa lahy izy sy ny vadiny ary ny zanany roa vavy noho ny famindram-pon’ i Jehovah taminy; dia nitondra azy nivoaka izy roa lahy ka nandao azy tany ivelan’ ny tanàna.
17 Wakisha kuwatoa nje mmoja wa wale watu akasema, “jiponye nafsi yako! usitazame nyuma, au usikae mahali popote kwenye hili bonde. Toroka uende milimani ili kwamba usije ukatoweshwa mbali.”
Ary rehefa nitondra azy nivoaka tany ivelany izy, dia hoy ny anankiray: Mandosira hamonjy ny ainao; aza miherika ianao, na mijanona eny amin’ ny tany lemaka rehetra; mandosira any an-tendrombohitra, fandrao haringana ianao.
18 Lutu akawambia, “Hapana, tafadhali bwana zangu!
Ary hoy Lota taminy: Aza an’ izany, Tompo ô!
19 Mtumishi wenu amepata kibali machoni pako, na umenionesha wema ulio mkuu kwa kuokoa maisha yangu, lakini sitaweza kutorokea milimani, kwa sababu mabaya yataniwahi na nitakufa.
indro, fa efa nahita fitia teo imasonao ny mpanomponao, ary efa nahalehibe ny famindram-ponao ianao, izay nataonao tamiko hamonjenao ny aiko; ary tsy afa-mandositra any an-tendrombohitra aho, fandrao hahatratra ahy ny loza, ka ho faty aho;
20 Tazama, ule mji pale uko karibu nijisalimishe pale, na ni mdogo. Tafadhari niacheni nikimbilie pale ( Je Siyo mdogo ule?), na maisha yangu yataokolewa.”
indro, io vohitra io dia akaiky handosirana sady kely; masìna ianao, aoka handositra ao aho (tsy kely va izy io?), dia ho velona ny aiko.
21 Akamwambia, “Sawa, nimekubali ombi hili pia, kwamba sitaangamiza mji ambaoumeutaja.
Ary hoy izy taminy: Indro, efa nekeko koa ianao tamin’ izany zavatra izany, ka tsy horavako io vohitra nolazainao io.
22 Harakisha! toroka uende pale, kwa kuwa sitafanya chochote mpaka ufike pale.” kwa hiyo mji ule ukaitwa Soari.
Mandehana faingana, mandosira ho ao; fa tsy mahazo manao na inona na inona aho mandra-pahatonganao ao. Izany no nanaovana ny anaran’ ny tanàna hoe Zoara.
23 Jua lilikuwa limekwisha chomoza juu ya nchi wakati Lutu alipofika Soari.
Ary ny masoandro efa niposaka tamin’ ny tany, raha tonga tao Zoara Lota.
24 Kisha Yahwe akanyesha juu ya Sodoma na Gomora kiberiti na moto toka kwa Yahwe mbinguni.
Ary Jehovah nandatsaka tamin’ i Sodoma sy Gomora solifara sy afo, avy tamin’ i Jehovah tany an-danitra,
25 Akaharibu miji ile, na bonde lote, na vyote vilivyomo katika miji, na mimea iliyo chipua juu ya ardhi.
ka nandrava ireny tanàna ireny sy ny tany lemaka rehetra sy ny mponina rehetra tao an-tanàna ary ny zava-maniry teo amin’ ny tany.
26 Lakini mke wa Lutu aliye kuwa nyuma yake, akatazama nyuma, na akawa nguzo ya chumvi.
Fa ny vadin’ i Lota niherika teo ivohony, dia tonga vongan-tsira mitsangana izy.
27 Abraham akaamuka asubuhi na mapema akaenda mahali alipokuwa amesimama mbele ya Yahwe.
Dia nifoha maraina koa Abrahama ka nankany amin’ ilay efa nijanonany teo anatrehan’ i Jehovah;
28 Akatazama chini kuelekea Sodoma na Gomora na kuelekea katika nchi yote bondeni. Akaona na tazama, moshi ulikuwauki ukienda juu kutoka chini kama moshi wa tanuru.
ary nitsinjo an’ i Sodoma sy Gomora sy ny tany lemaka rehetra izy, dia nahita, ka, indro, niakatra ny setroky ny tany tahaka ny setroky ny lafaoro lehibe.
