< Ezekieli 12 >

1 Neno la Yahwe likanijia, kusema,
Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
2 “Mwana wa adamu, unaishi kwenye nyumba ya uasi, wana macho ya kuona lakini hawaoni; na wana masikio ya kusikia lakini hawasikii, kwa sababu wao ni nyumba iliyoasi.
Ry zanak’ olona, ianao monina eto amin’ ny taranaka maditra, izay mana-maso hahitana, nefa tsy mahita, ary manan-tsofina handrenesana, nefa tsy mandre fa taranaka maditra izy.
3 Kwa hiyo wewe mwanadamu, andaa mambo yako kwa ajili ya uhamisho, na anza kuondoka mchana usoni kwao, kwa kuwa nitakuhamisha kwenye uso wao kutoka sehemu yao kwenda sehemu nyingine. Labda wataanza kuona, kuwa wao ni nyumba ya uasi.
Koa ianao, ry zanak’ olona, mifeheza entana handeha hifindra ho any amin’ ny fahababoana, ka miaingà antoandro eo imasony; ary mialà eo imasony eo amin’ izay itoeranao ho any amin’ ny fitoerana hafa; angamba mba ho fantany fa taranaka maditra izy.
4 Utatoa vitu vyako kwa ajili ya kuhamisha mchana katika macho yao; toka jioni kwenye macho yao kama ambavyo uendavyo kwenye uhamisho.
Dia havoakanao antoandro eo imasony ny entanao, toy ny entan’ ny olona handeha ho any amin’ ny fahababoana; fa ny tenanao kosa dia hivoaka hariva eo imasony toy ny fivoaky ny handeha ho any amin’ ny fahababoana.
5 Chimba shimo ukutani kwenye uso wa macho yao, na ingia ndani yake.
Boroboahy eo imasony ny manda, ka ao no amoahy ny entanao.
6 Kwenye macho yao, chukua vitu vyako kwenye mabega yako, na uwalete kwenye giza. Funika uso wako kama ishara kwenye nyumba ya Israeli.”
Ataovy an-tsoroka eo imasony no fitondranao azy, ka ento mivoaka, rehefa maizina dia maizina ny andro; sarony ny tavanao mba tsy hahitanao ny tany; fa efa nataoko ho famantarana mahagaga ho an’ ny taranak’ Isiraely ianao.
7 Hivyo nikafanya hivyo, kama nilivyokuwa nimeamriwa. Nikatoa vitu vya uhamisho wakati wa mchana, na katika jioni nikachimba shimo hata kwenye ukuta kwa mkono. Nikachukua vitu vyangu kwenye giza, na kuviweka juu kwenye bega langu katika macho yao.
Dia nanao araka izay efa nandidiana ahy aho, ka nentiko nivoaka antoandro ny entako, toy py entan’ ny olona handeha ho any amin’ ny fahababoana, ary nony hariva dia noboroboahako tamin’ ny tanako ny manda, ka nony efa maizina dia maizina ny andro, dia nentiko nivoaka izany ka teny an-tsoroka no nitondrako azy teo imasony.
8 Kisha neno la Yahwe likanijia asubuhi, likisema,
Ary nony maraina dia tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
9 Mwanadamu, je nyumba ya Israeli, ile ni nyumba ya uasi, hawakukwambia, 'Unafanya nini?'
Ry zanak’ olona, moa ny taranak’ Isiraely, izay taranaka maditra, tsy manontany aminao hoe va: Inona izao ataonao izao?
10 Waambie, 'Bwana Yahwe asema hivi: hili tendo la kinabii linamhuusu mwana wa mfalme wa Yerusalemu, na nyumba yote ya Israeli walio kati yao.'
Ambarao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Ity faminaniana ny loza ity dia ho amin’ ny mpanjakan’ i Jerosalema sy ny taranak’ Isiraely rehetra izay ao aminy.
11 Sema, 'Mimi ni ishara kwenu. Kama nilivyofanya, itafanyika kwao; watakwenda uhamishoni na kuwa wafungwa.
Lazao hoe: Izaho dia famantarana mahagaga ho anareo, koa tahaka izay ataoko no hatao amin’ ireo; hifindra sy ho lasan-ko babo izy.
12 Yule mwana wa mfalme aliye miongoni mwao atavibeba vitu vyake kwenye bega lake katika giza, na ataenda zake kupitia kwenye ukuta. Watachimba kwenye ukuta na kutoa vitu vyao nje. Atafunika uso wake, hivyo hataona nchi kwa macho yake.
Ary ny mpanjaka, izay ao aminy dia hitondra ny entany eny an-tsorony nony efa maizina dia maizina ny andro ka hivoaka; hoboroboahan’ ny olona ny manda hamoahana azy; hanarona ny tavany izy mba tsy ho hitan’ ny masony ny tany.
13 Nitausambaza wavu wangu juu yake naye atanaswa kwenye mtego wangu; kisha nitamleta Babeli, ncha ya Wakaldayo, lakini hataiona. Atafia huko.
Ary ny fandrika haratoko dia hovelariko aminy, ka ho voan’ ny fandrika izy; dia ho entiko any Babylona any amin’ ny tanin’ ny Kaldeana izy, ary tsy hahita izany, nefa ho faty any ihany.
