< Kutoka 35 >
1 Musa akawakusanya jamii yote ya Waisraeli na kuwaambia, “Haya ndio mambo Yahweh aliyo waamuru mfanye.
Ary Mosesy dia namory ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, ka nanao taminy hoe: Izao no teny nandidian’ i Jehovah hatao:
2 Kwa siku sita kazi ya weza fanywa, lakini kwako, siku ya saba lazima iwe siku takatifu, siku ya Sabato ya mapumziko, takatifu kwa Yahweh. Yeyote atakaye fanya kazi hiyo siku lazima auawe.
Henemana no hanaovanao raharaha, fa ny andro fahafito ho masìna aminareo, dia tena andro fitsaharana ho an’ i Jehovah; izay rehetra manao raharaha amin’ izany dia hatao maty.
3 Haupaswi kuwasha moto kwenye nyumba zenu siku ya Sabato.”
Aza mampirehitra afo amin’ ny andro Sabata any amin’ izay rehetra itoeranareo.
4 Musa akasema na jamii yote ya Waisraeli, kwa kusema, “Hichi ndicho kitu Yahweh alicho amuru.
Ary Mosesy niteny tamin’ ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, ka nanao hoe: Izao no teny izay nandidian’ i Jehovah:
5 Chukuwa sadaka kwa ajili ya Yahweh, wote wenye moyo mkunjufu. Leta sadaka kwa Yahweh - dhahabu, fedha, shaba,
Manalà ao aminareo fanatitra ho an’ i Jehovah: izay rehetra amporisihin’ ny fony dia aoka hitondra fanatitra ho an’ i Jehovah: dia volamena sy volafotsy sy varahina,
6 buluu, zambarau, sufu nyekundu na kitambaa kizuri; nywele za mbuzi;
ary manga sy volomparasy sy mena sy rongony fotsy madinika, ary volon’ osy
7 ngozi za kondoo zilizotiwa rangi nyekundu na ngozi za pomboo; na mbao za mshita;
sy hoditr’ ondrilahy efa nomenaina sy hodi-takasy ary hazo akasia,
8 mafuta ya taa kwa pahali patakatifu, viungo vya manukato kwa hayo mafuta ya kutiwa,
sy diloilo hatao fanazavana sy zava-manitra ho amin’ ny diloilo fanosorana sy ho ditin-kazo mani-pofona,
9 kwa uvumba mzuri na vito vya shohamu na vito vya kutiwa kwa hiyo naivera, na kwa hicho kifuko cha kifuani.
ary vato beryla sy vato halatsaka an-tranontranony ho amin’ ny efoda sy ho amin’ ny saron-tratra.
10 Kila mwanaume mwenye ustadi kati yenu aje na afanye kila kitu ambacho Yahweh aliyaamuru —
Ary aoka ny hendry rehetra eo aminareo ho avy ka hanao izay rehetra nandidian’ i Jehovah:
11 hema la kuabudia, na kifuniko chake, na vifungo vyake, na mbao zake, nguzo, na sakafu;
dia ny tabernakely sy ny lainy sy ny firakony sy ny farangony, sy ny zana-kazony sy ny barany sy ny andriny sy ny faladiany,
12 pia sanduku na nguzo zake, kiti cha rehema, na pazia la kusitiri.
ary ny fiara sy ny baony sy ny rakotra fanaovam-panavotana sy ny efitra lamba fanakonana,
13 Walileta meza na miguu yake, vyombo vyake vyote, na mkate wa wonyesho;
ary ny latabatra sy ny baony mbamin’ ny fanaka rehetra momba azy, ary ny mofo aseho,
14 kinara cha taa, vyombo vyake, taa, na mafuta ya zile taa;
ary ny fanaovan-jiro ho fanazavana mbamin’ ny fanaka momba azy ary ny lela fanaovan-jirony sy ny diloilo hatao fanazavana,
15 ile madhabahu ya uvumba na nguzo zake, mafuta ya upako na uvumba ulitiwa maukato; kishikizo cha mwingilio wa hema ya kuabudia;
ary ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra sy ny baony, ary ny diloilo fanosorana sy ny ditin-kazo mani-pofona, ary ny varavarana lamba ho eo amin’ ny varavaran’ ny tabernakely,
16 madhabahu ya sadaka ya kuteketeza na kitunzi cha shaba na nguzo na vyombo; na ile beseni kubwa na sakafu yake.
ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana sy ny harato varahina ho eo aminy sy ny baony ary ny fanaka rehetra momba azy, ary ny tavy sy ny faladiany,
17 Walileta vishikizo kwa ajili ya nyuani na nguzo zake na sakafu yake, na pazia kwa ajili mwingilio wa nyauni;
ary ny fefy lamba ho amin’ ny kianja sy ny tsangantsangany sy ny faladiany sy ny vavahady lamba ho eo amin’ ny vavahadin’ ny kianja,
18 na ile misumari ya hema la kuabudia na nyuani, pamoja na kamba zake.
ary ny tsimatry ny tabernakely sy ny tsimatry ny kianja sy ny kofehiny,
19 Walileta mavazi yaliyofumwa kutumikia sehemu takatifu, mavazi takatifu ya Aruni kuhani na wanae, kwa wao kutumika kama makuhani.”
ary ny fitafiana makarakara ho entiny manao fanompoam-pivavahana ao amin’ ny fitoerana masìna sy ny fitafiana masìna ho an’ i Arona mpisorona ary ny fitafian’ ny zanany ho entiny misorona.
20 Kisha makabila yote ya Israeli yakaondoka na kwenda kutoka uweponi mwa Musa.
Dia niala teo anatrehan’ i Mosesy ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra.
21 Kila mtu moyo wake ulimchochea na aliye andaliwa na roho yake alikuja na kuleta sadaka kwa Yahweh kwa matengenezo ya hema ya kuabudia, kwa vitu vyote kwajili ya huduma ndani yake, na kwa vazi takatifu.
Ary samy nanatona izy, dia izay rehetra nampahazotoin’ ny fony, ary izay rehetra namporisihin’ ny fanahiny, ka nitondra ny fanatitra ho an’ i Jehovah hanaovana ny trano-lay fihaonana sy ny fanompoana rehetra momba azy ary ny fitafiana masìna.
22 Walikuja, wote wanaume kwa wanawake, wote waliokuwa na moyo wa utayari. Walileta madini, hereni, pete, na vitu vya thamani, vitu vyote tofauti vyenye madini ya dhahabu. Waliwasilisha sadaka za dhahabu kama sadaka ya kupunga kwa Yahweh.
Dia nanatona ny lehilahy mbamin’ ny vehivavy rehetra izay namporisihin’ ny fony, ka nitondra fisisika sy kavina sy peratra sy voa volamena, dia izay firavaka volamena samy hafa rehetra, dia ny olona rehetra izay efa nanatitra volamena ho fanatitra ho an’ i Jehovah.
23 Kila mmoja alikuwa na sufu ya buluu, dhambarau, au nyekundu, nguo nzuri, singa za mbuzi, ngozi za kondoo zilizobadili kuwa nyekundu, na ngozi ya pomboo walivileta.
Ary ny olona rehetra izay nanana manga sy volomparasy sy mena sy rongony fotsy madinika sy volon’ osy sy hoditr’ ondrilahy efa nomenaina ary hodi-takasy dia nitondra azy.
24 kila mmoja alitengeneza sadaka ya fedha au shaba walizileta kama sadaka kwa Yahweh, na kila mmoja aliyekuwa na mti wa mshita kwa matumizi ya kazi aliuleta.
Izay rehetra nanatitra fanatitra volafotsy sy varahina dia nitondra ny fanatitra ho an’ i Jehovah; ary izay rehetra nanana hazo akasia hanaovana zavatra ho amin’ ny fanompoana dia nitondra azy.
25 kila mwanamke mwenye ustadi walisokota sufu kwa mikono yao na walileta sufu walizosokota za buluu, dhambarau, au sufu nyekundu, au nguo nzuri.