29 Wakati Mungu alipoharibu miji ya bondeni, Mungu akamkumbuka Abraham. Akamtoa Lutu kutoka katika maangamizi alipoangamiza miji ambayo katika hiyo Lutu aliishi.
Ary raha noravan’ Andriamanitra ny tanàna tany amin’ ny tany lemaka, dia nahatsiaro an’ i Abrahama Andriamanitra ka namoaka an’ i Lota hiala teo afovoan’ ny horavana, tamin’ ny nandravany ny tanàna izay nonenan’ i Lota.
30 Lakini Lutu akapanda juu kutoka Soari na kwenda kuishi katika milima akiwa pamoja na binti zake wawili, kwa sababu aliogopa kuishi Soari. Kwa hiyo akaishi pangoni, yeye na binti zake wawili.
Dia niakatra Lota avy tao Zoara ka nitoetra tany an-tendrombohitra, dia izy sy ny zanany roa vavy; fa natahotra hitoetra tao Zoara izy; dia nitoetra tao an-johy izy sy ny zanany roa vavy.
31 Yule wa kwanza akamwambia yule mdogo, “Baba yetu ni mzee, na hakuna mwanaume mahali popote wa kulala na sisi kulingana na desturi ya dunia yote.
Ary hoy ny vavimatoa tamin’ ny zandriny: Efa antitra izao raintsika, ary tsy misy lehilahy ambonin’ ny tany hanambady antsika araka ny fanaon’ ny tany rehetra;
32 Njoo na tumnyweshe baba yetu mvinyo na tulale naye ili kwamba tuendeleze uzao wa baba yetu.”
andeha hampisotrointsika divay ny raintsika dia handry aminy isika hananantsika fara avy amin’ ny raintsika.
33 Kwa hiyo wakamnywesha baba yako mvinyo usiku ule. Kisha yule wa kwanza akaingia na akalala na baba yake; Baba yake hakujua ni wakati gani alikuja kulala, wala wakati alipo amka.
Dia nampisotroiny divay ny rainy tamin’ iny alina iny dia niditra ny vavimatoa ka nandry tamin-drainy; ary izy tsy nahafantatra izay nandriany na izay nifohazany.
34 Siku iliyo fuata yule wa kwanza akamwambia mdogowake, “Sikiliza, usiku wa jana nililala na baba yangu. Na tumnyweshe mvinyo usiku wa leo pia, na uingie ukalale naye. Ili kwamba tuendeleze uzao wa baba yetu.”
Ary nony ampitson’ iny dia hoy ny vavimatoa tamin’ ny zandriny: Indro, efa nandry tamin’ ny raintsika aho halina; aoka hampisotrointsika divay indray izy anio alina, dia midìra ianao ka mandria aminy hananantsika fara avy amin’ ny raintsika.
35 Kwa hiyo wakamnywesha baba yao mvinyo usiku ule pia, na yule mdogo akaenda na akalala naye. Baba yake hakujua ni wakati gani alilala, wala wakati alipoamka.
Dia nampisotroiny divay indray ny rainy tamin’ iny alina iny; dia nitsangana ilay zandriny ka nandry taminy; ary izy tsy nahafantatra izay nandriany, na izay nifohazany.
36 Basi hao binti wote wawili wa Lutu wakapata mimba kwa baba yao.
Dia samy nanan’ anaka tamin-drainao ny zanak’ i Lota roa vavy.
37 Wa kwanza akazaa mwana wa kiume, na akamwita jina lake Moabu. Akawa ndiye baba wa wamoabu hata leo.
Dia niteraka zazalahy ny vavimatoa, ka ny anarany nataony hoe Moaba; izy no rain’ ny Moabita mandraka androany.
38 Nayule mdogo naye akazaa mwana wa kiume, na akamwita Benami. Huyu ndiye baba wa watu wa Waamoni hata leo.
Ary ny zandriny koa dia niteraka zazalahy ary ny anarany nataony hoe Benamy; izy kosa no rain’ ny taranak’ i Amona mandraka androany.