14 Pia nitatawatawanya katika kila mwelekeo wale wote waliomzunguka wanaomsaidia na jeshi lake lote, na nitaufuata upanga nyuma yao.
Ary izay rehetra manodidina azy, dia ny mpanampy azy sy ny miaramilany rehetra, haeliko ho amin’ ny rivotra rehetra, sady hanatsoaka sabatra ho enti-manenjika azy Aho.
15 Kisha watajua kwamba mimi ni Yahwe, wakati nitakapo watawanya kwenye nchi zote.
Ary dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, raha ahahako any amin’ ny jentilisa sy ampieleziko any amin’ ny tany samy hafa izy.
16 Lakini nitaacha kuwaangamiza watu wachache kutoka miongoni mwao kutoka kwenye upanga, njaa, na tauni, hivyo wanaweza kukumbuka maovu yao yote katika nchi zao nilipowachukulia, hivyo watajua kwamba mimi ni Yahwe.”'
Nefa hamelako olom-bitsy ihany izy ho sisa tsy ho ringan’ ny sabatra sy ny mosary sy ny areti-mandringana, mba hisy hitantara ny fahavetavetany rehetra any amin’ ny jentilisa izay alehany; ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah.
17 Neno la Yahwe likanijia, likisema,
Tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
18 “Mwanadamu, kula mkate wako kwa kutetemeka, na kunywa maji yako kwa mtetemo na hofu.
Ry zanak’ olona, hano amin-korohoro ny haninao, ary sotroy amin-kovitra sy amin’ ahiahy ny ranonao.
19 Kisha waambie watu wa nchi, 'Bwana Yahwe asema hivi kuhusiana na wale wakaao Yerusalemu, na nchi ya Israeli: Watakula mikate yao kwa kutetemeka na kunywa maji yao wakiwa wanatetemeka, kwa kuwa nchi itaporwa vitu vyote viijazavyo kwa sababu ya kuwa kinyume na waishio huko.
Ary lazao amin’ ny vahoaka hoe Izao no lazain’ i Jehovah Tompo ny amin’ ny mponina ao Jerosalema, ao amin’ ny tanin’ ny Isiraely: Amin’ ahiahy no hihinanany ny haniny, ary amim-pahatalanjonana no hisotroany ny ranony, mba ho foana mihitsy ny tany, ka tsy hisy na inona na inona ao, noho ny fandozan’ izay rehetra monina ao aminy.
20 Hivyo ile miji iliyokuwa wenyeji itachukuliwa, na nchi itakuwa ukiwa; hivyo mtajua kwamba mimi ni Yahwe.”'
Dia ho rava ny tanàna onenana, ary ho lao ny tany; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
21 Tena neno la Yahwe likanijia, likisema,
Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
22 “Mwanadamu, je ni mithali gani hii mlio nayo katika nchi ya Israeli mliyoisema, 'Siku zimerefushwa, na kila ono linaanguka'?
Ry zanak’ olona, ahoana moa, izao fitenenana ataonareo ao amin’ ny tanin’ ny Isiraely izao hoe: Mihaela ny andro, ary tonga tsinontsinona ny fahitana rehetra?
23 Kwa hiyo, waambie, 'Bwana Yahwe asema hivi: Nitaweka mwisho wa hii mithali, na watu wa Israeli hawataitumia tena.' Waambie, 'Siku zi karibu wakati kila ono litatimizwa.
Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Hatsahatro izany fitenenana izany ka tsy hatao fiteny ao amin’ ny Isiraely intsony; fa lazao aminy kosa hoe: Akaiky ny andro sy ny tenin’ ny fahitana rehetra.
24 Kwa kuwa hakutakuwa na maono ya uongo yoyote wala upendeleo wa mgawanyiko kati ya nyumba ya Israeli.
Fa tsy hisy fahitana foana intsony na faminaniana mandrobo ao amin’ ny taranak’ Isiraely.
25 Kwa kuwa mimi Yahwe! Nimesema, na nitayatiza yale maneno nilyoyasema. Hakuna kitu kitakacho chelewesha. Kwa kuwa nitaongea hili neno katika siku zenu, nyumba ya uasi, na nitalitimiza! -hivi ndivyo Bwana Yahwe asemavyo.””
Fa Izaho no Jehovah; hiteny Aho, ary ny teny lazaiko dia ho tò tokoa; tsy hajanona ela intsony izany; fa ho amin’ ny andronareo, ry taranaka maditra, no hilazako ny teny sy hanatanterahako azy, hoy Jehovah Tompo.
26 Tena neno la Yahwe likanijia, likisema,
Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
27 “Mwanadamu! Tazama, nyumba ya Israeli imesema, 'Lile ono alionalo ni kwa siku nyingi kutoka sasa, na ametabiri kipindi kilicho mbali sana.'
Ry zanak’ olona, indro, ny taranak’ Isiraely manao hoe: Mbola ho ela izany fahitana hitany izany, ary ny amin’ ny fotoana mbola lavitra no vinaniny.
28 Kwa hiyo waambie, 'Bwana Yahwe asema hivi: Neno langu halitacheleweshwa sana, lakini lile neno nililoliongea litatimizwa-hivi ndivyo Yahwe asemavyo.'”
Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Tsy hisy hajanona ela intsony ny teniko; fa ny teny izay lazaiko dia hotanterahiko, hoy Jehovah Tompo.

< Ezekieli 12 >