Ary ny vehivavy rehetra izay hendry dia namoly tamin’ ny tànany ka nitondra izay nofolesiny, dia ny manga sy volomparasy sy mena ary ny rongony fotsy madinika.
26 Wanawake wote wenye mioyo iliyochochewa na walio na ustadi walisokota singa za mbuzi.
Ary ny vehivavy rehetra izay nampahazotoin’ ny fony tamin’ ny fahendrena dia namoly ny volon’ osy.
27 Viongozi walileta mawe ya shohamu na mawe mengine kwaajili ya kuwekwa kwenye hiyo naivera na hicho kifuko cha kifuani;
Ary ny loholona nitondra ny vato beryla sy ny vato halatsaka an-tranontranony ho amin’ ny efoda sy ho amin’ ny saron-tratra,
28 walileta viungo na mafuta kwaajili ya taa, kwa mafuta ya upako, na kwa uvumba wa manukato.
ary ny zava-manitra sy ny diloilo hatao fanazavana sy ho amin’ ny diloilo fanosorana ary ho amin’ ny ditin-kazo mani-pofona.
29 Waisraeli walileta sadaka ya hiyari kwa Yahweh; kila mwanaume na mwanamke ambao mioyo yao ilikuwa tayari walileta vifaa kwaajili kazi zote ambazo Yahweh aliamuru kupitia Musa zifanyike.
Ary ny Zanak’ Isiraely nitondra fanatitra sitra-po ho an’ i Jehovah: dia ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra izay namporisihin’ ny fony hitondra izay hanaovana ny zavatra rehetra nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy hatao.
30 Musa alisema kwa waisraeli, “Tazama, Yahweh ameita kwa jina juu ya Bezaleli mwana wa Uri mwana wa Huri, kutoka kabila la Yuda.
Ary hoy Mosesy tamin’ ny Zanak’ Isiraely: Indro, efa notononin’ i Jehovah anarana Bezalila, zanak’ i Ory, zanak’ i Hora, avy amin’ ny firenen’ i Joda,
31 Aliijaza Bezaleli kwa Roho yake, kumpa hekima, uwelewa, na maarifa, kwa aina zote za ujenzi,
ka efa nofenoiny fanahin’ Andriamanitra, dia fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ny amin’ ny tao-zavatra samy hafa,
32 kufanya sanaa ya ubunifu na kufanya kazi za dhahabu, shaba, na shaba;
dia ny hamoron-tsaina hanao asa kanto, sy ny hiasa volamena sy volafotsy ary varahina,
33 pia kukata na kupanga mawe na mbao iliochongwa- kufanya kazi za aina zote kwa ubunifu na ujenzi.
ary ny hamboatra vato halatsaka an-tranontranony sy ny handrafitra hazo, hanaovana izay asa kanto samy hafa rehetra.
34 Aliiweka kufundisha ndani ya moyo wake, yeye pamoja na Oholiabu mwana wa Ahisamaki, kutoka kabila la Dani.
Ary ny fahaizana hampianatra koa dia efa nataon’ Andriamanitra tao am-pony, dia izy sy Oholiaba, zanak’ i Ahisamaka avy amin’ ny firenen’ i Dana.
35 Aliwajaza kwa ustadi wa kufanya kazi za aina zote, kufanya kazi ya kama kuchora mawe, kama mwerevu, kama mtia taraza katika nyuzi za rangu ya buluu, dhambarau, na nyekundu na nguo nzuri, na kama washonaji. Walikuwa wachonga mawe wa kazi zote, na walikuwa wabunifu wa sanaa.
Ary efa nofenoiny fahendrena izy roa lahy, hanaovany ny tao-zavatra samy hafa, dia ny an’ ny mpiasa tefy sy rafitra ary ny an’ ny mpanenona mahay tenona samy hafa soratra, dia amin’ ny manga sy volomparasy sy mena ary amin’ ny rongony fotsy madinika ary ny an’ ny mpanenona, dia ny ho mpanao ny asa samy hafa sy ho mpamorona asa kanto.