< Kutoka 13 >

1 Yahweh akasema na Musa na kumwambia,
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
2 “Nitengee wazaliwa wote wa kwanza, kila mzaliwa wa kwanza wa Waisraeli, watu na wanyama. Mzaliwa wa kwanza ni wangu.”
Hamasino ho Ahy ny lahimatoa rehetra, dia izay voalohan-teraka rehetra eo amin’ ny Zanak’ Isiraely, na olona na biby fiompy: Ahy ireny.
3 Musa akawambia watu, “Hii kumbukeni hii siku, siku mliyo toka Misri, kutoka nyumba ya utumwa, kwa mkono hodari wa Yahweh amewatoa kutoka hii sehemu. Hakuna mkate wa hamira waruhusiwa kuliwa.
Dia hoy Mosesy tamin’ ny olona: Tsarovy izao andro izao, izay nivoahanareo avy tany Egypta, tamin’ ny trano nahandevozana, fa tamin’ ny tanana mahery no nitondran’ i Jehovah anareo nivoaka avy tany; koa aza misy mihinana izay misy masirasira.
4 Mnatoka Misri hii siku, mwezi wa Abibu.
Izao andro amin’ ny volana Abiba izao no ivoahanareo
5 Yahweh atakapo waleta nchi ya Wakanani, Wahiti, Waamori, Wahivi, na Wayebusi, nchi aliyo waapia mababu zenu kuwapa, nchi inayo tiririka kwa maziwa na asali - kisha wapaswa kuadhimisha hili tendo la ibada kila mwezi.
Ary raha hitondra anao Jehovah ho any amin’ ny tanin’ ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Hivita ary ny Jebosita, izay nianianany tamin’ ny razanao homena anao, dia tany tondra-dronono sy tantely, dia hanao izany fanompoana izany ianao amin’ izao volana izao.
6 Kwa siku saba utakula mkate bila hamira; siku ya saba kutakuwa na maakuli ya kumuadhimisha Yahweh.
Hafitoana no hihinananao mofo tsy misy masirasira, ary amin’ ny andro fahafito dia hisy andro firavoravoana ho an’ i Jehovah.
7 Mkate usio na hamira wapaswa kuliwa kwa siku saba zote; hakuna mkate ulio na hamira wapaswa kuliwa miongoni mwenu. Hakuna hamira yapaswa kuonekana kwenye mipaka yenu.
Ny mofo tsy misy masirasira hohanina mandritra ny hafitoana; ary tsy hisy eo aminao izay mofo misy masirasira, ary tsy hisy izay masirasira akory ao aminao eny amin’ ny taninao rehetra.
8 Hiyo siku utasema kwa watoto wako, 'Hii ni kwasababu ya kile Yahweh alichofanya kwangu nilipo taka Misri.'
Dia hambaranao amin’ ny zanakao amin’ izany andro izany hoe: Noho ny nataon’ i Jehovah tamiko tamin’ ny nivoahako avy tany Egypta no anaovako izao.
9 Hii itakuwa kumbukumbu mkononi mwako, na kumbukumbu kwenye paji la uso wako. Hii ni ili sheria ya Yahweh iwe kinywani mwako, maana kwa mkono hodari Yahweh amewatoa kutoka Misri.
Dia ho famantarana ho anao eo amin’ ny tananao ary ho fampahatsiarovana eo ambonin’ ny handrinao izany, mba ho ao am-bavanao ny lalàn’ i Jehovah: fa tanana mahery no nitondran’ i Jehovah anao nivoaka avy tany Egypta.
10 Kisha basi wapaswa kushika hii sheria kwa wakati uliyo kusudiwa kutoka mwaka hadi mwaka.
Dia tandremo amin’ ny fotoany isan-taona izao lalàna izao.
11 Yahweh atakapo waleta kwenye nchi ya Wakanani, kama alivyo apa kwenu na kwa mababu zenu kufanya, na atakapo wapa nchi ninyi,
Ary raha hitondra anao Jehovah ho any amin’ ny tanin’ ny Kananita araka izay nianianany taminao sy ny razanao, ka homeny anao izany,
12 lazima umtengee mzaliwa wa kwanza mtoto na uzao wa kwanza wa wanyama wenu. Wakiume watakuwa wa Yahweh.
dia hatokanao ho an’ i Jehovah izay voalohan-teraka rehetra: ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra izay anananao, dia ho an’ i Jehovah ny lahy rehetra;
13 Kila mzaliwa wa kwanza wa punda lazima umnunue tena na mwana kondoo. Kama hautamnunua tena, lazima uivunje shingo yake. Lakini kila mzaliwa wa kwanza wakiume miongoni mwenu - lazima umnunue tena.
ary ny voalohan-teraky ny boriky dia hosoloanao zanak’ ondry; fa raha tsy hanolo azy ianao, dia hofolahinao ny vozony; ary ny lahimatoa rehetra amin’ ny olona eo amin’ ny zanakao dia havotanao.
