< Ezekieli 17 >

1 Neno la Yahwe likanijia, kusema,
Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
2 “Mwanadamu, tega kitendawili na sema fumbo kwa nyumba ya Israeli.
Ry zanak’ olona, manaova fampanonona, ary milazà fanoharana amin’ ny taranak’ Isiraely,
3 Sema, 'Bwana Yahwe asema hivi: Tai mkubwa pamoja na mabawa makubwa na vipapatio virefu, mwenye kujaa manyoya, na aliyekuwa na rangi nyingi alienda Lebanoni na kuchukua kilele cha mti wa mkangazi.
ka ataovy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Nisy voromahery lehibe nanana elatra lehibe, sady lava ny volon’ elany, ary nisoratsoratra avokoa ny volony rehetra; dia tonga tao Libanona izy ka naka izay avo indrindra amin’ ny rantsan’ ny sedera;
4 Akakata ncha za matawi na kuzichukua hata nchi ya Kanaani; akaipanda katika mji wa manahodha.
ny tendron’ ny tarony dia nolaingosany ka nentiny ho any amin’ ny tany fandrantoana; eny, tao an-tanànan’ ny mpandranto no namboleny azy.
5 Pia akachukua mbegu ya nchi na kuipanda katika udongo wenye rutuba. Akaiweka kando ya maji mengi kama mti umeao karibu na maji.
Nangalany koa ny voan-javatra tamin’ ny tany ka namboleny tao amin’ ny tany lonaka; nentiny ho eo amoron’ ny rano be iny ka nataony araka ny fanao amin’ ny hazomalahelo.
6 Kisha ukachipusha na mzabibu wenye kusambaa chini kwenye aridhi. Matawi yake yakamwelekea yeye, na mizizi yake ikakua chini yake. Hivyo ukawa mzabibu na kuzaa matawi na kutoa matawi.
Dia naniry iny ka tonga voaloboka iva misandrahaka, mba hitodihan’ ny rantsany ho eo aminy ary ny fakany ho ao ambaniny; ka dia tonga voaloboka izy ka nandrantsana sy nanaroka.
7 Lakini kulikuwa na tai mwingine mkubwa wenye mabawa makubwa na manyoya mengi. Tazama! Huu mzabibu ukabadilisha mizizi yake kumwelekea tai, na ukasamabaza matawi yake kumwelekea tai kutoka mahali ulipokuwa umepandwa basi upate kumwagiliwa.
Ary nisy voromahery lehibe hafa koa nanana elatra lehibe sady be volo, ary, indro, manina azy izany voaloboka izany ka nampanatona ny fakany hankany aminy sady nampanaroka ny rantsany avy tamin’ ny tany voafaritra nambolena azy mba hankany aminy koa mba holemany.
8 Ulikuwa umepandwa kwenye udongo mzuri kando ya maji mengi hivyo ungezaa matawi na kuanza kutoa matunda, ili kuwa mzabibu mzuri kabisa.'
Voavoly tao amin’ ny saha tsara teo amoron’ ny rano be izy mba handrantsana sy hamoa ka ho voaloboka tsara indrindra.
9 Waambie watu, 'Bwana Yahwe asema hivi: Je! huo utafanikiwa? Je! Haitaing'oa mizizi yake na kuyakata matunda yake ili kwamba unyauke, na majani yake yote mabichi yanyauke? Hakuna jeshi imara au watu wengi watahitajika kuivuta kwa mizizi yake.
Ataovinao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Ho vanona va izy? Tsy hongotana va ny fakany, ary hotazana ny voany, mba halazo izy? Halazo ny raviny rehetra, raha vao mitsimoka, ka na dia ny sandry mahery sy ny vahoaka betsaka aza tsy hahay mampaniry azy avy amin’ ny fakany intsony.
10 Basi tazama! Baada ya kuwa umepandwa, je utakuwa? Je hautanyauka wakati upepo wa mashariki utakapoupiga? Utanyauka kabisa katika kiwanja chake.”'
Koa, indro, na dia voavoly aza izy, moa ho vanona va? Tsy halazo tokoa va izy, raha asian’ ny rivotra avy any atsinanana? Eny, halazo eo amin’ ny tany voafaritra naniriany izy.
11 Kisha neno la Yahwe likanijia, kusema,
Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
12 “Waambie nyumba ya uasi, 'Je! hamjui haya mambo yana gana gani? Tazama! Mfalme wa Babeli amekuja Yerusalemu na kumchukua mfalme wake na wakuu wake na kuwaleta kwake mpaka Babebli.
Lazao amin’ ny taranaka maditra hoe: Tsy fantatrareo va ny hevitr’ ireto zavatra ireto? Lazao aminy hoe: Indro, efa tonga tany Jerosalema ny mpanjakan’ i Babylona ka naka ny mpanjaka sy ny mpanapaka tao, dia nitondra azy ho any aminy any Babylona.
13 Kisha akauchukua ukoo wa kifalme, akafanya agano pamoja naye, na kumleta chini ya kiapo. Akawachukua watu wa nchi wenye nguvu,
Ary naka ny anankiray tamin’ ny taranaky ny mpanjaka izy, dia nanao fanekena taminy ka nampianiana azy, ary ny lehilahy mahery tamin’ ny tany dia nentiny nandeha,
14 basi ufalme uwe duni na usijiinue wenyewe. Kwa kulitunza agano lake nchi itaokoka.
mba hietry ny fanjakana ka tsy hiarina, mba hotandremana ny fanekeny ka haharitra.