14 Mwanae atakapo kuuliza baadae, 'Hii ina maana gani?' kisha utamwambia, 'Ni kwa mkono hodari Yahweh katutoa Misri, kutoka nyumba ya utumwa.
Ary raha hanontany anao ny zanakao amin’ ny andro ho avy ka hanao hoe: Inona no anton’ izao? dia holazainao aminy hoe: Tanana mahery no nitondran’ i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta, tamin’ ny trano nahandevozana;
15 Farao alipo kataa kwa ujeuri kutuachia twende, Yahweh aliwaua wazaliwa wa kwanza wa nchi ya Misri, wazaliwa wa kwanza wa watu na wa wanyama. Ndio sababu ninatoa dhabihu kwa Yahweh kwa kila mzaliwa wa kwanza wa kila mnyama, na pia sababu nina nunua wazaliwa wa kwanza wa wanangu tena.'
ary raha nanamafy ny fony ka tsy nandefa antsika Farao, dia novonoin’ i Jehovah ny lahimatoa rehetra tany amin’ ny tany Egypta, hatramin’ ny lahimatoan’ ny olona ka hatramin’ ny voalohan-teraky ny biby; koa izany no anaterako ho an’ i Jehovah ny lahy voalohan-teraka rehetra, fa ny lahimatoa rehetra amin’ ny zanako dia soloako.
16 Hii itakuwa kumbukumbu mikononi mwako na kumbukumbu kwenye paji lako la uso, kwa kuwa ni kwa mkono hodari Yahweh alitutoa kutoka Misri.”
Ary ho famantarana eo amin’ ny tananao sy ho fehy eo ambonin’ ny handrinao izany; fa tanana mahery no nitondran’ i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta.
17 Farao alipo waachia watu waende, Mungu akuwaongoza kwa njia ya Wafilisti, japo hiyo njia ilikuwa karibu. Kwa kuwa Mungu alisema, “Labda watu watabadili nia zao watakapo ona vita na watarudi Misri.”
Ary rehefa nalefan’ i Farao ny olona, dia tsy mba nentin’ Andriamanitra tamin’ ny lalana nankany amin’ ny tanin’ ny Filistina izy, na dia akaiky aza izany; fa hoy Andriamanitra: Andrao hanenina ny olona, raha mahita ady, ka hiverina any Egypta.
18 Hivyo Mungu akawaongoza watu kuzunguka nyikani kupita Bahari ya Shamu. Waisraeli waliondoka kutoka nchi ya Misri wakiwa wamejiami kwa pambano.
Fa nentin’ Andriamanitra nivily ho amin’ ny lalana mahazo any an-efitra amoron’ ny Ranomasina Mena ny olona; ary voaomana hiady ny fiakatry ny Zanak’ Isiraely avy tany amin’ ny tany Egypta.
19 Musa akachukuwa mifupa ya Yusufu pamoja naye, kwa kuwa Yusufu aliwaapisha Waisraeli na kusema, “Mungu atawaokoa, na muibebe mifupa yangu na nyie.”
Ary nentin’ i Mosesy niaraka taminy ny taolan’ i Josefa, satria Josefa efa nampianiana dia nampianiana ny Zanak’ Isiraely ka nanao hoe: Hamangy anareo tokoa Andriamanitra, dia hitondra ny taolako hiala atỳ miaraka aminareo ianareo.
20 Waisraeli walisafiri kutoka Sakothi na kuweka kambi Ethamu pembezoni mwa nyikani.
Dia nifindra niala tao Sokota izy ka nitoby tao Etama teo an-tsisin’ ny efitra.
21 Yahweh alitangulia mbele yao mchana kama nguzo ya wingu kuwaongoza njiani. Usiku alienda kama nguzo ya moto kuwapa mwanga. Kwa namna hii waliweza kusafiri mchana na usiku.
Ary Jehovah nandeha teo alohany tamin’ ny andri-rahona raha antoandro hitari-dalana azy, ary tamin’ ny andri-afo nony alina ho fahazavana ho azy, handehanany andro aman’ alina.
22 Yahweh hakuchukuwa kutoka kwa watu nguzo ya wingu mchana wala nguzo ya moto usiku.
Ny andri-rahona tsy niala teo alohan’ ny olona raha antoandro, na ny andri-afo nony alina.

< Kutoka 13 >