15 Lakini mfalme wa Yerusalemu ameasi juu yake kwa kupeleka mabalozi kwenda Misri ili kujipatia farasi na jeshi. Je! Atafanikiwa? Je! yeye anayeyafanya haya mambo ataokoka?
Fa niodina taminy izy ka naniraka olona hankany Egypta, mba hanome soavaly sy olona maro azy ireo. Moa hambinina va izy? Ho afa-mandositra va izay manao toy izany? Nivadika ny fanekena izy, ka ho afa-mandositra va?
16 Kama niishivyo! -hivi ndivyo Bwana Yahwe asemavyo-atakufa hakika katika nchi ya mfalme aliyemfanya mfalme, yule mfalme ambaye aliyekidharau kiapo chake, na ambaye aliyevunja agano lake. atakufa kati ya Babeli.
Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia any amin’ ny tanin’ ilay mpanjaka nampanjaka azy sady nampianiana azy nefa nohamavoiny ny fianianana, ary nivadihany ny fanekeny eny, any amin’ io, any Babylona, no hahafatesany.
17 Farao na jeshi lake lenye nguvu na kusanyiko la watu wengi kwa ajili ya vita hawatamlinda katika vita, wakati jeshi la Wababeli watakapojenga tuta la ngome na kuta za ngome ili kuyaharibu maisha ya wengi.
Ary amin’ ny hanandratan’ ireo tovon-tany sy ny hanaovany tilikambo handringanana olona maro, dia tsy hanampy azy amin’ ny ady akory Farao, na dia manana miaramila maro sy vahoaka betsaka aza.
18 Kwa kuwa mfalme amedharau kiapo chake kwa kulivunja agano. Tazama, ameunyoosha kwa mkono wake ili kufanya ahadi na bado ameyafanya haya mambo yote. Hataokoka.
Fa efa nanamavo ny fianianana izy tamin’ ny nivadihany ny fanekena, fa he! efa nanolotra ny tànany izy, kanjo nanao izany rehetra izany ihany, dia tsy ho afa-mandositra izy.
19 Kwa hiyo Bwana Yahwe asema hivi: Kama niishivyo, Je! hiki hakikuwa kiapo changu kwamba alidharau agano langu alilo livunja? Basi nitaleta nitamwadhibu juu ya kichwa chake!
Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Raha velona koa Aho, ny fampianianako izay nohamavoiny ary ny fanekeko izay nivadihany dia hatsingeriko ho eo an-dohany tokoa.
20 Nitausambaza wavu wangu juu yake, na atanaswa katika wavu wangu wa kutegea. Kisha nitamleta hata Babeli na kuzitekeleza hukumu juu yake huko kwa ajili ya uhaini wake alioufanya amenisaliti!
Ary ny fandrika haratoko dia hovelariko aminy, ka ho voan’ ny fandriko izy, ary ho entiko any Babylona ka hotsaraiko any noho ny nivadihany tamiko.
21 Wakimbizi wake wote katika majeshi yake yataanguka kwa upanga, na wale watakaobakia watatawanyika kila mahali. Kisha utajua yakwamba mimi ni Yahwe; nimesema hili litatokea.”
Ary ny miaramilany rehetra izay afa-mandositra dia ho lavon’ ny sabatra, ary izay sisa dia haely ho amin’ ny rivotra rehetra, ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no niteny izany.
22 Bwana Yahwe asema hivi, 'Basi mimi mwenyewe nitaichukua sehemu ya juu ya mti wa mkangazi, na nitaupanda mbali na matawi yake laini. Nitaukata, na mimi mwenyewe nitaupanda juu ya mlima mrefu.
Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Izaho dia haka amin’ ny rantsana avo indrindra amin’ ny sedera avo, ka hamboleko izany; holaingosako ny tendron’ ny laingony milenodenoka, ka hamboleko ao amin’ ny tendrombohitra avo sy milangalanga izany.
23 Nitaupanda juu ya milima ya Israeli hivyo utazaa matawi na kuzaa matunda, na utakuwa mkangazi wa fahari ili kwamba kila ndege arukaye ataishi chini ya huo. Watajenga viota chini ya kivuli cha matawi yake.
Ao amin’ ny tendrombohitra avon’ ny Isiraely no hamboleko azy; ary handrantsana sy hamoa izy ka ho tonga sedera tsara indrindra, ary ny vorona samy hafa rehetra hitoetra ao aminy; ao amin’ ny alokaloky ny rantsany no hitoerany.
24 Kisha miti yote ya shambani itajua kwamba mimi ni Yahwe. Nimeishusha miti mirefu na nimeiinua juu miti mifupi. Naunyausha mti mbichi na kuufanya mti mkavu kuchanua. Mimi Yahwe, nimesema hivyo hii itatokea; nami nimelifanya hili.'”
Ary ho fantatry ny hazo rehetra any an-tsaha fa Izaho Jehovah no efa nanetry ny hazo avo ka nanandratra ny hazo iva ary nandazo ny hazo maitso ka nampaniry ny hazo maina; Izaho Jehovah no niteny sady nanao izany.

< Ezekieli 17 >